FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/10 p. 19-24
  • Fanarahana ny Dian’ireo Ray Aman-dreniko

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanarahana ny Dian’ireo Ray Aman-dreniko
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Zotom-pon’i Dada ho an’ilay Fanjakana
  • Fanompoana tamim-pahatokiana nataon’i Neny
  • Fanompoana tamin’ny fahatanorana
  • Mamely ny Ady Lehibe Faharoa
  • Fanompoana manontolo andro nahitam-pahafinaretana
  • Ny Lova Ara-panahy Tondraka Anananay
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lova Kristiana Tsy Fahita Firy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Nampianatra Anay ho Tia An’Andriamanitra ny Ray Aman-dreninay
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • “Tsy Hanova na Inona na Inona Aho!”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/10 p. 19-24

Fanarahana ny Dian’ireo Ray Aman-dreniko

NOTANTARAIN’I HILDA PADGETT

“Voatokana ho amin’ny fanompoana ny Avo Indrindra ny fiainako”, hoy ny vakin’ilay tatitra an-gazety, “ary tsy afaka manompo tompo roa aho.” Ireo teny ireo dia tao amin’ilay filazana nataoko tamin’ireo manam-pahefan’ny Minisitera Britanika Nisahana ny Asa An-terivozona sy ny Fanompoam-pirenena tamin’ny 1941. Nampiseho ny antony nandavako ny fitarihan’izy ireo ahy hanao asa tao amin’ny hopitaly nandritra ny Ady Lehibe Faharoa ireo teny ireo. Fotoana fohy taorian’izay dia nomelohina sy nosazina telo volana an-tranomaizina aho noho ny fandavako.

INONA no nitondra ahy tao anatin’io tarehin-javatra sarotra io? Tsia, tsy noho ny haitraitran’ny tanora na noho ny fitondran-tena feno fikomiana akory. Ny antony kosa dia efa hatrany amin’ny vao fahazazako.

Zotom-pon’i Dada ho an’ilay Fanjakana

Teraka tamin’ny 5 Jona 1914 tany Horsforth, akaikin’i Leeds, any avaratr’i Angletera, aho. I Atkinson sy i Pattie Padgett, ray aman-dreniko, dia mpampianatra Sekoly Alahady sy anisan’ny antoko-mpihira tao amin’ny Amboarampeon’ny Fiangonana Primitive Methodist, ka i Dada dia mpitendry ôrga tao. Fony aho zazakely, dia tokantrano sambatra ny anay, afa-tsy tamin’ny anton-javatra iray. Nampanahy an’i Dada ny toe-piainana teo amin’izao tontolo izao. Nankahala ny ady sy ny herisetra izy ary nino ilay didin’ny Baiboly manao hoe: “Aza mamono olona.” — Eksodosy 20:13.

Tamin’ny 1915, ny fitondram-panjakana dia nampirisika mafy ny tovolahy rehetra mba hiditra an-tsitrapo tao amin’ny tafika, ka tamin’izany dia hanalavitra ny fiantsoana an-tery ho miaramila. Tamim-pisalasalana ihany no nijoroan’i Dada indray andro maninjitra teo ambany ranonorana, niandry ny anjarany mba hisoratra anarana tamin’ny naha-miaramila. Ny ampitson’iny indrindra, dia niova ny fiainany manontolo!

Raha niasa tamin’ny naha-mpikarakara ireo fantson-drano tao amin’ny trano lehibe iray izy, dia niresaka tamina mpiasa hafa momba ireo zava-nitranga teo amin’izao tontolo izao. Nanolotra azy taratasy mivalona kely iray manao hoe Gathering the Lord’s Jewels, ilay mpanao zaridaina. Nitondra azy io tany an-trano i Dada ka namaky sy namerina namaky azy io. “Raha izany no marina”, hoy izy, “dia diso avokoa ny zavatra hafa rehetra”. Nangataka fanazavana bebe kokoa izy ny andro nanaraka, ary nandritra ny roa tokom-bolana dia nianatra ny Baiboly mandra-paha-mazava ratsin’ny andro izy. Fantany fa nahita ny fahamarinana izy! Milaza toy izao ny diariny tamin’ny alahady 2 Janoary 1916: “Nankany am-piangonana aho ny maraina, ary tany amin’ny I.B.S.A. [Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Angletera tamin’izany] tamin’ny alina — nianatra ny Hebreo 6:9-20 — fitsidihako voalohany an’ireo rahalahy.”

Nipoitra tsy ela ny fanoherana. Nihevitra ireo havana aman-tsakaiza tany am-piangonana fa lasa adala i Dada. Kanefa dia nanao ny fanapahan-keviny izy. Ny fivoriana sy ny fianarana no zava-dehibe indrindra teo amin’ny fiainany, ary tamin’ny Martsa dia nampiseho ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah tamin’ny batisa tanaty rano izy. Taorian’ny herinandro vitsivitsy nandehanan’i Dada irery tany amin’ireo fivoriana, dia leo i Neny. Napetrany tao anatin’ilay posiposin-jaza aho, dia nandeha an-tongotra valo kilaometatra izy nankany Leeds, ka tonga tany raha nifarana indrindra ny fivoriana. Azonao alaina sary an-tsaina ny hafalian’i Dada. Nanomboka tamin’izay, dia tafaray tao amin’ny fanompoana an’i Jehovah ny fianakavianay.

Sarotra dia sarotra ny toerana nisy an’i Dada — nilatsaka an-tsitrapo tao amin’ny tafika, ary avy eo, tao anatin’ny herinandro vitsivitsy, dia tonga olona nanda tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana. Rehefa voantso izy dia tsy nety nandray basy, ary tamin’ny Jolay 1916, dia niatrika ny voalohany tamin’ireo fitsarana miaramila dimy natao taminy izy, voasazy 90 andro an-tranomaizina. Rehefa avy namita ilay sazy voalohany i Dada, dia nahazo fahazoan-dalana hivoaka kely nandritra ny tapa-bolana, izay narahin’ny fitsarana miaramila hafa iray sy 90 andro fanampiny an-tranomaizina. Nanaraka ny saziny an-tranomaizina faharoa, dia nafindra tany amin’ny Royal Army Medical Corps izy, ary tamin’ny 12 Febroary 1917, dia niondrana an-tsambo mpitondra miaramila nankany Rouen, any Frantsa izy. Milaza ny diariny fa tany dia nanjary naharikoriko azy bebe kokoa isan’andro ny toerany. Takany fa tsy nanao afa-tsy ny nikarakara miaramila naratra izy mba hiverenan’izy ireo indray tany an’ady.

Teo indray, dia tsy nety niara-niasa izy. Tamin’io indray mitoraka io, dia nanasazy azy dimy taona an-tranomaizina tao amin’ny fonjan’ny miaramila britanika tao Rouen, ny fitsarana miaramila. Rehefa tsy nitsahatra nangataka ny hafindra tany amin’ny fonja sivily i Dada tamin’ny naha-olona nanda tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana azy, dia voasazy telo volana tsy hihinana afa-tsy rano sy mofo, narahin’ny sakafo nahazatra tao am-ponja mandra-pitombon’ny lanjany; avy eo dia naverina indray ilay fanaovan-javatra manontolo. Nopetahina gadra vy tao an-damosiny ny tanany tamin’ny antoandro, ary teo anoloana nandritra ny alina sy tamin’ny fotoam-pisakafoana. Nandritra ny fiainany manontolo izy dia nitondra holatra teo amin’ny hato-tanany nisy ireo gadra vy izay kely loatra ka niketoka ny nofony, niteraka fery namoro-nana. Nasiana rojo vy tamin’ny tongotra izay nifandray tamin’ny valahany koa izy.

Nanao izay rehetra afany ireo manam-pahefana tao amin’ny tafika mba handravana ny fahatapahan-keviny hentitra, kanefa dia tsy nisy vokany. Nesorina taminy ny Baiboliny sy ireo bokiny. Tsy naharay taratasy avy tany an-trano izy, ary tsy afaka nandefa taratasy. Rehefa afaka roa taona, dia nanapa-kevitra ny hampiseho ny fahatsorany izy tamin’ny fitokonana tsy hihinan-kanina. Nandritra ny fito andro dia nitana ny fahatapahan-keviny izy, dia ny tsy hihinana na hisotro, ka izany dia nahatonga ny famindrana azy tany amin’ny hopitalin’ny fonja, narary mafy. Nanaporofo ny heviny izy, na dia saiky namoy ny ainy aza, ho vokatr’izany. Tamin’ireo taona tatỳ aoriana, dia nekeny fa diso izy nampisetra loza ny ainy tamin’izany fomba izany, ka tsy hiverina intsony amin’ny lalam-pitondran-tena toy izany.

Nifarana ny ady tamin’ny Novambra 1918, fony i Dada mbola tany an-tranomaizina tany Rouen. Tany am-piandohan’ny taona nanaraka anefa izy dia nafindra tany amin’ny fonja sivily tany Angletera. Alao sary an-tsaina ny fifaliany naharay ireo taratasy sy fonosan’entana rehetra nalefan’i Neny izay niavosa, niaraka tamin’ny Baiboliny sy ireo bokiny sarobidy! Nentina tany amin’ny Fonjan’i Winchester izy, ka tany no nihaonany tamin’ny anadahy tanora iray izay nitovy tamin’ny azy ny zavatra niainana nandritra ny fotoan’ny ady. I Frank Platt no anarany, ary nanompo nandritra ny taona maro tao amin’ny Betelan’i Londres izy. Nanao fandaharana izy ireo mba hihaonana ny ampitson’iny, saingy tamin’izay i Frank dia nafindra tany an-toeran-kafa.

Naharay telegrama toy izao i Neny tamin’ny 12 Aprily 1919: “Haleloia! Hody — miantso Londres.” Fotoam-pifaliana toy inona moa izany taorian’ny telo taona nisian’ny fitsapana sy fisedrana ary fisarahana! Ny eritreritr’i Dada voalohany dia ny hiantso an-telefaonina sy ny hihaona tamin’ireo anadahy tao amin’ny Betelan’i Londres. Nahazo fiarahabana tonga soa feno fitiavana izy tao amin’ny 34 Craven Terrace, adiresy nisy ny Betela. Rehefa avy nandro sy niharatra ary nanao kompile sy satroka nindramina i Dada, dia nody tany an-trano. Azonao alaina sary an-tsaina ve ny fiarahanay indray? Efa ho dimy taona aho tamin’izay, ary tsy nahatadidy azy aho.

Ny fivoriana voalohany natrehin’i Dada taorian’ny nahazoany fahafahana dia ny Fahatsiarovana. Teo am-piakarany ireo zana-tohatra mankao amin’ilay efitrano, dia iza moa no hitany fa tsy i Frank Platt izay nafindra tao amin’ny hopitaly miaramila iray tao Leeds. Fifaliana toy inona moa ny azy ireo nifampitantara ireo zavatra niainany! Nanomboka hatreo ka mandra-pivoakan’i Frank tao amin’ilay hopitaly, dia nataon’i Frank ho ny tranony faharoa ny tranonay.

Fanompoana tamim-pahatokiana nataon’i Neny

Nandritra ny fotoana rehetra tsy naha-teo an’i Dada, dia nanasa lamban’olona i Neny mba hanampiana ilay fidiram-bolany kely dia kely avy tamin’ny fanjakana. Tsara fanahy aoka izany taminay ireo anadahy. Isaky ny herinandro vitsivitsy, ny iray tamin’ireo loholon’ny kongregasiona dia nanolotra azy valopy kely iray nisy fanomezana avy tamin’olona tsy nitonona anarana. Nilaza foana i Neny fa ny fitiavan’ireo anadahy no nitondra azy ho akaikin’i Jehovah sy nanampy azy hiaritra nandritra ireny fotoana nisedra ireny. Nanatrika tamim-pahatokiana ireo fivorian’ny kongregasiona izy nandritra ny fotoana rehetra tsy naha-teo an’i Dada. Ny fitsapana mafy indrindra nahazo azy dia fony izy tsy nahafantatra na maty i Dada, na velona, nandritra ny herintaona naninjitra. Ho enta-mavesatra fanampiny, dia voan’ny gripa espaniola izahay sy i Neny tamin’ny 1918. Feno olona niala aina nanodidina anay. Ireo mpifanila trano izay nandeha nanampy ny mpifanila trano taminy dia voan’ilay aretina ka maty. Tsy isalasalana fa ny tsy fahampian-tsakafo tamin’izany fotoana izany dia nanampy tamin’ny fampihenana ny fahafahan’ny olona hahatohitra aretina.

Hita fa marina aoka izany tamin’ny fianakavianay ny tenin’ny apostoly Petera manao hoe: “Rehefa niaritra fahoriana vetivety hianareo, dia Izy no (...) hampiorina ary hampitoetra anareo”! (1 Petera 5:10). Ny fijalian’ireo ray aman-dreniko dia nanorina tao amin’izy ireo finoana tsy azo nohozongozonina an’i Jehovah, sy fatokiana tanteraka fa tena miahy anay izy ka tsy hisy na inona na inona ho afaka hampisaraka anay amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Voatahy manokana aho nahazo fanabeazana tao amin’ny finoana toy izany. — Romana 8:38, 39; 1 Petera 5:7.

Fanompoana tamin’ny fahatanorana

Taorian’ny fivoahan’i Dada, dia tonga votoatin’ny fiainanay ny fanompoana ilay Fanjakana. Mbola tsy tadidiko mihitsy ny hoe nanapaka fivoriana iray, afa-tsy noho ny aretina angaha. Tsy ela taorian’ny nodiany tany an-trano, dia namidin’i Dada ny fakantsariny sy ny haba volamenan’i Neny mba hahazoana vola hanatrehana fivoriambe iray. Na dia tsy nanana fahafahana ara-bola hanao vakansy aza izahay, dia tsy nanapaka mihitsy an’ireny fivoriambe ireny, anisan’izany ireo tany Londres.

Fotoana namelombelona ireo taona roa na telo voalohany taorian’ny ady. Nohararaotin’i Dada sy i Neny tamin’ny fomba feno ireo fahafahana rehetra mba hiarahana amin’ny namana sy hifaneraserana. Mbola tsaroako ny nitsidihanay anadahy sy rahavavy hafa, ary tamin’ny naha-ankizivavy kely ahy, dia nipetraka nandoko sy nanao sarisary aho raha mbola niara-niresaka nandritra ny ora maromaro momba ireo fahazoana hevi-javatra vaovao momba ny fahamarinana ny olon-dehibe. Tena nahasambatra sy namelombelona azy ireo ny fiaraha-niresaka sy ny fanaovana fotoam-pihirana narahina ôrga ary ny fankafizana fiarahana nahafinaritra tamin’ny namana.

Tena hentitra ireo ray aman-dreniko teo amin’ny fanabeazana ahy. Tany an-tsekoly, dia niharihary fa niavaka aho na dia teo amin’ny fahadimy taonako aza, nitondra ny “Testamenta Vaovao”-ko mba hovakina raha mbola nianatra katesizy ny iray kilasy. Tatỳ aoriana, dia naderadera teo anatrehan’ny sekoly iray manontolo ho “olona mandà tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana” aho satria tsy nety nandray anjara tamin’ny fankalazana ny Remembrance Day.a Tsy nanenina tamin’ny fanabeazana azoko aho. Raha ny marina, dia fiarovana ho ahy izy io, sady nanamora ny fijanonana teo amin’ny ‘lalana tery’. Na taiza na taiza nalehan’ireo ray aman-dreniko, tany am-pivoriana na teny amin’ny fanompoana, dia teo aho. — Matio 7:13, 14.

Tadidiko manokana ilay alahady maraina izay, fony aho vao nanomboka nitory irery voalohany. Vao 12 taona aho. Teo amin’ny fotoana naha-zatovo ahy, dia tadidiko ny nanambarako indray alahady maraina fa hijanona tao an-trano aho. Tsy nisy nanakiana ahy na nanery ahy handeha hivoaka, koa dia nipetraka tao an-jaridaina aho nianatra ny Baiboly sady nahatsiaro tena ho tsy nahazoazo aina tanteraka. Herinandro iray na roa taorian’izay, dia nilaza tamin’i Dada aho hoe: “Mihevitra ny hiaraka aminao aho anio maraina!” Nanomboka hatreo dia tsy nihemotra intsony aho.

Taona nahatalanjona toy inona moa ny 1931! Tsy vitan’ny hoe nahazo ilay anaranay vaovao hoe Vavolombelon’i Jehovah izahay, fa natao batisa aho tamin’ny fivoriambem-pirenena iray natao tao amin’ny Alexandra Palace, tao Londres. Tsy hohadinoiko na oviana na oviana izay andro izay. Nanao akanjo lava mainty izahay, ary ny ahy dia akanjo lena izay efa avy nampiasain’ny mpilatsaka hatao batisa hafa iray!

Faniriako mafy foana, fony aho ankizy, ny ho tonga colporteur, araka ny nahafantarana ny mpitory manontolo andro tamin’izany. Arakaraka ny nihalehibeazako, dia tsapako fa tokony hanao bebe kokoa teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah aho. Koa tamin’ny Martsa 1933, dia nanatevin-daharana an’ireo mpanompo manontolo andro aho, teo amin’ny faha-18 taonako.

Fifaliana manokana ho anay ireo “Herinandron’ny Mpisava Lalana” tany amin’ny tanàn-dehibe sasany, rehefa nisy mpanompo manontolo andro hatramin’ny 12 niara-tonga sy nipetraka tao amin’ireo anadahy teo an-toerana, ary niasa tamin’ny naha-ekipa. Nizara bokikely tamin’ireo filoham-pivavahana sy ireo olona ambony hafa izahay. Nila herim-po ny fanatonana azy ireny. Tamin’ny ankamaroany, dia noraisina tamim-pamingavingana izahay, ary maro taminay no nanakaratohan’ny olona varavarana. Tsy nampanahy anay izany satria lehibe aoka izany ny hafanam-ponay ka faly izahay noharatsina noho ny anaran’i Kristy. — Matio 5:11, 12.

Tao Leeds, dia namboarinay mba hitondrana grafofona nisy fanamafisam-peo lehibe ny posiposin-jaza, ny bisikilety misy kodiarany telo, ny moto misy fitondrana mpandeha an’i Dada, ary tatỳ aoriana, ny fiarany. Nisy anadahy roa nankeny amin’ny arabe niaraka tamin’ilay milina, nandefa mozika mba hanairana ny olona sy hitaomana azy ireo hankeo am-baravarany, avy eo dia nampanaraka izany tamin’ny lahatenin’ny Anadahy Rutherford nalaina feo naharitra dimy minitra. Nifindra nankany amin’ny arabe nanaraka izy ireo avy teo, fa izahay mpitory kosa dia nanaraka ary nanolotra zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly.

Nandritra ny taona maro, isaky ny alahady takariva taorian’ny fivoriana, dia nankany amin’ny Kianjan’ny Lapan’ny Tanàna izay nisy ny Toeran’ny Mpikabary izahay, ary nanohana tamin’ny fihainoanay ny iray tamin’ireo lahatenin’ny Anadahy Rutherford nalaina feo naharitra adiny iray, nanolotra taratasy kely sy nifandray tamin’ireo izay naneho fahalianana. Nanjary be mpahalala izahay teo. Na dia ny polisy aza dia nanaja anay. Indray takariva dia nivory toy ny nahazatra izahay raha, terỳ lavidavitra terỳ, renay ny dobok’amponga sy ny feona orkestra. Tsy ela dia nisy filaharana Fasista tokony ho zato tany ho any nanao matso nidina ny arabe. Nandeha nanodidina tany aorianay izy ireo ary nijanona niaraka tamin’ireo sainany nasandrany ambony. Nitsahatra ilay orkestra, ary nanjaka ny fahanginana raha iny nanakoako iny indrindra ny feon’ny Anadahy Rutherford nanao hoe: “Aoka izy ireo hiarahaba ny sainany sy hihoby olombelona raha iriny izany. Izahay dia tsy hanolotra fanompoam-pivavahana sy tsy hihoby afa-tsy i Jehovah Andriamanitray ihany!” Nanontany tena ny amin’izay hitranga nanaraka izany izahay! Tsy nisy na inona na inona nitranga afa-tsy ny hoe, nahazo fanambarana tsara izy ireo, ary nataon’ny polisy izay hampangina azy ireo mba hahafahanay handre ny sisa tamin’ilay lahateny ampahibemaso.

Hatreo dia nanjary nampiasaina ny grafofona mba hanampiana anay hanao fanambarana lehibe. Teo am-baravarana, dia nitana ny masonay tamim-pitandremana teo amin’ilay kapila izahay mba hampirisihana ny olona hihaino ilay toriteny momba ny Baiboly nalaina feo, nandritra ireo dimy minitra katroka. Matetika no nisy tompon-trano nanasa anay handroso an-trano sy faly ny hiverenanay indray ka handefasanay kapila misimisy kokoa.

Taona tena nanaovan-javatra betsaka sy tena sarotra ny 1939, nisy ireo fipoahan’ny fanoherana sy ny herisetra. Talohan’ny iray tamin’ireo fivoriambenay, dia niharan’ny rotaka be ihany teny amin’ny arabe ireo anadahy. Koa nandritra ilay fivoriambe, dia nanao planina izy ireo mba hisian’ny anadahy nanao andiany manokana nandeha fiara mba hitory tany amin’ireo faritra nikorontana, fa ireo rahavavy sy anadahy hafa kosa nandeha tany amin’izay tsy nahitan-doza kokoa. Raha niara-niasa tamin’ny antokon’olona iray teo amin’ny arabe aho, dia nidina lalan-kely iray mba hitsidika ireo trano tao ambadika. Raha teo am-baravarana iray aho dia nandre tabataba niandoha — nisy antsoantso sy kiakiaka tany amin’ny arabe. Nanohy niresaka tamin’ilay olona teo am-baravarana fotsiny aho, nanalava ilay resaka ambara-pandreko fa nihatony ilay izy. Avy eo aho dia niakatra ilay lalan-kely nankany amin’ny arabe ka nahita fa nisomaritaka ireo anadahy sy rahavavy rehefa tsy nahita ahy! Taoriana kokoa, tamin’iny andro iny anefa, dia nanandrana nanakorontana ny fivorianay ireo mpanakorontana, kanefa dia navoakan’ireo anadahy izy ireo.

Mamely ny Ady Lehibe Faharoa

Izao dia nanan-kery ny fiantsoana an-tery ho miaramila, ary anadahy tanora maro no natao an-tranomaizina 3 ka hatramin’ny 12 volana. Nahazo tombontsoa fanampiny i Dada tamin’izay, dia ny hitsidika ireo anadahy tany an-tranomaizina. Isaky ny alahady izy dia nitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana tao amin’ilay fonja teo an-toerana. Nitsidika ireo anadahy tany amin’ny efitrano keliny tany am-ponja izy ny alarobia hariva. Noho ny tenany mihitsy efa nahita zavatra niainana naharitra ela sy mafy aoka izany tany an-tranomaizina nandritra ny ady lehibe voalohany, dia faly indrindra izy nanompo ireo izay nandalo fisedrana nitovy tamin’izany. Nanao izany izy nandritra ny 20 taona, mandra-pahafatiny mihitsy tamin’ny 1959.

Tamin’ny 1941, dia nanomboka zatra tamin’ny fanakianana mafy sy ny fankahalana izay nasehon’ny olona maro tamin’ny toeram-pialanalanana notananay izahay. Tsy mora ny nijoro teny amin’ny arabe niaraka tamin’ny gazety ary niatrika izany. Tamin’izany fotoana izany ihany dia faly izahay nanampy ireo mpitsoa-ponenana nialokaloka tao amin’ny faritra nisy anay. Lituaniens, Poloney, Estoniana, Alemanina — fifaliana toy inona moa ny nahita ny mason’izy ireo miramirana rehefa nahita Ny Tilikambo Fiambenana na ny Consolation (Mifohaza! ankehitriny) tamin’ny fiteniny manokana izy ireo!

Tamin’izay no tonga ilay fisedrana ahy noho ny toeram-pialanalanana notanako nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Noho izaho nahiboka tao amin’ny efitrano kelin’ny fonja nisy ahy nandritra ny adiny 19 isaky ny 24 ora, dia hitako fa mafy ny fiainana an-tranomaizina. Ireo andro telo voalohany no mafy indrindra, satria irery aho. Tamin’ny andro fahefatra, dia nantsoina tany amin’ny biraon’ny governora aho, ka tany aho dia nahita zazavavy roa hafa nijoro. Nibitsibitsika tamiko toy izao ny iray tamin’ireo zazavavy: “Maninona atỳ ianao?” Hoy aho hoe: “Ho gaga ianao raha nahafantatra izany.” Nanontany tamim-pibitsibitsihana hendratrendratra toy izao izy: “VJ angaha ianao?” Nandre azy ilay zazavavy iray ka nanontany anay roa vavy hoe: “VJ angaha ianareo?” ary dia nifamihina izahay telo vavy. Tsy irery intsony izahay!

Fanompoana manontolo andro nahitam-pahafinaretana

Rehefa tafavoaka ny fonja aho dia nanohy ny fanompoako manontolo andro, ary niaraka tamiko ny zazavavy tanora iray 16 taona izay vao avy nandao ny sekoly. Nifindra nankany Ilkley izahay, dia tanàna kanto iray eo amin’ny sisin’ny Yorkshire Dales. Nandritra ny enim-bolana ngarangidina, dia niezaka mafy mba hahita toerana nety ho an’ny fivorianay izahay. Farany izahay dia nanofa garazy kely iray novanay ho tonga Efitrano Fanjakana. Tonga nanampy anay i Dada tamin’ny fanomezana ny jiro sy ny fanafanana. Nandravaka ilay trano ho anay koa izy. Nandritra ny taona maro, ilay kongregasiona teo akaiky dia nanohana anay tamin’ny fanendrena anadahy isan-kerinandro mba hanao lahateny ampahibemaso. Noho ny fitahian’i Jehovah dia niroborobo sy nitombo izahay, ka tamin’ny farany dia nisy kongregasiona iray niorina.

Narary tampoka i Dada tamin’ny Janoary 1959. Nasaina nody aho, ary maty izy tamin’ny Aprily. Mafy tamiko ireo taona nanaraka izany. Nihaosa ny fahasalaman’i Neny ary koa ny fitadidiany, ka nahatonga izany ho ady mafy tamiko. Nanampy ahy hanohy anefa ny fanahin’i Jehovah, ka dia afaka nikarakara azy aho ambara-pahafatiny tamin’ny 1963.

Nahazo fitahiana maro aoka izany tamin’i Jehovah aho nandritra ireo taona. Maro loatra izy ireny ka tsy voatantara. Hitako ny kongregasiona nisy ahy nitombo sy nizara inefatra, nandefa mpitory sy mpisava lalana, ny sasany misionera tany amin’ny tany lavitra be toa an’i Bolivia, Laos, sy Ouganda. Ny fizotran’ny toe-javatra dia tsy nahatonga ahy ho afaka hanambady sy hanorina fianakaviana. Tsy nampalahelo ahy izany; be zavatra natao loatra aho. Na dia tsy manana havana ara-nofo ahy manokana aza aho, dia manana zanaka sy zafikely maro ao amin’ny Tompo, avo zato heny mihitsy aza. — Marka 10:29, 30.

Matetika aho no manasa mpisava lalana tanora sy tanora hafa ao an-tranoko mba hifaly amin’ny fiarahana amin’ny namana kristiana. Miara-manomana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana izahay. Mifampitantara zavatra niainana sy mihira ireo hiran’ilay Fanjakana koa izahay, toy ny fanaon’ny ray aman-dreniko. Noho izaho voahodidin’ny antokona tanora falifaly, dia mitana fomba fijery tanora sy falifaly aho. Tsy misy fiainana tsara kokoa amiko noho ny fanompoan’ny mpisava lalana. Velom-pisaorana an’i Jehovah aho noho ny nananako ilay tombontsoa hanara-dia an’ireo ray aman-dreniko. Ny vavaka ataoko dia ny mba hanohizako hanompo an’i Jehovah mandrakizay.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ho fahatsiarovana ny fifaranan’ny ady tamin’ny 1918 sy, tatỳ aoriana, tamin’ny 1945.

[Sary, pejy 23]

I Hilda Padgett miaraka amin’i Atkinson sy i Pattie, ray aman-dreniny

Ilay taratasy mivalona izay nanaitra ny fahalianan’i Dada tamin’ny fahamarinana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara