Mety ho Hita ve ny Fahamarinana Ara-pivavahana?
TANY Soeda ny lehilahy tia manadihady iray eo amin’ny lafiny ara-panahy, ao amin’ny tanànan’i Uppsala misy oniversite, dia nanapa-kevitra ny handalina ireo zavatra inoan’ireo fivavahana samy hafa ao amin’ny tanànany, ka nitsidika ireo toeram-pivavahan’izy ireo mihitsy aza. Nihaino izy rehefa nitory teny ny klerjin’izy ireo, ary nanadinadina mpikambana sasany izy. Nomarihiny fa ny Vavolombelon’i Jehovah no hany toa niaiky fa “nahita ny fahamarinana”. Rehefa dinihina ny fisian’ny karazam-piheverana ara-pivavahana maro samihafa, dia nanontany tena izy hoe ahoana no ahafahan’ireo Vavolombelona manao izany filazana izany.
Heverinao ve fa azo atao ny mahita ny fahamarinana mikasika ny fivavahana? Mety ho azo atao akory ve ny hamaritra izay mety hantsoina hoe fahamarinana fara tampony?
Ny filozofia sy ny fahamarinana
Nanjary nihevitra ireo izay nandalina ny filozofia fa tsy mety ho hitan’ny olombelona ny fahamarinana fara tampony. Mety ho fantatrao fa ny filozofia dia nofaritana hoe “ny siansa izay miezaka ny hanazava ny fiandohan’ny fisiana sy ny fiainana”. Raha ny tena izy anefa, dia mahalana no tonga hatramin’izany izy io. Ao amin’ny Filosofins Historia (Ny Tantaran’ny Filozofia), dia nanoratra toy izao ilay mpanoratra soedoa atao hoe Alf Ahlberg: “Fanontaniana filozofika maro no anisan’ilay karazana izay tsy azo anomezana valiny hentitra. (...) Olona maro no mihevitra fa ireo olana metafizika rehetra [mikasika ireo fotopoto-pitsipika voalohany mifehy ireo zavatra] dia anisan’io (...) sokajy io.”
Vokatr’izany, dia matetika no tsy afa-po na ory mafy tamin’ny farany ireo izay niezaka ny hitady ny valin’ireo fanontaniana lehibe momba ny fiainana tamin’ny alalan’ny filozofia. Tao amin’ilay bokiny hoe Tankelinjer och trosformer (Ireo Fizotran’ny Fanjohian-kevitra sy ny Finoana Ara-pivavahana), dia nilaza toy izao ilay mpanoratra soedoa atao hoe Gunnar Aspelin: “Izao no zavatra iray hitantsika: ny natiora dia tsy liana intsony ny amin’ny olona toy ny amin’ny lolo sy ny moka (...) Tsy manan-kery isika, tsy manan-kery tanteraka, eo anatrehan’ireo hery ireo izay miasa eo amin’izy samy izy eo amin’izao rehetra izao sy eo amin’ny tontolontsika anaty. Izany no fomba fijery momba ny fiainana niseho matetika tokoa teo amin’ny literatiora, taloha kelin’ny faran’ny taonjato iray izay nametrahan’ny olona ny finoany tamin’ny fandrosoana sy nanofinofisany hoavy tsara kokoa.”
Ilaina ve ny fanambarana ny fahamarinana?
Miharihary fa tsy nahomby tamin’ny fahitana ny fahamarinana momba ny fiainana ireo fiezahan’ny olombelona fotsiny, ary toa tsy hahomby mihitsy izy ireny. Misy antony tsara àry hanatsoahan-kevitra fa tena ilaina ny karazana fanambarana sasany avy amin’Andriamanitra. Manome fanambarana sasany ilay antsoin’ny maro hoe ny bokin’ny natiora. Na dia tsy manome tsipiriany azo anatsoahan-kevitra momba ny fiandohan’ny fiainana aza izy io, dia tena mampiseho fa misy zavatra mahafa-po lavitra noho ny fanazavana momba ny fiainana mifantoka amin’ny zavatra hita maso ranofotsiny. Ny ravin’ahitra iray mitombo mihalava, raha ny marina, dia manaraka lalàna hafa noho ireo lalàna mifehy ny antontam-bato ao anatin’ny zohy iray mihotsaka. Manorina sy mandamina ny tenany amin’ny fomba izay tsy hain’ireo zavatra tsy miaina, ireo zavamananaina eo amin’ny natiora. Araka izany, ny mpandalina momba ny lalàna sy ny fivavahana nalaza iray dia nanana antony hanatsoahan-kevitra hoe: “Ny fomban[’Andriamanitra] tsy hita, (...) dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony”. — Romana 1:20.
Kanefa, mba hahitana hoe iza no nampisy izany fanorenana sy fandaminana rehetra izany, dia ilaintsika ny fanambarana iray fanampiny. Tsy tokony hampoizintsika ve ny hisian’izany fanambarana izany? Tsy ho azon’ny saina ekena ve ny hanampoizana fa Ilay nampisy ny fiainana eto an-tany dia hampahafantatra ny tenany amin’ireo zavaboariny?
Milaza tena ho izany fanambarana izany ny Baiboly. Tato amin’itỳ gazety itỳ, dia matetika izahay no nampiseho ireo antony tsara tokony hanekena izany filazana izany, ary olona mieritreritra maro no nanaiky izany. Ny naha-dodona ireo lehilahy nanoratra ny Baiboly hampiseho mazava fa tsy azy ireo izay nosoratany dia tena miavaka mihitsy. Maherin’ny in-300 no ahitantsika ireo mpaminany ao amin’ny Baiboly mampiasa fitenenana toy ny hoe: “Izao no lazain’i Jehovah”. (Isaia 37:33; Jeremia 2:2; Nahoma 1:12). Azo inoana fa fantatrao fa mazàna ireo lehilahy sy vehivavy izay manoratra boky na lahatsoratra no tena dodona erỳ ny hametraka ny soniany eo amin’ny asa sorany. Kanefa, tsy nisehoseho ireo izay nanoratra ny Baiboly; indraindray aza dia sarotra ny mamantatra hoe iza no nanoratra ny tapany sasany ao amin’ny Baiboly.
Ny lafiny hafa amin’ny Baiboly izay mety ho hitanao fa misy heviny dia ny firindrany anaty. Tena miavaka tokoa izany, rehefa dinihina fa nosoratana nandritra ny fe-potoana naharitra 1 600 taona ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly. Aoka hatao hoe nankany amin’ny tranombokim-bahoaka iray ianao ka nifidy boky ara-pivavahana 66, izay nosoratana nandritra ny fe-potoana naharitra taonjato 16. Avy eo dia natambatrao ho boky iray ireo boky tsirairay ireo. Hampoizinao ve ny hananan’io boky io loha hevitra iombonana sy hafatra mirindra? Azo antoka fa tsia. Hitaky fahagagana izany. Diniho anefa izao: Tena manana izany loha hevitra iombonana izany ireo boky ao amin’ny Baiboly, ary tena mifanamarina izy ireo. Asehon’izany fa tsy maintsy misy ny tompon-kevitra, na loharano, iray izay nandidy izay horaketin’ireo mpanoratra ny Baiboly an-tsoratra.
Kanefa, hahita lafin-javatra izay manaporofo mihoatra noho ny zavatra hafa ny maha-avy amin’Andriamanitra ny Baiboly ianao. Ireo faminaniana — filazana nosoratana mialoha momba izay hitranga tokoa amin’ny hoavy. Mampiavaka ny Baiboly ireo fitenenana toy ny hoe: “Amin’izany andro izany” sy ny hoe: “Izao no ho tonga any am-parany”. (Isaia 2:2; 11:10, 11; 23:15; Ezekiela 38:18; Hosea 2:23-25; Zakaria 13:2-4). An-jatony taona maro talohan’ny nisehoan’i Jesosy Kristy teto an-tany, ireo faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo dia nanome tsipiriany momba ny fiainany — nanomboka tamin’ny nahaterahany ka hatramin’ny nahafatesany. Tsy misy fanatsoahan-kevitra hafa azon’ny saina ekena azo lazaina afa-tsy ny hoe ny Baiboly no loharanon’ny fahamarinana momba ny fiainana. Manamafy izany amin’izao teny izao ny tenan’i Jesosy mihitsy: “Ny teninao no fahamarinana.” — Jaona 17:17.
Ny fivavahana sy ny fahamarinana
Na dia ireo olona maro mihambo ho mino ny Baiboly aza dia mihevitra fa tsy mety ho hita ny fahamarinana tanteraka. Nanazava toy izao ilay mpitondra fivavahana amerikana atao hoe John S. Spong: “Tsy maintsy (...) ialantsika ny fiheverana fa manana ny fahamarinana isika ka tsy maintsy manaraka ny fomba fijerintsika ny hafa, ary tsy maintsy tsapantsika fa samy tsy mety hahita ny fahamarinana fara tampony isika rehetra.” Nanome ny antony iray ho an’izany fomba fihevitra tsy manorina mikasika ny fahitana ny fahamarinana izany ilay mpanoratra katolika atao hoe Christopher Derrick: “Izay mety ho firesahana ny amin’ny ‘fahamarinana’ ara-pivavahana dia manipy hevitra ny amin’ny karazana filazana fa mahalala (...) Manipy hevitra ianao fa mety ho diso ny olon-kafa; ary tsy ho azo ekena velively izany.”
Amin’ny maha-olona mieritreritra anao anefa, dia hahasoa anao ny handinika fanontaniana mifanentana sasany. Raha tsy mety ho hita ny fahamarinana, nahoana no nilaza i Jesosy Kristy hoe: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo”? Ary nahoana no nilaza ny iray tamin’ireo apostolin’i Jesosy fa ny sitrapon’Andriamanitra dia ny ‘hahavoavonjy ny karazan’olona rehetra sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina’? Nahoana no hita maherin’ny injato ao amin’ny Soratra Grika Kristiana ny teny hoe “fahamarinana” mifandray amin’ny finoana? Eny, nahoana, raha toa ka tsy mety ho hita ny fahamarinana? — Jaona 8:32; 1 Timoty 2:3, 4.
Raha ny marina, i Jesosy dia tsy vitan’ny hoe nisarika ny saintsika ho amin’ny hoe mety ho hita ny fahamarinana, fa nampiseho koa izy fa takina ny fahitana azy io raha tiantsika hankasitrahan’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahantsika. Rehefa nanontany tena ny vehivavy samaritana iray hoe inona no endri-panompoam-pivavahana marina — ny fanompoam-pivavahana narahin’ireo Jiosy tao Jerosalema sa izay narahin’ireo Samaritana teo amin’ny Tendrombohitra Gerizima — i Jesosy dia tsy namaly tamin’ny filazana fa tsy mety ho hita ny fahamarinana. Nilaza kosa izy hoe: “Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” — Jaona 4:23, 24.
Olona maro no milaza hoe: ‘Azo lazaina amin’ny fomba samihafa ny hevitry ny Baiboly, koa tsy ho afaka hahazo antoka ny amin’izay atao hoe fahamarinana ny olona iray.’ Kanefa tena nosoratana tamin’ny fomba nanjavozavo toy izany tokoa ve ny Baiboly, hany ka tsy afaka mahazo antoka ny amin’ny fomba tokony hahazoana ny heviny ianao? Marina aloha fa mety ho saro-takarina ny fitenenana ara-paminaniana sy ara-panoharana sasany. Ohatra, nilaza tamin’i Daniela mpaminany Andriamanitra fa tsy ho azo tanteraka ny hevitry ny bokiny, izay mirakitra fitenenana ara-paminaniana be dia be, mandra-pihavin’ny “andro farany”. (Daniela 12:9). Ary miharihary fa mila ny hohazavaina ny hevitry ny fanoharana sasany.
Mazava anefa fa raha ny amin’ireo fampianarana kristiana fototra sy ireo zavatra heverina ho sarobidy ara-pitondran-tena ilaina mba hivavahana amin’Andriamanitra amin’ny fahamarinana, ny Baiboly dia tena mivantana. Tsy manome toerana ho an’ireo fanazavana hevi-teny mifanipaka izy io. Ao amin’ny taratasy ho an’ny Efesiana, ny finoana kristiana dia lazaina ho “iray”, ka mampiseho izany fa tsy tokony ho nisy ireo finoana maromaro. (Efesiana 4:4-6). Mety hanontany tena angamba ianao hoe: ‘Raha tsy azo hazavaina amin’ny fomba maro samy hafa amin’ny fomba ara-drariny ny hevitry ny Baiboly, nahoana no misy antokom-pivavahana “kristiana” maro dia maro samy hafa?’ Ho hitantsika ny valiny raha manao jery todika ny fotoana taoriana kelin’ny nahafatesan’ireo apostolin’i Jesosy sy nipoiran’ny fivadiham-pinoana tamin’ny tena finoana kristiana isika.
‘Ny vary sy ny tsimparifary’
Nambaran’i Jesosy mialoha izany fivadiham-pinoana izany tao amin’ny fanoharany momba ny vary sy ny tsimparifary. Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nanazava fa “ny vary” dia mampiseho ireo Kristiana marina; “ny tsimparifary” dia mampiseho ireo Kristiana sandoka, na mpivadi-pinoana. “Fa raha natory ny olona”, hoy i Jesosy, dia nisy ‘fahavalo’ iray namafy voan-tsimparifary teo an-tanimbary. Nanomboka io famafazana io taorian’ny natorian’ireo apostoly tao amin’ny fahafatesana. Asehon’ilay fanoharana fa hitohy izany fampifangaroana ny Kristiana marina sy ny Kristiana sandoka izany mandra-pihavin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. Araka izany, nandritra ireo taonjato, dia notakonana ireo Kristiana marina, satria notapahin’ireo Kristiana anarana fotsiny ny tanimbary ara-pivavahana. Kanefa, amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, dia hisy fiovana hitranga. “Ny Zanak’olona” dia “haniraka ny anjeliny” mba hanavahana ireo Kristiana sandoka amin’ireo Kristiana marina. Midika izany fa ho mora fantarina amin’izay ny kongregasiona kristiana, noho ny fananany ny toerana izay notanany tamin’ny andron’ireo apostoly. — Matio 13:24-30, 36-43, NW.
Samy manambara mialoha izany fanangonana indray ny tena mpivavaka “any am-parany” izany, ireo faminanian’i Isaia sy i Mika. Hoy i Isaia: “Izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany. Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony”. Ny fijerena ireo zava-misy amin’ny maso matsilo dia mampiseho fa eo am-pahatanterahana ny faminanian’i Isaia amin’izao androntsika izao. — Isaia 2:2, 3; Mika 4:1-3.
Tsy mitranga amin’ny alalan’ny fiezahan’olombelona anefa ny fitomboan’ny kongregasiona kristiana. Nambaran’i Jesosy mialoha fa “haniraka ny anjeliny” izy mba hanao asa fanangonana. Nasehony koa ny zava-kendrena tena manokana amin’izany: “Ary amin’izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy.” (Matio 13:43). Asehon’izany fa hisy asa fanazavana, na fampianarana, hotontosain’ny kongregasiona kristiana maneran-tany.
Mahita ny fahatanterahan’ireo faminaniana ireo ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny asa fampianarana izay tontosain’izy ireo any amin’ny tany 232 amin’izao andro izao. Amin’ny fampitahana amin’ny Baiboly ireo zavatra inoan’ny Vavolombelona sy ireo fari-pitsipi-pitondran-tenany ary ny fandaminany, dia afaka mahita mazava ireo olona tsy mitsara an-tendrony fa mifanaraka amin’ny an’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany izy ireny. Miresaka ny finoany ho “ny fahamarinana” ny Vavolombelona, saingy tsy noho ny fiheveran-tena ho ambony. Manao izany kosa izy ireo noho ny fianarany be dia be ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, ary manaraka azy io amin’ny maha-hany fari-pitsipika izay azo amaritana ara-drariny ny fivavahana izy ireo.
Nanisy firesahana ny amin’ny finoany ho “ny fahamarinana” ireo Kristiana tany am-boalohany. (1 Timoty 3:15; 2 Petera 2:2; 2 Jaona 1). Izay fahamarinana ho azy ireo dia tsy maintsy ho fahamarinana ho antsika amin’izao andro izao koa. Manasa ny olona rehetra ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanao izay hahazoana antoka ny amin’izany ny tenan’izy ireo mihitsy amin’ny fianarana ny Baiboly. Antenainay fa amin’ny fanaovana izany, ianao koa dia hahita ny fifaliana, izay tsy avy amin’ny fahitana fivavahana iray mihoatra noho ireo hafa fotsiny, fa avy amin’ny fahitana ny fahamarinana koa!
[Efajoro, pejy 5]
FILOZOFIA SASANY MANOHITRA NY FAHAMARINANA
POSITIVISME: Ny fiheverana fa ireo hevitra ara-pivavahana rehetra dia tsy misy dikany sady tsy azo amarinina ary ny zava-kendren’ny filozofia dia ny hampiray ireo siansa azo ampiharina mba hitambatra ho iray ihany.
EXISTENTIALISME: Nisy fiantraikany be dia be teo amin’ireo mpanohana azy io ireo zavatra nampihorohoro tamin’ny Ady Lehibe Faharoa ary, noho izany, dia nanjary manana fomba fijery manjombona momba ny fiainana izy ireo. Hamafisin’io filozofia io ny fandinihana ny fahorian’ny olona eo anatrehan’ny fahafatesana sy ny maha-poaka aty ny fiainana. Nilaza i Jean-Paul Sartre, mpanoratra mpanaraka ny existentialisme fa, satria tsy misy Andriamanitra, dia nafoy ny olona ary misy eo amin’izao rehetra izao izay tsy rototra tanteraka.
SCEPTICISME: Mihevitra fa tsy azo atao ny hahita, amin’ny alalan’ny fandinihana sy ny fahaiza-misaina, izay mety ho fahalalana tena izy, manan-kery hatraiza hatraiza — izay mety ho fahamarinana — momba ny fisiana.
PRAGMATISME: Tsy manombana ny tena vidin’ireo fiekentsika mafy afa-tsy eo amin’ny maha-azo ampiharina azy ireny eo amin’ny tombontsoan’ny olona, toy ny amin’ny fanavaozana ny fampianarana sy ny fari-pitondran-tena ary ny politika. Tsy heverin’izy io ho misy vidiny amin’ny maha-izy azy ny fahamarinana.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]
Pejy 3: Faharoa avy any an-kavia: Courtesy of The British Museum; Ankavanana: Sung Kyun Kwan University, Seoul, Korea