Fanoherana ny fahafahana ara-pivavahana any Gresy
ASIANAO VIDINY ve ny fahafahana? Maro no manao izany. Irin’izy ireo ny fahafahana hanana ny heviny ny amin’ny raharaha toy ny politika, ny toe-karena sy ny fivavahana, ao amin’ny faritry ny lalàna sy ny filaminana mazava ho azy. Ary rehefa misy olona enjehina noho ny heviny, izany dia mampahatsiaro ny fampijaliana ny tsy mety manaraka fivavahana katolika (Inquisition) tamin’ny taona antenantenany.
Inona no hifandraisan’ireo fiheverana ireo amin’i Gresy, tany mahafinaritra iray any amin’ny Mediterane atsinanana? Dia ny hoe manjaka ao amin’io firenena io ny fitrangan-javatra manokana izay tsy mahay miaraka amin’ny fahafahana demokratika.
Toherin’izy ireo ny fahafahana ary lotoiny ny lazan’i Gresy
Hatry ny ela i Gresy no nantsoina hoe “ny toerana nipoiran’ny fitondrana entim-bahoaka (berceau de la démocratie)”. Raha ny marina, tamin’ny 1975 io tany io dia nandany lalàm-panorenana iray lanieram-bahoaka izay hiantoka ny fahafahana irin’ny vahoaka. Ary ny fitondram-panjakana grika dia mihetsiketsika mba hiaro ireny antoka ireny.
Kanefa, any Gresy dia misy olona manandrana manohitra ny fahafahana nekena tao amin’io tany io ary eo an-dalam-panasiana pentina lehibe amin’ny lazany manerana izao tontolo izao. Ireny mpanakorontana ireny dia nanaitra vahoaka sompatra ary nitarika azy ireo hanafika olom-pirenena grika tia filaminana, nanao fanerena tamin’ny mpiasam-panjakana sasany izy ireny mba hisambotra sy hanagadra azy ireo, ary nanao fiezahana mafy mba hanaisotra amin’ireto “Hellènes” manaja lalàna ireto ny fahafahany. Naharitra hatramin’ny taona maro izao io toe-javatra io, na dia teo aza ny fiantohan’ny Lalàm-panorenana.
Nahoana no nisy hatrany ireny asa rehetra ireny? Iza no iharan’izany? Iza no loharanon’izany? Andeha hojerentsika izay ampahafantarin’ny gazety grika antsika momba izany.
Fanafihana sy fisamborana
Ny Lalàm-panorenana helenika dia manambara fa “ny Grika dia hanana zo hivory amim-piadanana sy tsy misy fitaovam-piadiana.” Ekeny ihany koa fa “ny fahafahana ara-pivavahana dia tsy azo dikaina” ary manampy toy izao koa izy: “Ny fivavahana fantatra rehetra dia ho malalaka ary ny fombafomban’ny litorjiany dia azo atao tsy misy fanelingelenana sy eo ambany fiarovan’ny lalàna.”
Ny alahady 15 jona tamin’io taona io, noho izy nahazo antoka tamin’ireo fanambarana ireo, dia Vavolombelon’i Jehovah an-jatony maro no nivory tamim-piadanana tao amin’ny teatira iray ao Lárissa, any Gresy. Teo izy ireo mba hianatra ny Baiboly sy hiara-midinika ny amin’ny fomba mbola hahafahany mampihatra tsaratsara kokoa eo amin’ny fiainany andavanandro ireo fotopoto-pitsipika kristiana raiketiny.
Kanefa mariho izay nitranga. Nitantara toy izao ny gazety iray eo an-toerana, I Larisa: “Nisy olona an-jatony maro, notarihin’ny pretra vitsivitsy ary mpikambana amin’ny fandaminana [ny fiangonana ortodoksa grika] eto an-tanànantsika ny ankamaroany, nanomboka nivorivory ary naneho ny tsy fahafaliany tamin’ireo nameno ny trano fampisehoan-tsarimihetsika — Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 700. Toa vonona ny hiditra tao an-trano sy hanapaka ny fizotry ny fivoriambe ny vahoaka.”
Naharitra ora telo teo ho eo izany. Farany dia naparitaky ny herin’ny pôlisy maromaro ny vahoaka. Ny gazety mivoaka isan’andron’i Lárissa, Eleftheria dia nampiharihary ny fihetseham-pon’ny klerjy izay namporisika ny vahoaka, raha nanonona ireto tenin’ny pretra ortodoksa iray ireto: “Raha mbola mampindrana ny trano fampisehoan-tsarimihetsika [amin’ny Vavolombelona], ny ben’ny tanàna amin’ny ho avy, dia ho raisinay ny angadinay ary hopotehinay ny zava-drehetra!” Ankoatr’izany, ny eveka iray dia naneho ampahibemaso ny fankasitrahany ny fihetsikin’ny vahoaka.
Tao amin’ny gazetin’i Lárissa, I Alithia, ny mpanoratra, Sarantos Vounatsos, dia naneho ny hasosorany manoloana ny fitondran-tenan’ireo pretra. Nasainy nomarihina fa ny vahoaka dia natosiky ny toe-tsaina toy ny an’ny vahoaka nitaky ny hamonoana an’i Jesosy, raha nihiaka hoe: “Homboy amin’ny hazo fijaliana izy!” Nanoratra toy izao momba ireo mpanao fihetsiketsehana tao Lárissa io lehilahy io: “Ny ‘mpitarika’ azy ireo dia pretra iray (...) vinitra amin-kadalana! Nandrahona izy, niteny ratsy, nitory tamim-pireharehana, ary, tamin’ny fotoana iray (...) dia nomeny dimy minitra ny olona rehetra tafavory tao amin’ilay trano fampisehoan-tsarimihetsika mba hivoahana (...) ‘fa raha tsy izany [hoy izy nikiakiaka] dia hiditra izahay ary hovakianay ny lohan’izy ireo’.”
Ny lahatsoratr’ilay gazety, raha niteny mivantana tamin’ilay pretra, dia nandefa antso hoe: “Manantena handidindidy hoatra ny Fariseo ve ianareo? Mitandrema ianareo, fa raha mbola manohy manao toy izao ianareo, dia tsy hahazo intsony ny famindrampo na ny famelana [avy amin’Andriamanitra] na ny avy aminay ihany koa.”
Tsy fitrangan-javatra maningana fotsiny akory ny fanenjehana toy izany. Nandritra izao taona faramparany izao dia nisy an-jatony maro ny fisamborana mpino tsy ortodoksa, “ka ny 890 tamin’ireo dia Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1983 fotsiny”, hoy ny fanantitranteran’ny Wall Street Journal. Tamin’io taona io, araka ny gazety ateniana mivoaka isan’andro, Eleftherotipia, dia nisy pretra iray nanafika Vavolombelona 79 taona, Vasili Kapeleri, izay maty tamin’ny farany noho izany fanafihana tamin-kerisetra izany.
Toe-tsaina iray tamin’ny taonan’ny maizina
Amin’ny fotony, ny zava-manahirana dia avy tamin’ny klerjy ao amin’ny fiangonana ortodoksa grika. Satria ny fivavahany no mitana toerana lehibe any Gresy, dia heveriny ho tsy manana zo hisy ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany antony izany, ny klerjy dia manandrana manaisotra amin’izy ireo ny fahafahany amin’ny fampiasana tabatabam-bahoaka, fanafihana amin-kerisetra, fanaovana an-tranomaizina sy fanerena teo amin’ny fitsarana. Vao teo am-piandohan’ny taona, ny fanoherana avy amin’ny klerjy dia nitarika ny tribonalin’i Kreta handa ny rafi-pitondrana ara-dalàn’ny Vavolombelona.
Tao amin’ny fehin-teny napetrany tamin’ny fitsarana, ny Fiangonana ortodoksa dia sahy nilaza fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy “fivavahana fantatra sy ekena” ary “tsy azo atao fotsiny izao ny miantso azy ho kristiana”. Noho izany, ny Fiangonana dia manohana fa ny Vavolombelona dia tsy tokony hanana zo hanana ireo toeram-panompoam-pivavahany manokana na ny hiresaka fivavahana amin’ny hafa. Kanefa ny toe-tsaina toy izany dia ny an’ny taona antenantenany. Izany dia ahitana taratry ny toe-tsain’ny “Inquisition”, fa tsy ny an’ny “toerana niandohan’ny fitondrana entim-bahoaka”.
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy manda ny zon’ny Fiangonana ortodoksa hanana trano fiangonana sy hitory araka izay tiany. Kanefa amin’izao andro misy antsika ankehitriny izao, dia ara-dalàna ve ny mbola hampanjakan’ny Fiangonana ny finoany amin’ny rehetra, indrindra amin’ny fitambaran’olona entim-bahoaka izay ifangaroan’ny fiheverana samihafa? Tsy misy ahitana fitrangan-javatra toy izany na dia iray aza any amin’ireo fitondrana entim-bahoaka tandrefana.
Na aiza na aiza maneran-tany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia ekena araka ny lalàna ho fivavahana kristiana. Ireo fitondram-panjakana manana firehan-kevitra ara-politika samy hafa dia nanaiky hanome azy ny zo hanorina ny toeram-panompoam-pivavahany sy hanana ny finoany. Ny Vavolombelona dia mahaforona fivavahana kristiana iray iraisam-pirenena sy fantatra tsara: porofon’izany dia miisa ho minisitra maherin’ny telo tapitrisa izy ireo izao, ary dimy tapitrisa hafa ny olona manatrika ireo fivoriany, ary voalamina ho kongregasiona 50 000 any amin’ny tany maherin’ny 200 izy ireo.
Araka izany, ny fanambaran’ny klerjy milaza fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy ‘fivavahana kristiana ekena’ dia tsy ara-drariny. Ny fihetsiky ny klerjy dia manisy pentina ny lazan’ny fitondram-panjakana entim-bahoaka grika; izany dia fanalam-baraka ireo Vavolombelona an-tapitrisany maro maneran-tany izay kristiana tia fivavahana sy mahafantatra maro amin’ireo mpiara-mivavaka aminy novonoina noho ny finoany.
“Miafina hoe”?
Tsy ara-dalàna toy izany koa ny fanantitranterana nataon’ny fiangonana teo anatrehan’ny tribonaly kretana fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia fandaminana “miafina” iray. Ny Fiangonana dia milaza fa: “Ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia sady tsy fantatra tsara no tsy ambara ampahibemaso (...). Tsy mba manana ‘trano fivavahana’ izy na toeram-panompoam-pivavahana natao ho an’ny besinimaro izay ho azon’ny rehetra hidirana malalaka. Ireo fombafombany koa aza dia tsy mbola naharihary mihitsy.”
Na iza na iza, eny fa na dia tsy mbola nahalala loatra ny Vavolombelon’i Jehovah aza, dia mahafantatra fa tena diso ireo fiampangana ireo. Ireo fampianarany dia vita pirinty mba hahafahan’ny olona rehetra mandinika azy, ary ireo fivoriany dia misokatra maimaimpoana ho an’ny olona rehetra manaiky fifehezana. Raha ny marina, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampianatra ny Baiboly olona an-tapitrisany maro any an-tranony manerana izao tontolo izao, mba hampifankazarana azy ireny amin’ny finoana raketiny. Ary ireo sampan’ny Fikambanana Watch Tower dia mandray mpitsidika an’arivony maro isan-kerinandro maneran-tany.
Kanefa, ireo tenin’ny Fiangonana ireo dia mifanohitra amin’ny hevitry ny maro. Nahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah any Gresy no tsy afaka mivory ao amin’ny “trano fivavahana”? Dia satria nolavina ny zon’izy ireo hanorina izany! Koa voatery àry izy ireo mivory any amin’ny tokan-trano manokana. Dia nolazain’ny Fiangonana ho manao fivoriana miafina izy ireo. Kanefa, manerana izao tontolo izao ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanorina toeram-panompoam-pivavahana an’arivony maro malalaka. Kanefa tsy afaka manao toy izany izy any Gresy.
Araka izany, dia tsara toerana kokoa ianao mba hahafantatra hoe nahoana ireo tenin’ny Fiangonana, araka ny filazan’i I. Manoledakis, mpampiana-dalàna momba ny fanamelohana ao amin’ny oniversiten’i Tesalonika, no tsy “mahafinaritra mihitsy na ho an’ireo hevitra kasain’ny Fiangonana [ortodoksa grika] na ho an’ny fahiratan-tsain’ireo mpiangona ao aminy”.
Iza moa ny kristiana?
Tamin’ny taonjato voalohany, Jesosy sy ny mpianany dia niharan’ny fanenjehana sy famelezan’ny vahoaka, ny fanaovana an-tranomaizina ary ny famonoana. Iza moa no mpanenjika lehibe indrindra azy ireo? Ireo mpikambana amin’ny klerjy tamin’ny androny.
Ohatra, hevero izay nitranga rehefa nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty i Jesosy: “Ary ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo (...) nihendry hahafaty Azy [Jesosy].” Tsy afa-po tamin’izany izy ireo, “fa nihendry hahafaty an’i Lazarosy koa ny lohan’ny mpisorona, satria izy no nialan’ny maro tamin’ny Jiosy ka ninoany an’i Jesosy.” Ary farany, “ny lohan’ny mpisorona mbamin’ny loholona [ara-pivavahana] nitaona ny vahoaka mba hangataka an’i Barabasy ary hamono an’i Jesosy.” — Jaona 11:47, 53; 12:10, 11; Matio 27:20.
Tsy mahagaga àry raha nilaza tamin’izy ireo Jesosy hoe: “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa hianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho ho tsara tarehy eo ivelany, nefa ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra. Dia tahaka izany koa hianareo: raha amin’ny eo ivelany dia miseho amin’ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsarambelatsihy sy tsy fankatoavan-dalàna.” (Matio 23:27, 28). Ankoatr’izany, dia matetika ny klerjy no namporisika olona hanohitra ny mpianatr’i Jesosy.
Na aiza na aiza Jesosy dia tsy nandidy ny kristiana hanenjika izay tsy mitovy fiheverana aminy, hanao azy an-tranomaizina, hanafika azy na hanapoaka tabatabam-bahoaka hanoherana azy ireo. Izany no antony, tamin’ny taonjato voalohany, nahatonga ny kristiana marina hohenjehina, fa tsy ho mpanenjika. Ny mpanenjika dia ny klerjy sy ireo namporisihany. Mitovy amin’izany ny toe-javatra any Gresy ankehitriny.
“Antikristy” ve izy ireo?
Nanohana hevitra toy izao koa ny Fiangonana ortodoksa grika: “Tsy hoe fotsiny tsy azo antsoina ara-dalàna ho kristiana, izany hoe mpianatr’i Kristy, ny Vavolombelon’i Jehovah, fa mifanohitra amin’izany, dia (...) antikristy izy ireo.”
Inona moa no ambaran’ny Baiboly momba ny “antikristy”? Ao amin’ny I Jaona 2:22, dia izao no ambarany: “Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an’i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka.”
Ny teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra àry dia manambara tsy misy fihambahambana fa ny antikristy iray dia tsy manaiky an’i Jesosy. Kanefa, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manaiky azy! Tena mino mafy an’i Jesosy izy ireo ary mampifanaraka ny fiainany amin’ny fampianarany. Raha ny marina, dia tsy misy olona afaka ho tonga Vavolombelon’i Jehovah raha tsy manaiky an’i Jesosy ho toy ny zanak’Andriamanitra araka ny endriny, izay nidina avy tany an-danitra, nahantona tamin’ny hazo, natsangana tamin’ny maty, ary niverina tany an-danitra.
Noho izany, na iza na iza milaza fa “antikristy” ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mety ho afa-tsy olona voabosy, nohajambain’ny fitsarana an-tendrony, na hetsehin’ny antony manosika mampahonena.
‘Mampiroborobo ny fanapahana jiosy eto an-tany ve izy ireo?’
Ny Fiangonana ortodoksa dia mbola nandroso hevitra koa fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampiroborobo ny fanapahana jiosy eto an-tany. Izao no nambarany: “Sarontsaronany ny zavatra tena tiany hatao, izay tena tsy fantatry ny ankamaroan’ireo mpanaraka azy: te-hanorina ‘fanjakana jiosy teokratika maneran-tany’ izy ka ny fototra lehibe indrindran’ireo raharaha dia ho ao Jerosalema.”
Anontanio ireo Vavolombelona an-tapitrisany maro raha mino izany! Tsy misy aminy miandry izany akory. Raha marina fa tamin’ny fotoana iray dia nisy vitsivitsy nihevitra fa ny faminaniana sasany dia angamba nihatra tamin’i Palestina ara-bakiteny amin’izao taonjato izao, izany fiheverana izany dia efa nilaozana maherin’ny 50 taona izao.
Ny Ohabolana 4:18 dia manambara fa ‘ny lalan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina izay mihamazava’. Izany fahazavana mitombo izany, hamafisin’ny fahatanterahan’ny faminaniana ara-Baiboly, dia mampiseho mazava fa ny repoblikan’Isiraely ankehitriny dia tsy hanaiky na oviana na oviana an’i Jesosy Kristy ho Mesia. Araka izany, dia mbola fahadisoan-kevitra iray amboniny koa ny filazana fa ny Vavolombelona kristiana dia mampiroborobo fanjakana jiosy eto an-tany miorina any Jerosalema. Mifanohitra amin’izany, izy ireo dia mampiroborobo ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra mifanaraka amin’izay nampianarin’i Jesosy. — Matio 4:17; 6:10.
Fampianarana mifanohitra amin’ny Baiboly
Anisan’ireo hevitra naroso hanairana ny olona hanohitra ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nomarihin’ny klerjy koa fa manohitra ny fampianarana sasan’ny Fiangonana izy ireo. Voalohan-daharana amin’izany ny fampianarana ny amin’ny Trinite. Kanefa nahoana moa izany fandavana izany no hisy fiantraikany amin’ny fampiharana ny demokrasia any Gresy? Nahoana moa ireo olom-pirenena no voatery hino ny Trinite mba hananana ny fahafahana sivily ao amin’io tany io?
Tsy lavin’ny Vavolombelon’i Jehovah akory ny maha-andriamanitra an’i Jesosy. Ekeny izay voalazan’i Jaona 1:1 ny aminy, fa izy dia “andriamanitra”. Kanefa ny Fiangonana dia manohana fa Jesosy dia tsy hoe “andriamanitra” fotsiny, fa izy no Andriamanitra tsitoha, ny iray amin’ireo persona telo samy mandrakizay sy mitovy amin’ny hery.
Ny Baiboly, Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, dia tsy mampianatra izany. Mifanohitra amin’izany kosa, fa manambara mazava toy izao izy: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao nomeny ny Zanany lahitokana.” (Jaona 3:16). Tsy misy mihitsy fotoana na dia iray aza nihamboan’i Jesosy ho ilay Andriamanitra Tsitoha. Nilaza izy fa “Zanak’Andriamanitra lahitokana”. Ny vakiteny tsy manavakavaka ny Soratra masina dia ampy hanaporofoana izany fiheverana izany. — Jaona 3:18; 10:34-36.
Imbetsaka mihitsy Jesosy no nanamafy izany hevitra izany, raha nilaza hoe: “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray.” “Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy.” “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’izay naniraka Ahy.” “Ny Ray dia lehibe noho Izaho.” Ary ny tenin’Andriamanitra dia mbola manampy hoe: “Ny Zanaka koa aza no hanaiky [an’Andriamanitra]”. — Jaona 5:19; 6:38; 7:16; 14:28; I Korintiana 15:28.
Ny fampianarana ny amin’ny Trinite àry dia mifanohitra amin’ny Soratra masina. Avy aiza àry no nihaviany, raha izany? Nekena tao amin’ny kaonsilin’i Nicée izy io tamin’ny 325 amin’ny fanisan-taona iraisana, rehefa nampiditra tao amin’ny kristianisma hevitra mpanompo sampy teraka tany Egypta sy Babylona fahiny ny mpivadi-pinoana. Ny mpanoratra tantara Will Durant dia nanao indrindra izao fanamarihana izao tao amin’ny bokiny Histoire de la civilisation: “Ny kristianisma dia tsy nandrava ny fanaon’ny mpanompo sampy; nekeny izany (...) Avy any Egypta no nihavian’ny hevitra ny amin’ny fitambaran-telon’andriamanitra.” Ankoatr’izany, ny Nouvelle Encyclopédie britannique dia manambara toy izao: “Tsy hita ao amin’ny Testamenta Vaovao ny teny hoe Trinite. Ny fampianarana tondroiny dia tsy voambara na oviana na oviana mazava ao. (...) Io fampianarana io dia naka endrika niandalana, nandritra ny taonjato maro sy tao anatin’ny fisafotofotoana.”
Na dia izany aza, raha te-hino ny Trinite ny Fiangonana ortodoksa, dia malalaka izy. Kanefa ao amin’ny tany demokratika iray, dia tsy manana zo hanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah izy, hitarika ny vahoaka hanohitra azy ireo, hampisambotra azy sy hanaisotra aminy ny fahafahany satria tsy mino ny Trinite izy ireo.
Manaja ny demokrasia grika izy ireo
Mazava ny lalàm-panorenana helenika: “Ny fahafahana ara-pivavahana dia tsy azo dikaina. (...) Ny fivavahana fantatra rehetra dia malalaka ary ny fombafomban’ny litorjiany dia azo atao tsy misy fanelingelenana sy eo ambany fiarovan’ny lalàna.”
Ny Vavolombelon’i Jehovah, izay fantatra sy ekena araka ny lalàna eo amin’ny sehetra iraisam-pirenena, dia manaja ireo fotopoto-pitsipiky ny demokrasia ireo. Irin’izy ireo koa ny hanajan’i Gresy an’izany, sy ny tsy hamelany na dia Fiangonana iray aza hampanjaka ny heviny mendrika ny “Inquisition” amin’ny fanenjehana olom-pirenena tsy miray hevitra aminy.
Ny klerjin’ny Fiangonana ortodoksa grika dia tsara raha misaina ny torohevitra nohazavain’ny mpampiana-dalàna iray nantsoina hoe Gamaliela tamin’ny taonjato voalohany. Nanambara toy izao ho an’ny klerjy izay nanenjika ny mpianatr’i Kristy io lehilahy io: “Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo: Mandefera amin’ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; (fa raha avy amin’olona izao saina na asa izao, dia ho foana; fa raha avy amin’Andriamanitra kosa izao dia tsy ho azonareo foanana;) sao dia miseho ho mpiady amin’Andriamanitra hianareo.” — Asa 5:34-39.
Tamin’io indrindra ny mpianatr’i Jesosy no nanambara tamin’ny klerjy hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” Ary izany koa no fijerin’ny kristiana Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny. Ary dia mbola hanohy hifikitra amin’izany any Gresy izy, na inona na inona takin’ny klerjy. — Asa 5:29.
[Sary, pejy 7]
Petera sy ny apostoly hafa dia nanambara tamin’ny klerjy tamin’ny androny fa: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.”