FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/10 p. 5-7
  • Tontolo Iray Tsy Hisy Ady — Rahoviana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tontolo Iray Tsy Hisy Ady — Rahoviana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fivavahana — Sakana lehibe iray
  • Ny hoavin’ny fivavahana
  • Ny maha-olombelona tsy lavorary
  • Jesosy Kristy — Ilay Andrian’ny fiadanana
  • Miady ao Haramagedona ilay Mpanjaka
    “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”
  • Ny fiadanana sy ny filaminana: avy aiza no hiaviany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Ny fiadanana, ny filaminana ary ny ‘sarin’ny bibi-dia’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Dimampolo Taona Nanaovana Ezaka Nandamòka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/10 p. 5-7

Tontolo Iray Tsy Hisy Ady — Rahoviana?

NANOMBOKA nanan-kery ny Sata Mifehy ny Firenena Mikambana tamin’ny 24 Oktobra 1945. Izy io no tetik’ady mahafaoka be indrindra ho an’ny fandriampahalemana maneran-tany novolavolain’olombelona. Niaraka tamin’ireo Fanjakana mpikambana 51 tany am-boalohany, dia tonga ny fandaminana niraisam-pirenena lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao, ny Firenena Mikambana. Afa-tsy izany koa, dia sambany hatramin’izay vao nisy fandaminana niraisam-pirenena iray afaka nampiasa tafika mba hampandavorary ny hisian’ny fandriampahalemana sy ny filaminana, ary mba hampisy tontolo iray tsy hisy ady.

Amin’izao andro izao, dia matanjaka mbola tsy misy toy izany ny Firenena Mikambana, misy Fanjakana mpikambana 185. Nahoana àry no tsy nahavita nanatanteraka tamin’ny fomba feno ireo zava-nokendreny mendri-kaja ilay fandaminana iraisam-pirenena mahery indrindra teo amin’ny tantara?

Fivavahana — Sakana lehibe iray

Fanasarotan-javatra lehibe iray ny anjara asa raisin’ny fivavahana eo amin’ny raharahan’izao tontolo izao. Marina fa hatrany am-piandohan’ny Firenena Mikambana, ireo fivavahana lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao dia nanao fanekena mba hanohana io fandaminana io. Raha nanisy fitenenana ny amin’ny tsingerin-taona faha-50-n’izy io ny Papa Joany Paoly faha-II, dia nilaza ny Firenena Mikambana ho “ny fitaovana faran’izay tsara indrindra ho fampandrosoana sy ho fiarovana ny fandriampahalemana”. Ny fihetseham-pony dia iombonan’ny fitambaran’ireo filoham-pivavahana maneran-tany. Io fifandraisana akaiky misy fahaiza-mandanjalanja eo amin’ny fivavahana sy ny fitondram-panjakana io anefa, dia tsy afaka manafina ny maha-sakana sy fanimbana ny fivavahana ho an’ny Firenena Mikambana.

Hatramin’ny taonjato maro ny fivavahana dia nanana anjara asa lehibe indrindra teo amin’ny fampandrosoana na fanohanana ireo fankahalana ara-pirenena sy ireo ady ary ireo fandripahana antokon’olona. Tao anatin’ireo taona faramparany, dia nifamono ireo mpiara-monina noho ny fialan-tsiny nataon’ny firehetana ara-pivavahana. Ilay fitenenana hoe “fanadiovana ara-pirazanana” dia nampiasaina ombieny ombieny nifandray tamin’ny ady tany amin’ireo tany Balkans. Ilay fankahalana feno herisetra izay nifanehoan’ny maro tany anefa, dia niorina tamin’izay fivavahana narahina fa tsy noho ny firazanana, satria ny ankamaroan’izy ireo dia iray fiaviana ara-pirazanana ihany. Eny, ny fivavahana dia tsy maintsy manaiky hiantsoroka ny ankamaroan’ny andraikitra tamin’ny ra nandriaka tany Iogoslavia teo aloha, ary tsy afaka nampitsahatra azy io ny Firenena Mikambana.

Tsy ela izay, tamin’ny fomba mifanentana tsara, dia nilaza ny profesora momba ny fivavahana ao amin’ny oniversite iray fa “eo amin’ny tontolo iray avy nisy ady mangatsiaka, [tontolo] izay itomboan’ny fandraisan’ireo fivavahana anjara amin’ny ady, dia mety ho ny fandinihana ny fivavahana sy ny fandripahana antokon’olona no iray amin’ireo mitana ny laharam-pahamehana mahadodona antsika kokoa, na dia eo aza ny fahasosorana aterak’izany”. Miharihary amin’izao andro izao fa misy fahatakarana vaovao ny amin’ny fomba anakantsakanan’ny fivavahana an’ireo ezaka ho an’ny fandriampahalemana maneran-tany.

Milaza toy izao ny fanambarana nataon’ny ONU tamin’ny 1981: “Manahy noho ireo fisehoan’ny tsy fifandeferana sy noho ny fisian’ny fanavakavahana eo amin’ny fivavahana na ny zavatra inoana izay mbola miharihary any amin’ny faritra sasany amin’izao tontolo izao, Tapa-kevitra ny handray ireo fepetra rehetra ilaina mba hanafoanana haingana izany tsy fifandeferana izany amin’ny endriny rehetra sy ny fisehony rehetra, ka hisoroka sy hiady amin’ny fanavakavahana mifototra amin’ny fivavahana na ny zavatra inoana.”

Mifanaraka amin’ilay fehin-keviny, ny Firenena Mikambana dia nanambara ny taona 1995 ho ny Taona Iraisam-pirenena ho An’ny Fifandeferana. Raha jerena amin’ny zava-misy anefa, dia ho azo atao ve ny hanatanteraka fandriampahalemana sy filaminana eo amin’ny tontolo iray voazarazaran’ny fivavahana?

Ny hoavin’ny fivavahana

Manome ny valin’izany ny faminaniana iray ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly. Izy io dia miresaka ny amin’ny “vehivavy janga” ara-panoharana iray izay mipetraka toy ny “mpanjakavavy” sady “manjaka amin’ny mpanjakan’ny tany”. Miaina ao anatin’ny “haitraitra mahamenatra” io vehivavy janga io ary manao firaisana amin’ireo fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao. Ireo fitondram-panjakana ireo dia lazalazaina ho toy ny “bibi-dia mivolon-jaky” ka eo amboniny ilay vehivavy janga no mitaingina, mihaminkamina erỳ. (Apokalypsy 17:1-5, 18; 18:7, NW ). Fantatra amin’ny hoe “Babylona Lehibe” io vehivavy maloto fitondran-tena sy mahery io, nomena anarana araka ilay Babylona fahiny, ilay toerana niavian’ny fivavahana tamin’ny sampy. Amin’ny fomba mifanentana tsara, ilay vehivavy janga amin’izao andro izao dia mampiseho ireo fivavahana rehetra eo amin’izao tontolo izao izay nitsabaka tao amin’ireo raharaham-panjakana.

Manohy milaza ilay fitantarana fa, rehefa afaka kelikely, dia hanome fo an’ireo ampahany ara-tafika amin’ilay biby dia mba hanao zavatra Andriamanitra. Ireo dia “hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo”. (Apokalypsy 17:16).a Araka izany, dia ny tenan’i Jehovah mihitsy no hanomboka hanao zavatra amin’ny fampiasana amim-pahakingana ireo firenena mahery eo amin’ny ezaka manokana iray mba hanesorana ny fivavahan-diso. Horavana tanteraka ny rafitra ara-pivavahana maneran-tany miaraka amin’ireo tempoliny sy toerany masina be renty. Amin’izay ny fivavahana dia tsy ho sakana intsony ho an’ny fanorenan’izy ireo fandriampahalemana sy filaminana. Kanefa na dia amin’izay aza, hisy tena fandriampahalemana sy filaminana ve eto an-tany?

Ny maha-olombelona tsy lavorary

Moa ve misy antoka fa tena hitarika tokoa ho amin’ny tontolo iray tsy hisy ady ny fanafoanana ny fivavahana? Tsia. Mbola hanohy hiatrika tarehin-javatra iray mahatsikaiky ihany ny Firenena Mikambana. Amin’ny lafiny iray, ny olona dia maniry fandriampahalemana sy filaminana. Kanefa etsy an-kilany, dia ny olona no mametraka ny fandrahonana lehibe indrindra ho an’ny fandriampahalemana sy ny filaminana. Ny fankahalana, ny fireharehana, ny fiheveran-tena tafahoatra, ny fitiavan-tena sy ny tsy fahalalana dia lafin-toetra mampiavaka ny olombelona izay fototr’ireo fifandrafiana sy ady rehetra. — Jakoba 4:1-4.

Nambaran’ny Baiboly mialoha fa amin’izao androntsika izao ny olona dia “ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo”. — 2 Timoty 3:1-4.

Niaiky ny Sekretera Jeneraly Boutros Boutros-Ghali fa “izao tontolo izao dia mijaly noho ny krizy ara-tsosialy sy ara-pitondran-tena, izay goavana any amin’ny fitambaran’olona maro”. Tsy misy tetika diplaomatika, na toy inona na toy inona habetsahany, ho afaka tsy hampanan-kery ireo lafin-toetra manimba izay ao amin’ny maha-olombelona tsy lavorary. — Ampitahao amin’ny Genesisy 8:21; Jeremia 17:9.

Jesosy Kristy — Ilay Andrian’ny fiadanana

Mazava fa tsy manana fahaizana hitondra fandriampahalemana maneran-tany ny Firenena Mikambana. Ireo mpikambana ao aminy sy ireo mpanohana azy dia samy olombelona tsy lavorary avokoa, na dia eo aza ny tanjona mendri-kaja kendren’izy ireo. Milaza ny Baiboly fa “tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany”. (Jeremia 10:23). Ankoatra izany, dia mampitandrina toy izao Andriamanitra: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.” — Salamo 146:3.

Ambaran’ny Baiboly mialoha izay hotanterahin’i Jehovah amin’ny alalan’ny Zanany, ilay “Andrian’ny fiadanana”. Izao no lazain’ny Isaia 9:5, 6: “Zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana”.

Sasatra noho ireo 50 taona nanaovana ezaka nandamòka ireo firenena eo amin’izao tontolo izao. Kely sisa izy ireo dia handringana ireo fandaminana ara-pivavahana toy ny vehivavy janga. Avy eo, i Jesosy Kristy, “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo”, sy ny tafiny mpiady any an-danitra dia hampanjavona ireo fitondram-panjakan’olombelona rehetra sady hamono izay rehetra mandà ny fiandrianan’Andriamanitra. (Apokalypsy 19:11-21; ampitahao amin’ny Daniela 2:44.) Amin’izany fomba izany no hampisian’i Jehovah Andriamanitra tontolo iray tsy hisy ady.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ho fandalinana ilay faminaniana ao amin’ny Apokalypsy momba an’i Babylona Lehibe, dia jereo ny toko faha-33 ka hatramin’ny faha-37 amin’ilay boky hoe Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania, tamin’ny 1988.

[Efajoro, pejy 7]

NY FIHEVERANA KRISTIANA MOMBA NY FIRENENA MIKAMBANA

Ao amin’ny faminanian’ny Baiboly, ireo fitondram-panjakan’olombelona matetika dia aseho ara-panoharana ho toy ny biby dia. (Daniela 7:6, 12, 23; 8:20-22). Noho izany, hatramin’ny am-polony taona maro, ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana dia nampahafantatra ireo biby dia ao amin’ny Apokalypsy toko faha-13 sy faha-17 ho ireo fitondram-panjakana amin’izao andro izao. Izany dia mahafaoka ny Firenena Mikambana izay lazalazaina ao amin’ny Apokalypsy toko faha-17 ho biby dia mivolon-jaky manana loha fito sy tandroka folo.

Io toerana omen’ny Soratra Masina io anefa dia tsy manala tsiny izay mety ho tsy fanajana an’ireo fitondram-panjakana na ireo manam-pahefana ao aminy. Milaza mazava toy izao ny Baiboly: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin’Andriamanitra. Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin’Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana.” — Romana 13:1, 2.

Mifanaraka amin’izany, ny Vavolombelon’i Jehovah izay mitana fialanalanana hentitra ara-politika, dia tsy manakantsakana ireo fitondram-panjakan’olombelona. Tsy manetsika fanonganam-panjakana mihitsy izy ireo na mandray anjara amin’ireo asa tsy fankatoavana ataon’ny sivily. Miaiky kosa izy ireo fa ilaina ny endri-pitondram-panjakana sasany mba hitanana ny lalàna sy ny filaminana eo amin’ny fitambaran’olona. — Romana 13:1-7; Titosy 3:1.

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mihevitra ny fandaminan’ny Firenena Mikambana toy ny ataony amin’ireo antokon’olona hafa ara-pitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao. Manaiky izy ireo fa mbola misy ny Firenena Mikambana noho ny famelan’Andriamanitra izany. Mifanaraka amin’ny Baiboly, dia manolotra fanajana sahaza an’ireo fitondram-panjakana rehetra ny Vavolombelon’i Jehovah, ary mankato azy ireny raha mbola tsy mitaky ny hanotany amin’Andriamanitra koa izany fankatoavana izany. — Asan’ny Apostoly 5:29.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara