Ny Fotoana Amakian’izy Ireo Azy io sy ny Fomba Andraisany Soa
Vao maraina:
Ny mpivady iray, izay samy miasa any ivelan’ny tranony, dia nanapa-kevitra fa hifoha folo minitra monja aloha kokoa isa-maraina ka hampiasa io fotoana io mba hiaraha-mamaky ny Baiboly, alohan’ny hihazakazahana hivoaka ny trano. Izay novakin’izy ireo dia manome fototra ho an’ny resadresaka mahasoa aorian’ny nialan’izy ireo tao an-trano.
Ny loholona iray atsy Nizeria dia mampiasa ny fandaharana voasoritra ho an’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika ho fototry ny famakian’ny fianakaviana ny Baiboly ao an-tokantranony. Mamaky ampahany amin’izany isan’andro izy ireo rehefa avy miara-mandinika ny teny natao hovakina isan’andro, amin’ny maraina mazàna. Asaina mifandimby mamaky ny tapany amin’ilay fizarana voatondro ireo ankizy. Avy eo izy ireo dia asaina mametraka fanontaniana momba ireo andininy izay novakina.
Ny vehivavy mpikarakara tokantrano iray any Japon dia namaky ny Baiboly manontolo indray mandeha isan-taona hatramin’ny 1985. Ny fandaharany dia ny mamaky mandritra ny 20 ka hatramin’ny 30 minitra, manomboka amin’ny dimy maraina isan’andro. Mikasika ireo soa azony, dia hoy izy: “Nohatanjahina ny finoako. Nanampy ahy hanadino ny aretiko sy hifantoka amin’ny fanantenana ilay Paradisa izany.”
Ny anabavy iray, izay mpisava lalana hatramin’ny 30 taona, nefa tsy Vavolombelona ny vadiny, dia mifoha amin’ny dimy isa-maraina mba hanaovana ny famakiany Baiboly. Mitaky ny hamakiany sahabo ho pejy efatra ao amin’ny Soratra Hebreo sy toko iray ao amin’ny Soratra Grika Kristiana ary andininy iray ao amin’ny Ohabolana, ny fandaharany. Namaky ny Baiboly manontolo isan-taona hatramin’ny 1959 izy. Hoy izy: “Ho vokatry ny famakiako ny Baiboly, dia mahatsapa ho tian’i Jehovah aho (...) Mandray fampaherezana sy fampiononana ary fanitsiana aho.” Nanampy teny toy izao izy: “Ny famakiana ny Baiboly dia toy ny hoe fanomezan’i Jehovah aina sy tanjaka ahy isan’andro.”
Ny anabavy iray izay nianatra ny fahamarinana any amin’ny tany iray izay nandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia manana vady manohitra ny zavatra inoany koa. Afaka manao ny famakiany ny Baiboly manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma izy, eo anelanelan’ny amin’ny enina ka hatramin’ny fito maraina. Nanome azy hery anaty izany. Rehefa mieritreritra ny amin’ny fomba nananan’ny famakiany Baiboly hery teo aminy izy, dia hoy izy: “Mianatra ny ho tia an’i Jehovah sy i Jesosy ka hiaina amim-pahasambarana isika, na dia misy aza ireo zava-manahirana sy zava-tsarotra, noho ny fahalalana fa tsy mandiso fanantenana ny fampanantenan’i Jehovah.”
Ny anabavy iray, izay nanatrika ny Sekolin’ny Mpisava Lalana, dia tapa-kevitra fa hanaraka ny torohevitra nomena tao mba hanaovana ny famakiana ny Baiboly ho fahazarana isan’andro. Tamin’ny voalohany, dia afaka nanao izany teo anelanelan’ny tamin’ny dimy ka hatramin’ny enina maraina izy. Rehefa nanakantsakana izany ny fiovana tamin’ny asany, dia novany ho teo anelanelan’ny tamin’ny sivy ka hatramin’ny folo alina izany. Rehefa nipoitra ireo tarehin-javatra hafa nitondra zava-tsarotra, dia hoy izy: “Namboariko hatrany ny fandaharam-potoanako arakaraka ny toe-javatra.”
Antoandro kokoa:
Fanaon’ny mpirahavavy iray tam-po izay anisan’ny mpianakavin’ny Betela any Brezila ny miara-mamaky ny Baiboly, sahabo ho 20 minitra isan’andro, aorian’ny sakafo antoandro. Namaky ny Baiboly manontolo sahabo ho in-25 izy ireo; kanefa izao no nosoratany: “Mahita zava-baovao foana izahay, hany ka tsy tonga dridralava na oviana na oviana ny famakiana ny Baiboly.”
Ny anabavy mpitovo iray any Japon dia nahatsapa fa, na dia notezaina tamin’ny naha-Vavolombelona aza izy, dia tsy nahalala tsara ny Soratra Masina; rehefa tonga mpisava lalana izy dia tapa-kevitra ny hamaky tsy tapaka ny Baiboly. Manao ny famakiany ho an’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika izy ankehitriny rehefa mandeha mankany amin’ny hopitaly mba hotsaboina andro iray isan-kerinandro. Aorian’izay, any an-trano, dia manao fikarohana fanampiny izy. Aloha kelin’ny faran’ny herinandro, dia manao famakiana fanampiny ny Baiboly izy, mifidy ireo boky arakaraka ny filaharan’ny nanoratana azy ireo.
