FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 15/4 p. 3-4
  • Fitomboan’ny Fitrangan’ny Vaovao Ratsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitomboan’ny Fitrangan’ny Vaovao Ratsy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Maro be nandritra ny tantara manontolo
  • Fiakarany tao anatin’ireo taona faramparany
  • Vaovao Tsara Amin’ny Hoavy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • “Vaovao Tsara”!
    Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah
  • Vaovao Tsara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • “Mitondra Teny Soa Mahafaly”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 15/4 p. 3-4

Fitomboan’ny Fitrangan’ny Vaovao Ratsy

TSY mba efa voamarikao ve fa manaitra kokoa ny fahalianan’ny mpamaky ny matoan-dahatsoratra manambara vaovao ratsy noho ireo izay mampita vaovao tsara? Na matoan-dahatsoratra an-gazety mahakasika loza araka ny natiora izany, na fosafosa manitikitika ny saina abaribary eo amin’ny fonon-gazety malamalama iray, dia toa be mpividy kokoa ny vaovao ratsy noho ny vaovao tsara.

Tsy misy tsy fahampiana vaovao ratsy amin’izao andro izao. Manontany tena anefa ny olona indraindray raha toa ireo mpilaza vaovao sy mpanao gazety ka nampiofanina mba hitady sy hamongatra vaovao ratsy — fa hanilika izay mety ho vaovao tsara kosa.

Maro be nandritra ny tantara manontolo

Marina tokoa fa maro be ireo vaovao ratsy nandritra ireo taonjato rehetra, ka nanan-tombo tamin’izay nety ho vaovao tsara. Ao amin’ny tantara voarakitra an-tsoratra, ny mizana dia mitongilana mankamin’ny fahoriana sy ny fahadisoam-panantenana ary amin’ny famoizam-pon’olombelona, izay anjaran’ny taranak’olombelona.

Aoka isika handinika ohatra vitsivitsy monja. Ilay boky hoe Chronicle of the World, nataon’i Jacques Legrand, dia mampiseho fitantarana maro samihafa, ka ny tsirairay dia nosoratana ho an’ilay daty manokana nisehoan’ilay zava-nitranga saingy toy ny hoe nolazain’ny mpanao gazety maoderina izay nanao tatitra momba ilay zava-nitranga. Avy amin’ireo tatitra nanaovana fikarohana tsara ireo no ahatazanantsika tsara ireo vaovao ratsy niely patrana izay ren’ny olona nandritra ny fisiany feno korontana teto amin’ny planeta Tany.

Voalohany, dia diniho itỳ tatitra taloha avy tany Gresy tamin’ny 429 al.f.i. itỳ. Nitantara ilay ady nifanaovan’i Atena sy i Sparte tamin’izay izy io: “Voatery nilavo lefona tamin’ny fanaovan’ny Ateniana fahirano ny tanàna fanjakan’i Potidaea rehefa avy natao mosarena aoka izany, hany ka nihinana ny vatan’ireo faty teo aminy ny vahoakany.” Tena vaovao ratsy tokoa izany!

Raha mandroso mankamin’ny taonjato voalohany alohan’ny Fanisan-taona Iraisana isika, dia mahita tatitra azo alaina sary an-tsaina momba ny nahafatesan’i Jules César, mitondra izao soratra izao erỳ amin’ny fiandohan’ny taratasy: Roma, 15 Martsa 44 al.J.K. “Nisy namono i Jules César. Nanatsatotsatoka azy ho faty ny andiana mpioko izay sakaizany akaiky ny sasany taminy, raha iny izy naka toerana tao amin’ny Tranon’ny Sénat iny, androany faha-15 Martsa.”

Nandritra ireo taonjato nanaraka dia maro be hatrany ireo vaovao ratsy. Ohatra manafintohina iray itỳ vaovao avy tany Meksika tamin’ny taona 1487 itỳ: “Tamin’ny fampisehoana fanaovana sorona faran’izay nanaitra ny saina, mbola tsy hita mihitsy teto Tenochtitlan, renivohitra aztèque, no namoizan’ny olona 20 000 ny fony ho an’i Huitzilopochtli, ilay andriamanitry ny ady.”

Tsy ny halozan’ny olona ihany no nitondra vaovao ratsy fa ny fanaovany an-tsirambina koa dia nanampy ilay lisitra lava be. Toa iray amin’izany loza izany ilay hain-trano lehibe tany Londres. Vakina toy izao ilay tatitra avy tany Londres, Angletera, tamin’ny datin’ny 5 Septambra 1666: “Ela ny ela ka dia nitsahatra ihany ilay hain-tranon’i Londres, rehefa afaka efatra andro sy efatra alina, noho ny duc-n’i York nitondra antoko-mpiasa mpanamboatra vanja tamin’ny tafika an-dranomasina mba hanapoaka ireo trano teo amin’ny lalan’ireo lela afo. Enimpolo amby zato hektara no fongotra niaraka tamin’ny fiangonana 87 sy trano 13 000 rava. Tamin’ny fomba nahagaga, dia aina sivy monja no nafoy.”

Tsy maintsy anampitsika an’ireo ohatra momba ny vaovao ratsy ireo ny valanaretina izay namely mafy nanerana kontinenta maro — ohatra, ny valanaretina kolerà tany am-piandohan’ireo taona 1830. Vakina toy izao ireo lohateny vita pirinty nanao tatitra ny amin’izy io: “Mihelohelo any Eoropa ny lolon’ny kolerà”. Izao tatitra mijery ny zava-misy manaraka izao dia milazalaza vaovao ratsy faran’izay mampahatahotra: “Ny kolerà izay tsy fantatra tany Eoropa raha tsy tamin’ny 1817, dia mihanaka miankandrefana avy any Azia. Efa ripaka sahady ireo mponina ao amin’ireo tanàna rosiana, toa an’i Moscou sy i Saint-Pétersbourg — ny ankamaroan’ireo niharam-pahavoazana dia ny mahantra an-tanàn-dehibe.”

Fiakarany tao anatin’ireo taona faramparany

Koa na dia marina aza fa zava-nisy teo amin’ny fiainana nandritra ny tantara voarakitra an-tsoratra manontolo ny vaovao ratsy, dia manome porofo ireo am-polony taona faramparany tamin’itỳ taonjato faha-20 itỳ fa eo am-pitomboana ny vaovao ratsy, miakatra haingana tokoa izy io.

Tsy isalasalana fa ny vaovao momba ny ady no karazany ratsy indrindra tamin’ny vaovao ratsy ren’izao taonjato izao. Azo antoka fa nahita tatitra vaovao ratsy tamin’ny ambaratonga mahatsiravina ireo ady roa lehibe indrindra teo amin’ny tantara — ady izay mety tsara ny niantsoana azy hoe Ady Lehibe Voalohany sy Ady Lehibe Faharoa. Izany anefa raha ny marina dia ampahany kely monja amin’ireo vaovao ratsy nomen’itỳ taonjato tsy sambatra itỳ.

Diniho ny matoan-dahatsoratra vitsivitsy monja, nofantenana anjoanjo:

Ny 1 Septambra 1923: Nahafongotra an’i Tokyo ny horohoron-tany iray — 300 000 no maty; 20 Septambra 1931: Krizy — Mampidina ny sandam-bolany i Grande-Bretagne; 25 Jona 1950: Midina mianatsimo i Korea Avaratra; 26 Oktobra 1956: Mitsangana manohitra ny fanapahana sovietika ireo mponin’i Hongrie; 22 Novambra 1963: Voatifitra ka maty i John Kennedy, tany Dallas; 21 Aogositra 1968: Niditra mba hanamontsana ny fikomiana tao Prague ireo fiara mifono vy rosiana; 12 Septambra 1970: Fiaramanidina voahodinkodina, nisy nanapoaka tany amin’ny tany efitra; 25 Desambra 1974: Nandrava an’i Darwin (tanàna any Aostralia) ny Rivo-doza Tracy — 66 no maty; 17 Aprily 1975: Azon’ireo tafika komonista i Kambodja; 18 Novambra 1978: Famonoan-tena tambabe tany Guyana; 31 Oktobra 1984: Voatifitra ka maty Rtoa Gandhi; 28 Janoary 1986: Sambon-danitra nipoaka teo am-piaingana; 26 Aprily 1986: Nirehitra ny réacteur niokleary sovietika; 19 Oktobra 1987: Nidina faran’izay ambany ny tsenam-bola; 25 Martsa 1989: Alaska voa mafy noho ny solitany nihanaka an-dranomasina; 4 Jona 1989: Tafi-panjakana nandripaka mpanohitra teo amin’ny Kianjan’i Tiananmen.

Eny, asehon’ny tantara fa nisy maro be foana ireo vaovao ratsy, kanefa dia mahalana ny vaovao tsara raha ampitahaina amin’izany. Arakaraka ny niakaran’ny vaovao ratsy tao anatin’ireo am-polony taona faramparany, no nihenan’ny vaovao tsara arakaraka ny fandehan’ny taona tsirairay.

Nahoana no voatery ho izany no izy? Ho toy izany foana ve no izy?

Hiresaka ny amin’ireo fanontaniana roa ireo ny lahatsoratra manaraka.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

WHO/League of Red Cross

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara