Ny Paka sa ny Fahatsiarovana — Iza Amin’ireo no Tokony Hotandremanao?
REHEFA hanenika ny faravodilanitra ny hazavan’ny mangiran-dratsy ny 7 Aprily, dia olona an-tapitrisany maro no handray amim-pifaliana ny fahatongavan’ilay andron’izy ireo masina indrindra amin’ny taona — ny Paka. Nisy fotoana niharan’io anarana io tamin’ny fe-potoana iray nisy 120 andro nanaovana fanasana be sy fifadian-kanina, izay nanomboka tamin’ilay fety nantsoina hoe Septuagésime, ary nifarana tamin’ilay antsoina hoe Fetin’ny Trinite. Amin’izao andro izao ilay anarana dia ampiharina amin’ny andro tokana iray izay ahatsiarovana ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty — ny Alahadin’ny Paka.
Amin’io herinandro io ihany anefa, amin’ny takariva iray aloha kokoa, dia olona an-tapitrisany maro hafa no hivory mba hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, izay fantatra koa amin’ny hoe Fanasan’ny Tompo. Izy io dia fankalazana izay ny tenan’i Jesosy mihitsy no nanorina azy tamin’ilay alina farany niainany teto an-tany. Tamin’izay izy dia nilaza tamin’ireo mpianany hoe: “Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy.” — Lioka 22:19, NW.
Iza amin’ireo no tokony hotandremanao?
Ny niandohan’ny Paka
Tsy hita ao amin’ny Baiboly ilay anarana hoe Easter (Paka) izay ampiasaina any amin’ny tany maro. Milaza amintsika ilay boky hoe Medieval Holidays and Festivals fa “ilay fety dia nomena anarana araka ilay Andriamani-bavin’ny Mangiran-dratsy sy ny Lohataona atao hoe Eostre, izay an’ny mpanompo sampy”. Ary iza moa io andriamani-bavy io? “I Eostre, araka ny angano, no nanokatra ny vavahadin’ny Valhalla [toeran’ny fanahin’ireo mahery fo maty an’ady] mba handraisana an’i Baldur, antsoina hoe Andriamanitra Fotsy, noho ny fahadiovany, sy [nantsoina] koa hoe Andriamanitra Masoandro, noho ny handriny nanome hazavana ho an’ny taranak’olombelona”, hoy ny valin-tenin’ny The American Book of Days. Nanampy teny toy izao izy io: “Tsy isalasalana fa ny Eglizy tany am-boalohany dia nandray ireo fomba tranainin’ny mpanompo sampy ary nanome azy ireny heviny kristiana. Koa satria ny andro firavoravoana ho an’i Eostre dia natao hankalazana ny fiverenan’ny fiainana indray tamin’ny lohataona, dia mora ny nanao azy io ho fankalazana ny fananganana tamin’ny maty an’i Jesosy, ilay tompon’ny filazantsara notorin’izy ireo.”
Io fandraisana fomban’ny mpanompo sampy io dia manazava ny niavian’ireo fomba amin’ny Paka any amin’ny tany sasany, toy ny atodin’ny Paka sy ilay bitron’ny Paka ary ny mofomamy mafana misy lakroa. Mahakasika ilay fomba amin’ny fanaovana mofomamy mafana misy lakroa, “misy tampony mendimendy voamariky ny (...) lakroa”, dia milaza toy izao ilay boky hoe Easter and Its Customs: “Ny lakroa dia famantaran’ny mpanompo sampy efa ela be talohan’ny nahazoany heviny maharitra mandrakizay avy tamin’ireo zava-nitranga tamin’ny Zoma Masina voalohany, ary indraindray dia nomarihina tamin[’ny lakroa] ny mofo sy mofomamy tamin’ny andro talohan’ny Kristianisma.”
Na aiza na aiza ao amin’ny Soratra Masina dia tsy ahitantsika firesahana ny amin’ireo zavatra ireo, ary tsy misy koa porofo fa nino azy ireny ireo mpianatr’i Jesosy tany am-boalohany. Raha ny marina, ny apostoly Petera dia milaza amintsika mba ‘hampitombo faniriana mafy ny ronono tsy misy fangarony izay an’ny teny, mba hitomboantsika amin’izany ho amin’ny famonjena’. (1 Petera 2:2, NW ). Koa nahoana àry ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no nandray izany famantarana miharihary fa an’ny mpanompo sampy izany tao amin’ireo zavatra inoany sy fanaony?
Mamaly toy izao ilay boky hoe Curiosities of Popular Customs: “Fomba fiasa tsy niovaovan’ny Eglizy tany am-boalohany ny fanomezana heviny kristiana an’ireo fombafomban’ny mpanompo sampy efa nisy izay tsy azo nongotana. Raha ny amin’ny Paka, dia mora indrindra ny fiovana. Ilay fifaliana tamin’ny fiposahan’ny masoandro voajanahary sy ny fifohazan’ny natiora avy tamin’ny fahafatesana noho ny ririnina, dia nanjary fifaliana tamin’ny fiposahan’ilay Masoandron’ny fahamarinana, tamin’ny nitsanganan’i Kristy avy tao am-pasana. Ny sasany tamin’ireo fankalazan’ny mpanompo sampy, izay natao ny 1 May, dia novana koa mba hifanitsy amin’ny fankalazana ny Paka.” Tsy nanalavitra ireo fomban’ny mpanompo sampy tiam-bahoaka sy ireo fombafomba miharo majika ireo mpitondra fivavahana, fa nanala tsiny azy ireny kosa ka nanome azy ireny “heviny kristiana”.
‘Misy maha-ratsy izany anefa ve?’ hoy ny mety ho fanontanianao. Misy mihevitra fa tsy misy maha-ratsy izany. “Rehefa tonga eo amin’ny vahoaka iray avy any ivelany ny fivavahana toy ny Kristianisma, dia raisiny sy ‘ataony batemy’ ny sasany amin’ireo fomban-drazana izay niandoha avy tamin’ireo fivavahana tranainy kokoa”, hoy i Alan W. Watts, pretra episkopaliana, ao amin’ilay bokiny hoe Easter — Its Story and Meaning. “Fantenany sy ampidiriny ao anatin’ny litorjia ireo fankalazana fanaom-bahoaka izay toa misy heviny mitovy amin’ireo fotopoto-pitsipika tsy misy farany ampianarin’ny Eglizy.” Ho an’ny maro, ny naneken’ny fiangonany an’ireny fankalazana ireny sy ny niheverany azy ireny ho toy ny masina, dia antony ampy mba hanekena azy ireny. Misy anefa fanontaniana lehibe tsy voajery. Manao ahoana ny fihevitr’Andriamanitra an’ireny fomba ireny? Nanome antsika toro lalana harahina momba ilay raharaha ve izy?
Fahazoana ny fomba fihevitr’Andriamanitra
“Ny Andro Paka, ilay Fetin’ny Fitsanganan’ny Tompontsika, no lehibe indrindra amin’ireo andro firavoravoana rehetra ao amin’ny Eglizy kristiana”, hoy i Christina Hole ao amin’ilay bokiny hoe Easter and Its Customs. Misy mpanoratra hafa miray hevitra amin’izany. “Tsy misy andro masina na andro firavoravoana ao anatin’ny taona kristiana azo ampitahaina amin’ny halehiben’ny Alahadin’ny Paka”, hoy ny nomarihin’i Robert J. Myers, ao amin’ilay bokiny hoe Celebrations. Izany anefa dia mampipoitra fanontaniana sasany. Raha zava-dehibe toy izany ny fankalazana ny Paka, nahoana no tsy misy didy voafaritra tsara mba hanaovana izany ao amin’ny Baiboly? Misy ve firaketana an-tsoratra momba ny nitandreman’ireo mpianatr’i Jesosy tany am-boalohany ny Alahadin’ny Paka?
Tsy hoe tsy nanome toro lalana akory ny Baiboly raha ny amin’izay tokony na tsy tokony hankalazaina. Nilaza zavatra tena voafaritra tsara Andriamanitra tamin’io lafiny io tamin’ny firenen’Isiraely fahiny, ary araka ny voamarika tetsy aloha kokoa, dia nisy toromarika mazava tsara nomena ireo Kristiana mba hanohizany hitandrina ny Fahatsiarovana ny Nahafatesan’i Kristy. (1 Korintiana 11:23-26, NW; Kolosiana 2:16, 17). Milaza amintsika toy izao ny fanontana tany am-boalohany amin’ny The Encyclopædia Britannica: “Tsy misy filazana ny amin’ny fankalazana ny andro firavoravoana amin’ny Paka ao amin’ny Testamenta Vaovao, na ao amin’ireo asa soratr’ireo Ray apostolika. Hevitra tsy tao an-tsain’ireo Kristiana voalohany ny fahamasinan’ny fotoana manokana. (...) Na ny Tompo na ireo apostoliny dia samy tsy nisy nandidy ny hitandremana azy io na izay mety ho andro firavoravoana hafa rehetra.”
Mihevitra ny sasany fa ampy mba hanamarinana ny fankalazana ataon’izy ireo ny fifaliana sy ny hasambarana entin’ny andro firavoravoana toy izany. Afaka mianatra anefa isika avy amin’ilay fotoana nandraisan’ireo Isiraelita fanao ara-pivavahana egyptiana iray ka nanovany ny anaran’izy io hoe “andro firavoravoana ho an’i Jehovah”. Izy ireo koa dia “nipetraka hihinana sy hisotro” ary “nitsangana hilalao”. Nahatezitra mafy an’i Jehovah Andriamanitra anefa ny nataon’izy ireo, ary dia nanafay azy ireo mafy izy. — Eksodosy 32:1-10, 25-28, 35.
Mazava tsara ny Tenin’Andriamanitra. Tsy mety hisy fiombonana eo amin’ny “mazava”, dia ireo zavatra inoana izay marina, sy ny “maizina”, dia ny tontolon’i Satana; tsy mety hisy ‘fifanarahana’ eo amin’i Kristy sy ny fivavahan’ny mpanompo sampy. Izao no lazaina amintsika: “Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo.” — 2 Korintiana 6:14-18.
Koa satria ny fankalazana ny Fahatsiarovana ihany — fa tsy ny Paka — no andidiana ny Kristiana ao amin’ny Baiboly, dia tokony hotandremana izany. Koa ahoana àry no ahafahantsika mankalaza azy io amin’ny fomba mendrika?
[Sary, pejy 5]
Nahatezitra mafy an’Andriamanitra ilay “andro firavoravoana ho an’i Jehovah” nataon’ireo Isiraelita
[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]
Fonony: M. Thonig/H. Armstrong Roberts