FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/10 p. 4-7
  • Manao Ahoana ny Toetran’ny Maty?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manao Ahoana ny Toetran’ny Maty?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy nokasaina ho an’ny taranak’olombelona ny fahafatesana
  • Fampanantenana inona?
  • Fampitan-kevitra avy amin’ny faritra misy an’ireo fanahy
  • Andriamanitry ny fahamarinana sy ny fitiavana i Jehovah
  • Inona no Manjo An’ireo Olo-malalantsika Nody Mandry?
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Tokony Hatahotra ny Maty ve Ianao?
    Mifohaza!—2009
  • Fiainana Aorian’ny Fahafatesana — Amin’ny Fomba Ahoana, Aiza, Rahoviana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Moa ve Ianao Manana Fanahy Tsy Mety Maty?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/10 p. 4-7

Manao Ahoana ny Toetran’ny Maty?

NY FAHATAHORANA ny maty dia miorina amin’ny hevitra ekena mialoha iray hoe ny maty dia manana fanahy (âme) na fanahy (esprit), izay manohy miaina aorian’ny fahafatesana. Raha mampianatra mazava ny Baiboly fa diso io fiheverana io, ilay fanontaniana ny amin’ny hoe afaka manisy ratsy anao sa tsia ny maty dia voavaly amin’izay. Koa inona àry no lazain’ny Baiboly?

Mahakasika ny toetran’ny maty, dia hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy. Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin’izay atao atỳ ambanin’ny masoandro izy.” — Mpitoriteny 9:5, 6.

Rehefa dinihina izany, afaka manampy na manisy ratsy anao ve ny maty? Tsia, hoy ny Soratra Masina. Tsy mahatsiaro tena sady mangina ny maty. Tsy afaka mampita hevitra amin’ny velona izy ireo na maneho izay mety ho fihetseham-po — fitiavana na fankahalana — na manatanteraka asa iray. Tsy mila ny matahotra azy ireny ianao.

‘Eny, mety ho marina izany raha manisy firesahana ny amin’ny fahafatesan’ny tena ara-batana ianareo’, hoy ny mety holazain’ny sasany. ‘Kanefa ny fahafatesana ara-batana dia tsy ny faran’ny fiainana; manafaka ny fanahy hiala amin’ny vatana fotsiny izy io. Afaka manampy na manisy ratsy ny velona io fanahy io.’ Olona an-tapitrisany maro maneran-tany no mihevitra toy izany.

Ohatra, eto Madagasikara, ny fiainana dia heverina ho tetezamita ihany, hany ka ny fandevenana sy ny famadihana dia heverina ho zava-dehibe kokoa noho ny fampakaram-bady. Heverina fa ilay olona dia avy tamin’ireo razany ary miverina any amin’izy ireo eo amin’ny fahafatesana. Koa amin’izany, ireo trano ho an’ny velona dia atao amin’ny hazo na biriky tany, fitaovana izay mihapotika rehefa mandeha ny fotoana, fa ireo fasana kosa, ireo “trano” ho an’ny maty, dia voakaly tsara sy maharitra kokoa amin’ny ankapobeny. Amin’ny famadihana iray, dia mihevitra ny fianakaviana sy ireo namana fa hotahina izy ireo, ary mino ireo vehivavy fa raha mikasika ny taolan’ilay havana maty izy ireo, dia ho afaka hiteraka. Nefa eto indray, inona no lazain’ny Tenin’Andriamanitra?

Tsy nokasaina ho an’ny taranak’olombelona ny fahafatesana

Mahaliana ny manamarika fa namorona ny olona mba ho velona i Jehovah Andriamanitra, ary tsy niresaka ny amin’ny fahafatesana izy raha tsy ho toy ny vokatry ny tsy fankatoavana ihany. (Genesisy 2:17). Mampalahelo fa nanota tokoa ilay lehilahy sy ilay vehivavy voalohany, ary ho vokatr’izany dia mihanaka amin’ny taranak’olombelona rehetra ny fahotana amin’ny maha-lova mahafaty. (Romana 5:12). Koa azonao atao ny milaza fa ny fahafatesana dia zava-misy mandrakariva eo amin’ny fiainana hatramin’ny tsy nankatoavan’ny mpivady olombelona voalohany, eny, zava-misy mampahory eo amin’ny fiainana. Noforonina mba ho velona isika, ka izany dia manazava amin’ny ampahany ny antony maha-mafy aoka izany ho an’ny olona an-tapitrisany maro tsy tambo isaina ny fiatrehana ny fahafatesana ho toy ny farany.

Araka ny fitantaran’ny Baiboly, i Satana dia niezaka namitaka ny mpivady olombelona voalohany momba ny fahafatesana tamin’ny fanoherana ny fampitandreman’Andriamanitra fa hitondra fahafatesana ny tsy fankatoavana. (Genesisy 3:4). Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nanjary niharihary mazava fa maty araka ny nilazan’Andriamanitra azy ny olombelona. Araka izany, nandritra ireo taonjato, dia mbola lainga hafa iray koa — ny hoe misy fanahy (esprit) izay tapany amin’ny olona mbola velona aorian’ny fahafatesan’ny vatana — no nasetrin’i Satana izany. Mifanentana amin’i Satana Devoly ny famitahana toy izany, izy izay nolazalazain’i Jesosy ho ny “rain’ny lainga”. (Jaona 8:44). Mifanohitra amin’izany, ny nasetrin’Andriamanitra ny fahafatesana dia fampanantenana mampahery iray.

Fampanantenana inona?

Izany dia fampanantenana fananganana ny maty ho an’ny maro. Ny teny grika adika hoe “fitsanganana amin’ny maty” dia hoe a·naʹsta·sis. Midika ara-bakiteny hoe “fijoroana indray” izy io, ary manisy firesahana ny amin’ny fananganana avy amin’ny fahafatesana. Eny, matory ao amin’ny fahafatesana ny olona, kanefa afaka manangana olona iray indray amin’ny alalan’ny heriny Andriamanitra. Mamoy ny aina ny olona, kanefa afaka manome azy aina indray Andriamanitra. I Jesosy Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra, dia nilaza fa “avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any [am-pasam-pahatsiarovana, NW ] ny feony; dia hivoaka izy”. (Jaona 5:28, 29). Ny apostoly Paoly dia nilaza ny ‘fanantenany amin’Andriamanitra fa hisy ny fitsanganan’ny marina sy ny [tsy marina, NW ]’. (Asan’ny Apostoly 24:15). I Joba, mpanompon’Andriamanitra nahatoky tamin’ny andro talohan’ny Kristianisma dia nanambara koa ny fanantenany fananganana amin’ny maty: “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan’ny fahafahako. Dia hiantso Hianao [Andriamanitra], ary izaho hamaly Anao”. — Joba 14:14, 15.

Moa ve ny fampanantenana mazava ny amin’ny fananganana amin’ny maty tsy manaporofo fa diso ilay hevitra hoe velona amin’ny endriky ny fanahy iray ny maty? Raha toa ka velona ny maty ary mifaly amin’ny fisiana any an-danitra na any amin’ny tontolo iray misy an’ireo fanahy, inona no ho zava-kendren’ny fananganana amin’ny maty? Tsy ho efa nahazo ny valisoany na ny anjarany ve izy ireny? Mampiharihary ny fandinihana ny Tenin’Andriamanitra fa ny maty dia tena maty tokoa, tsy mahatsiaro tena, matory mandra-pahatongan’ilay famohazana lehibe amin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty ao amin’ny tontolo vaovao iray — paradisa iray — nampanantenain’i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana. Kanefa, raha tsy midika ho fisarahan’ny vatana sy ny fanahy (esprit) ny fahafatesana ary raha tsy manohy miaina intsony ilay fanahy (esprit), ahoana ny amin’ireo toe-javatra toa nisian’ny fampitan-kevitra avy tany amin’ny tontolo misy an’ireo fanahy?

Fampitan-kevitra avy amin’ny faritra misy an’ireo fanahy

Notantaraina ny toe-javatra maro tsy voatanisa ny amin’ny hevitra nampitaina izay noheverina fa azo avy tany amin’ny faritra misy an’ireo fanahy. Avy aiza marina moa izy ireny? Mampitandrina antsika ny Baiboly fa “Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava. Koa tsy dia zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana”. (2 Korintiana 11:14, 15). Eny, mba hamitahana sy handroboana ny olona mora kokoa, ireo demonia (ireo anjely nikomy) dia nampita hevitra tamin’ny velona, ka nihambo fa hanampy indraindray.

Manome fampitandremana fanampiny ny apostoly Paoly momba izany fampielezana fitaka izany: “Hihemotra amin’ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia”. (1 Timoty 4:1). Koa izay mety ho valin-teny lazaina fa avy amin’ny maty dia azo inoana fa avy amin’ireo demonia izay mampiova ny endriny ho tahaka ny “mpanompon’ny fahamarinana” sady mampandroso lainga ara-pivavahana iray, ka manandevo ny olona amin’ny finoanoam-poana izay mitondra azy ireny lavitra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Amin’ny fanamafisana fa tsy afaka miteny na inona na inona, tsy afaka manao na inona na inona, na mahatsapa na inona na inona ny maty, ny Salamo 146:3, 4 dia milaza toy izao: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny [fanahiny (esprit), NW ] ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” Fanahy (esprit) inona no “miala”? Izy io dia ny herim-piainan’ilay olona izay hazonin’ny fofon’aina. Noho izany, rehefa mitsahatra tsy miaina ilay olona maty dia tsy miasa intsony ny fahafahany mahatsapa zavatra. Miditra ao anatin’ny tsy fahatsiarovan-tena tanteraka izy. Koa tsy afaka ny hanan-kery eo amin’ny velona izy.

Izany no antony ampitahan’ny Baiboly ny fahafatesan’ny olombelona iray amin’ny an’ny biby iray, amin’ny filazana fa samy tsy mahatsiaro tena izy ireo eo amin’ny fahafatesana ary miverina ho any amin’ny vovoka izay nanaovana azy ireo. Milaza toy izao ny Mpitoriteny 3:19, 20: “Zavatra sendrasendra foana ny zanak’olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby, — mitovy ihany ny mihatra amin’izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina ananan’izy rehetra; ary tsy misy ihoaran’ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra. Izy rehetra samy mankamin’ny fitoerana iray: avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray izy rehetra.”

Amin’ny fahafantarana fa ireo demonia dia miezaka mamitaka ny olona hihevitra hoe afaka mifampita hevitra amin’ny maty izy ireo sady afaka manan-kery eo aminy ny maty, i Jehovah Andriamanitra dia nampitandrina ny olony, ireo Isiraelita fahiny, toy izao: “Aoka tsy hisy eo aminao izay (...) mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, na manao ho masimbava, na mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ny maty. Fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany”. — Deoteronomia 18:10-12.

Mazava fa tsy avy amin’Andriamanitra ilay hevitra hoe afaka manisy ratsy antsika ny maty. Andriamanitry ny fahamarinana izy. (Salamo 31:5; Jaona 17:17). Ary mitahiry hoavy mahatalanjona ho an’ireo tia ny fahamarinana izay mivavaka aminy “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” izy. — Jaona 4:23, 24.

Andriamanitry ny fahamarinana sy ny fitiavana i Jehovah

Nanome izao fampanantenana izao ilay Raintsika any an-danitra be fitiavana, izay “tsy mahay mandainga”: Olona an-tapitrisany maro izay efa maty sy napetraka ao am-pasana no hatsangana amin’ny fanantenana ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’ny fahamarinana iray! (Titosy 1:1, 2; Jaona 5:28). Mampiharihary io fampanantenana mampiseho fitiavana io fa manana fiheverena lalina ny amin’ny fahasambaran’ny zavaboariny olombelona i Jehovah sady manana faniriana avy amin’ny fo ny hamarana ny fahafatesana sy ny alahelo ary ny fanaintainana. Koa tsy ilaina ny hatahorana ny maty na ny hanahiana be loatra momba azy ireny sy ny fanantenana ho azy ireny. (Isaia 25:8, 9; Apokalypsy 21:3, 4). Afaka manangana azy ireny sady hanangana azy ireny, ka hanafoana ny fanaintainana entin’ny fahafatesana i Jehovah, ilay Andriamanitsika be fitiavana sy tia ny rariny.

Ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, dia misy filazalazana be dia be ny amin’izay ho toe-piainana eto an-tany ao amin’izany tontolo vaovaon’ny fahamarinana nampanantenaina izany. (Salamo 37:29; 2 Petera 3:13). Ho fotoan’ny fiadanana sy ny fahasambarana izany, ary ho fotoan’ny fitiavana ho an’ny olona rehetra. (Salamo 72:7; Isaia 9:6; 11:6-9; Mika 4:3, 4). Hanana trano tsy hahitana ahiahy sady tsara dia tsara ny rehetra, ary koa asa mahafinaritra. (Isaia 65:21-23). Hisy zavatra tsara tondraka hohanina ho an’ny rehetra. (Salamo 67:6; 72:16). Hifaly amin’ny fahasalamana feno ny rehetra. (Isaia 33:24; 35:5, 6). Raha mbola hanapaka any an-danitra hiaraka amin’i Jesosy ireo apostoly sy ny fanampiny izay voafetra ny isany, ny Baiboly dia tsy manisy firesahana ny amin’ny toe-piainana ombam-pitahiana any an-danitra ho an’ny fanahy (âme) an’ny hafa aorian’ny fahafatesana. (Apokalypsy 5:9, 10; 20:6). Ho hafahafa izany hoe manohy miaina aorian’ny fahafatesana ireo olona an’arivo tapitrisany maro efa maty.

Kanefa tsy hafahafa izany rehefa mahafantatra ny fampianarana mazava ao amin’ny Baiboly isika: Mitsahatra tsy misy amin’ny maha-fanahy (âme) velona ny maty. Tsy afaka manisy ratsy anao izy ireo. Ireo izay ao amin’ny fasam-pahatsiarovana dia matory fotsiny, tsy mahatsiaro tena, mandra-pahatongan’ny fananganana azy ireo amin’ny fotoana mety amin’Andriamanitra. (Mpitoriteny 9:10; Jaona 11:11-14, 38-44). Ny fanantenantsika sy ny faniriantsika mafy àry dia miankina amin’Andriamanitra. “Koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ny famonjeny isika.” — Isaia 25:9.

[Sary, pejy 7]

Araka ny asehon’ny Tenin’Andriamanitra mazava, ny maty dia tsy mihetsika tanteraka mandra-pahatongan’ny fananganana amin’ny maty

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara