FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp17 No. 6 p. 3
  • “Ity no Fanomezana Tsara Indrindra Azoko”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Ity no Fanomezana Tsara Indrindra Azoko”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Mitovitovy Aminy
  • Te Hanome ny Tsara Indrindra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Moa ve Ianao Manana Toe-tsaina Tia Manome?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Nahoana no Tena Sarobidy Ilay Fanomezana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Fanomezana Tsy Manan-tsahala
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
wp17 No. 6 p. 3
Ankizivavy mitrotro alikakely, vehivavy eo anoloan’ny ordinatera, lehilahy iray mitazona karta namboarin’ny vadiny tamin’ny aniverseran’ny mariazin’izy ireo

MATOAN-DAHATSORATRA | INONA NO FANOMEZANA TSARA INDRINDRA?

“Ity no Fanomezana Tsara Indrindra Azoko”

Izany no tenin’ny ankizivavy iray 13 taona, rehefa nomena alikakely izy. Nisy vehivavy mpandraharaha iray indray nilaza fa nanova ny fiainany ny ordinatera nomen’ny dadany azy, tamin’izy tany amin’ny lise. Ny lehilahy iray kosa nilaza fa ny karta namboarin’ny vadiny ho azy, tamin’ny taona voalohany nitsingerenan’ny mariazin’izy ireo, no fanomezana tsara indrindra azony.

Maro isan-taona no miezaka mafy mitady an’izay fanomezana “tsara indrindra” ho an’ny namany na ny havany, rehefa vanim-potoana manokana. Mba tian’izy ireny koa raha afa-po amin’izay fanomezana omeny ilay olona. Ary ianao? Tianao ve raha mba tena tian’ilay olona ny zavatra omenao azy, na tena tianao izay omena anao?

Raha izany no izy, dia samy ho faly na ilay manome na ilay omena. Hoy ny Baiboly: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Vao mainka ho faly ilay nanome, raha tena ankasitrahan’ilay olona ilay fanomezana.

Inona àry no azonao atao mba tena hahafaly anao sy ilay olona ny fanomezana omenao azy? Ary na tsy afaka manome ny “tsara indrindra” aza ianao, inona no azonao atao mba ho tiany ilay izy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara