FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/10 p. 3-4
  • “Ny Marina Hahafaka Anareo Tsy ho Andevo”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Ny Marina Hahafaka Anareo Tsy ho Andevo”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Mivavaka Amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana ny Kristianina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Mbola Zava-dehibe ve ny Marina?
    Foto-kevitra Hafa
  • Iza moa Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Nahoana no Mitady ny Fahamarinana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/10 p. 3-4

“Ny Marina Hahafaka Anareo Tsy ho Andevo”

“Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” Izany no nambaran’i Jesosy, fony izy nampianatra ireo olona maro be tao amin’ny tempoly tao Jerosalema. (Jaona 8:32). Mora foana tamin’ireo apostoliny ny nanaiky fa fahamarinana no nampianarin’i Jesosy. Nahita porofo tondraka ny mahavy amin’Andriamanitra an’ilay mpampianatra azy, izy ireo.

AMIN’IZAO andro izao anefa, dia mety ho hitan’ny olona sasany fa sarotra ny manaiky ny fahamarinana nambaran’i Jesosy. Toy ny tamin’ny andron’i Isaia, ankehitriny dia misy “milaza ny ratsy ho tsara, ary ny tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mazava ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!” (Isaia 5:20). Koa satria maro be ireo hevitra sy filôzôfia ary fomba fiaina tohanana amin’izao fotoana izao, dia olona maro no mihevitra fa misy fetra ny zava-drehetra, ary tsy misy izany fahamarinana izany.

Fony i Jesosy nilaza tamin’ny mpihaino azy fa hahafaka azy ireo ny fahamarinana, dia hoy ny navalin’izy ireo: “Taranak’i Abrahama izahay, fa tsy mba andevon’olona hatrizay ela izay; koa nahoana no ataonao hoe: Ho afaka hianareo?” (Jaona 8:33). Tsy nihevitra ny tenany ho nila olona na zavatra mba hanafaka azy, izy ireo. Nanazava toy izao anefa i Jesosy avy eo: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon’ny ota.” (Jaona 8:34). Ilay fahamarinana noresahin’i Jesosy no afaka nanokatra ny lalana ho amin’ny fanafahana tamin’ny ota. Hoy i Jesosy: “Raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo.” (Jaona 8:36). Koa ilay fahamarinana izay manafaka ny olona àry, dia ilay fahamarinana momba an’i Jesosy Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra. Tsy misy olona azo afahana amin’ny ota sy ny fahafatesana raha tsy noho ny finoana ny soron’i Jesosy ihany, dia ilay nanolorany ny ain’olombelona lavorary nananany.

Hoy koa i Jesosy tamin’ny fotoana hafa iray: “Manamasìna azy amin’ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17). Ny tenin’Andriamanitra, araka ny voalaza mazava ao amin’ny Baiboly, no ilay fahamarinana izay afaka mitondra fanafahana amin’ny finoanoam-poana sy ny fanompoam-pivavahan-diso. Ny Baiboly no mirakitra ny fahamarinana momba an’i Jesosy Kristy. Izany fahamarinana izany no mitarika ny olona haneho finoana azy, ary manokatra ny lalana ho amin’ny fanantenana mamirapiratra amin’ny hoavy. Zavatra faran’izay tsara izany hoe tonga amin’ny fahalalana ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izany!

Tena zava-dehibe ve ny fahalalana ny fahamarinana? Fivavahana maro amin’izao andro izao, na dia mihambo ho manaraka ny Baiboly aza, no eo ambany fitaomana maherin’ny filôzôfia sy ny lovantsofin’olombelona. Matetika dia tsy ny fahamarinan’ny hafatra entin’izy ireo no ahin’ireo mpitondra fivavahana voalohany indrindra, fa ny ho mamy hoditra amin’ny besinimaro kosa. Mihevitra ny sasany fa afa-po amin’ny endri-panompoam-pivavahana rehetra Andriamanitra, raha mbola atao amim-pahatsorana koa izany. Nanazava toy izao anefa i Jesosy Kristy: “Avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.” — Jaona 4:23.

Raha irintsika ny hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra amin’ny fomba azo ekena, dia tsy maintsy mahafantatra ny fahamarinana isika. Zava-dehibe izany. Miankina amin’izany ny fahasambarantsika mandrakizay. Araka izany, dia tokony hanontany tena toy izao ny tsirairay: ‘Azon’Andriamanitra ekena ve ny fomba anolorako fanompoam-pivavahana? Tena liana marina amin’ny fianarana ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ve aho? Sa kosa matahotra izay zavatra mety hahariharin’ny fanadihadiana amim-pitandremana aho?’

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara