Mpanao Pirinty Iray Izay Namela Marika Tamin’ny Asany
EFA mba naniry ny hitady andinin-teny iray ao amin’ny Baiboly ve ianao, saingy tsy nahatadidy hoe taiza no nahitana azy io? Kanefa, tamin’ny fitadidiana teny iray monja, dia afaka nahita azy io ianao tamin’ny fampiasana konkordansan’ny Baiboly. Na, angamba ianao nanatrika fivoriana kristiana iray izay nisy mpanatrika an-jatony maro, na an’arivony maro mihitsy aza, afaka nanokatra ny Baiboliny mba hamakiana andinin-teny iray, segondra vitsivitsy monja taorian’ny nanononana azy io.
Tamin’ireo tarehin-javatra roa ireo, dia nahazo zavatra avy tamin’ny lehilahy iray izay mety ho tsy fantatrao ianao. Nanamora ny fianaranao ny Baiboly izy, ary nandray anjara koa tamin’ny fanaovana izay hahazoana antoka fa manana Baiboly araka ny marina isika amin’izao andro izao. Nanana hery nitaona teo amin’ny fomba isehoan’ny Baiboly maro mihitsy aza izy.
Ilay lehilahy dia i Robert Estienne.a Mpanao pirinty izy, nateraky ny mpanao pirinty iray tany Paris, any Frantsa, tany akaikin’ny fiandohan’ny taonjato faha-16. Fotoan’ny Renaissance sy ny Fanavaozana (Réforme) tamin’izay. Nanjary fitaovana nampitana azy roa ireo ny milina fanontam-pirinty. Mpanao pirinty fanta-daza i Henri Estienne, rain’i Robert, izay namoaka ny sasany tamin’ireo fanontana boky tsara indrindra nandritra ny Renaissance. Nahafaoka asa soratra akademika sy ara-baiboly ho an’ny Oniversiten’i Paris sy ho an’ny sekolin’i Paris momba ny teolojia — i Sorbonne — ny asa sorany.
Kanefa aoka isika hifantoka amin’i Robert Estienne zanany lahy. Zavatra kely no fantatra momba ny fianarany tany an-tsekoly. Hatramin’ny fahazazany anefa, dia nahay niteny latina tsara izy ary tsy ela dia nianatra ny teny grika sy hebreo koa. Avy tamin-drainy no nianaran’i Robert ny fahaizana manao pirinty. Rehefa nandimby an-drainy tamin’ny fanaovam-pirinty i Robert Estienne tamin’ny 1526, dia efa fantatra ho manam-pahaizana manokana nanana fari-pahaizana ambony momba ny famakafakana fiteny izy. Na dia namoaka fanontana literatiora latina nisy fanitsiana sy asa soratra hafa mendrika ny avara-pianarana aza izy, ny zavatra tsy azo lavina fa tiany voalohany dia ny Baiboly. Dodona ny hanatanteraka ho an’ny Baiboly latina izay efa natao tamin’ireo asa soratra tany Grisia sy Roma fahizay tamin’ny teny latina i Estienne, ka nanomboka namerina indray tamin’ny laoniny araka izay azo natao ny soratra tany am-boalohany tamin’ny taonjato fahadimy tao amin’ny Baiboly Vulgate latina nataon’i Jérôme.
Vulgate nohatsaraina
Nandika avy tamin’ny teny hebreo sy grika tany am-boalohan’ny Baiboly i Jérôme, kanefa tamin’ny andron’i Estienne, ny Vulgate dia efa nisy hatramin’ny arivo taona. Nisy fahadisoana sy tsininy maro tafatsofoka tsikelikely ho vokatry ny fanaovana kopia ny Vulgate nandritra ny taranaka maro. Ambonin’izany, nandritra ny Moyen Age, ireo teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly dia nosaronana ireo anganon’ny Moyen Age sy andinin-teny nolazaina tamin’ny fomba hafa ary fanovana sandoka maro be nisafotofoto. Nanjary nifangaro be tamin’ny soratra tao amin’ny Baiboly izy ireny, hany ka nanomboka nekena ho soratra ara-tsindrimandry.
Mba hanesorana izay rehetra tsy tany am-boalohany, dia nampihatra ireo fomba tamin’ny fitsikerana lahatsoratra izay nampiasaina tamin’ny fianarana ny literatiora kilasika i Estienne. Nikaroka izy ka nahita ireo sora-tanana tranainy indrindra sy tsara indrindra azo noraisina. Tao amin’ireo tranomboky tao Paris sy teny amin’ny manodidina ary tany amin’ny toerana toa an’i Évreux sy i Soissons, dia namongatra sora-tanana tranainy maromaro izy, ka toa tamin’ny taonjato fahenina ny iray. Nampitaha tamim-pitandremana ireo soratra tamin’ny teny latina samy hafa isan’andininy i Estienne, ka tsy nifantina afa-tsy ireo andinin-teny izay toa azo ninoana indrindra. Navoaka voalohany tamin’ny 1528 ny asa soratra vokatr’izany, dia ny Baibolin’i Estienne, ary dingana niavaka ho amin’ny fanatsarana ny maha-araka ny marina ny soratra ao amin’ny Baiboly izy io. Nanaraka izany ireo fanontana nohatsarain’i Estienne. Nisy olon-kafa teo alohany niezaka nanitsy ny Vulgate, kanefa ny azy no fanontana voalohany izay nanome fanazavana fanampiny nisy fitsikerana nahomby. Teny an-tsisim-pejy, dia notondroin’i Estienne hoe taiza no nanalany andinin-teny nampisalasala sasany na taiza no netezan’ny dikan-teny na filazan-teny manokana mihoatra noho ny iray. Nomarihiny koa ireo sora-tanana nakana hevitra izay nanome fahefana ho an’ireny fanitsiana ireny.
Nampiditra lafin-javatra maro hafa tena vaovao ho an’ny taonjato faha-16 i Estienne. Nanisy fanavahana teo amin’ireo boky apokrifa sy ny Tenin’Andriamanitra izy. Napetrany taorian’ireo Filazantsara sy teo alohan’ireo taratasin’i Paoly ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Teny ambonin’ny pejy tsirairay, dia nasiany teny fototra vitsy mba hanampiana ireo mpamaky hahita ireo andinin-teny voafaritra mazava. Izany no modely voalohany indrindra ho an’izay antsoina mahazatra amin’izao andro izao hoe lohateny eny ambony pejy. Tsy nampiasa ny tarehintsoratra gothique matevina, na tarehintsoratra kalina matevina, izay niandoha tany Alemaina i Estienne, fa izy kosa no iray tamin’ireo voalohany nanao pirinty ny Baiboly manontolo tamin’ny tarehintsoratra romana manify sy mora vakina kokoa izay ampiasaina mahazatra ankehitriny. Nanome fakan-teny mifampitohitohy sy fanamarihana filolojika (momba ny tantaran’ny literatiora) maro koa izy mba hanampiana amin’ny fanazavana andinin-teny sasany.
Nankasitraka ny Baibolin’i Estienne ny olo-nanan-kaja sy eveka maro, satria tsara kokoa noho izay nety ho fanontana hafan’ny Vulgate izy io. Noho ny hakantony sy ny fahavitany tsara ary ny naha-mora ampiasaina azy, ilay fanontany dia tonga modely, ka tsy ela dia nalain-tahaka nanerana an’i Eoropa manontolo.
Mpanao pirintin’ny mpanjaka
“Mahita olona mailaka amin’ny raharahany va hianao? Eo anatrehan’ny mpanjaka no hitsanganany”, hoy ny Ohabolana 22:29. Voamarik’i François I, mpanjakan’i Frantsa, ny fahakingan’i Estienne nitondra zava-baovao sy ny fahaizany fiteny. Tonga mpanao pirintin’ny mpanjaka ho an’ny teny latina sy hebreo ary grika i Estienne. Tamin’ny naha-izany azy, dia namoaka izay mbola mitoetra ho sangan’asa sasany amin’ny endrika isehoan’ny lahatsoratra (typographie) frantsay i Estienne. Tamin’ny 1539 izy dia nanomboka namoaka ny Baiboly hebreo manontolo voalohany sady tsara indrindra natao pirinty tany Frantsa. Tamin’ny 1540 izy dia nampiditra sary tao amin’ny Baiboly latina nataony. Kanefa ho solon’ireo sary nampisehoana fitrangan-javatra ara-baiboly noforomporonin’ny saina fahita tamin’ny Moyen Age, i Estienne dia nanome kosa sary ahitana fianarana niorina teo amin’ny porofo arkeolojika na teo amin’ireo fandrefesana sy filazalazana hita ao amin’ny Baiboly mihitsy. Ireny pirinty natao tamin’ny hazo sokitra ireny dia nampiseho tamin’ny an-tsipiriany ireo zavatra toy ny fiaran’ny fanekena, ny akanjon’ny mpisoronabe, ny tabernakely, sy ny tempolin’i Solomona.
Tamin’ny fampiasana ny fitambarana tarehintsoratra grika niavaka izay nohafarany mba hanaovam-pirinty ny fitambarana sora-tanana an’ny mpanjaka, i Estienne dia nanomboka namoaka ny fanontana voalohany ny Soratra Grika Kristiana nisy fitsikerana. Na dia tsara kely kokoa noho ny asa soratr’i Didier Érasme aza ireo fanontana roa voalohany ny soratra grika nataon’i Estienne, izy, tamin’ny fanontana fahatelo tamin’ny 1550, dia nanampy fanamarinana sy fakan-teny avy tamin’ny sora-tanana 15 teo ho eo, anisan’izany ny Kodeksa Bezae tamin’ny taonjato fahadimy am.f.i. sy ny Baiboly Septante. Nekena hatraiza hatraiza tokoa io fanontana nataon’i Estienne io, hany ka nanjary fototra ho an’izay nantsoina hoe Textus Receptus, na Soratra Voaray, tatỳ aoriana. Teo amin’ny Textus Receptus no niorenan’ny fandikan-teny maro tatỳ aoriana, anisan’izany ny King James Version tamin’ny 1611.
Nanohitra ny Fanavaozana i Sorbonne
Noho ny fielezan’ireo hevitr’i Luther sy ireo Mpanao Fanavaozana hafa nanerana an’i Eoropa manontolo, dia nitady hifehy izay tao an-tsain’ny olona ny Eglizy Katolika tamin’ny famerana izay novakin’izy ireo. Tamin’ny 15 Jona 1520, ny Papa Léon X dia namoaka didy iray, izay nandidy fa tsy hisy boky mirakitra “herezia” (fivadihana amin’ny Eglizy) hatao pirinty, hamidy, na hovakina any amin’ny tany katolika rehetra, ary nitaky ny hanamafisan’ireo manam-pahefana tsy ara-pivavahana ilay didy ao anatin’ireo faritra tapahin’izy ireo. Tany Angletera, dia napetraky ny Mpanjaka Henri VIII tamin’i Cuthbert Tuntstall, eveka katolika, ny andraikitra hanasivana. Kanefa, saika nanerana an’i Eoropa, ny fahefana tsy azo nolavina teo amin’ny raharahan’ny foto-pampianarana, nanaraka ny papa, dia ny sekolin’ireo teolojiana tao amin’ny Oniversiten’i Paris — i Sorbonne.
I Sorbonne no mpitondra tenin’ny finoana katolika ortodoksa. Nandritra ireo taonjato, dia noheverina ho manda fiarovana ny finoana katolika izy io. Nanohitra ireo fanontana nisy fitsikerana ny Vulgate sy ireo fandikana azy io tamin’ny fitenim-bahoaka rehetra ireo mpanasivana tao Sorbonne, nihevitra azy ireny ho tsy vitan’ny hoe “tsy mahasoa ny eglizy fa manimba koa”. Tsy nahagaga izany tamin’ny fotoana izay nametrahan’ireo Mpanao Fanavaozana fisalasalana momba ireo foto-pampianaran’ny eglizy sy ireo fombafombam-pivavahany ary ireo lovantsofiny izay tsy niorina teo amin’ny fahefan’ny Soratra Masina. Kanefa, teolojiana maro tao Sorbonne no nihevitra ireo foto-pampianarana nohajaina fatratra an’ny eglizy ho zava-dehibe kokoa noho ny fandikana araka ny marina ny Baiboly mihitsy. Hoy ny teolojiana iray: “Rehefa azo ireo foto-pampianarana, ny Soratra Masina dia tahaka ny kombarika izay esorina aorian’ny nanorenana ny rindrina iray.” Tsy nahay teny hebreo sy grika ny ankamaroan’ireo tao amin’ilay sekoly, kanefa nataon’izy ireo tsinontsinona ny fandinihana nataon’i Estienne sy ireo manam-pahaizana manokana hafa momba ny Renaissance izay namakafaka ireo hevitra tany am-boalohan’ireo teny ampiasaina ao amin’ny Baiboly. Sahy nilaza mihitsy aza ny profesora iray tao Sorbonne fa “ny fampielezana fahalalana teny grika sy hebreo dia hitarika ny fandravana ny fivavahana rehetra”.
Namely i Sorbonne
Na dia tafita tamin’ny fanasivanan’ireo tao amin’ilay sekoly aza ireo fanontana voalohany ny Vulgate nataon’i Estienne, dia tsy hoe tsy nisy fifanolanana izany. Tamin’ny taonjato faha-13, ny Vulgate dia nohamasinina ho ny Baiboly ofisialin’ilay oniversite, ary ho an’ny olona maro dia tsy mety diso ny soratra tao anatiny. Nomelohin’ilay sekoly mihitsy aza i Érasme manam-pahaizana nanan-kaja noho ny asa sorany momba ny Vulgate. Nampahatahotra ny sasany ny hoe nisy mpanao pirinty lahika iray teo an-toerana nanana ny fahasahiana hanitsy ny soratra ofisialy.
Angamba mihoatra noho ny zavatra hafa, dia ireo fanamarihana an-tsisim-pejy nataon’i Estienne no nampanahy ireo teolojiana. Nametraka fisalasalana momba ny naha-ara-dalàna ny soratra tao amin’ny Vulgate ireo fanamarihana. Ny fanirian’i Estienne hanazava andinin-teny sasany dia niteraka ny fiampangana azy ho nitsabaka tao amin’ny faritry ny teolojia. Nolaviny ilay fiampangana, tamin’ny filazana fa famintinana fohy na filolojika fotsiny ireo fanamarihany. Ohatra, nanazava ny fanamarihany momba ny Genesisy 37:35 fa ny teny hoe “afobe” [Latina: infernum] dia tsy azo raisina eto hoe toerana izay anasaziana ny ratsy fanahy. Nampangain’ilay sekoly ho nanda ny tsy fahafatesan’ny fanahy (âme) sy ny fahefan’ny “olo-masina” hanelanelana izy.
Nanana ny fankasitrahana sy ny fiarovan’ny mpanjaka anefa i Estienne. Nampiseho fahalianana lehibe tamin’ireo fandinihana momba ny Renaissance, indrindra fa ny asa soratr’ilay mpanao pirintiny, i François I. Voalaza fa nitsidika an’i Estienne tany an-tranony mihitsy aza i François I ary niandry tamim-paharetana indray mandeha raha mbola nanao fanitsiana teo amin’ny minitra farany ny soratra iray i Estienne. Niaraka tamin’ny fanohanan’ny mpanjaka, dia nahatohitra an’i Sorbonne i Estienne.
Nandrara ireo Baiboliny ireo teolojiana
Tamin’ny 1545 anefa, ireo fisehoan-javatra dia nahatonga ny fisafoahana fenon’ny sekolin’i Sorbonne hifantoka tamin’i Estienne. Noho izy ireo nahita ny tombontsoa azo tamin’ny fiaraha-nivondrona hanohitra ireo Mpanao Fanavaozana, ireo oniversite katolikan’i Cologne (Alemaina) sy i Louvain (Belzika) ary i Paris dia efa nifanaraka teo aloha mba hiara-miasa amin’ny fanasivanana ireo fampianarana tsy ortodoksa. Rehefa nanoratra ho an’i Sorbonne ireo teolojiana tao amin’ny Oniversiten’i Louvain ka nilaza ny fahagagan’izy ireo fa tsy hita teo amin’ny lisitr’i Paris momba ireo boky tsy azo nampiasaina intsony ireo Baibolin’i Estienne, dia nandainga i Sorbonne ka namaly fa tsy ho namela azy ireny hampiasaina intsony izy ireo raha nahita azy ireny. Nahatsiaro ho feno toky izao ireo fahavalon’i Estienne tao amin’ilay sekoly fa ho ampy ny fahefana nitambatr’ireo sekolin’i Louvain sy i Paris mba handresena lahatra an’i François I ny amin’ny fahadisoan’ilay mpanao pirintiny.
Nandritra izany fotoana izany, rehefa avy nampitandremana ny amin’ny tetik’ireo fahavalony i Estienne, dia tonga voalohany tany amin’ny mpanjaka. Nanipy hevitra i Estienne fa raha hamoaka ny lisitr’ireo fahadisoana rehetra hitany ireo teolojiana, dia tena vonona ny hanao pirinty azy ireny hiaraka amin’ireo fanitsian’ireo teolojiana izy ka hampiditra azy ireny ao amin’ny Baiboly tsirairay lafo. Nankasitrahan’ny mpanjaka io vahaolana io. Nangatahin’ny mpanjaka i Pierre du Chastel, mpamaky teniny, mba hikarakara ilay raharaha. Tamin’ny Oktobra 1546, dia nanoratra ho an’i Du Chastel ilay sekoly ka nilaza ny fanoherany hoe ireo Baibolin’i Estienne dia “sakafo ho an’ireo izay mandà ny Finoantsika sady manohana ireo herezia (...) amin’izao fotoana izao” ary feno fahadisoana tokoa, hany ka mendrika ny “hofoanana sy holevonina izy rehetra”. Tsy resy lahatra ny mpanjaka ka nodidian’ny tenany mihitsy izao ilay sekoly mba hamoaka ireo fanasivanana mba hanaovana pirinty azy ireny miaraka amin’ireo Baibolin’i Estienne. Nampanantena ny hanao izany izy ireo, kanefa raha ny marina, dia nanao izay rehetra azony natao izy ireo mba tsy ho voatery hamoaka lisitra amin’ny an-tsipiriany momba izay noheverina fa fahadisoana.
Maty tamin’ny Martsa 1547 i François I, ary lasa niaraka taminy ny mpanampy nahery indrindra an’i Estienne tamin’ny fanoherana ny fahefan’i Sorbonne. Rehefa niakatra teo amin’ny seza fiandrianana i Henri II, dia namerina indray ny baikon-drainy izy mba hamoahan’ilay sekoly ireo fanasivanany. Kanefa, tamin’ny fahitana ny fomba nampiasan’ireo andriana alemanina ny Fanavaozana mba hanatratrarana tanjona ara-politika, i Henri II dia tsy niahy firy ny amin’izay noheverina fa tombontsoa na fatiantok’ireo Baibolin’ilay mpanao pirintiny. Niahy kokoa ny amin’ny fihazonana an’i Frantsa ho Katolika sy tafaray teo ambanin’ny fanapahan’ilay mpanjakany vaovao izy. Tamin’ny 10 Desambra 1547, dia nanapa-kevitra ny Filan-kevitra Manokan’ny mpanjaka fa tokony horarana ny fivarotana ireo Baibolin’i Estienne, mandra-pahafahan’ireo teolojiana hamoaka ny lisitry ny fanasivanana.
Nampangaina ho heretika
Nitady fomba izao ilay sekoly mba hahatongavan’ ny raharahan’i Estienne ho voatolotra teo amin’ny fitsarana manokana izay naorina vao haingana mba hitsarana ireo raharaha momba ny herezia. Tsy nilaina ny nampahatsiahivana an’i Estienne ny amin’ny loza nisy azy. Tao anatin’ny roa taona niforonany, ilay fitsarana dia nanjary fantatra ho chambre ardente, na “efitrano mandoro”. Nisy olona 60 teo ho eo no nalefa hovonoina teo amin’ny hazo, anisan’izany ny mpanao pirinty sy mpivarotra boky sasany izay nodorana velona teo amin’ny Place Maubert, izay nandehanana an-tongotra minitra vitsy monja avy teo an-tranon’i Estienne. Nosavana matetika ny tranon’i Estienne mba hahitana porofo singany iray hoenti-miampanga azy. Vavolombelona 80 mahery no nofotorana. Nampanantenaina ny ampahefatry ny fananany manokana ireo mpitati-bolana raha azo noporofoina fa meloka ho nanao herezia izy. Ny hany porofo hitan’izy ireo anefa dia izay nataon’i Estienne pirinty an-karihary tao amin’ireo Baiboliny.
Nodidian’ny mpanjaka indray ny hanolorana tamin’ny Filan-keviny Manokana ny lisitr’ireo fanasivanan’ilay sekoly. Tsy laitra nahodina ihany ilay sekoly ka namaly fa ‘tsy manana fahazarana manao an-tsoratra ireo antony anamelohan’izy ireo zavatra iray ho heretika ireo teolojiana, fa mamaly amin’ny teny am-bava fotsiny, izay tsy maintsy inoanao, raha tsy izany dia tsy hisy farany ny fanoratana’. Nanaiky i Henri. Napetraka ny fandrarana farany. Saika ny asa soratra ara-baiboly rehetra navoakan’i Estienne hatramin’izay dia tsy navela hampiasaina intsony. Na dia afa-nandositra ny lelafon’ny Place Maubert aza izy dia nanapa-kevitra ny handao an’i Frantsa teo anatrehan’ny fandrarana tanteraka ireo Baiboliny sy ny fanorisorena fanampiny izay azo antoka fa ho avy.
Mpanao pirinty nitsoa-ponenana
Tamin’ny Novambra 1550, i Estienne dia nifindra monina nankany Genève, any Soisa. Nataon’ilay sekoly ho tsy ara-dalàna tany Frantsa ny famoahana Baiboly, afa-tsy ny Vulgate. Noho izy afaka namoaka izay tiany izao, i Estienne dia nanao pirinty indray ny “Testamenta Vaovao” grika tamin’ny 1551, niaraka tamin’ny dikan-teny latina roa (ny an’ny Vulgate sy i Érasme) teo amin’ny tsanganan-tsoratra mifanitsy. Izany, tamin’ny 1552, dia narahiny fandikana iray ny Soratra Grika tamin’ny teny frantsay teo amin’ny tsanganan-tsoratra mifanitsy amin’ny soratra latina nataon’i Érasme. Tao amin’ireo fanontana roa ireo, i Estienne dia nampiditra ny rafitra fizarana ny soratra ao amin’ny Baiboly ho andinin-teny misy nomerao — ilay rafitra izay ampiasaina hatraiza hatraiza amin’izao andro izao. Na dia nanandrana planina samy hafa hizarana ireo andinin-teny aza ny olon-kafa talohan’izay, dia ny an’i Estienne no nanjary ny endrika nekena. Ny Baiboly frantsay nataony tamin’ny 1553 no Baiboly manontolo voalohany nanome ny fizarany ireo andininy.
Mendrika ny homarihina koa ilay Baiboly latina nisy dikan-teny roa nataon’i Estienne tamin’ny 1557, noho ny fampiasany ny anaran’Andriamanitra manokana hoe Jehova manerana ny Soratra Hebreo. Eo an-tsisim-pejin’ny salamo faharoa, dia nomarihiny fa niorina fotsiny tamin’ny finoanoam-poana jiosy ny fanoloana ny Tetragrama hebreo (יהוה) tamin’ny hoe ʼAdho·naiʹ, ka tsy tokony hekena. Tao amin’io fanontana io, i Estienne dia nampiasa sora-mandry mba hanondroana ireo teny latina nanampiana mba hahafeno ny hevitry ny teny hebreo. Narahina tao amin’ny Baiboly hafa io teknika io tatỳ aoriana, lova iray izay nahasanganehana matetika ireo mpamaky amin’izao andro izao izay zatra ny fampiasana maoderina ireo sora-mandry mba hampisehoana fanamafisana.
Tapa-kevitra ny hametraka ny fahaizany ho azon’ny hafa ampiasaina i Estienne, ka nanokana ny fiainany ho an’ny famoahana ny Soratra Masina. Afaka ny ho velom-pankasitrahana noho ireo ezaka nataony sy ny filofosan’ireo hafa izay nikely aina fatratra nampahafantatra ireo teny ao amin’ny Baiboly araka izay nosoratana tany am-boalohany, ireo olona izay mihevitra ho sarobidy ny Tenin’Andriamanitra amin’izao andro izao. Mitohy ny fanaovan-javatra natombok’izy ireny arakaraka ny ahazoantsika fahalalana araka ny marina kokoa momba ireo fiteny fahiny sy ahitantsika ireo sora-tanana tranainy kokoa sy araka ny marina kokoa ny amin’ny Tenin’Andriamanitra. Fotoana fohy talohan’ny nahafatesany (1559), dia teo am-panaovana fandikan-teny vaovao ny Soratra Grika i Estienne. Nanontaniana izy hoe: “Iza no hividy an’io? Iza no hamaky an’io?” Namaly tamin’ny fomba feno toky toy izao izy: ‘Ny olona nahita fianarana rehetra ka mifikitra amin’Andriamanitra.’
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fantatra koa tamin’ny anarany tamin’ny endriny latina hoe Stephanus, sy ny anarany tamin’ny endriny anglisy hoe Stephens.
[Sary, pejy 10]
Nanampy mpianatra ny Baiboly nandritra ny taranaka maro ireo ezaka nataon’i Robert Estienne
[Sary nahazoan-dalana]
Bibliothèque Nationale, Paris
[Sary, pejy 12]
Nalaina tahaka hatramin’ny taranaka maro ireo sary ahitana fianarana nataon’i Estienne
[Sary nahazoan-dalana]
Bibliothèque Nationale, Paris