Dimampolo Taona Nanaovana Ezaka Nandamòka
“IZAHAY VAHOAKAN’NY FIRENENA MIKAMBANA DIA TAPA-KEVITRA ny hiaro ireo taranaka hifandimby amin’ilay loza entin’ny ady izay indroa teo amin’ny androm-piainanay no nitondra fahoriana tsy hay lazaina tamin’ny olombelona, ary [tapa-kevitra izahay] ny hanamafy indray ny finoanay an’ireo zon’olombelona fototra, ny fahamendrehana sy ny hasin’ny maha-olombelona, ny fitovian-jo eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy sy eo amin’ireo firenena lehibe sy kely (...)” — Sasin-teny ao amin’ny sata mifehy ny Firenena Mikambana.
MANAMARIKA ny tsingerin-taona faha-50-n’ny Firenena Mikambana ny 24 Oktobra 1995. Ireo Fanjakana mpikambana 185 rehetra amin’izao fotoana izao dia samy voafatotr’ireo fotopoto-pitsipika sy tanjon’ilay fandaminana tany am-boalohany, araka izay voalaza eto amin’itỳ sata itỳ: Mitandro ny fandriampahalemana sy filaminana iraisam-pirenena; handresy ireo asa fanafihana izay mandrahona ny fandriampahalemana maneran-tany; hampirisika ny hisian’ny fifandraisam-pisakaizana eo amin’ireo firenena; hiaro ny fahafahana fototra ananan’ny olon-drehetra tsy misy fanavakavahana miorina amin’ny firazanana, ny maha-lahy na ny maha-vavy, ny fiteny na ny fivavahana; ary hanatontosa fiaraha-miasa iraisam-pirenena eo amin’ny fandaminana ireo olana ara-toe-karena, sy ara-tsosialy ary ara-kolontsaina.
Hatramin’ny 50 taona, ny fandaminan’ny Firenena Mikambana dia nanao ezaka miavaka mba hampisy fandriampahalemana sy filaminana maneran-tany. Azo porofoina fa mety ho nisakana ady lehibe fahatelo izy io, ary ny fandringanana tsy an-kanavaka ain’olombelona tamin’ny alalan’ny fampiasana baomba niokleary dia tsy niverina. Nanome sakafo sy fanafody ho an’ny ankizy an-tapitrisany maro ny Firenena Mikambana. Izy io dia nandray anjara tamin’ny fanatsarana ny fari-pahasalamana tany amin’ny tany maro, nanome rano fisotro tsy mampidi-doza kokoa sy fanefitra amin’ny aretina mampidi-doza koa, ankoatra ny zavatra hafa. Mpitsoa-ponenana an-tapitrisany maro no nahazo fanampiana mahasoa ny olombelona.
Ho fanekena ny zava-bitany, dia nomena ny Loka Nobel ho An’ny Fandriampahalemana indimy ny fandaminan’ny Firenena Mikambana. Kanefa ny zava-misy mampahonena dia hoe mbola tsy miaina eo amin’ny tontolo iray tsy misy ady isika.
Fandriampahalemana sy filaminana — Tanjona tsy tratra
Taorian’ny 50 taona nanaovana ezaka, dia mbola tanjona tsy tratra ihany ny fandriampahalemana sy ny filaminana. Tao amin’ny kabary iray vao haingana ho an’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana, dia nampiseho ny fahakiviany ny prezidàn’i Etazonia tamin’ny filazana fa “itỳ taonjato feno fanantenana sy fahafahana hanao zavatra ary fahavitan-javatra itỳ dia vanim-potoan’ny fandringanana sy famoizam-po lalina koa”.
Raha nifarana ny taona 1994, dia nanao izao fanamarihana izao ny The New York Times: “Efa ho 150 ireo ady sy fifamelezana madinidinika efa mitranga, ka amin’izany dia olona an’arivony maro no maty — sivily maro kokoa noho ny miaramila araka ny ankamaroan’ny fanisana — ary ana hetsiny maro no tonga mpitsoa-ponenana.” Ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fampahalalana Amin’ny Besinimaro dia nanao tatitra fa hatramin’ny 1945, dia olona maherin’ny 20 tapitrisa no namoy ny ainy vokatry ny ady nampiasana fitaovam-piadiana. Ny ambasadaoron’i Etazonia ao amin’ny Firenena Mikambana, i Madeleine Albright, dia nanamarika fa “mahery setra kokoa amin’ny fomba maro izao ireo adim-paritra”. Miseho isan’andro ao amin’ireo vaovao ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona sy ny fanavakavahana. Firenena maro no toa mifampizaka fa tsy mifampitondra toy ny sakaiza.
Sir David Hannay, ambasadaoron’i Grande-Bretagne ao amin’ny Firenena Mikambana dia niaiky fa “hatreo amin’ireo taona 1980, ny Firenena Mikambana dia saika tonga tsy fahombiazana tsara fikasa”. Nitaraina ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, i Boutros Boutros-Ghali, fa misy tsy firaikana sy harerahana mihamitombo eo amin’ireo Fanjakana mpikambana raha ny amin’ireo ezaka manokana fitandroana ny fandriampahalemana. Nanatsoaka hevitra izy fa, ho an’ny maro amin’ireo mpikambana, “dia tsy laharam-pahamehana voalohany ny Firenena Mikambana”.
Ny herin’ny fampitam-baovao
Na dia mety ho toa mahery toy inona aza ny Firenena Mikambana, dia matetika sakantsakanan’ny politika sy ny fampitam-baovao ireo ezaka ataony. Tsy manan-kery ny Firenena Mikambana raha tsy manana ny fanohanan’ireo mpikambana ao aminy. Kanefa raha tsy misy ny fankasitrahan’ny besinimaro, dia tsy hanohana ny Firenena Mikambana ny mpikambana maro ao amin’ny ONU. Ohatra, araka ny The Wall Street Journal, “ny tsy fahombiazana nampitolagaga tany Somalia sy Bosnia dia nandresy lahatra Amerikana maro fa ilay fandaminana dia tsy vitan’ny hoe fandanilaniam-poana fotsiny, fa tena mampidi-doza koa”. Io fihetsiky ny besinimaro io kosa dia nandresy lahatra mpanao politika amerikana sasany mba handroso hevitra hampihenana ny fanohanana ara-bola ataon’i Etazonia ho an’ny Firenena Mikambana.
Tsy miahotrahotra ireo fikambanana fampitam-baovao rehefa hanakiana mafy ny Firenena Mikambana. Ny fitenenana toy ny hoe “tsy fahaizana tanteraka”, “miresaresa” “tsy mandaitra” sy ny hoe “tsy afa-mihetsika” dia nampiasaina tsy nisy olakolaka mba hilazalazana ireo lafiny samihafa tamin’ireo ezaka manokana nataon’ny ONU. Tsy ela izay, ny The Washington Post National Weekly Edition dia nilaza fa “ny Firenena Mikambana dia mitoetra ho fitantanan-draharaha iray miadam-pandeha izay miady mafy mba haharaka an’izao tontolo izao ankehitriny”.
Ny gazety hafa iray dia nanonona an’i Boutros Boutros-Ghali, Sekretera Jeneraly, ho nilaza ny fahakiviany tamin’ireo fandripahana olona tany Rwanda. Hoy izy: “Tsy fahombiazana ilay izy, tsy ho an’ny Firenena Mikambana ihany, fa tsy fahombiazana ho an’ny fiaraha-monina iraisam-pirenena koa. Ary samy tompon’andraikitra amin’io tsy fahombiazana io isika rehetra.” Nilaza ny fandaharana manokan’ny vaovao an-tsary iray be mpitia tamin’ny 1993, fa ny Firenena Mikambana dia “tsy nahavita nampitsahatra ilay fandrahonana lehibe indrindra ho an’ny fandriampahalemana — ny fielezan’ireo fitaovam-piadiana niokleary”. Ilay fandaharana tao amin’ny televiziona dia niresaka ny amin’ny Firenena Mikambana ho “kobaka am-bava amin’ny ankabiazany, hatramin’ny am-polony taona maro”.
Io fahatsapana fahadisoam-panantenana miely patrana io dia mitambesatra mafy ao an-tsain’ireo manam-pahefana ao amin’ny Firenena Mikambana no sady manampy trotraka ny fahakivian’izy ireo. Na dia eo aza anefa ireo fahakiviana, dia maro no toa manana fijery lafy tsaran-javatra nohavaozina ary manantena fiaingana vaovao amin’ny tsingerin-taona faha-50-n’ny Firenena Mikambana. Na dia miaiky ny amin’ireo lesoka amin’ny Firenena Mikambana aza ny Ambasadaoro Albright, dia namerina ny fihetseham-pon’olona maro izy rehefa nilaza hoe: “Tsy maintsy atsahatsika ny firesahana ny amin’izay nisy antsika, ary ilaintsika horesahina ny amin’izay halehantsika.”
Eny, hankaiza moa izao tontolo izao? Hisy ve tontolo iray tsy hisy ady indray andro any? Raha izany no izy, inona no anjara asa horaisin’ny Firenena Mikambana amin’izany? Ambonin’izany, raha matahotra an’Andriamanitra ianao, dia tokony hanontany hoe: ‘Inona no anjara asan’Andriamanitra amin’izany?’
[Efajoro, pejy 4]
EZAKA NANDAMÒKA
Tsy ho afaka hisy ny fandriampahalemana sy ny filaminana raha mbola misy koa ny ady, ny fahantrana, ny heloka bevava sy ny fandraisana kolikoly. Tsy ela izay, dia namoaka izao antontan’isa manaraka izao ny Firenena Mikambana.
Ady: “Tamin’ireo ady nampiasana fitaovam-piadiana 82 teo anelanelan’ny 1989 sy 1992, dia ady an-trano ny 79 ka ny maro taminy dia adim-poko; ny 90 isan-jaton’ireo maty an’ady dia sivily.” — Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fampahalalana Amin’ny Besinimaro (UNDPI)
Fitaovam-piadiana: “Ny ICRC [Komity Iraisam-pirenen’ny Vokovoko Mena] dia manombana fa orinasa maherin’ny 95 any amin’ny tany 48 no mamokatra vanja fandevina eo anelanelan’ny 5 ka hatramin’ny 10 tapitrisa isan-taona.” — Vaomiera Ambony ao Amin’ny Firenena Mikambana Manara-maso ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR)
“Atsy Afrika, dia misy vanja milevina 30 tapitrisa miparitaka manerana ny tany 18.” — UNHCR
Fahantrana: “Maneran-tany, dia olona iray ao anatin’ny dimy — maherin’ny arivo tapitrisa amin’ny fitambarambeny — no miaina ambany kokoa noho ny fetran’ny fahantrana, ary tombanana ho 13 ka hatramin’ny 18 tapitrisa ny maty isan-taona noho ny antony mifandray amin’ny fahantrana.” — UNDPI
Heloka bevava: “Ny heloka bevava nanaovana tatitra dia nitombo ho 5 isan-jato ny antsalany maneran-tany isan-taona hatramin’ireo taona 1980; tany Etazonia fotsiny, dia nisy heloka bevava 35 tapitrisa natao isan-taona.” — UNDPI
Fandraisana kolikoly: “Manjary fahita ny fandraisana kolikoly ataon’ny besinimaro. Any amin’ny tany sasany ireo fisolokiana ara-bola dia tombanana ho mitovy vidy amin’ny 10 isan-jaton’ny harin-karena faobe isan-taona ao amin’ilay tany.” — UNDPI