FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/4 p. 21-25
  • Ny Fanapahan-kevitro Handroso ho Amin’ny Fahamatorana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fanapahan-kevitro Handroso ho Amin’ny Fahamatorana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanova ny fiainanay ny ady
  • Vato nisakana tamin’ny fandrosoana ara-panahy
  • Fanaovana ny asan’ny mpisava lalana
  • Fidirana amin’ny asa misionera
  • Fifankazarana amin’ny faritany any ivelany
  • Fitsidihana tany Etazonia
  • Fanohizana mandroso eo amin’ny lafiny ara-panahy
  • Ilay Fianakaviana Tia Ahy Marina Tokoa
    Mifohaza!—1995
  • Nitory ny Vaovao Tsara Tany An-tany Lavitra
    Mifohaza!—2008
  • ‘Katsaho Aloha Ilay Fanjakana’
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Fizarana 4: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/4 p. 21-25

Ny Fanapahan-kevitro Handroso ho Amin’ny Fahamatorana

NOTANTARAIN’I CARL DOCHOW

“Handroso ho Amin’ny Fahamatorana sa ho Lavo ho Amin’ny Fahotana Indray, Inona no Hofidinao?” Izany no lohatenin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 Jona 1948. Io lahatsoratra io dia nanosika ahy hiala tamin’ny loza ara-panahy tany amin’ireo toeram-pambolena tany Etazonia ho any amin’ny asa misionera atỳ Amerika Atsimo izay naharitra 43 taona mahery.

TERAKA tamin’ny 31 Martsa 1914 aho, ny fahatelo tamin’ny zazalahy efatra, tao amin’ny trano hazo iray tany Vergas, any Minnesota. Nahafinaritra ireo taonan’ny fahazazako. Tadidiko ny fanjonoana niaraka tamin’i Dada. Narary matetika anefa i Neny, ary voatery niala tamin’ny fianarana aho teo amin’ny taona fahadimy mba hanampiana azy tamin’ny raharaha tao an-trano. Fony aho 13 taona, dia fantatra fa kanseran’ny havokavoka ny aretiny.

Fantatr’i Neny fa tsy ho ela velona intsony izy, koa nanomboka nanomana ahy hanao ny raharahany ao an-trano, izy. Nipetraka tao an-dakozia izy sady nanome ahy fitarihana ny amin’ny fomba fandrahoan-tsakafo sy fanaova-mofo. Fanampin’izany, dia nampianatra ahy hanasa lamba sy hikarakara ny zaridaina sy akoho zato, izy. Nampirisihiny koa aho hamaky toko iray ao amin’ny Baiboly isan’andro, ary nataoko izany, na dia voafetra aza ny fahaizako namaky teny. Rehefa avy nampiofana ahy folo volana i Neny, dia maty tamin’ny 27 Janoary 1928.

Nanova ny fiainanay ny ady

Taorian’ny nanombohan’ny Ady Lehibe Faharoa tamin’ny Septambra 1939, dia nisy vavaka natao ho an’ireo tafika, isaky ny alahady, tao amin’ny fiangonana loteriana nisy anay. Tapa-kevitra ny tsy hamono olona i Frank zokiko lahy, hany ka rehefa tsy nety niady tamin’ny naha-miaramila izy, dia nosamborina. Izao no nolazainy tamin’ny fitsarana azy: “Alohan’ny hamonoako olona tsy manan-tsiny, dia afaka mitifitra ahy ianareo!” Nomelohina handany herintaona tao amin’ny tranomaizina eo amin’ny Nosy Mcneil tazana avy eny amoron-tsiraky ny Fanjakan’i Washington, izy.

Tany i Frank dia nahita Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 300 izay natao an-tranomaizina satria nialanalana tanteraka nandritra ilay ady. (Isaia 2:4; Jaona 17:16). Tsy ela dia nanomboka nifanerasera tamin’izy ireo izy ary natao batisa tao an-tranomaizina ihany. Noho ny fitondran-tenany tsara, dia nahena ho sivy volana ny saziny. Tamin’ny Novambra 1942, dia nahazo filazana izahay fa afaka i Frank, ary tsy ela taorian’izay dia niresaka taminay momba ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izy. Rehefa avy nandinika tamim-pitandremana ilay hafatra tao amin’ny Baibolinay izahay rehetra, dia afaka nahita fa izay nampianarin’i Frank anay no fahamarinana.

Vato nisakana tamin’ny fandrosoana ara-panahy

Tamin’ny 1944, dia nifindra monina nankany amin’ny faritr’i Malta, any Montana, aho mba hiara-mipetraka tamin’ny dadafarako. Nanana zavatra niombonana izahay — samy nilaozam-bady taorian’ny fanambadiana enim-bolana. Faly izy nanana ahy nanampy azy tamin’ny fambolena sy ny fandrahoan-tsakafo, ary nisasahanay ireo tombom-barotra azonay. Nolazain’ny dadafarako fa handova ny toeram-pamboleny nisy 260 hektara aho raha nijanona niaraka taminy. Taom-piroboroboana ho an’ny fambolena tamin’izay, ary toy inona moa ny fitiavako azy io! Nanana vokatra sesehena izahay isan-taona, ary lafo hatramin’ny 3,16 dolara (12 166 FMG) ny varimbazaha eran’ny vata famarana (mahalany 35 litatra mahery).

Kanefa, tsy tian’ny dadafarako ny hanatrehako ireo fivorian’ny kongregasiona kelin’ny Vavolombelona tao Malta. Tamin’ny 7 Jona 1947, tsy fantatry ny dadafarako akory, dia natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny fizaran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Wolf Point aho. Nisy rahalahy kristiana iray tao nanasa ahy ho tonga mpisava lalana, na mpitory manontolo andro. Na dia fanirian’ny foko aza ny hampiasa ny fiainako amin’izany fomba izany, dia nohazavaiko fa tsy hamela ahy na oviana na oviana hanokana izany fotoana be dia be izany ho amin’ny fanompoana ny dadafarako.

Fotoana fohy taorian’izay, ny dadafarako dia nanokatra sy namaky ny taratasy iray ho ahy avy tamin’ny namana iray izay nampirisika ahy ho tonga mpitory manontolo andro. Nisafoaka mafy izy ka nanome ahy safidy farany: na hitsahatra tsy hitory na hiala tao an-trano. Io safidy farany io dia zavatra tsara satria tiako dia tiako ny fambolena, koa tsy fantatro raha ho niala tamin’ny nahim-poko aho. Koa niverina tany amin’ny fianakaviako tany Minnesota aho, efa vita batisa avokoa izy rehetra izao sady niaraka tamin’ny Kongregasionan’i Detroit Lakes.

Teo am-boalohany dia nampirisika ahy hanao ny asan’ny mpisava lalana ny fianakaviako, kanefa tamin’ny 1948, dia nanomboka nangatsiaka teo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo. Tamin’izay fotoana izay ilay lahatsoratra hoe “Handroso ho Amin’ny Fahamatorana sa ho Lavo ho Amin’ny Fahotana Indray, Inona no Hofidinao?” no nanome ny fandrisihana ara-panahy nilaiko. Nampitandreman’izy io fa “azo antoka fa hanaraka ireo vokany tena mampalahelo raha minia mandà tsy haharaka ny fahalalana mampandroso isika”. Hoy ilay lahatsoratra hoe: “Tsy afaka mijanona isika ka hanjary hihemotra, fa tsy maintsy manao fandrosoana eo amin’ny fahamarinana kosa. Ny fandrosoana, fa tsy ny fijanonana, no hery lehibe indrindra enti-manohitra ny fahalavoana indray.”

Na dia nanome fialan-tsiny hafa aza ny fianakaviako, dia inoako fa ny fanirian’izy ireo ho tonga mpanankarena no tena olana. Hitan’izy ireo ny tombontsoa ara-bola azo avy amin’ny fanokanana fotoana bebe kokoa amin’ny fambolena sy fotoana kely kokoa amin’ny fitoriana. Tsy nanjary voafandriky ny faniriana hanan-karena aho, fa nanao planina kosa mba hanao ny asan’ny mpisava lalana. Fantatro fa tsy ho mora izany, ary nieritreritra mihitsy aza aho fa tsy afaka nanao izany. Koa tamin’ny 1948, dia nisedra ny tenako aho tamin’ny finiavana nanao fangatahana mba hanomboka ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny volana naha-ratsy indrindra ny toetr’andro tamin’ny taona, dia ny Desambra.

Fanaovana ny asan’ny mpisava lalana

Nitahy ireo fiezahako i Jehovah. Ohatra, indray andro dia 27 degre Celsius ambanin’ny zero ny mari-pana, tsy noheverina intsony ny rivotra namanala. Teo am-panaovana fanambarana teny amin’ny arabe araka ny nahazatra aho, sady namindrafindra matetika ny tanako — nametraka ilay nangatsiaka tao anaty paosiko raha mbola nihazona ireo gazety tamin’ny ilany mandra-pamanalan’izy io ka hahazoany ny anjarany tao anaty paosy. Nanatona ny lehilahy iray. Nanazava izy fa nahamarika ny asako hatramin’ny elaela, ary nanontany hoe: “Inona loatra no ao anatin’ireo gazety ireo no dia tena zava-dehibe erỳ aminao? Omeo ahy ireny roa ireny mba hahafahako hamaky azy.”

Nandritra izany fotoana izany, dia hitako fa nahatandindomin-doza ny fahasalamako ara-panahy ny fiarahako tamin’ny fianakaviako, hany ka rehefa nangataka tamin’ny Fikambanana Watch Tower aho, dia nomena fanendrena vaovao tany Miles City, any Montana. Tao aho dia nanompo tamin’ny naha-serviteur de groupe, fantatra ankehitriny hoe mpiandraikitra prezidà. Nipetraka tao amin’ny tranofiara iray nisy roa metatra ny sakany ary telo metatra ny lavany aho, ary namelon-tena tamin’ny fiasana tapa-potoana tamin’ny fandraharahana nanadio maina ny lamba. Indraindray dia nokaramaina hanao izay tiako indrindra aho dia ny fijinjana.

Nandritra izany fotoana izany, dia reko hatrany ny momba ny fiharatsian’ny toe-piainana ara-panahin’ny fianakaviako. Tamin’ny farany izy ireo, niaraka tamin’ireo hafa tao amin’ny Kongregasionan’i Detroit Lakes, dia nanjary nanohitra ny fandaminan’i Jehovah. Tamin’ireo mpitory ilay Fanjakana 17 tao amin’ilay kongregasiona, dia 7 monja no nitoetra ho nahatoky. Tapa-kevitra ny hampiala ahy avy tao amin’ny fandaminan’i Jehovah koa ny fianakaviako, koa tsapako fa tsy nisy vahaolana afa-tsy tokana, dia ny handroso hatrany. Kanefa amin’ny fomba ahoana?

Fidirana amin’ny asa misionera

Nandritra ilay fivoriambe niraisam-pirenena tany New York City tamin’ny 1950, dia natrehiko ny fizarana diplaoma ho an’ireo mpianatra misionera avy tamin’ny kilasy faha-15-n’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower. ‘Raha mba afaka ny ho anisan’ireo izay mandeha manompo an’i Jehovah any amin’ny fanendrena any ivelany mantsy aho’, hoy ny eritreritro.

Nandefa fangatahana iray aho ary nekena ho anisan’ny kilasy faha-17-n’ny Sekolin’i Gileada, izay nanomboka tamin’ny Febroary 1951. Kanto ilay toerana nisy ny sekoly tany amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana iray any amin’ny tapany avaratra amin’i New York. Toy inona moa ny faniriako hiasa tao amin’ilay toeram-pambolena sy fiompiana taorian’ny ora fianarana, angamba tao amin’ny tranon’ny biby fiompy niaraka tamin’ireo ombivavy na teny alatrano niaraka tamin’ireo vokatra! Kanefa nohazavain’i John Booth, mpiandraikitra ny Toeram-pambolena sy Fiompian’ny Fikambanana tamin’izay fotoana izay, fa izaho irery ihany no nanana fanandraman-javatra tamin’ny fanadiovana maina. Koa notendrena hanao izany asa izany aho.

Tsy mora ny Sekolin’i Gileada ho an’ny olona iray izay tsy nahita fianarana afa-tsy hatreo amin’ny taona fahadimy. Na dia tokony ho novonoina tamin’ny 10.30 alina aza ny jiro, dia matetika aho no nianatra hatramin’ny misasak’alina. Indray andro dia nampiantso ahy tao amin’ny biraony ny iray tamin’ireo mpampianatra. “Carl”, hoy izy, “hitako fa tsy dia ambony ireo mari-pahaizanao.”

‘Maty aho’, hoy aho anakampo, ‘fa hangataka ahy hiala ry zareo.’

Kanefa ilay mpampianatra dia nanome ahy tamim-pitiavana torohevitra sasany ny amin’ny fomba hahafahako hampiasa amin’ny fomba tsara indrindra ny fotoanako kanefa tsy hianatra tara be. Natahotahotra aho nanontany hoe: “Ampy fahaizana mba hijanonana ato amin’ny Gileada ve aho?”

“Eny”, hoy ny navaliny. “Kanefa, tsy fantatro raha hahafeno fepetra ho amin’ny fahazoana diplaoma ianao.”

Nahazo fampiononana avy tamin’ireo tenin’i Nathan H. Knorr, prezidàn’ilay sekoly, aho. Nilaza tamin’ireo mpianatra izy teo aloha fa ireo mari-pahaizana dia tsy nanaitra azy toy ny “fifikirana amim-pahatokiana” asehon’ireo misionera izay naharitra tamin’ny fanendrena azy ireo.

Ny taranja sarotra indrindra tamiko dia ny teny espaniola, kanefa nantenaiko ny hotendrena ho any Alaska, izay araka ny nahazatra ahy taloha tany aminay ny toetr’andro nangatsiaka tany. Ankoatra izany, dia ho afaka hitory amin’ny teny anglisy aho. Koa azonao alaina sary an-tsaina ny fahatairako rehefa nahazo ny fanendrena ahy ho any Ekoatera, any Amerika Atsimo, aho, teo antenatenan’ilay fianarana. Eny, tsy maintsy hiteny espaniola aho, ary any amin’ny ekoatera mahamay mihitsy!

Indray andro dia nisy iraky ny FBI tonga nitsidika ahy tao amin’ny Sekolin’i Gileada. Nanontaniany ny momba ny zanakalahin’ilay serviteur de groupe izay nandao ny fandaminantsika tany Detroit Lakes. Mbola nisy ny ady tany Korea, ary nihambo ho mpitory Vavolombelon’i Jehovah io tovolahy io, ka noho izany dia nitaky fanafahana tsy hanao raharaha miaramila. Nohazavaiko fa tsy Vavolombelon’i Jehovah intsony izy io. Rehefa nanao veloma ahy ilay iraka, dia nilaza hoe: “Hotahin’ny Andriamanitrao anie ianao amin’ny asanao.”

Tatỳ aoriana dia fantatro fa maty tamin’ny iray tamin’ireo ady nandraisany anjara voalohany tany Korea ilay zatovo. Vokany mampalahelo re izany ho an’ny olona iray izay afaka nandroso ho amin’ny fahamatorana tao amin’ny fandaminan’Andriamanitra!

Tamin’ny farany, dia tonga ny andro nahafaly fizarana diplaoma ho anay tamin’ny 22 Jolay 1951. Mazava ho azy fa tsy nisy tonga teo ny fianakaviako, kanefa feno ny fifaliako rehefa nahazo diplaoma aho noho ny fandrosoana nataoko.

Fifankazarana amin’ny faritany any ivelany

Rehefa tonga tany amin’ny toerana nanendrena ahy aho dia nahita fa tena nahasoa tokoa ny fampiofanan’i Neny. Tsy zava-baovao tamiko ny fandrahoan-tsakafo sy ny fanasan-damba tamin’ny tanana ary ny tsy fisian’ny rano tao an-trano. Kanefa zava-baovao tamiko ny fitoriana tamin’ny teny espaniola! Nampiasa toriteny tamin’ny teny espaniola natao pirinty aho nandritra ny fotoana elaela. Nila telo taona aho vao afaka nanao lahateny ampahibemaso iray tamin’ny teny espaniola sady mbola nampiasa fanamarihana an-tsoratra be dia be tamin’izany.

Rehefa tonga teto Ekoatera aho tamin’ny 1951, dia nisy mpitory ilay Fanjakana latsaka ny 200 teto. Toa niadana ny asa fanaovana mpianatra nandritra ireo 25 taona voalohany teo ho eo. Tena hafa noho ireo lovantsofina tsy araka ny Soratra Masina narahin’ny fivavahana katolika ireo fampianarantsika ny Baiboly, ary tsy tiam-bahoaka indrindra ny fanarahantsika ireo toromariky ny Baiboly momba ny fahatokiana eo anoloan’ny vadin’ny tena vita soratra. — Hebreo 13:4.

Na dia izany aza, dia afaka nametraka zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly be dia be izahay. Azo anazavana izany ny fanompoanay tany Machala, any afovoan’ireo toeram-pambolena mamokatra akondro. Izahay sy i Nicholas Wesley no hany Vavolombelona tao fony izahay tonga tamin’ny 1956. Niainga aloha izahay ny maraina, nitaingina kamiao izay nampiasaina tamin’ny asa fanamboarana ireo lalam-be tamin’izany fotoana izany. Rehefa nandeha lavitra izahay, dia niala ary nanao fanambarana tamin’ireo olona teny an-dalana niverina hatrany amin’izay nipetrahanay.

Tamin’ny andro niavaka iray, dia nanao firaketana an-tsoratra izahay sy i Nick mba hahitana hoe iza taminay no hahapetraka gazety maro kokoa. Tadidiko fa nisongona an’i Nick aho tamin’ny mitataovovonana, kanefa tamin’ny hariva dia samy nahapetraka gazety 114 avy izahay. Nahapetraka an-jatony maro tamin’ireo gazetintsika izahay isam-bolana tamin’ny olona nanaovanay lalana fizarana gazety. Inenina aho no nahapetraka gazety maherin’ny arivo nandritra ny iray volana. Eritrereto hoe firifiry akory ny olona afaka nianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly avy tamin’ireny gazety ireny!

Tany Machala, dia nanana koa ny tombontsoa nanorina ny Efitrano Fanjakana voalohan’ny kongregasiona teto Ekoatera izahay. Izany dia 35 taona lasa izay, tamin’ny 1960. Tamin’ireny andro taloha ireny, dia tsy nisy mpanatrika afa-tsy sahabo ho 15 tamin’ireo fivorianay. Manana kongregasiona miroborobo 11 i Machala amin’izao andro izao!

Fitsidihana tany Etazonia

Tamin’ny faramparan’ireo taona 1970, dia niverina tany Etazonia aho tamin’ny fialan-tsasatra ary nandany ora vitsivitsy niarahana tamin’i Frank rahalahiko. Nentiny tamin’ny fiarakodiany aho niakatra teo amin’ny havoana kely iray izay nahatazananay lavitra nanerana ny Red River Valley. Kanto izy io, niaraka tamin’ireo voa masaka natopatopan’ny rivotra, varimbazaha masaka milonjehitra tsy hita pesipesenina. Tsinjo teny lavitra teny ny Sheyenne River nisy hazo nitandahatra teny amorony. Notapahin’ny rahalahiko ny fahafinaretana tamin’izany hakantoana tony izany rehefa nanomboka ny resadresany nahazatra izy.

“Raha tsy adala nandehandeha tany Amerika Atsimo tany ianao, dia nety ho anao koa io!”

“Frank”, hoy aho nanapaka haingana ny teniny. “Ajanony eo avy hatrany izany resaka izany.”

Tsy niteny intsony izy. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia maty tampoka izy, tapaka lalan-dra, ka namela toeram-pambolena sy fiompiana midadasika telo kanto tany Dakota Avaratra, nitontaly 400 hektara mahery, ary koa ny toeram-pambolena 260 hektara an’ny dadafarako izay nolovany tany Montana.

Maty avokoa ny anisan’ny fianakaviako rehetra ankehitriny. Kanefa, faly aho fa any Detroit Lakes, izay nanombohanay rehetra tamin’ny naha-Vavolombelon’i Jehovah taona maro lasa izay, dia manana fianakaviana ara-panahy voaforona rahalahy sy anabavy kristiana maherin’ny 90, aho.

Fanohizana mandroso eo amin’ny lafiny ara-panahy

Nanome vokatra sesehena teo amin’ny fijinjana ara-panahy teto Ekoatera ireo 15 taona farany. Nanomboka tamin’ny mpitory ilay Fanjakana tokony ho 5 000 izahay tamin’ny 1980, ary manana maherin’ny 26 000 ankehitriny. Nahazo ny fitahiana nanampy mahery lavitra ny zato tamin’izy ireny hatramin’ny batisa aho.

Ankehitriny, amin’izao faha-80 taonako izao, dia miasa mafy kokoa aho mba hahazoana adiny 30 isam-bolana eo amin’ny fanompoana noho ny nataoko mba hamenoana ny 150 ora anjarako tamin’ny 1951. Hatramin’ny 1989, rehefa fantatro fa nanana kanseran’ny kambondahy (prostate) aho, dia nanararaotra ny fotoana akako aina mba hamakiana boky. Hatramin’io taona io, dia namaky ny Baiboly hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany in-19 aho sy namaky ilay boky hoe Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieu, in-6. Amin’izany fomba izany no androsoako hatrany eo amin’ny lafiny ara-panahy.

Eny, nanana ny fahafahana hahazo tombontsoa ara-nofo aho tany amin’ireo toeram-pambolena tany Etazonia. Kanefa ireo valisoa avy amin’ny harena ara-nofo dia tsinontsinona rehefa ampitahaina amin’ny fifaliana tsapako eo amin’ny fijinjana ara-panahy. Nampahafantatra ahy ny sampana eto Ekoatera fa nahapetraka gazety maherin’ny 147 000 sy boky 18 000 aho tamin’ny asa misionera nataoko. Heveriko ho voa ara-panahy ireny, izay efa nitsimoka ny ankamaroany; ny hafa dia mety mbola hitsimoka ao am-pon’ny olona arakaraka ny amakian’izy ireo ny amin’ireny fahamarinana momba ilay Fanjakana ireny.

Tsy misy zavatra heveriko ho tsara kokoa noho ny fandrosoana hatrany ho ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra hiaraka amin’ireo zanako ara-panahy rehetra sy ireo an-tapitrisany maro hafa izay nifidy ny hanompo an’i Jehovah Andriamanitsika. Tsy hamonjy ny olona iray mandritra ny faran’itỳ tontolo ratsy itỳ ny vola. (Ohabolana 11:4; Ezekiela 7:19). Kanefa, hitohy ny vokatry ny asantsika ara-panahy — raha manohy mandroso ho amin’ny fahamatorana ny tsirairay avy amintsika.

[Sary, pejy 24]

Vonona hanao ny asan’ny mpisava lalana tany Miles City, any Montana, tamin’ny 1949

Fividianana rano ho an’ny tranon’ny misionera nisy anay, 1952

[Sary, pejy 25]

Fitoriana tany Machala, 1957

Hatramin’ny naharariako tamin’ny 1989, dia namaky ny Baiboly hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany in-19 aho

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara