Mandefa Misionera ny Foibem-pampianarana An’ny Watchtower
NISAHANA kilasy tany amin’ny toerana maro samihafa ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower. Teo anelanelan’ny taona 1943 sy 1960, dia kilasy 35, voaforon’ny mpianatra avy tamin’ny tany 95, no nahazo fampiofanana manokana tany amin’ny trano naorina tany South Lansing, New York, any Etazonia. Avy eo ilay sekoly dia nifindra tao amin’ny foibe maneran-tany any Brooklyn, New York, izay niasany nandritra ny efa ho 28 taona. Nanomboka tamin’ny 1988 ka hatreo am-piandohan’ny 1995, dia nisahana kilasy tany Wallkill, New York, ny Sekolin’i Gileada.
Nandritra ireny taona ireny ilay sekoly dia nanitatra ny ambaindain’ny asany. Teo ambany fitarihany, dia nisy fampianarana naharitra folo herinandro nomena ny kilasy telo tany Meksika; dimy tamin’ny kilasy toy izany no novorina tany Alemaina; roa tany India. Nanomboka tamin’ny 1987 dia nisy sekoly fanampiny fantatra hoe Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana nisahana kilasy tany amin’ny tany 34, ka nanomezana fampiofanana manokana naharitra valo herinandro ho an’ireo lehilahy tanora izay mahafeno fepetra. Fiofanana naharitra 20 herinandro anefa ilay fampianarana nomena ny kilasin’i Gileada faha-99, tao amin’ny Foibem-pampianarana An’ny Watchtower any Patterson, New York, foibe izay naorina vao haingana. Ilay fiofanana dia nahafaoka fianarana feno ny Baiboly manontolo, fiaraha-nidinika ny tantara sy ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro maoderina, ary koa torohevitra niitatra momba ny asa misionera any an-tany hafa.
Tamin’ny 2 Septambra, dia nahazo diplaoma izany kilasy faha-99 izany. Natao tao amin’ilay toeram-pivoriana vaovao tao amin’ny Foibem-pampianarana An’ny Watchtower ilay fandaharana fizarana diplaoma naharitra adiny telo. Feno hipoka ilay izy. Nampifandraisina tamin’ny alalan’ny fitaovana elektronika ireo mpanatrika fanampiny tao amin’ny tranon’ny Betela any Patterson, Wallkill, sy any Brooklyn. Andro nampientana ny fo izy io, tsy ho an’ilay kilasy nahazo diplaoma ihany, niaraka tamin’ireo havany sy namany akaiky, fa ho an’ireo olona an-jatony maro koa, izay nandray anjara tamin’ny naha-mpiasa an-tsitrapo tamin’ny fanorenana ilay trano fianarana vaovao tsara dia tsara.
Tamin’ny fanamarihana fanokafana nataony, dia nampifantoka ny saina tamin’ny naha-zava-dehibe izay nitranga i Carey Barber avy amin’ny Fitambara-mpitantana. Hoy izy: “Itỳ no tokony ho foiben’ny asa fampianarana araka an’Andriamanitra lehibe indrindra, nampandrosoina hatramin’izay teto an-tany.” Nohazavainy fa mihamanatona ny fara tampon’ilay fifandrafiana eo amin’ny taranaky ny vehivavy sy ny taranaky ny menarana isika. (Genesisy 3:15). Ireo olona hany ho tafita velona amin’ilay fifanatrehana mahatahotra mandritra ny fahoriana lehibe ho avy, araka ny nasehony, dia ireo izay manana fahalalana araka ny marina momba ny Tenin’Andriamanitra ka mankato azy io.
“Ny fandaharam-pampianarantsika izao ankehitriny izao”, hoy ny nambarany, “dia novolavolaina mba hitondrana ny vahoakan’i Jehovah rehetra hatraiza hatraiza ho ao amin’ilay toe-pahamatorana tsara dia tsara voalazalaza ao amin’ny Ohabolana 1:1-4 [NW ] — dia ny hoe hahalala ny fahendrena sy ny fifehezana, ho afaka hanavaka ny fahatakarana hevi-javatra, handray ny fifehezana izay manome fahatakarana hevi-dalina, fahamarinana, fahaiza-mitsara zavatra, fahitsiana, sy fahaiza-misaina.” Fiarovana toy inona moa ny manana loharanon-karena ara-panahy toy izany!
Torohevitra ho an’ilay kilasy nahazo diplaoma
Narahina fitohitohizan-dahateny fohy dimy natefa tamin’ilay kilasy nahazo diplaoma ireo fanazavana fampidirana ireo. Nampirisika mafy an’ilay kilasy hoe: “Mifikira Mafy Amin’ny Fahafaham-po Araka An’Andriamanitra Tsapanareo”, i Harold Jackson, mpampianatra taloha tao Gileada ary anisan’ny mpiasa ao amin’ny foibe any Brooklyn ankehitriny. Niresaka momba ny hoe “Fanompoana An’i Jehovah Amim-panetren-tena” i Lloyd Barry, misionera naharitra ela sady mpikambana amin’ny Fitambara-mpitantana ankehitriny. Nohazavainy fa ho zava-dehibe io toetra io ho an’ireo nahazo diplaoma eo amin’ny fifanarahany amin’ireo toe-javatra vaovao, ary koa eo amin’ny fifandraisany amin’ireo misionera tahaka azy, amin’ireo kongregasiona izay hanompoany, sy amin’ny olona any an-toerana.
Nanjohy hevitra niaraka tamin’ilay kilasy i Karl Adams, manompo amin’ny maha-mpampianatra ao Gileada ankehitriny, momba ilay fanontaniana hoe “Hitarika Anareo Hanao Inona ny Finoana?” Nampirisika azy ireo tsy ho tahaka an’ireo Isiraelita izay nitaraina momba ny toe-piainana tany an’efitra ka naniry mafy hiverina tany Egypta, izy, fa ho tahaka an’i Abrahama kosa, izay nibanjina ny Fanjakan’Andriamanitra, toy izay hiverina tany Oran’ny Kaldeana ho vahaolana amin’ireo zava-manahirana. (Eksodosy 16:2, 3; Hebreo 11:10, 15, 16). Nanovo avy tamin’ny zavatra niainan’i Asafa, araka izay voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Salamo faha-73, i Ulysses Glass, mpitan-tsoratry ny sekoly, mba hananarana ilay kilasy nahazo diplaoma tamin’ny hoe: “Tanisao ny Fitahiana Azonareo”. Ary i Albert Schroeder, mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Fampianarana amin’ny Fitambara-mpitantana, dia niresaka momba ilay foto-kevitra hoe “Manomana Izay Ilaina i Jehovah”. Ho porofon’ny fanomanana toy izany, dia notondroiny ny Sekolin’i Gileada mihitsy sy ny anjara asan’izy io amin’ny fanatontosana ilay asa lehibe fitoriana sy fanaovana mpianatra.
Taorian’izay ireo mpanatrika dia nihaino tamim-pahalianana mafy rehefa niresaka momba ny hoe “Rantsambatana Mifampiankina” i Milton Henschel, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower. Namaky sy nanome fanazavana tamin’ny fomba niitatra momba ny Romana toko faha-12 izy. Anisan’ny zavatra hafa, dia hoy izy: “Tsy maintsy heverintsika ny hoe manana fifandraisana tena akaiky amin’ireo mpiara-manompo amintsika ao amin’ny kongregasiona isika.” Hoy ny teny nanampiny: “Tsara ho antsika ny mifampihevitra mandrakariva ho samy fananan’i Jehovah, ary toy izay hitsikera, toy izay hanakiana, dia aoka isika ho vonona hanampy mandrakariva. Manampy ny tenantsika isika rehefa mitsimbina ny firaisan-tsaina ara-panahin’ny kongregasiona kristiana.” Nasehony fa azo aharihary ny fahavononana hanampy toy izany eo amin’ny fanomanana sakafo any amin’ny tranon’ny misionera, ka haneho fiheverana ny hoe mety tsy ho afaka hihinana zavatra mitovy ny rehetra. Nampirisihiny koa ny hananana fahavononana hanampy fa tsy fitsikerana, rehefa mandray anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha miaraka amin’ireo Kristiana tahaka ny tena izay tsy manana firy eo amin’ny lafiny ara-nofo. Raha samy vonona hifanampy sy mifampandroso ary mifampahery marina tokoa isika, hoy ny fanazavan’ny Rahalahy Henschel, “dia ho tia antsika noho izany i Jehovah”. Fananarana faran’izay tsara toy inona moa izany ho an’ireo misionera izay hanompo any amin’ireo tany tena hafa tanteraka noho ireo tany nilaozan’izy ireo!
Fahafantarana tsara kokoa ilay kilasy
Ireo mpianatra 48 amin’ilay kilasy faha-99 dia 32 taona, amin’ny antsalany, ary efa nanokana maherin’ny 11 taona tamin’ny fanompoana manontolo andro.
Nanome fahafahana ho an’ireo mpanatrika hahafantatra tsara kokoa ny vitsivitsy amin’izy ireo ny fanadinadinana izay tapany tamin’ilay fandaharana fizarana diplaoma. I Nikki Liebl, avy any Etazonia, sy i Simon Bolton, avy any Angletera, dia nitantara fisehoan-javatra izay nitsapa ny finoany raha ny amin’ny hoe hanome izay ilainy ara-nofo i Jehovah. Nahita ny fiahian’i Jehovah izy ireo rehefa nihazona ny fanompoana manontolo andro teo amin’ny toerana voalohany.
Nilaza i Isabelle Kazan, izay ny teny frantsay no fitenin-drazany, fa nianatra ny fiteny arabo izy mba hanaovana fanambarana tamin’ireo olona miteny arabo tany an-tanindrazany. Rehefa nanomboka izy tamin’ny 1987, dia voaforon’ny rahalahy efatra monja miteny arabo, niampy ny tenany sy ny anabavy hafa iray izay nianatra ilay fiteny, ilay groupe kely iray tany Paris. (Tsy mora ilay izy. Nandany adiny valo izy ireo tamin’ny fanomanana ny fianarany Ny Tilikambo Fiambenana isan-kerinandro mba hahafahana hanome valin-teny.) Mendrika ny natao ve ilay ezaka? Amin’izao andro izao dia misy Vavolombelona miteny arabo voalamina ho fizaran-tany dimy manerana an’i Frantsa manontolo. Nilaza i Miko Puro, mpianatra hafa iray, fa nahatonga azy ho afaka hitory tamin’ireo mpialokaloka afrikana any Failandy tanindrazany, ny fiteny frantsay nianarany tany an-tsekoly. Nilaza izy fa hahasoa azy koa izy io any amin’ny toerana hanendrena azy ho misionera any Bénin. Nitantara ny ady mafy nataony mba hitenenana frantsay tsara i Bonny Bowes mba hahafahany hanompo tamin’ny fomba nandaitra tany Québec, Kanada. Ary nitantara zavatra efa niainan’izy mivady nandritra ireo taom-panompoana tany amin’ireo Nosy Féroé, i Bjarki Rasmussen, avy any Danemark. Eny, mpanompo manontolo andro ampy fanandraman-javatra ireny misionera vaovao ireny.
Ireo nahazo diplaoma dia notendrena ho any amin’ny tany 19 — atsy Afrika, any Amerika Afovoany sy Atsimo, Eoropa Atsinanana, sy any Orient. Efa nanompo tany amin’ny tany maherin’ny 200 ireo nahazo diplaoma tamin’ireo kilasy teo aloha kokoa. Maro amin’ireo nahazo diplaoma ireo no mbola be atao any amin’ny toerana nanendrena azy. Manatevin-daharana azy ireo ankehitriny ireny misionera vaovao ireny eo amin’ny fanitarana misimisy kokoa ny fanambarana momba ilay Fanjakana hatrany amin’ny faran’ny tany. — Asan’ny Apostoly 1:8.
[Sary, pejy 25]
Lakilasy ao amin’ny Foibem-pampianarana An’ny Watchtower
[Sary, pejy 26]
Ny Kilasy Faha-99 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower
Eo amin’ny lisitra eto ambany, ireo laharana dia tononina avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.
1) Heffey, S.; Riley, E.; Mortensen, D.; Honable, A.; Bolton, J.; Poole, J.; Siimes, G.; Sousa, L. 2) Pashnitski, B.; Shepherd, D.; Pashnitski, W.; Järvinen, J.; Paulsen, K.; Rasmussen, E.; Schewe, C.; Olsson, L. 3) Paulsen, E.; Samsel, T.; Bowes, B. Harris, E.; Kazan, I.; Liebl, N.; Sousa, P.; Puro, J. 4) Lager, K.; Lager, V.; Golden, K.; Bolton, S.; Johnson, M.; Johnson, S.; Liebl, A.; Rasmussen, B. 5) Harris, D.; Samsel, W.; Schewe, O.; Heffey, R.; Kazan, L.; Riley, T.; Järvinen, O.; Puro, M. 6) Mortensen, D.; Golden, R.; Honable, L.; Shepherd, M.; Bowes, R.; Siimes, T.; Poole, E.; Olsson, J.
[Sary, pejy 27]
Mbola any amin’ny toerana nanendrena azy: (havia) Charles Leathco miaraka amin’i Fern vadiny, any Brezila, nahazo diplaoma tamin’ny kilasin’i Gileada voalohany sy fahenina; (eo ambany) Martha Hess, any Japon, nahazo diplaoma tamin’ny kilasin’i Gileada fahafito