Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
‘Tsy Nitsahatra Izy Ireo’
HATRAMIN’NY andron’i Jesosy Kristy sy ireo apostoliny, dia nampiasa izay fomba rehetra azony nampiasaina ireo filoham-pivavahana teo amin’ny fiezahany nanakantsakana ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. ‘Nandrara’ mafy dia mafy sy imbetsaka an’ireo apostoly ny manam-pahefana teo an-toerana tao Jerosalema mba “tsy hiteny amin’ny anaran’i Jesosy intsony”. (Asan’ny Apostoly 5:27, 28, 40). Na dia izany aza, dia milaza ny fitantarana ao amin’ny Baiboly fa “nandroso ny tenin’Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema”. — Asan’ny Apostoly 6:7.
Roa arivo taona atỳ aoriana, dia mbola mahita ihany isika filoham-pivavahana any Israely, izay mitaona ireo manam-pahefana eo an-toerana mba hanakanana ny asan’ireo Kristiana marina ao amin’io tany io. Teo ambanin’ny fanerena nampiharin’ireo olona mpivavaka mirehidrehitra tsy amin’antony, tamin’ny Novambra 1987, ny manam-pahefana teo an-toerana tany Tel-Aviv, Israely, dia nandidy ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitsahatra tsy hanao fivoriana tao amin’ilay Efitrano Fanjakana tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower. Ilay didy dia nanan-kery tamin’ny Oktobra 1989. Ho fanarahana izany, dia nanao ny fivoriany tany amin’ny trano nohofaina tao amin’ilay faritra ny Vavolombelona, nandritra ireo telo taona nitoeran’ny Efitrano Fanjakanan’izy ireo ho saiky tsy nampiasaina tanteraka.
Teo anelanelan’izany, dia nentina teo amin’ny Fitsarana Tampony Israeliana ilay raharaha. Nijery indray ilay fanaporofoan-kevitra naroson’ny Vavolombelona ny biraon’ny mpampanoa lalàna, ary nanambara fa tsy nety ho nisy ny fanoherana ny fangatahan’izy ireo fitsarana ambony, noho ilay nibaribary fa fitsarana an-tendrony ara-pivavahana tafiditra. Araka izany, dia voatery nanafoana ny fanapahan-keviny ireo manam-pahefana teo an-toerana, ary dia niverina tamim-pifaliana tao amin’ny Efitrano Fanjakanany ny Vavolombelon’i Jehovah.
Nisy fihemorana ve ny asa fitoriana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly nandritra ireo taona ireo? Tsia dia tsia! Tamin’ny fotoana nanakatonana ilay Efitrano Fanjakana, dia nisy kongregasiona roa tao Tel-Aviv ary antokon’olona nianatra Baiboly nitokana iray tany akaikin’ny tanànan’i Lod. Telo taona tatỳ aoriana, rehefa nosokafana indray ilay Efitrano Fanjakana, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nitombo ka tonga kongregasiona efatra, ary nisy antokon’olona vaovao nianatra ny Baiboly nivory tany Beersheba.
Ny fitomboana ao Israely dia tsy voafetra ho eo amin’ireo antokon’olona miteny ireo fiteny lehibe indrindra ihany, dia ny teny arabo sy ny teny hebreo. Nisy fahatongavan’ny mpifindra monina sesehena avy tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha, hany ka be atao eo amin’ny fizarana ny vaovao tsara amin’izy ireny izao ny Vavolombelon’i Jehovah miteny rosiana. Misy fivoriana sasany amin’ny fiteny rosiana atao any amin’ny kongregasiona telo; olona maherin’ny zato no nivory tsy ela izay tao amin’ny fivoriambe iray natao tamin’ny fiteny rosiana.
Tsy isalasalana fa ireo mpivavaka manao fitsarana an-tendrony dia hanohy ny ady amin-kafanam-po ataony amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Amin’izao andro izao anefa, toy ny tamin’ny andron’ireo apostoly, ireo mpitory ilay Fanjakana dia manohy manahaka ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany izay, na dia teo aza ny fanoherana, dia “tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’i Jesosy ho Kristy”. — Asan’ny Apostoly 5:42.