Ny Tena Filaminana — Tanjona Iray Sarotra Tratrarina
ZAZA tia fatratra ny tigrany, vita tamin’ny lamba ary nasiana sesika, i Arnold. Na taiza na taiza nalehany, dia notaritaritiny nanaraka azy izy io — tany am-pilalaovana, teo am-pisakafoana, tao am-pandriany. Taminy, ilay tigra dia nanome fampiononana sy filaminan-tsaina. Indray andro, loza no nitranga. Very ilay tigra!
Rehefa nitomany i Arnold, dia nikaroka eran’ny trano lehiben’izy ireo ny reniny sy ny rainy ary ireo zokiny lahy telo, nitady an’ilay tigra. Hitan’ny iray tamin’izy ireo tao anaty vatasarihana ilay izy tamin’ny farany. Miharihary fa nataon’i Arnold tao izy io, ary avy eo, dia hadinony avy hatrany ny nasiany azy. Tafaverina taminy ilay tigra, ary namafa ny ranomasony i Arnold. Nahatsapa fahasambarana sy filaminan-tsaina indray izy.
Ho tsara dia tsara toy inona moa raha ho azo alamina mora foana toy izany ny zava-manahirana rehetra — tsotra toy ny fahitana tigra kilalao iray ao anaty vatasarihana! Amin’ny ankamaroan’ny olona anefa, ny raharaha momba ny filaminana dia lehibe sy misafotofoto lavitra noho izany. Saika hatraiza hatraiza, ny olona dia manontany tena hoe: ‘Hiharan’ny heloka bevava na ny herisetra ve aho? Mety hanjary tsy an’asa ve aho? Azo antoka ve fa hanana sakafo ampy ny fianakaviako? Hanalavitra ahy ve ny hafa noho ny fivavahako na ny fiaviako ara-pirazanana?’
Sesehena ireo olona tsy milamin-tsaina. Araka ny Firenena Mikambana, dia efa ho telo arivo tapitrisa no tsy afaka mahazo, tsy ny fitsaboana amin’ny aretina mahazatra fotsiny, fa ny fanafody tena ilaina koa. Mihoatra ny arivo tapitrisa ny olona mihareraka ao anatin’ny fahantrana faraidiny. Efa ho arivo tapitrisa ny olona izay, na dia afaka miasa aza, dia tsy manana asa mamokatra. Mitombo ny isan’ireo mpitsoa-ponenana. Tamin’ny faran’ny 1994, dia olona tokony ho 1 ao anatin’ny 115 eto ambonin’ny tany no voatery nandositra niala ny fonenany. Ain’olona an-tapitrisany maro no ripaka noho ny varotra zava-mahadomelina nahazoana dimy hetsy tapitrisa dolara isan-taona, varotra izay mahatonga heloka bevava sy herisetra tsy tambo isaina. Mandringana ain’olona an-tapitrisany maro ny ady. Nandritra ny taona 1993 monja, dia firenena 42 no nirotsaka tao amin’ny fifandonana mafy, fa niaina tao anatin’ny herisetra ara-politika kosa ny 37 hafa.
Mifampiankina ny ady, ny fahantrana, ny heloka bevava sy ny zavatra hafa mandrahona ny filaminan-tsain’ny olombelona, ary mitombo isa izy ireo. Tsy misy vahaolana tsotra toy ny fahitana tigra ao anaty vatasarihana, ho an’ireo zava-manahirana ireo. Raha ny marina, ny olombelona dia tsy hahalamina azy ireo mihitsy.
“Aza [mametraka ny fitokianao amin’ny, NW ] lehibe, na [amin’ny] zanak’olombelona izay tsy mahavonjy”, hoy ny fampitandreman’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra. Amin’iza àry isika no afaka mitoky? Manohy toy izao io andininy io: “Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpanampy azy sady manantena an’i Jehovah Andriamaniny, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny”. — Salamo 146:3-6.
Nahoana no afaka mitoky amin’i Jehovah isika mba hitondra filaminana eto amin’itỳ tany itỳ? Azo atao ve ny mankafy fiainana milamina sy sambatra ankehitriny? Ahoana no hanesoran’Andriamanitra ireo sakana amin’ny filaminan-tsain’ny olombelona?