Na dia Malahelo Aza Isika, dia Tsy hoe Tsy Manana Fanantenana
“Tsy tianay tsy ho fantatrareo, (...) ny amin’izay modimandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana.” — 1 TESALONIANA 4:13.
1. Inona no setrain’ny olombelona tsy tapaka?
EFA namoy olon-tiana iray tamin’ny fahafatesana ve ianao? Na firy taona isika na firy taona, ny ankamaroantsika dia efa nanjary nalahelo noho ny famoizana havana na namana iray. Angamba raibe na renibe izy io, na ray na reny, na vady, na zanaka. Ny fahanterana sy ny aretina ary ireo loza dia mijinja ain’olona tsy tapaka. Ny heloka bevava sy ny herisetra ary ny ady dia manampy ny fahoriana sy ny alahelo. Isan-taona, manerana izao tontolo izao dia olona maherin’ny 50 tapitrisa no maty amin’ny antsalany. Ny antsalany isan’andro tamin’ny 1993 dia 140 250. Misy fiantraikany eo amin’ny sakaiza sy ny fianakaviana ny famoizana ain’olona amin’ny fahafatesana, ary lalina ilay fahatsapana famoizana.
2. Inona no toa tsy ara-dalàna amin’ny fahafatesan’ny ankizy?
2 Moa ve isika tsy hiombon’alahelo amin’ireo ray aman-dreny tany Kalifornia, any Etazonia, izay namoy tamin’ny fomba nampalahelo ny zanany vavy bevohoka iray tamin’ny lozam-piarakodia tampoka iray? Tamin’ny famelezana iray monja, dia namoy ny vavy tokany sy ilay zazakely izay tokony ho ny zafikeliny voalohany, izy ireo. Ny vadin’ilay niharan-doza dia namoy vady sy ny zanany lahy na ny zanany vavy voalohany. Ho an’ny ray aman-dreny, ny fiaretana ny fahafatesan’ny zanaka iray, na mbola kely na lehibe kokoa, dia tsy voajanahary na manao ahoana na manao ahoana. Tsy ara-dalàna ny hahafatesan’ny ankizy alohan’ny ray aman-dreniny. Tia ny fiainana isika rehetra. Noho izany, ny fahafatesana dia fahavalo iray marina tokoa. — 1 Korintiana 15:26.
Niditra teo amin’ny fianakavian’ny olombelona ny fahafatesana
3. Ahoana no nety ho fiantraikan’ny fahafatesan’i Abela teo amin’i Adama sy i Eva?
3 Ny fahotana sy ny fahafatesana dia nanapaka toy ny mpanjaka nandritra ny enina arivo taona teo ho eo amin’ny tantaran’ny olombelona, hatramin’ny fikomian’ireo ray aman-drenintsika olombelona voalohany, dia i Adama sy i Eva. (Romana 5:14; 6:12, 23). Tsy milaza amintsika ny Baiboly hoe nanao ahoana ny fihetsik’izy ireo tamin’ny famonoana an’i Abela zanany nataon’i Kaina rahalahiny. Noho ny antony mihoatra ny iray, izany dia tsy maintsy ho fanandraman-javatra nampivalaketraka azy ireo. Teo, dia sambany izy ireo vao nanatrika fahafatesan’olombelona, izay hita taratra teo amin’ny tavan’ilay zanany lahy mihitsy. Hitan’izy ireo ny vokatry ny fikomiany sy ny vokatry ny fanohizany nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny safidy malalaka. I Kaina, na dia teo aza ny fampitandremana avy tamin’Andriamanitra, dia nifidy ny hanao ny famonoan-drahalahy voalohany. Fantatsika fa tsy maintsy nisy fiantraikany lalina teo amin’i Eva ny fahafatesan’i Abela satria rehefa niteraka an’i Seta izy, dia nanao hoe: ‘Andriamanitra efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon’i Abela, satria novonoin’i Kaina izy.’ — Genesisy 4:3-8, 25.
4. Nahoana ilay hevi-diso ny amin’ny fanahy (âme) tsy mety maty no tsy afaka nampionona taorian’ny nahafatesan’i Abela?
4 Ny ray aman-drenintsika olombelona voalohany koa dia nahita fa zavatra tena nisy ny fanamelohan’Andriamanitra azy ireo — ny hoe raha nikomy sy tsy nankato izy ireo, dia ho “faty tokoa”. Na dia teo aza ny laingan’i Satana, dia hita fa mbola tsy nipoitra ilay hevi-diso momba ny fanahy (âme) tsy mety maty, koa tsy afaka nanovo fiononana sandoka avy tamin’izany izy ireo. Hoy Andriamanitra tamin’i Adama: ‘Hiverina any amin’ny tany hianao; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.’ Tsy nanisy firesahana ny amin’ny fisiana amin’ny hoavy amin’ny maha-fanahy (âme) tsy mety maty any an-danitra, na any amin’ny afobe, na any amin’ny Limby, na any amin’ny afofandiovana, na any an-toeran-kafa, Andriamanitra. (Genesisy 2:17; 3:4, 5, 19). Noho izy ireo fanahy (âme) velona izay nanota, dia ho faty i Adama sy i Eva amin’ny farany ka hitsahatra tsy hisy. Nahazo tsindrimandry hanoratra toy izao i Solomona Mpanjaka: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy. Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin’izay atao atỳ ambanin’ny masoandro izy.” — Mpitoriteny 9:5, 6.
5. Inona no fanantenana marina ho an’ny maty?
5 Marina toy inona moa ireo teny ireo! Raha ny tena izy, iza no mahatsiaro ireo razambe tamin’ny roanjato na telonjato taona lasa izay? Matetika, na dia ny fasan’izy ireny mihitsy aza dia tsy fantatra na tsy voakarakara hatramin’ny ela. Midika ve izany fa tsy misy fanantenana ho an’ireo olon-tiantsika nody mandry? Tsia, tsy izany velively. Hoy i Marta tamin’i Jesosy mikasika an’i Lazarosy, anadahiny nody mandry: “Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.” (Jaona 11:24). Nino ireo Hebreo fa hanangana ny maty Andriamanitra amin’ny fotoana ho avy. Kanefa, izany dia tsy nisakana azy ireo tsy halahelo noho ny famoizana olon-tiana iray. — Joba 14:13.
Olo-nahatoky izay nalahelo
6, 7. Nanao ahoana ny fihetsik’i Abrahama sy i Jakoba nanoloana ny fahafatesana?
6 Efa ho efatra arivo taona lasa izay, rehefa maty i Saraha vadin’i Abrahama, dia “tonga Abrahama hisaona an’i Saraha sy hitomany azy”. Io mpanompon’Andriamanitra nahatoky io dia naneho ny fihetseham-pony lalina noho ny famoizana ilay vady malalany tsy nivadika. Na dia lehilahy be herim-po aza izy, dia tsy menatra naneho ny alahelony tamin’ny ranomaso. — Genesisy 14:11-16; 23:1, 2.
7 Nitovy tamin’izany koa ny an’i Jakoba. Rehefa nofitahina izy hino fa novonoin’ny biby dia iray i Josefa zanany lahy, nanao ahoana ny fihetsiny? Izao no vakintsika ao amin’ny Genesisy 37:34, 35: “Ary Jakoba dia nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin’ny valahany; ary nisaona ny zanany andro maro. Dia avy ny zanani-lahy rehetra sy ny zanani-vavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy: Tsia, fa hidina misaona ho any amin’ny zanako any amin’ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy.” Eny, maha-olona ny olona sy voajanahary ny maneho alahelo rehefa maty ny olon-tiana iray.
8. Ahoana matetika no nanehoan’ireo Hebreo ny alahelony?
8 Mety hihevitra ny sasany fa raha araka ny fomba maoderina na ny an’ny faritra sasany, ny fihetsik’i Jakoba dia tafahoatra sady nampiseho fihetseham-po be loatra. Kanefa, niaina tamin’ny fe-potoana sy kolontsaina hafa izy. Ny fanehoany alahelo — fitafiana lamba fisaonana — no iresahana voalohany an’io fanao io ao amin’ny Baiboly. Kanefa, araka ny voalazalaza ao amin’ny Soratra Hebreo, ny fisaonana dia naseho koa tamin’ny fidradradradrana sy tamin’ny famoronan-kira fahalahelovana ary tamin’ny fipetrahana teo amin’ny lavenona. Hita fa tsy nihafihafy ireo Hebreo teo amin’ny fanehoany marina ny alahelony.a — Ezekiela 27:30-32; Amosa 8:10.
Alahelo tamin’ny andron’i Jesosy
9, 10. a) Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy tamin’ny nahafatesan’i Lazarosy? b) Inona no ampahafantarin’ny fihetsik’i Jesosy amintsika raha ny momba azy?
9 Inona no azontsika lazaina momba ireo mpianatr’i Jesosy tany am-boalohany? Ohatra, rehefa maty i Lazarosy, i Marta sy i Maria anabaviny dia naneho tamin-dranomaso ny alahelony noho ny nahafatesan’i Lazarosy. Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy, lehilahy lavorary, rehefa tonga teo an-toerana izy? Hoy ny fitantaran’i Jaona: “Maria, rehefa tonga teo amin’izay nitoeran’i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin’ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko. Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka toran-kovitra Izy; ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha. Jesosy nitomany.” — Jaona 11:32-35.
10 “Jesosy nitomany.” Ireo teny vitsy ireo dia milaza zavatra be dia be momba ny fitseran’i Jesosy sy ny fangoraham-pony ary ny fihetseham-pony. Na dia nahafantatra tamin’ny fomba feno ny amin’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty aza i ‘Jesosy, dia nitomany’. (Jaona 11:35). Mitohy ilay fitantarana amin’ny filazana fa niteny toy izao ireo mpitazana: “Akory ity haben’ny fitiavany [an’i Lazarosy]!” Azo antoka fa, raha nitomany tamin’ny famoizana sakaiza iray i Jesosy, lehilahy lavorary, dia tsy mahamenatra raha maneho alahelo sy mitomany ny lehilahy iray na ny vehivavy iray amin’izao andro izao. — Jaona 11:36.
Inona no fanantenana ho an’ny maty?
11. a) Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo ohatra ao amin’ny Baiboly mahakasika fahalahelovana? b) Nahoana isika no tsy malahelo tahaka an’ireo izay tsy manana fanantenana?
11 Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo ohatra ao amin’ny Baiboly ireo? Fa maha-olona ny olona sady voajanahary ny halahelovana ka tsy tokony hahatsiaro tena ho menatra isika hamela ny alahelontsika hiseho. Na dia rehefa lefahin’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty aza ny fahafatesan’ny olon-tiana iray, dia mbola famoizana mampikorontana anaty, izay tsapa lalina, ihany izany. Mifarana tampoka sy amin’ny fomba mampalahelo ireo taona, angamba am-polony maro, nisian’ny fiarahana sy ny fiombonana akaiky. Marina aloha fa tsy malahelo tahaka an’ireo izay tsy manana fanantenana na ireo izay manana fanantenana sandoka, isika. (1 Tesaloniana 4:13). Ankoatra izany, dia tsy voafitak’izay mety ho hevi-diso momba ny fananan’ny olona fanahy (âme) tsy mety maty na ny fitohizan’ny fisiany amin’ny alalan’ny réincarnation, isika. Tena fantatsika fa nampanantena “lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana” i Jehovah. (2 Petera 3:13). ‘Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masontsika; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.’ — Apokalypsy 21:4.
12. Ahoana no nilazan’i Paoly ny finoany ny fitsanganana amin’ny maty?
12 Inona no fanantenana ho an’ireo izay efa nody mandry?b Nahazo tsindrimandry i Paoly mpanoratra kristiana mba hanomezana antsika fampiononana sy fanantenana rehefa nanoratra izy hoe: “Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.” (1 Korintiana 15:26). Hoy ny Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara: “Ny fahavalo farany hofoanana dia ny fahafatesana”. Nahoana i Paoly no afaka nahazo antoka tokoa ny amin’izany? Satria ny nampiova finoana sy nampianatra azy dia ilay nitsangana tamin’ny maty, dia i Jesosy Kristy. (Asan’ny Apostoly 9:3-19). Izany koa no antony nahafahan’i Paoly nilaza hoe: “Satria ny olona iray [Adama] no nisehoan’ny fahafatesana, dia ny Olona iray [Jesosy] kosa no nisehoan’ny fitsanganan’ny maty. Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.” — 1 Korintiana 15:21, 22.
13. Nanao ahoana ny fihetsik’ireo vavolombelona nanatri-maso ny fitsanganan’i Lazarosy tamin’ny maty?
13 Manome antsika fampiononana sy fanantenana lehibe ny amin’ny hoavy ny fampianaran’i Jesosy. Ohatra, inona no nataony tamin’i Lazarosy? Nankany amin’ny fasana nilevenan’ny fatin’i Lazarosy nandritra ny efatra andro, izy. Nanao vavaka izy, “ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin’ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha! Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin’ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.” Azonao alaina sary an-tsaina ve ny fahatairana sy ny fifaliana teo amin’ny endrik’i Marta sy i Maria? Tsy maintsy ho talanjona toy inona moa ireo mpiara-monina rehefa nahita io fahagagana io! Tsy mahagaga raha mpitazana maro no nino an’i Jesosy. Ireo fahavalony ara-pivavahana anefa, dia “nihendry hahafaty Azy”. — Jaona 11:41-53.
14. Santionany amin’inona moa ny fitsanganan’i Lazarosy tamin’ny maty?
14 Nanao io fananganana ny maty tsy hay hadinoina io teo anatrehan’ny vavolombelona nanatri-maso maro, i Jesosy. Izy io dia santionany amin’ny fitsanganana ho avy izay nambarany mialoha teo aloha kokoa, fony nilaza izy hoe: “Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any [am-pasam-pahatsiarovana, NW ] ny feony; dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana.” — Jaona 5:28, 29.
15. Inona no porofon’ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty nananan’i Paoly sy i Ananiasy?
15 Araka ny voaresaka teo aloha, ny apostoly Paoly dia nino ny fitsanganana amin’ny maty. Niorina tamin’inona? Teo aloha izy dia ilay Saoly ratsy laza, mpanenjika ny Kristiana. Nanely tahotra teo amin’ireo mpino ny anarany sy ny lazany. Rehefa dinihina, moa ve tsy izy ilay nankasitraka ny fitoraham-bato ho faty an’i Stefana maritiora kristiana? (Asan’ny Apostoly 8:1; 9:1, 2, 26). Na dia izany aza, teny an-dalana ho any Damaskosy, i Kristy tafatsangana tamin’ny maty dia nampahatsiaro saina an’i Saoly, tamin’ny famelezana azy tamin’ny fahajambana nihelina. Nandre feo iray niteny taminy toy izao i Saoly: “Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy? Ary hoy izy: Iza moa hianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao”. Io Kristy tafatsangana tamin’ny maty io ihany avy eo no nandidy an’i Ananiasy, izay nipetraka tany Damaskosy, mba hankany amin’ilay trano nivavahan’i Saoly mba hamerenana aminy ny fahitany. Araka izany, avy tamin’ny fanandraman-javatra hitan’ny tenany manokana, i Saoly sy i Ananiasy dia samy nanana antony be dia be ninoana ny fitsanganana amin’ny maty. — Asan’ny Apostoly 9:4, 5, 10-12.
16, 17. a) Ahoana no ahafantarantsika fa tsy nino ilay hevitra grika momba ny tsy fetezan-ko faty voajanaharin’ny fanahy olombelona i Paoly? b) Fanantenana mafy orina inona no omen’ny Baiboly? (Hebreo 6:17-20)
16 Mariho ny fomba namalian’i Saoly, ny apostoly Paoly, rehefa nentina teo anatrehan’i Feliksa Governora, izy tamin’ny naha-Kristiana nenjehina azy. Izao no vakintsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 24:15: “Manantena amin’Andriamanitra aho, (...) fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny [tsy marina, NW ].” Miharihary fa i Paoly dia tsy nino ilay hevitry ny mpanompo sampy grika momba ny tsy fetezan-ko faty voajanaharin’ny fanahy olombelona, izay heverina fa niditra ho any amin’ny fiainana any ankoatra na ho ao amin’ny tontolo iray any ambanin’ny tany araka ny angano. Nino ny fitsanganana amin’ny maty sy nampianatra ny finoana azy io, izy. Izany dia hidika ho an’ny sasany, fanomezana ny fiainana tsy hahitam-pahafatesana amin’ny maha-zavaboary ara-panahy any an-danitra miaraka amin’i Kristy, ary ho an’ny ankamaroan’ny olona, fiverenana ho amin’ny fiainana eo amin’ny tany iray tonga lafatra. — Lioka 23:43, NW; 1 Korintiana 15:20-22, 53, 54; Apokalypsy 7:4, 9, 17; 14:1, 3.
17 Araka izany, ny Baiboly dia manome antsika fampanantenana mazava sy fanantenana mafy orina fa amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty, dia olona maro no hahita indray ireo olon-tiany nody mandry eto an-tany, saingy ao anatin’ny toe-javatra tena hafa tanteraka. — 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:1-4.
Fanampiana azo ampiharina ho an’ireo izay malahelo
18. a) Fitaovana manampy inona no navoaka tamin’ireo Fivoriamben’ny Distrika “Tahotra Araka An’Andriamanitra”? (Jereo ny faritra voafefy.) b) Fanontaniana inona avy no ilaina hovaliana izao?
18 Izao isika dia manana ny fahatsiarovantsika sy ny alahelontsika. Inona no azontsika atao mba hahatafavoahana amin’io fe-potoam-pahoriana misedra io? Inona no azon’ny hafa atao mba hanampiana an’ireo izay malahelo? Ankoatra izany, inona no azontsika atao mba hanampiana an’ireo olona tso-po hitantsika eny amin’ny fanompoantsika eny amin’ny saha izay tsy manana tena fanantenana sady malahelo koa? Ary fampiononana fanampiny inona no azontsika tovozina avy ao amin’ny Baiboly mikasika ireo olon-tiantsika izay matory ao amin’ny fahafatesana? Hanolotra fanipazan-kevitra sasany ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana bebe kokoa momba ny fisaonana tamin’ny andron’ny Baiboly, dia jereo ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy faha-387-388, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
b Mba hahazoana fanazavana bebe kokoa momba ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty hita ao amin’ny Baiboly, dia jereo ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy faha-1292-1298.
Afaka Mamaly ve Ianao?
◻ Nahoana no azo atao ny milaza fa fahavalo iray ny fahafatesana?
◻ Ahoana no nanehoan’ireo mpanompon’Andriamanitra tamin’ny andron’ny Baiboly ny alahelony?
◻ Inona no fanantenana ho an’ireo olon-tiana nody mandry?
◻ Inona no antony ninoan’i Paoly ny fitsanganana amin’ny maty?
[Efajoro, pejy 8, 9]
Fanampiana Azo Ampiharina ho An’ireo Izay Malahelo
Tamin’ireo Fivoriamben’ny Distrika “Tahotra Araka An’Andriamanitra” nandritra ny 1994-1995, ny Fikambanana Watch Tower dia nanambara ny fivoahan’ny bokikely vaovao iray mitondra ny lohateny hoe Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao. Io zavatra vita an-tsoratra mampahery io dia natao mba hitondrana fampiononana ho an’ny olona avy amin’ny firenena sy ny fiteny rehetra. Araka ny efa mety ho hitanao, izy io dia mampiseho ny fanazavana tsotran’ny Baiboly momba ny fahafatesana sy ny toetran’ny maty. Ny mbola zava-dehibe kokoa aza, izy io dia manasongadina ny fampanantenan’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Kristy Jesosy, ny fananganana ho amin’ny fiainana eo amin’ny tany zary paradisa iray, voadio. Mitondra marina tokoa fampiononana ho an’ireo izay malahelo izy io. Noho izany, dia tokony ho fitaovana manampy eo amin’ny fanompoana kristiana izy io ary tokony hampiasaina mba hanairana fahalianana, ka fampianarana Baiboly any an-tokantrano maro kokoa no ho vokany. Ireo fanontaniana hianarana dia napetraka tamim-pitandremana ao anatin’ny faritra voafefy manakaiky ny faran’ny fizarana tsirairay mba hanaovana famerenana tsy sarotra an’ireo hevitra nodinihina, miaraka amin’izay olona tso-po sy malahelo.
[Sary, pejy 8]
Rehefa maty i Lazarosy, dia nitomany i Jesosy
[Sary, pejy 9]
Nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty i Jesosy
[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]
Fahalahelovana voalohany, nataon’i W. Bouguereau, avy tamin’ny takelaka fitaratra tany am-boalohany amin’ny Photo-drame de la création, 1914