Fomba Fiaina Iray Misy Zava-kendrena
NOTANTARAIN’I MELVA A. WIELAND
Tamin’ny Martsa 1940, volana vitsivitsy taorian’ny nanaovana batisa ahy, dia nanatona ahy i Phyllis rahavaviko ary nanontany hoe: “Nahoana ianao raha mandeha manao ny asan’ny mpisava lalana?” “Mpisava lalana hoe?”, hoy aho nanontany. “Tianao holazaina ve hoe hitory manontolo andro, saiky isan’andro?”
‘AHOANA no ahafahako ho tonga mpisava lalana’, hoy ny eritreritro, ‘amin’izato fahalalako voafetra ny Baiboly sy ny tahiriko any amin’ny banky mbola voafetra kokoa aza?’ Na dia izany aza, dia nanomboka nampieritreritra ahy ilay fanontanian’i Phyllis. Nanao vavaka betsaka ny amin’izy io aho.
Farany, dia nanjohy hevitra toy izao aho: ‘Nahoana moa aho no tsy afaka mitoky amin’Andriamanitra rehefa mampanantena izy fa hikarakara antsika raha mikatsaka voalohany ny Fanjakany isika?’ (Matio 6:33). Koa tamin’ny Jona 1940 aho dia nanambara ny fialako tamin’ny asako tamin’ny naha-mpanjaitra. Avy eo aho dia nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower teto Aostralia, nangataka fanendrena ho mpisava lalana.
Ny fanendrena ahy mandritra ny androm-piainako
Tapa-bolana tatỳ aoriana, dia naharay valiny aho nilaza fa homena fanendrena aho aorian’ny hanatrehako ilay fivoriamben’ny distrika izay hatao teo amin’ny tanin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Strathfield, zana-bohitr’i Sydney, tanàna lehibe indrindra eto Aostralia. Ny maraina taorian’ilay fivoriambe, dia niseho tany amin’ny birao aho mba haka ny fanendrena ahy.
Nanazava toy izao ilay olona tao amin’ny birao: “Sahirana be izahay izao ao amin’ny fanasan-damba. Mba afaka mijanona manampy mandritra ny herinandro vitsivitsy ve ianao?” Tamin’ny Aogositra 1940 izany — ary mbola miasa ao amin’ny fanasan-damba ihany aho izao! Tamin’izany fotoana izany, dia tsy nisy afa-tsy olona 35 izahay no anisan’ny fianakaviana tao amin’ny foibe; izao dia misy olona 276.
Mety hanontany tena anefa ianao ny amin’ny antony iheverako ny fiasana ao amin’ny fanasan-damba ho “fomba fiaina iray misy zava-kendrena”, indrindra fa satria izany no asako efa hatramin’ny 50 taona mahery izao. Alohan’ny hanazavako izany, dia mamelà ahy hilaza ny amin’ireo zavatra nokatsahiko tany am-piandohana.
Nanjary fomba fiaina ny fanatanjahan-tena
Teraka tany Melbourne tamin’ny 1 Janoary 1914 aho, vavimatoa tamin’ny zaza dimy. Nanana ray aman-dreny be fitiavana izahay, dia ray aman-dreny izay nanaraka fari-pitsipika ambony sy nampihatra fifehezana rehefa nilaina izany. Nahazo fanabezana ara-pivavahana azo lazaina hoe tsy voafaritra tsara koa izahay, satria tsy mpiangona ny ray aman-dreninay. Na dia izany aza, dia nanantitrantitra izy ireo ny hanatrehanay ankizy ny sekoly alahady tany amin’ny Eglizy Anglikana.
Rehefa nandao ny sekoly aho tamin’ny 1928 ka nanomboka niasa tamin’ny naha-mpanjaitra, dia nanapa-kevitra ny handany ny ankamaroan’ny fotoanako malalaka tamin’ny fanaovana fanatanjahan-tena, noho ny finoana fa izany dia mety hanampy ahy handresy ny fahasarotan-kenatro. Niditra tao amin’ny fikambanana iray mpilalao tenisy aho ary nilalao mandavantaona. Nandritra ny ririnina aho dia nilalao baskety sy base-ball koa, ary nandritra ny fahavaratra aho dia nilalao tao amin’ny ekipan’ny vehivavy mpilalao cricket. Tonga zavatra tiako dia tiako ny cricket, ary niezaka mafy aho mba handavorary ny fahaizako tamin’ny naha-mpanipy baolina haingana mba hahafeno fepetra ho amin’ny lalao nifaninanan’ny samy fanjakana.
