FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 15/5 p. 3-4
  • Mihevitra ny Hoaviny ny Filoha Iray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mihevitra ny Hoaviny ny Filoha Iray
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Aiza ny Razantsika?
    Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?
  • Afaka Mahita Antsika ve ny Maty?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Iza no Mipetraka any Amin’ny Faritra Ara-panahy?
    Mifohaza!—1996
  • Ahoana no fiheveran’ny kristiana ny fivavahana amin’ny razana?
    Mifohaza!—1990
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 15/5 p. 3-4

Mihevitra ny Hoaviny ny Filoha Iray

NY FILOHA iray tatsy Afrika Andrefana dia mpitarika mamy hoditra teo amin’ny vahoaka sy nohajaina indrindra teo amin’ny fiaraha-monina nisy azy. Teo amin’ny faha-78 taonany, dia tafangona mba hiarahaba azy ny namany sy ny fianakaviany ary ny olon-kafa tonga mba hirary soa. Tao amin’ny lahateny iray ilay filoha dia nifidy foto-kevitra izay tsy nahazatra tamin’ny fotoana toy izany. Niresaka momba ny heviny ny amin’ny fiainana any ankoatra izy.

Nilaza izy fa any ankoatra dia “misy fiainam-baovao tsy ahitana fitaka sy fitsiriritana ary faniriana mihoa-pampana”. Nolazalazainy ho fiainana “mifono mistery” izy io, fiainana izay itoeran’ny olo-marina ihany, izay samy miara-miasa amin’Andriamanitra.

Ny zavatra inoana toy izany dia mahazatra eo amin’ny olona manerana an’i Afrika. Araka ny fivavahan-drazana afrikana, ny fahafatesana dia tsy faran’ny fiainana fa tetezamita na fiovana fotsiny ho amin’ny fiainana ao amin’ny faritra misy ireo fanahy (esprits). Eo amin’ny fahafatesany, ny olona iray dia voalaza fa miampita avy amin’ny fiainana hita maso mankany amin’ny fiainana tsy hita maso. Amin’ny maha-fanahy (esprit), ilay olona amin’izay dia miditra ao amin’ny faritra onenan’ny razambeny.

Afrikana tandrefana maro be no mino fa ny razambe, na ny fanahin’ireo razambe dia manome antoka ny amin’ny fahasambaran’ireo fianakaviany eto an-tany. Manambara toy izao ilay boky hoe Fivavahan-drazana any Afrika Andrefana: “Tsy misy fiavahana hentitra momba ny hery ampiharin’ireo mpikambana ao amin’ny fiaraha-monina mbola eto an-tany sy ireo izay any amin’ny fiainana any ankoatra. Fony teto an-tany [ireo razambe] dia zokiolona tamin’ny fianakaviany izy ireo. Ankehitriny, rehefa tsy hitantsika maso intsony izy ireo, dia mbola zokiolona ihany any amin’ny fiainan’ireo fanahy [esprits]. Tsy mitsahatra ny mihevitra ny fahasambaran’ireo fianakaviany izy ireo.”

Izany no antony nanantenan’ilay filoha zokiolona voalaza teo am-panombohana, hiaraka amin’ny razambeny sy hiara-miasa amin’izy ireo ao amin’ny faritra misy ireo fanahy. Hoy izy: “Mino mafy ny fiainana any ankoatra aho ary ny mety hitohizan’ny fanompoako amin’ny maha-filoha — na dia aorian’ny fahafatesana aza.”

Kanefa, noho izay nolazain’ilay filoha nanaraka, dia nanolo-kevitra ny gazety Sunday Times fa “toa tsy tena resy lahatra tanteraka” izy momba ny fiainana any ankoatra. Nilaza tamin’ireo olona tafavory izy fa nandre momba ny boky iray miresaka ny amin’ny fiainana any ankoatra. Nitady ilay boky efa nandritra ny dimy taona, ilay filoha. Naniry mafy aoka izany hamaky azy io izy, ka nanolo-kevitra ny hanome vola mitentina 1 500 dolara amerikana eo no ho eo ho an’izay olona hitondra anankiray eo aminy.

Ho afaka nisoroka fahasahiranana tamin’ny fikarohana ilay filoha, tamin’ny fakana fanazavana tao amin’ny boky iray, izay tsy sarotra ny mahita azy. Izy io dia boky iray azo ampiasaina mora foana, tsy nataon’olona iray fa nataon’ilay Mpamorona ny olona rehetra. (1 Tesaloniana 2:13). Ny Baiboly izany boky izany. Inona no lazain’izy io momba ny fiainana any ankoatra?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara