Tsy Maty ny Fahazavan’izy Ireny
TAMIN’NY andron’ny Baiboly, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah nahatoky izay nahita fahavoazana sy zava-nanahirana. Niatrika fanoherana sy izay toa faharesena izy ireny. Na dia izany aza, dia tsy nanary toky noho ny fahakiviana izy ireny. Raha ny tena izy, dia tsy maty ny fahazavan’izy ireny.
Ohatra, i Jeremia mpaminany dia nirahina mba ho mpaminanin’Andriamanitra tany Joda, firenena nivadi-pinoana. Nampanakoako ny fampitandremana ny amin’ny fandringanana an’i Jerosalema ho avy izy. (Jeremia 1:11-19). Ho vokany, dia nifandona imbetsaka tamin’ireo mpiray tanindrazana taminy, izay nihevitra azy ho mpilaza loza, i Jeremia.
I Pasora mpisorona, izay mpiandraikitra ny tranon’i Jehovah, indray mandeha dia namely an’i Jeremia noho ny faminaniany, sady namatotra azy tamin’ny boloky hazo. Tamin’io toa fahavoazana io, dia hoy i Jeremia: “Tonga fihomehezana mandritra ny andro aho; izy rehetra dia maneso ahy. Fa na oviana na oviana no itenenako, dia tsy maintsy mitaraina aho, eny, miantso aho hoe: Loza sy fandravana! Fa ny tenin’i Jehovah dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isan-andro.” Kivy ilay mpaminany ka tonga hatramin’ny filazana mihitsy hoe: “Tsy hanonona Azy [Jehovah] aho na hiteny intsony amin’ny anarany.” — Jeremia 20:1, 2, 7-9.
Kanefa, tsy resin’ny fahakiviana i Jeremia. Momba “ny tenin’i Jehovah”, dia hoy ny nambarany: “Izany dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin’ny taolako; ary sasatra ny niaritra aho ka tsy mahazaka.” (Jeremia 20:8, 9). Voatosika mafy hiteny momba ireo fanambaran’Andriamanitra i Jeremia, ka notohanan’ny fanahy masina ary nanatontosa ny asa nanirahana azy.
Ny apostoly Paoly koa dia nanana antony sesehena hahatongavana ho kivy, raha nanaiky ho resin’izany izy. Niaritra loza araka ny natiora, sambo vaky, fanenjehana ary fikapohana izy. Fanampin’izany, ‘izay nahazo azy isan-andro dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra’. (2 Korintiana 11:23-28). Eny, isan’andro i Paoly dia voatery nandamina zava-nanahirana ka nanahy ny amin’ireo kongregasiona vaovao izay nampiany hiorina. Ambonin’izany, dia tsy tanteraka izy ary voatery niady tamin’ny ‘tsilo iray tamin’ny nofo’, izay nety ho ny tsy fahitan’ny masony tsara. (2 Korintiana 12:7; Romana 7:15; Galatiana 4:15). Nisy aza nanao teny nanohitra an’i Paoly avy tao an-damosiny, ary izany dia tonga tany an-tsofiny. — 2 Korintiana 10:10.
Na dia izany aza, dia tsy namela ny fahakiviana handresy azy i Paoly. Tsia, tsy olo-mahery izy akory. (2 Korintiana 11:29, 30). Inona no nihazona an’ilay ‘afo tao anatiny’ hirehitra? Voalohany aloha, dia nana-namana nanohana azy izy, ka ny sasany taminy aza niaraka taminy niditra tao Roma izay nitanana azy ho babo tao an-trano. (Asan’ny Apostoly 28:14-16). Faharoa manaraka izany, ilay apostoly dia nihevitra ny tarehin-javatra nisy azy tamin’ny fomba voalanjalanja. Ireo mpanenjika sy mpanohitra azy no diso, fa tsy i Paoly akory. Tamin’ny faramparan’ny fiainany teto an-tany, dia nanombana ny fanompoany tamin’ny fomba nanorina izy ka nanao hoe: “Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy”. — 2 Timoty 4:8.
Ambonin’ny zava-drehetra, i Paoly dia nanatona tsy tapaka an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny vavaka, ka ‘nitsangana teo anilany ny Tompo ary nampahery azy’. (2 Timoty 4:17). “Mahay ny zavatra rehetra aho”, hoy i Paoly, “ao amin’Ilay mampahery ahy.” (Filipiana 4:13). Ny fifampiresahana tamin’Andriamanitra sy tamin’ireo Kristiana tahaka azy, nomban’ny fanombanana nanorina ny fanompoany, dia nanampy an’i Paoly tsy hitsahatra hanohy teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah.
Nanome tsindrimandry an’i Paoly Andriamanitra mba hanoratra hoe: “Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.” (Galatiana 6:7-9). Hijinja inona? Ny fiainana mandrakizay. Koa aoka àry ianao ho tahaka an’i Jeremia sy i Paoly ary ireo vavolombelon’i Jehovah nahatoky maro hafa voatonona ao amin’ny Soratra Masina. Eny, aoka ianao ho tahaka azy ireny, ka aza resin’ny fahakiviana. Aza mamela ny fahazavanao ho faty. — Ampitahao amin’ny Matio 5:14-16.
[Sary, pejy 25]
I Paoly sy i Jeremia dia tsy namela ny fahazavany ho faty