Zava-kendrena hafa noho ny fanatanjahan-tena
Aloha be teo amin’ny fiainana dia nanjary sahiran-tsaina aho noho ilay fampianarana hoe ny Andriamanitra fitiavana iray dia manana toerana iray antsoina hoe afobe izay ampijaliana tsy misy farany an’ireo izay manao ratsy. Tsy neken’ny saiko tsotra izao izany. Koa alao sary an-tsaina ny haravoako rehefa fantatro tamin’ny fomba tsy nampoizina avy tao amin’ny Baiboly ny tena dikan’ny “afobe”. Toy izao no nitrangan’izany:
Tia nanao fanatanjahan-tena koa i Phyllis rahavaviko, izay zandriko dimy taona, ary tao amin’ny ekipan’ny vehivavy mpilalao cricket iray ihany izahay. Tamin’ny 1936, ny mpiray ekipa iray dia nampifankahalala an’i Phyllis tamin-jazalahy iray nantsoina hoe Jim, izay nalaza ho mpivavaka be. Tsy ela i Jim dia nanomboka niresaka tamin’i Phyllis ny amin’ireo fampianaran’ny Baiboly. Nanitikitika ny sainy izany. “Araka ny fandrindran-kevitra sy azon’ny saina ekena aoka izany ilay izy”, hoy izy tamiko.
Tamin’izany fotoana izany dia niray efitrano izahay sy i Phyllis tany an-trano, ary nanandrana nanaitra ny fahalianako tamin’izay nolazain’i Jim taminy momba ny Fanjakan’Andriamanitra, izy. “Hanao izay tsy vitan’ireo fanjakan’olombelona izy io”, hoy izy tamiko tamim-pahataitairana. Niady hevitra taminy anefa aho tamin’ny filazana fa fivavahana hafa iray hampisafotofoto anay fotsiny io, ary fa tsy misy olona tena mahafantatra ny hoavy. Nikiry anefa i Phyllis, ary navelany teny rehetra teny tao amin’ny efitrano ny zavatra vita an-tsoratra, tamin’ny fanantenana ny mety hamakiako azy.
Tiako ho fantatra ny antony nahatonga an’i Phyllis hafana fo aoka izany tamin’io finoana vaovao io, koa dia noraisiko ny bokikely iray indray andro. Nanana lohateny nanitikitika ny saina hoe Fiainana any An-koatra ilay izy. Taitra ny fahalianako rehefa namadibadika haingana ireo pejiny aho ka nahita ilay teny hoe “afobe”. Akory ny hagagako rehefa nianarako fa hay ilay teny ao amin’ny Baiboly hoe “afobe”, raha ny tena izy, dia manondro ny fasana iombonan’ny olombelona, ary ny olona tsara sy ratsy dia samy mankao aminy. Nianarako koa fa tsy toeram-pampijaliana akory ny afobe; ny maty dia tsy mahatsiaro tena ka tsy afaka mahatsapa na inona na inona. — Mpitoriteny 9:5, 10; Salamo 146:3, 4.
Neken’ny saiko izany, indrindra fa rehefa nanazava ilay bokikely hoe ny Andriamanitra mahery sy be fitiavana iray dia nampanantena hamerina ny maty amin’ny alalan’ny fahagagana iray antsoina hoe fananganana ny maty. (Jaona 5:28, 29). Izao aho dia naniry koa ny hahafantatra bebe kokoa ny amin’ireo zavatra izay nolazain’i Jim tamin’i Phyllis. Hitako ilay Baiboly kely King James Version izay nomen-draiko ahy fony aho mbola kely, ary dia nozahako ireo andinin-teny voatanisa ao amin’ilay bokikely. Izany dia nanamafy izay voalaza momba ny afobe sy ny toetran’ny maty.
Zavatra tsy nampoizina hafa iray nahasondriana ahy ny nahafantatra fa manana anarana manokana hoe Jehovah, Andriamanitra. (Salamo 83:18). Afaka nahita koa aho fa nanana fikasana na antony ho an’ny zava-drehetra izay nataony sy navelany hitranga, Andriamanitra. Izany dia nahatonga ahy hanontany tena hoe: ‘Inona marina tokoa moa no zava-kendreko eo amin’ny fiainana?’ Hatramin’izay, dia nanomboka nanontany tena aho raha tena nahasoa ahy ny nihevitra ny fanatanjahan-tena ho zava-dehibe aoka izany, ka nanaovako tsirambina saika ny zavatra hafa rehetra.
Fiasana mifanaraka amin’ny fahatapahan-kevitra
Tsy fantatr’i Jim sy i Phyllis mihitsy fa niova ny fiheverako ny fiainana, kanefa dia hitan’izy ireo izany rehefa voasa tany amin’ny lanonana nataon’ny namana ny fianakavianay. Tamin’izany andro izany, amin’ny tarehin-javatra toy izany, izay rehetra teo dia nitsangana ary nanolotra zava-pisotro ho voninahitry ny Mpanjakan’i Angletera, ary dia nampiakatra ny verany ny rehetra ka nisotro ho fanajana ilay mpanjaka. Nanapa-kevitra ny hanohy hipetraka niaraka tamin’i Jim sy i Phyllis anefa aho. Tsy nino izy ireo rehefa nahita ahy mbola nipetraka! Mazava ho azy fa tsy ta haneho tsy fanajana akory izahay, fa tamin’ny naha-Kristiana anay dia nihevitra izahay fa tokony hialanalana ary tsy handray anjara amin’ny fombafomba fanindrahindram-pirenena toy izany. — Jaona 17:16.
Na dia izany aza, dia tafintohina mafy ny ray aman-dreniko sy ny sisa tamin’ny fianakaviana. Nilaza izy ireo fa nivadika izahay na lasa adala — na izy roa! Avy eo, rehefa nanatrika ny fizarana loka isan-taona ho an’ny ekipan’ny vehivavy mpilalao cricket izahay sy i Phyllis, dia nisy zavatra toy izany nitranga nandritra ny fombafomba iray fanindrahindram-pirenena. Ny fiafarany dia samy niala tamin’ilay ekipa izahay mirahavavy. Tsy sarotra araka ny nieritreretako azy ilay izy, satria nanjary takatro fa ny fankatoavako sy ny tsy fivadihako dia an’i Kristy Jesosy, Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra.
Nohazavain’i Phyllis izao fa nila nanatrika ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tsy tapaka aho mba hampitomboana ny finoako tamin’ny fahalalana bebe kokoa ny Baiboly. Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy afa-tsy kongregasiona iray tany Melbourne, koa dia nanomboka nanatrika ny fivoriana tany aho isaky ny alahady tolakandro. Tsy ela dia niaiky mafy aho fa io no tena fandaminan’Andriamanitra eto an-tany.
Tsy ela dia nasaina handray anjara tamin’ny asa fitoriana isan-trano nataon’ny kongregasiona aho. Tamin’ny voalohany dia nisalasala aho, kanefa indray alahady maraina dia nanapa-kevitra ny handeha hiaraka aho, mba hahitana ny fanaovana izany fotsiny. Faly aho rehefa voatendry hiaraka tamin’ny Vavolombelona iray ampy fanandraman-javatra izay niresaka tamin-toky teo amin’ny varavarana voalohany, ka noraisin’ilay tompon-trano tsara. Niteny anakampo aho hoe: ‘Tsy sarotra loatra ilay izy, saingy hila fanazaran-tena betsaka aho alohan’ny ahafahako manao tsara toy izany.’ Koa alao sary an-tsaina ny fahagagako rehefa nilaza tamiko ilay Vavolombelona, taorian’io varavarana voalohany io, hoe: “Afaka mandeha mitory irery amin’izay ianao izao.”
“Mandeha irery hoe?”, hoy aho nanontany sady tankina! “Vazivazinao ve izany e? Dia inona no holazaiko raha misy manao amiko fanontaniana tsy haiko valiana?” Nisisika anefa ilay namako. Koa nandeha irery aho, tora-kovitra ara-bakiteny, fa izy kosa nanohy nanao fanambarana tamin’ny olona terỳ ampitan’ny arabe. Tsy fantatro hoe ahoana fa tafavoaka tamin’io maraina voalohany io aho.
Hatramin’izay, dia nanomboka nandray anjara tamin’ny asa fitoriana isaky ny alahady maraina aho. Rehefa nisy olona teo am-baravarana nanao fanontaniana tsy haiko valiana, dia nilaza aho hoe: “Hanao fikarohana ny amin’izany aho ary hiverina hitsidika anao.” Soa ihany fa tsy nitsahatra nanome ahy tanjaka sy herim-po mba hanohy ilay fomba fiainako vaovao nisy zava-kendrena i Jehovah. Nanolotra ny fiainako ho azy aho, ary tamin’ny Oktobra 1939, dia natao batisa tao amin’ny dobo filomanosam-bahoaka tao amin’ny tanànan’i Melbourne aho. Tsy ela taorian’izay no nanontanian’i Phyllis ahy ny antony tsy nanombohako nanao ny asan’ny mpisava lalana. Efa nanambady an’i Jim i Phyllis tamin’izay.
Fanompoana tao amin’ny sampana
Tamin’ny Janoary 1941, tsy ela taorian’ny nanombohako niasa tao amin’ny Betela, araka ny niantsoanay ny biraon’ny sampana, dia nisy fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Aostralia. Taorian’izay dia nalain’ny miaramila ny Trano Betela tany Strathfield, ary dia nalefa tany amin’ny toeram-piompian’ny Fikambanana tany Ingleburn, 48 kilaometatra teo ho eo tany ivelan’ny tanàna, aho. Tamin’ny Jona 1943, dia nanafaka madiodio ny Fikambanana Watch Tower ny fitsarana ary nanafoana ilay fandrarana. Tamin’ny faran’io taona io, dia nasaina hiverina tany amin’ny Betelan’i Strathfield ny 25 taminay. Tao dia nanohy niasa tao amin’ny fanasan-damba aho, ary koa nandray anjara tamin’ny asa hafa nahakasika ny trano.
Toa nandeha haingana ny folo taona nanaraka. Avy eo, tamin’ny 1956, dia nanambady mpiara-miasa iray tao amin’ny Betela aho, dia i Ted Wieland. Lehilahy tena tony sy be faharetana i Ted, ary ravoravo izahay rehefa nekena hanohy hiaina tao amin’ny Betela tamin’ny naha-mpivady. Samy nihevitra ho sarobidy ny fomba fiainanay nisy zava-kendrena izahay, faly noho ilay tombontsoa hanompo tao amin’ny sampan’i Aostralia. Mazava ho azy fa, ankoatra ny asanay tao amin’ny Betela, dia nanana fifaliana niara-niasa teo amin’ny fanampiana ny hafa ho tonga mpianatr’i Kristy izahay. Ho ohatra iray, afaka mamaky ny amin’ny fianakaviana Weekes ianareo ao amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 22 Oktobra 1993.
Ny fitomboana tsy niovaova teo amin’ny fitoriana ilay Fanjakana dia nitaky ny fanampiana olona 10 na 12 monja tao amin’ireo mpiara-miasa aminay nandritra ireo 30 taona voalohany naha-tao amin’ny Betela ahy. Niova haingana anefa ny tarehin-javatra tamin’ireo taona 1970, rehefa nanomboka nanonta ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! teto izahay. Natomboka tamin’ny trano fanontam-pirinty vaovao iray ny fanorenana tamin’ny Janoary 1972. Tsy ela dia tonga avy tany Japana ny milina iray fanaovana pirinty nilanja 40 taonina, ary tamin’ny 1973, dia nanao pirinty gazety efa ho 700 000 isam-bolana izahay. Tena nanomboka nitombo tokoa izao ny fianakavian’ny Betela nisy anay.
Fotoan’ny alahelo manokana ho ahy koa ireo taona 1970. Voalohany, dia maty tamin’ny 1975 i Ted vady malalako teo amin’ny faha-80 taonany. Avy eo, tsy ampy herintaona taorian’izay, dia natory tao amin’ny fahafatesana koa ny raiko efa zokiolona. Nanovo fampiononana betsaka tamin’i Jehovah sy ny Teniny, ny Baiboly, ary tamin’ireo anadahiko sy rahavaviko ara-panahy, aho. Nanampy betsaka koa ny naharevo ahy tamin’ny asako nisy zava-kendrena teto amin’ny Betela tamin’izany fotoana tena nampalahelo teo amin’ny fiainako izany.
Na dia izany aza dia nitohy ny fiainana, ary nanomboka nahita fahafaham-po sy fitahiana indray aho, tamin’izao maha-mpitondratena ahy izao. Tamin’ny 1978, dia nanatrika fivoriamben’ny distrika tany Londres, any Angletera aho, ary avy eo dia nitsidika ny foibe iraisam-pirenen’ny Fikambanana Watch Tower tany Brooklyn, New York. Mitoetra ho hery nanosika ahy mandraka androany ny fahitana ireo anadahiko sy rahavaviko an-jatony maro niasa tamim-pifaliana tao amin’ny Betelan’i Brooklyn.
Raha nifarana ireo taona 1970, dia nahafantatra izahay fa nisy fanitarana fanampiny nokasaina ho an’ny fitambaran-tranon’ny Betelan’i Aostralia. Ilay fanitarana anefa dia tsy ho natao tany Strathfield, izay efa tsy nisy toerana intsony. Nisy kosa fitambaran-trano vaovao lehibe lavitra izay naorina teo amin’ny taninay tany Ingleburn, tany amin’ilay niasako nandritra ny fandrarana tamin’ny fiandohan’ireo taona 1940.
Fomba fiaina misy zava-kendrena maharitra
Fahataitairana toy inona moa ny anay rehefa nifindra tany amin’ireo tranonay vaovao izahay tamin’ny Janoary 1982! Marina fa tamin’ny voalohany dia nisy alahelo kely teo am-pandaozana ireo faritra manodidina nahazatra, kanefa tsy ela dia nientam-po izahay tamin’ilay fonenanay vaovao nisy efitrano fatoriana tsara tarehy 73. Tsy mijery rindrina biriky sy araben’ny zana-bohitra intsony izahay eny ivelany, fa mahita kosa saha sy hazo maitso, omby miraoka ahitra, ary fiposahan’ny masoandro sy filentehany mahatalanjona — faritra faran’izay mahafinaritra.
Tamin’ny 19 Martsa 1983, dia nanao fitokanana naharavoravo an’ilay fitambaran-trano vaovao izahay, tao anatin’ny tara-masoandrom-pararano kanto. Nanao lahatenim-pitokanana nampientana i Lloyd Barry ao amin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny tenako manokana dia nankasitraka ny naha-teo aminay azy mivady tamin’ilay fandaharam-pitokanana, satria niara-niasa tamin’izy ireo aho tany amin’ny Betelan’i Strathfield, fony izahay rehetra mbola tanora kokoa.
Noho ny fitomboana nitohy teo amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana dia nanjary nilaina ny fanitarana fanampiny an’ireo tranonay teto Ingleburn. Tamin’ny 1987, dia nohalehibeazina ny birao. Avy eo, tamin’ny 25 Novambra 1989, dia notokanana ny trano fonenana vaovao nisy rihana efatra sy trano fanontam-pirinty vaovao nisy rihana roa, notovanana tamin’ilay teo aloha. Nitombo toy inona moa izahay izao — latsaka ny mpitory 4 000 teto Aostralia fony aho nanomboka ny fanompoako, ary izao 59 000!
Vao haingana kokoa izay, ny sampan’i Aostralia dia natao ho iray amin’ireo Bureaux d’ingénierie régionaux an’ny Fikambanana, miaraka amin’i Japana sy i Alemaina. Nanjary nilaina noho izany ny mbola fanitarana fanampiny ihany an’ilay fitambaran-tranon’ny Betela. Vita izao ny birao hafa iray misy rihana roa, ary efa madiva ho vita ny trano fonenana iray misy rihana efatra, izay hanana efitrano 80 fanampiny mba hampiantranoana ilay fianakavianay tsy mitsaha-mitombo.
Eto amin’ny fanasan-damba izahay, manana mpiara-miasa maro mba hikarakara ny habetsahan’ny asa, kanefa dia matetika aho no mahatsiaro ilay andro tamin’ny Aogositra 1940, fony aho nasaina hanampy tao amin’io sampan-draharaha io nandritra ny tapa-bolana. Velom-pisaorana aoka izany aho fa niitatra ho maherin’ny 50 taona io tapa-bolana io, ary fa nitantana ny diako ho amin’ny fomba fiaina misy zava-kendrena toy izany i Jehovah Andriamanitra.
[Sary, pejy 21]
Fony aho 25 taona
[Sary, pejy 23]
Ny andro mariazinay tamin’ny 1956
[Sary, pejy 24]
Tamin’ny 1938, dia revo tanteraka tamin’ny fanatanjahan-tena izahay sy ny rahavaviko, fa ankehitriny dia mahavokatra be lavitra ny fiainako