FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/2 p. 8
  • Hotorina ny Vaovao Tsaran’ny Fanjakana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hotorina ny Vaovao Tsaran’ny Fanjakana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanoherana ny fahafahana ara-pivavahana any Gresy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Fizarana 4: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Fizarana 5: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Tsy Maintsy Torina Aloha Itỳ Vaovao Tsara Itỳ
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/2 p. 8

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Hotorina ny Vaovao Tsaran’ny Fanjakana

HATRAMIN’NY taonjato maro i Satana Devoly, ilay fahavalon’Andriamanitra lehibe indrindra, dia mampiasa amin-kafetsena ireo fitondram-panjakana ara-politika sy ny fivavahan-diso amin’ny fiezahany hanakantsakana ny fielezan’ny Kristianisma marina. Kanefa tsy hahomby ireny fomba ireny. Nambaran’i Jesosy mialoha fa ‘hotorina [fa tsy hoe: ‘mety hotorina’] amin’ny tany onenana manontolo ny vaovao tsaran’ny Fanjakana ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra’. — Matio 24:14, NW.

Miharihary ny tsy fahombiazan’i Satana any Gresy. Ao amin’io tany io ny Eglizy Ortodoksa Grika dia miezaka ny hamepetra ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. Kanefa, araka ny asongadin’izao fitantarana manaraka izao, ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly dia mahatratra ny olona tso-po amin’ny farany, na dia eo aza ny fanoherana.

Tokony ho 30 taona lasa izay, dia nanaiky ny vaovao tsara ny pretra ortodoksa grika iray ary nilaza mihitsy aza ny faniriany ho tonga Vavolombelon’i Jehovah. Kanefa, nanohitra mafy izany dingana izany ireo havany ary nanery azy hahafoy ny fiarahany tamin’ny Vavolombelona. Mba hampifaliana ny fianakaviany, dia nanohy nanaraka ny asa nofidiny hatao eo amin’ny fiainana tamin’ny naha-pretra izy; kanefa, nanaiky foana izy fa nanampy azy hianatra ny fahamarinana ny Vavolombelon’i Jehovah ary nahafoy izany izy ho takalon’ny toerana ambony iray ao amin’ny fivavahan-diso.

Na dia izany aza, indraindray izy dia niteny nanohana ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa niseho ny fahafahana hanao izany. Imbetsaka izy no nananatra ny olona mihitsy hoe raha tian’izy ireo ny hianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, dia tokony hianatra miaraka amin’ny Vavolombelona izy ireo. Nandritra ny taona maro dia nisy olona sasany nanaraka ny toroheviny raha ny marina.

Vao haingana ilay pretra dia nanjary narary mafy ary nahatsapa fa mety ho faty tsy ho ela izy. Fony izy tany amin’ny hopitaly, dia nampiantso ireo zanany izy, ary nivory teo anilan’ny fandriany izy rehetra.a Nohazavainy tamin’izy ireo àry fa raha maty izy, dia mety ho afaka hihaona aminy indray izy ireo. Noresahiny tamin’izy ireo ny amin’ny fampianaran’ny Baiboly ny amin’ny olombelona hatsangan’i Jehovah amin’ny maty mba hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany, kanefa raha tena tian’izy ireo ny hahita ny hitrangan’izany, dia tsy maintsy mianatra ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly izy ireo ary misaraka amin’ny fivavahan-diso. Niangaviany izy ireo mba hiaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ka hianatra avy amin’izy ireny ny fomba hahatongavana ho Kristiana marina.

Fotoana fohy taorian’izay, dia maty ilay pretra. Kanefa, nahita vokany tsara ilay torohevitra nomeny an’ireo zanany teo am-pisarahana. Ny zanany vavy, tahaka ny ankamaroan’ireo havany, dia tena nanohitra mafy ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny asan’izy ireo. Kanefa tsy afaka ny tsy hiraharaha ilay fitalahoana tamim-pahatsoran’ny rainy teo am-pialana aina izy, hany ka tsy ela dia nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ary nanomboka nianatra ny Baiboly. Vao haingana dia tonga Vavolombelona ny tenany mihitsy, ka nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah Andriamanitra ary nampiseho ny fanoloran-tenany tamin’ny batisa tao anaty rano.

Any Gresy sy any amin’ny tany maherin’ny 230 hafa, ny Vavolombelon’i Jehovah dia miantehitra amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra. Miaraka amin’ny fanohanana fenon’ny fanahy masina no andraisan’izy ireo anjara amin’ny fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy hoe: “Hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.” — Asan’ny Apostoly 1:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mamela ny pretrany hanambady ny Eglizy Ortodoksa Grika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara