Dodona ny Hampiely ny Vaovao Tsara Ireo Nahazo Diplaoman’i Gileada
“NY ZAVATRA mahatalanjona indrindra azonay nofinofisina.” Izany no fomba nilazan’i Anders sy i Amalia Groth izay tsapany momba ilay fampiofanana ho misionera noraisin’izy ireo. Nilaza ny fihetseham-pon’ireo nahazo diplaoma rehetra niisa 48 tamin’ny kilasy faha-97 avy tao amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower izy ireo tamin’ny fanampiana teny hoe: “Nanosika anay sy nanomana anay ny fampiofanana tao Gileada, hany ka dodona ny handeha ho any amin’ireo tany nanendrena anay vaovao izahay.”
Afaka mahatsapa izany fifaliana izany isika arakaraka ny anazavan’ireo mpianatra momba ilay fandaharana fizarana diplaoma; nisy 6 420 no tafavory tamin’ny 4 Septambra 1994 tamin’io fisehoan-javatra io.
“I Theodore Jaracz anisan’ny Fitambara-mpitantana no nanokatra ilay fandaharana tamin’ny firesahana momba ilay loha hevitra hoe ‘Ampianarin’i Jehovah’ ”, hoy i David Abel sy i Kelli vadiny. “Ilay foto-kevitra izay tsy hohadinoinay na oviana na oviana dia ilay tamin’ny nilazan’ny Rahalahy Jaracz hoe: ‘Tsy maintsy manaiky ny maha-kely antsika isika raha ampitahaina amin’i Jehovah’, ary nanazava izany tamin’ny alalan’ny ohatra, dia ilay fianarana mahery hita ao amin’ny Jb 38, 39 Joba toko faha-38 sy faha-39 izy. Noresahin’ny Rahalahy Jaracz manokana fa na dia nampitombo ny fahalalanay ny Baiboly aza izahay tamin’ny alalan’ny Sekolin’i Gileada, dia tsy mahafantatra ny valin’ny fanontaniana rehetra izahay. Tsy maintsy manohy mianatra ny Tenin’Andriamanitra izahay.”
An’i Christian sy i Angele Coffy indray izao ny fitenenana: “Nanaitra ny sainay ilay lahateny nataon’i Max Larson tamin’ilay loha hevitra hoe ‘Manao Ahoana ny Hasarobidin’ny Fanorenana Tsara?’ Tianay ilay nampitoviany anay tamin’ny trano iray izay mila fanorenana lalina ao amin’ny tany mafy iray mba hitoerana ho mafy orina na dia misy horohoron-tany aza. Amin’ny fianarana amim-paharisihana, dia afaka mampitombo fifandraisana akaiky kokoa amin’i Jehovah izahay ary afaka manorina ny finoanay eo amin’ny fahalalana lalina, hany ka afaka mitoetra ho mafy orina izahay amin’ny fotoan’ny zava-tsarotra.”
“Ny lahateny nataon’i Milton Henschel, prezidàn’ilay sekoly, mikasika ilay loha hevitra hoe ‘Masaka Hojinjana Ireo Saha’, dia hotsarovana haharitra ela”, hoy ny fanamarihan’i Gary sy i Lynn Elfers. “Ilay andinin-teny fototra, ny Jaona 4:35-38, dia nanasongadina ny tombontsoa anananay miditra eo amin’ny saha iray izay efa novolen’ireo mpiasa teo aloha. Hanosika anay hiasa amin’ny fahatsapana fahadodonana izany.” Niombon-kevitra tamin’izany i Jan sy i Sirpa Vaahtola ary nanamarika hoe: “Nampitombo ny fanantenanay zavatra mahakasika ilay fijinjana mbola tokony hatao ny Rahalahy Henschel tamin’ny fanomezana ny tatitra farany indrindra avy tany amin’ireo Fanjakana Baltika. Ny fitomboana tany Estonia dia 51 isan-jato, ny tany Letonia 106 isan-jato, ary ny tany Litoania dia 51 isan-jato. Mampientana toy inona moa izany! Mangataka amin’ny Tompo mba hampandeha mpiasa maro kokoa ireo rahalahy any. Faly indrindra izahay nandre izany, satria any Estonia ny toerana nanendrena anay!”
“Nanaraka azy i Joel Adams tamin’ilay loha hevitra hoe ‘Matokia an’i Jehovah’ ”, hoy ny tsaroan’i Kevin sy i Evelyn Cortina. “Nanoro hevitra anay izy hoe tsy tokony hihevitra mihitsy izahay fa afaka mitoky amin’i Jehovah indraindray ary afaka miantehitra amin’ny fahendrenay manokana indraindray. Any amin’ireo toerana nanendrena anay, dia hiatrika zava-tsarotra maro izahay: eo amin’ny fahasalamana, ny sakafo, ny fiteny sy ireo fomba ary ny toy izany. Izany rehetra izany dia hitaky ny hitokianay amin’i Jehovah.”
Ny mpandahateny nanaraka dia i Gerrit Lösch, mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana, izay namelabelatra ilay loha hevitra hoe “Aza Mitsahatra ny Manome Taratry ny Famindram-pon’i Jehovah”. Hoy i Alen sy i Ann Marie Gokavi: “Nohazavainy fa mariky ny fahamatorana kristiana ny fampisehoana famindram-po amin’ireo misionera namanay sy amin’ireo izay izaranay ny vaovao tsara. Ireo tany nanendrena any ivelan’ny tanin’ny tena dia mahafaoka fanaovana sorona, kanefa raha tsy misy ny famindram-po, dia tsy hisy vidiny firy ny sorona ataonay.” (Matio 9:13, NW). Nanampy teny toy izao i Peter sy i Fleur Hupston: “Nilaza ny Rahalahy Lösch fa tokony hamindra fo amin’ireo rahalahinay sy anabavinay koa izahay, amin’ny fijerena azy ireny avy eo amin’ny masolavitra mifotitra, raha azo atao ny milaza izany, hany ka ho lasa kely ny fahadisoan’izy ireo fa tsy hampitomboina.”
“Nanaraka azy i Jack Redford, iray tamin’ireo mpampianatra anay tao Gileada, tamin’ilay loha hevitra hoe ‘Afaka Manaiky Anatra ve Ianao?’ ”, hoy ny tsaroan’i Mickey sy i Sherry Minsky. “Nohazavainy fa ny avonavona dia manasarotra ny fanekena fananarana ary raha mora tohina tafahoatra isika rehefa omena torohevitra, dia tsy hahazo ny soa raisina avy amin’izany. Avy eo izy dia nanome fanipazan-kevitra azo ampiharina sasany ny amin’ny fanekena fananarana, fanipazan-kevitra niorina tao amin’ny Fitomaniana 3:27-31.” Nanampy teny toy izao i Charles sy i Joan Held: “Amin’ny ankabeazan’ny fotoana dia tsy hitantsika ireo kileman-toetrantsika; noho izany, dia tsy maintsy mihevitra ny fananarana ho toy ny fomba hanaovana izay hahatsapantsika izay zavatra tsy tsapantsika isika. Ny fananarana na ny torohevitra avy amin’i Jehovah dia porofon’ny fitiavany antsika.”
“Niresaka mahakasika ilay loha hevitra hoe ‘Mahazoa Fahendrena Azo Ampiasaina Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana’, ny mpampianatra iray, dia i Ulysses Glass. Nanontany izy hoe: ‘Hataonareo inona izay nianaranareo?’ ”, hoy i Kenneth sy i Lisbeth Ardkäll. “Avy eo izy dia nanome fanoharana iray niorina tao amin’ny Ohabolana 30:24-26 [NW] momba ny daman [karazana vontsira] kely, sy ny fomba nanomezan’i Jehovah azy io amin’ny fomba feno izay ilainy mba hahavelomany. Isika, etsy an-danin’izany, dia tsy manana fahendrena voajanahary, hany ka mila ny miezaka fatratra isika mba hahazo fahendrena. Manome fitaovana antsika amin’ny zava-drehetra ilaintsika mba hanaovana izany i Jehovah. Raha mbola manakaiky an’i Jehovah sy mifanakaiky amintsika samy isika amin’ny fitiavana isika, dia hahavita zavatra betsaka.”
Lahateny fototra
“Niara-nandinika tamin-kafanam-po taminay ny Salamo faha-19 ny Rahalahy Karl F. Klein, mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana, tamin’ilay lahateny nataony hoe ‘Vatosoa Faran’izay Sarobidy’ ”, hoy i Jay sy i Gwen Abraczinskas. “Nasongadiny ny fankasitrahana lalina an’i Jehovah nananan’i Davida mpanao salamo sy ny fitiavany ny Tenin’Andriamanitra.” “Nozarain’ny Rahalahy Klein ho tapany telo ilay salamo”, hoy ny fanamarihan’i Keith sy i Donna Hornback. “Ny tapany voalohany (andininy faha-1-6) dia mampiseho ny fankasitrahan’i Davida ny zavatra noforonin’Andriamanitra, ny tapany faha-2 (andininy faha-7-10) dia milaza ny fankasitrahany ny lalàn’Andriamanitra, ary ny tapany faha-3 (andininy faha-11-14) dia mampahatsiahy antsika fa, tahaka an’i Davida, dia tokony haniry ny hanana fifandraisana tsara amin’i Jehovah isika.”
“Tianay ilay foto-kevitra hoe zava-dehibe ny fahatahorana an’i Jehovah raha tiantsika ny hanalavitra izay ratsy. Izany dia mitarika antsika hanao izay madio eo imasony”, hoy i David sy i Raylene Long. Niombon-kevitra tamin’izany i Frank sy i Vibeke Madsen. “Ireo fanazavana nomen’ny Rahalahy Klein momba ny hoe amin’ny ahoana no mahasoa ireo teny fampahatsiahivan’i Jehovah sy ireo lalàny ary ireo didiny dia voafintina tamin’ny fomba mahafinaritra tamin’izay nianaranay tao Gileada”, hoy izy ireo. “Izany dia nahatonga anay ho tapa-kevitra hatrany ny hifikitra amin’ny Tenin’Andriamanitra amin’ny hoavy sy hihevitra azy io ho toy ny vata fitahirizana harena feno vatosoa.”
Nanaraka ilay lahateny fototra, dia nahazo ireo diplaomany ireo mpianatra, ary notononina ireo tany nanendrena azy ireo any ivelan’ny taniny. Taorian’ny fiatoana nandraisana sakafo maivana, dia nivory indray ny rehetra ho amin’ny fandaharana amin’ny tolakandro. Nandray anjara tamin’ny famaliana ireo fanontaniana naroso nandritra ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana nohafohezina ireo nahazo diplaoma.
“Avy eo dia nanaraka izany ny fandaharan’ny mpianatra hoe ‘Ampiofanina mba ho Tonga Mpitorin’ilay Fanjakana any Amin’ny Tany Rehetra’ ”, hoy ny tsaroan’i Bob sy i Shannon Lakatos. “Nampiseho ireo fanandraman-javatra hitan’ireo mpianatra teny amin’ny asa fanompoana nandritra ny fianaranay naharitra dimy volana ny tapany voalohany tamin’ilay fandaharana. Nifantoka tamin’ny fahaizana mampiasa ireo fanontaniana eny amin’ny fanompoantsika izany. Ny tapany nisy fanadinadinana dia nampiseho ireo fomba manorina entina miatrika ireo zava-tsarotra sy toe-javatra miovaova eo amin’ny fiainan’ny misionera. Ireo fampisehoana telo tamin’ny diapositives an’i Costa Rica sy i India ary i Malawi dia nanome anay topy maso teo amin’ny fandaminan’i Jehovah maneran-tany.”
“Ilay fampisehoana tantara nanaraka izany, nanao hoe Aoka ho Teokratika, fa Tsy ho Araka An’izao Tontolo Izao, dia nampiseho ny voka-dratsy mety hoentin’ireo havana sasany araka an’izao tontolo izao sy manana toe-tsaina tsy tia fiankinana”, hoy ny fanamarihan’i Jesse sy i Michelle Duncan. “Nampiseho izany fa tsy maintsy manaiky ireo toro lalana sy fitarihan’ilay Teokrasia ho tena ilaina sy mahasoa ireo Kristiana”, hoy ny teny nanampin’i Wenzel sy i Kelly Koula.
Namarana ilay fandaharana nahafinaritra ny hira sy ny vavaka famaranana. Rehefa nandao ilay toerana ireo nahazo diplaoma tamim-piandrasana amim-panantenana ny fiaingany ho any amin’ireo tany 18 nanendrena azy ireo any ivelan’ny taniny, dia voalazan’izao tenin’i Tommi sy i Jael Kauko teo am-pisarahana izao tsara ny eritreritr’izy ireo: “Dodona tokoa ny handeha any amin’ny tany nanendrena anay sy ny hampihatra izay nianaranay izahay. Nandray zavatra maro aoka izany izahay — anjaranay izao ny manome.”
[Sary, pejy 26]
Ny Kilasy Faha-97 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower
Eo amin’ny lisitra eto ambany, ireo laharana dia tononina avy eo aloha mankany aoriana, ary avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.
1) Hong, J.; Hong, D.; Groth, A.; Cortina, E.; Lakatos, S.; Hornback, D.; Acevedo, L.; Coffy, A. 2) Elfers, L.; Gokavi, A.; Ardkäll, L.; Abraczinskas, G.; Knott, K.; Lizer, T.; Abel, K.; Abel, D. 3) Duncan, M.; Gokavi, A.; Held, J.; Hupston, F.; Lakatos, B.; Long, R.; Minsky, S.; Acevedo, E. 4) Ardkäll, K.; Kauko, J.; Vaahtola, S.; Cortina, K.; Carson, N.; Minsky, M.; Lizer, G.; Koula, K. 5) Duncan, J.; Abraczinskas, J.; Vaahtola, J.; Madsen, F.; Madsen, V.; Long, D.; Carson, C.; Elfers, G. 6) Kauko, T.; Hupston, P.; Held, C.; Groth, A.; Hornback, K.; Koula, W.; Knott, D.; Coffy, C.