Ny zazalahy iray 13 taona izay efa namaky ny Baiboly manontolo intelo dia mamaky toko iray isan’andro amin’izao fotoana izao, rehefa mody avy any an-tsekoly izy. Nanampy azy izany, hoy izy, “mba hahatsapana fitiavana bebe kokoa an’i Jehovah”.
Ny Vavolombelona iray izay manana fandaharam-potoana feno amin’ny maha-mpiasa sy loholona sy lehilahy manambady ary raim-pianakaviana dia mihaino cassettes misy famakiana ny Baiboly rehefa manao dia mankany am-piasana amin’ny fiarandalamby. Avy eo, any an-trano, dia manao famakiana manokana ilay zavatra nohenoiny iny ihany izy.
Ho fanampin’ny famakiany manokana ny Baiboly, ny mpisava lalana iray any Frantsa dia mihaino cassettes misy famakiana ny Baiboly rehefa manomana sakafo, rehefa mitondra fiarakodia, rehefa mandalo fotoan-tsarotra, na mba hahazoana fahafinaretana fotsiny.
Tsaroan’ny mpisava lalana iray 21 taona any Japon fa nanantitrantitra ny amin’ny handraisany zavatra ara-panahy isan’andro ny reniny, ary namaky isan’andro ny Baiboly izy, na dia tsy tamin’ny fotoana nitovy foana aza, nanomboka teo amin’ny fahatelo taonany. Rehefa avy mamaky ny ampahany izay nofidiny ho amin’ilay andro izy dia manao izay hahazoana antoka fa mamaky indray ireo andininy fototra, ary avy eo dia maka minitra vitsivitsy mba hamerenana ao an-tsaina izay novakiny.
Ny Vavolombelona mpisava lalana hafa iray dia namaky ny Baiboly manontolo sahabo ho impolo, tamin’ny 12 taona lasa. Tsy mpino ilay lehilahy vadiny, koa mandamina ny famakiany ny Baiboly ho amin’ny tolakandro izy.
Hariva:
Ny loholona mpisava lalana maharitra iray any Japon izay mamaky teny ao amin’ny Baiboliny isan’alina alohan’ny hatoriany, dia nanao izany hatramin’ny valo taona lasa. Hoy izy: “Ankafiziko indrindra ireo andinin-teny izay mampiseho ny fomba fisainan’i Jehovah sy izay tsapany momba ireo fisehoan-javatra ary ny fomba andaminany ireo tarehin-javatra. Amin’ny fisaintsainana ireny andinin-teny ireny, dia nampiana aho mba hanana ny fomba fisainan’i Jehovah sy mba hanampy ireo rahalahiko sy anabaviko kristiana ary ireo mpianakaviko.”
Ny loholona iray any Frantsa dia mamaky ny Baiboly mandritra ny adiny iray isan-kariva, hatramin’ny 1979. Matetika izy dia manana fandikan-teny dimy na enina mipetraka eo anoloany mba hanaovana fampitahana. Milaza izy fa nanampy azy mba hahay hanavaka ny “fomba ampiharana ny fahalalana ara-baiboly eo amin’ireo tarehin-javatra miseho isan’andro” ny famakiany ny Baiboly amim-pitandremana. Nahatonga azy koa hahita vokatra kokoa izany rehefa manome torohevitra avy ao amin’ny Soratra Masina izy.
Hatramin’ny 28 taona lasa, ny rahalahy iray atsy Nizeria dia nanao ho fahazarana ny namaky tamin’ny hariva ny andininy ao amin’ny Soratra Masina omena ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro natao hodinihina ny ampitso maraina. Miaraka amin’izany, dia vakiny ny toko manontolo ao amin’ny Baiboly izay nakana ilay andininy. Rehefa nanambady izy dia nanohy izany fanao izany, namaky sy niara-nandinika ilay andininy tamin’ny vadiny.
Nataon’ny zatovovavy iray, izay tsy Vavolombelona ny ray aman-dreniny, ho fanao ny namaky ny Baiboly nandritra ny dimy ka hatramin’ny folo minitra isan’alina alohan’ny hatoriana. Minitra sarobidy ho azy izany, ary mivavaka izy aloha sy aorian’ilay famakiana. Ny zava-kendreny dia ny hahalalana ny hafatra izay nandidian’i Jehovah ny mpanoratra ny Baiboly tsirairay mba horaketina an-tsoratra.
Ny rahalahy manambady iray, manompo ao amin’ny Betela, dia milaza fa namaky ny Baiboly indray mandeha isan-taona izy hatramin’ny valo taona lasa. Mamaky mandritra ny 20 ka hatramin’ny 30 minitra izy alohan’ny hatoriana amin’ny alina. Na dia rehefa reraka be aza izy, dia hitany fa raha mandeha matory tsy manao ilay famakiana ny Baiboly izy, dia tsy mahita tory. Tsy maintsy mifoha izy ka mikarakara io zavatra ilaina ara-panahy io.