FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 15/9 p. 5-6
  • Saika Nanimba ny Fiainako ny Fahasarotam-piaro

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Saika Nanimba ny Fiainako ny Fahasarotam-piaro
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Mandresy ny Fialonana sy ny Fahasarotam-piaro Tsy Araka ny Tokony ho Izy ny Fiti
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Saro-piaro, Fahasarotam-piaro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Saro-piaro Amin’ny Fanompoam-pivavahana Madio Amin’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Izay Tokony ho Fantatrao Momba ny Fialonana sy ny Fahasarotam-piaro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 15/9 p. 5-6

Saika Nanimba ny Fiainako ny Fahasarotam-piaro

TENA nanomboka namely ahy mafy ny fahasarotam-piaro rehefa nanambady an’i Mahefa, vadiko faharoa, aho.a Ho anay niaraka, dia voatery nikarakara zana-bady maromaro sy nifampikasoka tamin’ireo vadinay taloha izahay. Isaky ny nisy fifandonana teo amin’ny fianakaviana, dia toy ny hoe tsy nanohana ahy i Mahefa. Nanomboka nihevitra aho fa mbola tia ilay vadiny taloha izy. Tsy nifehy ny fahasarotam-piaroko aho, fa namela azy io kosa hifehy ny fiainako. Nahatsiaro tena ho notandindomin-doza ara-pihetseham-po aho isaky ny teo ilay vadin’i Mahefa taloha.

Nijery tsara tsy tapaka an’i Mahefa aho, nijery tsara mihitsy ny masony aza mba hahitana hoe taiza no nojereny. Nandika vilana ireo topy masony mihitsy aza aho. Indraindray aho dia niampanga azy ampahibemaso ho mbola raiki-pitia tamin’ilay vadiny taloha. Indray mandeha dia nalahelo loatra noho izany izy, hany ka nitsangana ary nandao ny fivoriambe kristiana iray. Nahatsiaro tena ho meloka teo anatrehan’i Jehovah aho. Nanao izay hahatonga ny fiainam-pianakaviako ho nampahonena aho satria voakasika koa ireo ankizy tamin’ny farany. Nankahala ny tenako aho noho izay nataoko, saingy na dia niezaka mafy toy inona aza aho, dia toa tsy afaka tsotra izao nifehy ny fahasarotam-piaroko aho.

Tsy nanampy ahy i Mahefa, fa nanomboka namaly faty kosa izy. Rehefa niampanga azy aho, dia nivazavaza tamiko toy izao izy: “Saro-piaro, saro-piaro tsotra izao ianao.” Toa ninia nanao izay hahasaro-piaro ahy mihitsy aza izy. Nihevitra angamba izy fa hahasitrana ahy tamin’ny fahasarotam-piaroko izany, nefa tsy nanao afa-tsy ny nahatonga ny raharaha hiharatsy kokoa izany. Nanomboka nijery vehivavy hafa izy, ka nanao fanamarihana nahakasika ny hatsaran-tarehin’izy ireo. Vao mainka izany nahatonga ahy hahatsiaro tena ho ambany kokoa sy ho tsy nirina kokoa ihany. Tonga hatramin’ny fetra izay nipoiran’ny fihetseham-po hafa — ny fankahalana — ho toy ny zava-misy iray naharikoriko, ilay izy. Tamin’izay, dia nikorontana aoka izany ny saiko, hany ka naniry tsotra izao ny hisara-toerana taminy sy ny fianakaviany aho.

Rehefa nilaza ny Baiboly fa “[ny fialonana sy ny fahasarotam-piaro, NW ] dia mahalo ny taolana”, dia izany marina tokoa no izy. (Ohabolana 14:30). Nanomboka ho voakasika izao ny fahasalamako. Niharihary fa voan’ny fery tao amin’ny vavony aho, ary nila fotoana lava vao sitrana ilay izy. Nanohy nanao izay hahatonga ny fiainako ho nampahonena aho tamin’ny fisehoako ho fatra-piahiahy izay zavatra rehetra nataon’i Mahefa. Nisava ireo paosiny aho, ary raha toa ka nahita nomerao-na telefaonina tao, dia nantsoiko izy ireny mba hahitana hoe iza no namaly. Tao am-poko tao, dia menatra ny tenako erỳ aho, ka nitomany noho ny henatra teo anatrehan’i Jehovah. Kanefa dia tsy afaka nisakana ny tenako aho. Izaho ihany no fahavalon’ny tenako ratsy indrindra.

Simba ny fahasalamako ara-panahy ka tonga hatramin’ny fetra izay tsy nahafahako nivavaka intsony aho. Tiako i Jehovah ary tena naniry hanao izay marina aho. Fantatro daholo ireo andinin-teny mifandray amin’ny lehilahy manambady sy vehivavy manambady, saingy tsy nahavita nampihatra azy ireny aho. Sambany teo amin’ny fiainako vao tsy naniry ny ho velona intsony aho, na dia nanana zanaka nahafinaritra aza.

Fampaherezana lehibe ireo loholona tao amin’ny kongregasiona kristiana, ary nanao izay rehetra azony natao izy ireo mba hanampiana ahy. Kanefa, rehefa niresaka ny amin’ilay raharaha momba ny fahasarotam-piaroko izy ireo, dia nolaviko ilay izy noho izaho nahatsiaro tena ho sanganehana, ka tsy naniry hiaiky fa nanana izany zava-nanahirana izany aho.

Tamin’ny farany, dia simba aoka izany ny fahasalamako ka voatery niditra hopitaly aho mba hodidiana. Fony aho tany, dia takatro fa tsy afaka ny hitohy tahaka ny teo aloha intsony ny fiainana. Nanapa-kevitra ny hisara-toerana nandritra ny telo volana izahay sy i Mahefa, mba handinika ny tarehin-javatra nisy anay kanefa tsy ho tafiditra loatra ara-pihetseham-po. Nandritra izany fotoana izany dia nisy zavatra nahatalanjona nitranga. Tao amin’ny gazety Mifohaza! dia nisy lahatsoratra iray niseho, ary nitondra ny lohateny hoe: “De l’aide pour les enfants d’alcooliques” (Fanampiana ho An’ireo Zanaky ny Alkaolika).b

Saintsaino fa alkaolika ny reniko. Na dia tsy nampijalina ara-batana aza aho, dia tsy mbola naneho firaiketam-po ara-batana mihitsy ireo ray aman-dreniko, na tamin’izy samy izy izany, na tamiko. Tsy mbola tadidiko mihitsy ny reniko namihina ahy, na nilaza tamiko hoe tiany aho. Koa raha ny marina, dia nihalehibe aho, nefa tsy tena nahalala izany hoe tia izany na, izay zava-dehibe ihany koa, izany hoe tiana izany.

Matetika ny reniko no niresaka tamiko momba ny fangalaram-pitia kely tany ivelany nataon’ny raiko, ary koa fa tsy afaka natoky azy izy. Koa mino aho fa nihalehibe tamin’ny tsy fatokiana ireo lehilahy tamin’ny ankapobeny ny tenako. Noho ny fitaizana azoko, dia nahatsiaro tena ho ambany kokoa noho ny hafa aho, indrindra noho ny vehivavy hafa. Ny famakiana io lahatsoratra tao amin’ny Mifohaza! io dia nanampy ahy hahatakatra hevitra lehibe nofonosin’ireny zavatra ireny. Sambany aho vao nahatakatra ny antony fototr’ilay zava-nanahirana ahy nahakasika ny fahasarotam-piaro.

Nasehoko an’i Mahefa, vadiko, ilay lahatsoratra tao amin’ny Mifohaza!, ary izy io koa dia nanampy azy hahazo tsaratsara kokoa ny fihevitro. Tsy ela izahay sy izy dia nahavita nanaraka ny torohevitry ny Baiboly ho an’ireo mpivady izay misaintsaina ny hisaraka. Nihavana indray izahay. (1 Korintiana 7:10, 11). Ankehitriny ny fanambadianay dia tsara kokoa noho ny hatramin’izay. Manao ny ankamaroan’ny zavatra miaraka izahay, indrindra fa rehefa tafiditra ireo asa kristiana. Mampiseho fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa bebe kokoa i Mahefa. Saika isan’andro izy dia milaza amiko ny halehiben’ny fitiavany ahy, ary tena mino izany aho ankehitriny.

Isaky ny fantatro fa handeha hifandray amin’ilay vadin’i Mahefa taloha izahay, dia mivavaka amin’i Jehovah aho mba hahazo hery, ka mangataka aminy aho mba hanampy ahy hitondra tena toy ny Kristiana matotra iray. Ary mandaitra ilay izy. Na dia ny fihetseham-po feno fankahalana tsapako tamin’io vehivavy io aza dia mihena. Tsy mijanona intsony eo amin’ireo hevitra tsy manorina aho, sady tsy mamela intsony ny saiko handeha lavitra loatra.

Mbola mahatsapa fihetseham-po feno fahasarotam-piaro tsy araka ny tokony ho izy kely ihany aho. Ny fiainana lavorary ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra ihany no hanafoana izany tanteraka ato amiko. Mandra-pahatongan’izany, dia nianatra nifehy ny fahasarotam-piaroko aho, fa tsy mamela azy io hifehy ahy kosa. Eny, saika nanimba ny fiainako ny fahasarotam-piaro, kanefa noho i Jehovah sy ny fandaminany, dia olona sambatra lavitra kokoa aho ankehitriny, sady niverina tamin’ny laoniny ny fahasalamako. Mbola manana indray fifandraisana matanjaka amin’ilay Andriamanitro, dia i Jehovah, aho. — Nisy nanome.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Novana ny anarana.

b Jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 May 1992, pejy 8-12.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara