Tadidinao Ve?
Hitanao ho misy vidiny azo ampiharina ho an’ny tenanao ve ireo nomerao faramparany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana? Raha izany no izy, nahoana raha tsapaina ny fitadidianao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
◻ Lesona inona no azontsika ianarana avy amin’ny fahalavoan’ny Amonita? (Zefania 2:9, 10).
I Jehovah dia tsy manamaivana ny famaliana fankahalana ny hatsaram-panahiny, ary amin’ny fotoana mety aminy, dia hihetsika indray izy, tsy misy hafa amin’ny nataony tamin’ny andro fahiny. (Ampitahao amin’ny Salamo 2:6-12.) — 15/12, pejy faha-10.
◻ Amin’ny heviny ahoana ny Kristiana no manana fiadanana?
Voalohany, izy ireo dia manana ny “fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompo[ny]”. (Romana 5:1). Faharoa, izy ireo dia mihavana eo amin’izy samy izy amin’ny fambolena “ny fahendrena avy any ambony” izay “madio aloha, ary tia fihavanana”. (Jakoba 3:17). — 1/1, pejy faha-11.
◻ Inona avy ireo zavatra sasany ampitovina amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary amin’ny ahoana izany no manampy antsika?
Ny Tenin’Andriamanitra dia ampitovina amin’ny ronono mahavelona, amin’ny ventin-kanina, amin’ny rano mamelombelona sy manadio, amin’ny fitaratra sy amin’ny sabatra maranitra iray. Manampy ny mpanompo iray mba hampiasa ny Baiboly amim-pahakingana ny fahazoana ny hevitr’izay tiana holazaina amin’ireny teny ireny. — 1/1, pejy faha-29.
◻ Tokony hanampy antsika hanao inona ny fianarana tsy ara-pivavahana voalanjalanja?
Hamaky teny tsara, hanoratra mazava tsara, hitombo ara-tsaina sy ara-pitondran-tena ary hahazo fampiofanana azo ampiharina izay ilaina amin’ny fiainana andavanandro sy amin’ny fanompoana masina mandaitra. — 1/2, pejy faha-10.
◻ Lesona sarobidy inona momba ny fianarana moa no azontsika ianarana avy amin’i Jesosy?
Ny fianarana dia tokony hampiasaina, tsy hanomezam-boninahitra ny tenantsika, fa hiderana an’ilay Mpampianatra lehibe indrindra, dia i Jehovah Andriamanitra. (Jaona 7:18). — 1/2, pejy faha-10.
◻ Inona no atao hoe Fanjakan’Andriamanitra?
Ilay Fanjakana dia fitondram-panjakana iray any an-danitra naorin’Andriamanitra mba hanatanteraka ny sitrapony, hanafoana ny vokatry ny fahotana sy ny fahafatesana ary hamerina amin’ny laoniny ny toe-piainana marina eto an-tany. (Daniela 2:44; Apokalypsy 11:15; 12:10). — 1/2, pejy faha-16.
◻ Ahoana no anomezan’ny Baiboly fampianarana ilaina mba hamaranana ny herisetra amin’ny fomba maharitra?
Amin’ny alalan’ny Teniny, ny Baiboly, i Jehovah dia mampianatra ny olona ho tia fiadanana sy ho marina. (Isaia 48:17, 18). Manana ny hery hahatratrarana sy hanohinana ny fon’ny olona iray ary hanovana ny fomba fisainany sy ny fitondran-tenany ny Tenin’Andriamanitra. (Hebreo 4:12). — 15/2, pejy faha-6.
◻ Amin’ny heviny ahoana no azo lazaina fa manana fahatanterahana telo ny faminanian’i Isaia toko faha-35?
Ny faminanian’i Isaia dia nanana fahatanterahana voalohany rehefa niverina avy tamin’ny fahababoana avy tany Babylona ny Jiosy tamin’ny 537 al.f.i. Nanana fahatanterahana ara-panahy mitohy izy io amin’izao andro izao hatramin’ny nanafahana ny Isiraely ara-panahy tamin’ny fahababoana tao amin’i Babylona Lehibe. Ary hanana fahatanterahana fahatelo izy io, mifandray amin’ny fanomezan-tokin’ny Baiboly ny amin’ny toe-piainana paradisa ara-bakiteny ho eto an-tany. (Salamo 37:10, 11; Apokalypsy 21:4, 5). — 15/2, pejy faha-17.
◻ Amin’ny ahoana ny fiheveran’Andriamanitra manokana ny olombelona no naseho tamin’ireo fahagagana nataon’i Jesosy Zanany?
Koa satria i Jesosy “tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray”, ny fangoraham-pony dia mampiseho sary mampihetsi-po ny amin’ny fiahian’i Jehovah ny tsirairay amin’ireo mpanompony. (Jaona 5:19). — 1/3, pejy faha-5.
◻ Inona no tiana holazaina amin’ny fitenenana hoe “fasam-pahatsiarovana” nampiasain’i Jesosy ao amin’ny Jaona 5:28, 29 (NW)?
Ny teny grika mne·mei’on (fasam-pahatsiarovana) ampiasaina eto dia toa manondro fa tsaroan’i Jehovah ny tantaram-piainan’ilay olona maty, tafiditra amin’izany ireo lafin-toetra nolovany sy ny fitadidiany manontolo. Izany dia porofo mafy fa miahy ny olombelona Andriamanitra eo amin’ny lafiny isam-batan’olona! — 1/3, pejy faha-6.
◻ Hafatra fampitandremana inona ao amin’ny faminanian’i Zefania no fanampiana mahasoa ho antsika?
Tsy izao no fotoana hamelana ireo fisalasalana hamaka ao am-pontsika sy hampihemorana ao an-tsaintsika ny fahatongavan’ilay andron’i Jehovah. Afa-tsy izany koa, dia tokony hitandrina isika amin’ny vokatra mampahalemy ateraky ny tsy firaikana. (Zefania 1:12, 13; 3:8). — 1/3, pejy faha-17.
◻ Nahoana no zava-tsarotra ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra?
Satria ny tsy fivadihana dia mifanohitra amin’ny fironana feno fitiavan-tena nolovantsika avy tamin’ireo ray aman-drenintsika. (Genesisy 8:21; Romana 7:19). Ny mbola zava-dehibe, dia tapa-kevitra ny hampivadika antsika amin’Andriamanitra i Satana sy ireo demoniany. (Efesiana 6:12; 1 Petera 5:8). — 15/3, pejy faha-10.
◻ Amin’ny lafiny efatra inona avy isika no tsy maintsy miatrika ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana, ary inona no hanampy antsika hanao izany?
Ireo lafiny efatra dia ny tsy fivadihana amin’i Jehovah, amin’ny fandaminany sy amin’ny kongregasiona ary amin’ny vadintsika. Fanampiana iray ahafahana miatrika ireo zava-tsarotra ireo, ny fahatakarana fa mifamatotra akaiky amin’ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana. — 15/3, pejy faha-20.
◻ Lesona inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra hitan’i Davida rehefa nanandrana nitondra ny fiaran’ny fanekena nankany Jerosalema izy? (2 Samoela 6:2-7).
I Davida dia tsy niraharaha ny toromarika izay nomen’i Jehovah momba ny fitondrana ilay Fiara, ka nitondra loza izany. Ny lesona dia hoe tsy tokony hanome tsiny velively an’i Jehovah isika noho ny zava-manahirana mipoitra vokatry ny tsy firaharahantsika ny toromarika mazava omeny. (Ohabolana 19:3). — 1/4, pejy faha-28, 29.