FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 15/7 p. 31
  • Fivoriambe Isan-taona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriambe Isan-taona
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Fivoriambe Isan-taona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Fivoriana Fanao Isan-taona 7 Oktobra 2000
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Fivoriana Fanao Isan-taona 7 Oktobra 2000
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Fivoriana Fanao Isan-taona — 4 Oktobra 1997
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 15/7 p. 31

Fivoriambe Isan-taona

7 OKTOBRA 1995

NY FIVORIAMBE ISAN-TAONA fanaon’ireo mpikambana ao amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania dia hatao ny 7 Oktobra 1995, ao amin’ny Efitrano fanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah fivoriambe, 2932 Kennedy Boulevard, any Jersey City, any New Jersey. Ny fivoriambe mialoha hataon’ireo mpikambana ihany dia hatao amin’ny 9.30 maraina, harahin’ny fivoriambe fanao isan-taona amin’ny 10.00 maraina.

Tokony hampandre ny Biraon’ny Mpitan-tsoratra dieny izao ny amin’izay fiovan’ny adiresiny tao anatin’ny taona lasa ireo mpikambana, mba ho voarain’izy ireo ny fiantsoana sy fanomezam-pahefana mandritra ny volana Jolay.

Ireo fanomezam-pahefana izay halefa any amin’ireo mpikambana miaraka amin’ny fiantsoana azy hanatrika ny fivoriambe fanao isan-taona, dia tsy maintsy haverina, ary ho tonga any amin’ny Biraon’ny Mpitan-tsoratra ny 1 Aogositra raha ela indrindra. Ny mpikambana tsirairay avy dia tokony hameno ny fanomezam-pahefana sy hamerina izany haingana amin’ny filazana raha ho tonga hanatrika ny fivoriambe ny tenany na tsia. Tokony ho raikitra ireo filazana homena ao amin’ny fanomezam-pahefana tsirairay momba io lafin-javatra io, satria hampiasaina izany mba hamantarana izay ho tonga.

Kendrena ho vita amin’ny 1.00 ora antoandro, na aoriana kelin’izay ny fandaharana feno, ao anatin’izany ilay fivoriana momba ny fandinihan-draharaha fanao sy ireo tatitra. Tsy hisy fotoam-pivoriana ny tolakandro. Koa satria voafetra ny isan’ny toerana, dia izay mampiseho karatra fanasana ihany no ho afaka hiditra. Tsy hisy fandaharana hatao mba hampifandraisana an-telefaonina io fivoriambe isan-taona io amin’ny efitrano fivoriana hafa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara