Ahoana no Ahafahanao Manohy Miaina eo Amin’ny Fiaraha-monina Iray Mampidi-doza?
“RAIKI-TAHOTRA tamin’ny fotoana rehetra aho. Natahotra aho tao amin’ny ascenseur. Natahotra aho tao anatin’ny fiarako. Natahotra aho tao an-tranoko. Na taiza na taiza dia nisy heloka bevava. Voaroba foana ny olona”, hoy i Maria. Mitovy fihetseham-po amin’io vehivavy brezilianina io ve ianao, matahotra eo amin’ny fiaraha-monina misy anao, indrindra fa amin’ny haizin’ny alina?
Mety hanaitaitra ny famakiana tantarana mpitsongo dia, saingy eo amin’ny fiainana tena izy, dia matetika no tsy misy ny fiafarana tsara. Misy heloka bevava mitoetra ho tsy fantatra izay nanao azy. Na raha toa nisy vonoan’olona, dia misy olona voatery hanohy hiaina tsy misy vady na ray na zanakalahy, vady na reny na zanakavavy. Mitombo ve ny heloka bevava feno herisetra ao amin’ny faritra misy anao? Maniry mafy toerana milamina izay tsy ahitan’ny fianakavianao loza ve ianao? Na, raha voatery hitaiza ny zanakao ao amin’ny faritra iray feno heloka bevava ianao, inona no azonao atao mba hanohizana hiaina?
Marina fa mbola misy tanàna izay tsy misy heloka bevava firy. Any amin’ny tany maro, ny olona dia mbola miaina ao anatin’ny filaminan’ny ambanivohitra na any amin’ireo vohitra milamina. Eo am-piovana haingana anefa ny toe-javatra, na dia any amin’ireo faritra noheverina teo aloha ho tsy nisy heloka bevava aza. Tany Brezila, ohatra, 50 taona lasa izay, dia niaina tany ambanivohitra ny 70 isan-jaton’ny mponina. Ankehitriny, dia 70 isan-jato no miaina any an-tanàn-dehibe. Tonga niaraka tamin’ireo fahafahana hahita asa ny fitomboan’ireo zava-manahirana an-tanàn-dehibe, toy ny heloka bevava sy ny herisetra. Na miaina any amin’ny faritra iray mampidi-doza ianao na tsia, dia mbola tsy maintsy mandeha miasa na mankany an-tsekoly na manao zavatra maro be any ivelan’ny tranonao ihany ianao.
Raha nanaiky ny fisian’ny “fisehon’aretin’ny fikoropahana noho ny tahotra” mahazo vahana ny sefon’ny polisy iray any Rio de Janeiro, dia nanonona ny tsy rariny ara-tsosialy sy ny heloka bevava voalamina ho antony nahatonga izany. Mihevitra koa izy fa ny gazety sy ny televiziona dia mandray anjara amin’ny fampielezana tahotra, amin’ny “fanaovana izay haharera-po ny vahoaka amin’ny alalan’ny vaovao milaza loza mahatsiravina”. Ny fidorohana zava-mahadomelina, ny faharavan’ny fianakaviana sy ny lesoka eo amin’ny fanabeazana ara-pivavahana koa dia mandray anjara amin’ny fitomboan’ny tsy fankatoavan-dalàna. Ary inona no hoentin’ny hoavy? Hahatonga ny olona hanjary tsy hihontsina amin’ny hafa ve ny fampisehoana tsy an-kiato sary feno herisetra mahazatra izay hamaivanina ho toy ny fialam-boly ao amin’ireo boky sy horonan-tsarimihetsika? Hanjary hampidi-doza koa ve ireo faritra izay noheverina fa tsy nisy heloka bevava?
Koa satria tena tsy mahafinaritra ny heloka bevava ho an’ilay voa, dia maniry mafy ny tsy hahita loza isika. Tsy mahagaga raha toa ireo olom-pirenena be fanahiana ka mitaky polisy bebe kokoa eny amin’ny arabe sy sazy an-tranomaizina henjana kokoa, na fanasaziana ho faty mihitsy aza! Na dia eo aza ny loza mety hitranga, dia mividy basy ny sasany mba hiarovan-tena. Ny hafa maniry ny hameran’ireo manam-pahefana ny fivarotana basy. Kanefa na dia eo aza ireo vaovao ratsy hoe tsy anerany ny heloka bevava, dia tsy misy ilana ny hamoy fo. Raha ny marina, dia misy mponina maro mbola tsy voaroba mihitsy any amin’ny tanàna lehibe toa an’i Johannesburg, i Mexico, i New York, i Rio de Janeiro, sy i São Paulo. Aoka isika handinika ny fomba iatrehan’ny olona amim-pahombiazana ny fiaraha-monina iray mampidi-doza.
Fitanana fihetsika manorina
Momba ny faritra iray feno heloka bevava, ny mpanoratra iray dia nanazava ny amin’ny “fahakingan-tsaina sy ny faharetan’ireo Brezilianina an’arivony maro izay nahavita niaina tao anatin’ny fahamendrehana sy ny fahamaotonana ihany na dia teo aza ny toe-piainana mihamafy hatrany”. Hoy i Jorge, rehefa avy niaina 38 taona tao Rio de Janeiro: “Halaviriko ny arabe sy ny faritra sasany, ary tsy mampiseho fahalianana ta hahafanta-javatra aho. Halaviriko koa ny fandehanana eny amin’ny arabe amin’ny alina, ary tsy mampiseho tahotra tafahoatra aho. Na dia malina aza aho, dia mihevitra ny olona ho toy ny olo-marina, mitondra azy ireny amim-pahamendrehana sy amim-panajana.”
Eny, halaviro ny zava-manahirana tsy ilaina. Aza mitsofotsofoka amin’ny raharahan’ny hafa. Aza hamaivanina mihitsy ilay zava-misy hoe mampihenjan-kozatra ny tahotra tafahoatra, ka mahatonga ny olona, na dia mahay mitondra tena aza, hanao zavatra amin-kadalana. Manao izao fanamarihana izao i Odair mikasika ny asany any amin’ny faritra mampidi-doza: “Miezaka ny ho manorina aho, tsy mameno ny saiko amin’ny tahotra zava-dratsy mety hitranga satria izany dia miteraka fihenjanana sy fikoropahana noho ny tahotra tsy ilaina. Miezaka maneho fanajana ny olona rehetra aho.” Ankoatra ny fisehoana ho mailo sy ny fihatahana lavitra an’ireo olona mampiahiahy, dia nanampy fomba fanampiana hafa iray mba hifehezana ny fihetseham-pon’ny tena izy nanao hoe: “Ambonin’ny zava-drehetra, dia mamboly fatokiana an’i Jehovah Andriamanitra aho, amin’ny fitadidiana fa tsy misy na inona na inona mipika eo imasony, ary na inona na inona mitranga dia navelany hitranga izany.”
Na dia izany aza, dia tsy misy olona tia ny hiaina mandrakariva ao anatin’ny tahotra. Ambonin’izany, dia iza no handa fa manimba ny fahasalamana ara-pihetseham-po sy ara-batana ny tahotra sy ny fihenjanana tafahoatra? Noho izany, dia inona no fanantenana ho an’ireo izay matahotra fa mety hisy hanafika azy amin’ny fotoana rehetra? Koa satria maro no matahotra fa mbola ho avy ny ratsy indrindra amin’ny heloka bevava, moa ve isika hahita ny faran’ny herisetra indray andro any? Manasa anao izahay hamaky ny lahatsoratra manaraka hoe: “Rahoviana no Hifarana ny Tahotra?”