FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwfq lahatsoratra 19
  • Nahoana Ianareo no Tsy Manao Paka?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana Ianareo no Tsy Manao Paka?
  • Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no lazain’ny olona?
  • Nahoana izahay Vavolombelon’i Jehovah no tsy mankalaza Paka?
  • Ny Paka sa ny Fahatsiarovana — Iza Amin’ireo no Tokony Hotandremanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Paka?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Fety Kristianina Tokoa ve ny Paka?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Zavatra Inoana sy Fombafomba Tsy Tian’Andriamanitra
    Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
Hijery Hafa
Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwfq lahatsoratra 19

Nahoana Ianareo no Tsy Manao Paka?

Inona no lazain’ny olona?

Hevi-diso: Tsy manao Paka ny Vavolombelon’i Jehovah satria tsy Kristianina.

Ny marina: Mino izahay hoe i Jesosy Kristy no Mpamonjy antsika, ary manao izay fara herinay izahay mba ‘hanarahana akaiky ny diany.’—1 Petera 2:21; Lioka 2:11.

Hevi-diso: Tsy mino ianareo hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy.

Ny marina: Mino izahay hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy ary izany no fototry ny fivavahana kristianina. Mitory momba izany mihitsy aza izahay.—1 Korintianina 15:3, 4, 12-15.

Hevi-diso: Tsy raharahanareo na dia voa mafy aza ny zanakareo satria tsy mba mifalifaly rehefa Paka.

Ny marina: Tena tianay ny zanakay, ary manao izay azonay atao izahay mba hampiofanana sy hahasambatra azy ireo.—Titosy 2:4.

Nahoana izahay Vavolombelon’i Jehovah no tsy mankalaza Paka?

  • Tsy mifanaraka amin’ny Baiboly ny fankalazana Paka.

  • Ny nahafatesany no nasain’i Jesosy hotsarovantsika fa tsy ny nitsanganany. Mahatsiaro ny nahafatesany izahay isan-taona isaky ny mitsingerina izany andro izany, mifanaraka amin’ny kalandrie manaraka ny fihodinan’ny volana.—Lioka 22:19, 20.

  • Avy amin’ny fombafomba fahiny mifandray amin’ny fahavokarana ny fanao rehefa Paka. Tsy tian’Andriamanitra hankalaza Paka àry ny Kristianina. ‘Mitaky ny hanompoana azy irery ihany’ Andriamanitra, ka tezitra izy raha sady manao fombafomba tsy tiany isika no mivavaka aminy.—Eksodosy 20:5; 1 Mpanjaka 18:21.

Mampirisika antsika ny Baiboly mba hanana ‘fahendrena sy fahaiza-misaina’, fa tsy hanaraka fotsiny ny fombafomban’ny olona. (Ohabolana 3:21; Matio 15:3) Mino àry izahay fa tena mifanaraka amin’ny Baiboly ny safidinay tsy hankalaza Paka. Resahinay amin’ny olona izany rehefa misy manontany anay. Hajainay koa anefa ny safidin’ny tsirairay momba izany.—1 Petera 3:15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara