Tigra e! Tigra e!
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY INDIA
‘INDRAY mandeha aho nandeha nanaraka laharan-tendrombohitra ety iray’, hoy ny tsaroan’ny Dr. Charles McDougal, izay nandany taona maro nianarana momba ny tigra tao amin’ny Valam-pirenena Royal Chitwan any Népal. ‘Raha nandeha aho, dia tamy avy tany amin’ny lalana mifanena amin’ny ahy ny tigra iray. Somary teo an-tampony izahay no nifanena, ary nisy elanelana kely monja teo aminay — tokony ho in-15 mandingana.’ Tsy nihetsika ny Dr. McDougal. Tsy nibanjina an’ilay tigra teo amin’ny masony izy, zavatra izay raisin’ny tigra iray ho fihaikana, fa navelany kosa ny fijeriny hankeo amin’ny sorok’ilay tigra. Nanohy namitsaka ilay tigra nefa tsy nanao fihetsika hanafika. Taorian’ny minitra maromaro lava, dia nanao dingana vitsivitsy nianòtra ny Dr. McDougal. ‘Avy eo’, hoy izy, ‘dia nihodina fotsiny aho ary nandeha niverina tany amin’izay niaviako.’
Teo am-piandohan’itỳ taonjato itỳ, dia nisy tigra 100 000 tany Azia niaviany, anisan’izany ireo 40 000 eo ho eo teto India. Nefa tamin’ny 1973, dia efa nihena ho latsaka ny 4 000 ny isan’ireny zavaboary kanto ireny maneran-tany, vokatry ny fihazana indrindra. Nanjary rahonan’ny fahalaniana tamingana noho ny ataon’ny olombelona ny tigra, ilay saka lehibe indrindra eto an-tany. Nefa moa ve fandrahonana ho an’ny olombelona ny tigra? Toy inona marina moa io saka lehibe io? Nahomby ve ny ezaka hamonjena azy io mba tsy ho lany tamingana?
Fiainam-pianakavian’ny tigra
Nahatonga ireo natioralista hahazo an-tsaina mazava tsara kokoa ny amin’ny fiainan’ny tigra ireo taona maro nanaovany fandinihana tamim-paharetana. Aoka hatao hoe mijery fianakaviana tigra iray fahita mahazatra, ao amin’ireo ala tsara tarehin’i Ranthambhore, any avaratr’i India, isika. Mirefy efa ho 3 metatra ilay lahy, avy eo amin’ny orony ka hatramin’ny tendron’ny rambony ary milanja 200 kilao eo ho eo. Ny vadiny dia sahabo ho 2,7 metatra ny halavany ary milanja tokony ho 140 kilao.a Misy zana-tigra telo eo, lahy iray sy vavy roa.
Mety hihoatra ny 45°C. ny mari-pana any amin’ireny ala ireny, nefa mahita alokaloka eo ambanin’ireo hazo be ravina ilay fianakaviana tigra. Ary afaka mankafy foana filentehana vetivety ao anaty rano mangatsiatsiakan’ny farihy eo akaiky eo izy ireo. Saka milomano hoe e? Eny, tia rano ny tigra! Raha ny marina, dia fantatra ho milomano maherin’ny dimy kilaometatra tsy an-kiato izy ireo.
Midina manavasava ireo hazo ny hazavan’ny masoandro ho eo amin’ny kapaotin’ireo tigra miloko volondaoranjy mamirapiratra, ka mahatonga azy ho toa midorehitra. Manelatselatra ireo tsipika mainty, ary mangilohilo ireo tasy fotsy eo ambonin’ny masony mavo manja. Rehefa avy nijery an’ireo zana-tigra telo nandritra ny fotoana kelikely isika, dia manjary mora amintsika ny manavaka ny tsirairay aminy amin’ny alalan’ireo tsipika sy marika samy hafa eo amin’ny endriny.
Ny fitomboana amin’ny maha-tigra
Rehefa miandry ny hiterahany ny zanany ny reny tigra, dia mikaroka lavaka mety, izay voafina tsara amin’ny alalan’ny zavamaniry mikirindro. Avy eo amin’izy io, ny fianakaviana izao dia manana ho faritra taza-maso ny lemaka erỳ ambany erỳ, izay misy kamory mahasarika biby hafa. Nifantina an’io toerana io ilay tigra vavy mba hahafahany hihaza hanina nefa tsy ho voatery handeha lavitra an’ireo zanany.
Manomboka amin’ny ahaterahany, ireo zana-tigra dia mahazo fiahiana be dia be. Mandritra ny fotoana manontolo maha-kely azy, ny reniny dia mamihina azy ireo amim-pitiavana amin’ny tongony, manorokoroka azy ireo, ary milelaka azy ireo, eo am-pimonomononana moramora. Rehefa mihalehibe ireo zana-tigra, dia manomboka milalao manao fangalampiery sy mody miady. Na dia tsy afaka mirohondrohona aza ny zana-tigra, rehefa tokony ho herintaona eo ho eo kosa izy ireo, dia manomboka mamoaka fitrona be sy mafy rehefa miverina avy tamin’ny nandehanany ny reniny.
Tia milomano sy misangisangy ao anaty rano miaraka amin-dreniny ny zana-tigra. Alao sary an-tsaina ny tigra vavy mipetraka eo amorom-parihy ary ao anaty rano ny rambony. Indraindray, dia akifiny ny rambony mba hamafazana rano mangatsiatsiaka amin’ny vatany mafana. Ary efa miresaka rambo ihany: tsy mety sasatra mihitsy ireo zana-tigra manandrana misambotra ny rambon-dreniny eo am-panakipilipilizan’izy io azy amin’ny andaniny iray mankamin’ny ilany. Amin’ny fanaovana izany, ilay tigra vavy dia tsy hoe miara-misangisangy amin’ireo zanany fotsiny; mampianatra azy ireo koa ny fahakingana miantsambotra izy, izay hampiasain’izy ireo any aoriana, rehefa manomboka mihaza izy ireo. Tia fatratra mianika hazo koa ny zana-tigra. Nefa rehefa tokony ho 15 volana izy ireo, dia efa manjary vaventy sy mavesatra ka tsy afaka mianika hazo mora foana.
Ny anjara asan’ny ray
Hatramin’ny vao haingana foana, dia nino ny maro fa ny reny tigra dia mitaiza irery ny zanany, fa ny lahy dia mety hamono an’ireo zana-tigra raha omena fahafahana hanao izany. Tsy izany anefa no izy amin’ny ankamaroan’ny tigra. Tena manjavona any anaty ala mikitroka mandritra ny fotoana lava ilay tigra ray, ka mirenireny eran’ny faritaniny mirefy 50 kilaometatra tora-droa mahery. Nefa mitsidika ny fianakaviany koa izy. Rehefa manao izany izy, dia mety hiara-mihaza amin’ilay tigra vavy sy ireo zana-tigra, ka mizara ny haza mihitsy aminy aza. Mety haka ny anjarany ilay zana-tigra lahy tia ady indrindra ka hihinana voalohany. Raha mampanalavitra ela loatra an’ireo anabaviny amim-pahatendan-kanina anefa izy, ny reniny dia hanosika azy amim-pitiavana na hikapoka azy mihitsy amin’ny tongony aza mba hamelana an’ireo zana-tigra vavy hahazo ny anjarany ara-dalàna amin’ilay fanasana.
Mankafy fisangisangiana miaraka amin’ilay rainy goavana ireo zana-tigra. Ny toerana tiany indrindra anaovana izany dia ao amin’ilay kamory eo akaiky eo. Milatsaka miamboho ao anaty rano ilay tigra ray, mandra-paha-difotra azy hatreo amin’ny tendany. (Tsy tian’ny tigra hipitihan’ny rano ny masony!) Avelany hanorokoroka azy amin’izay ny zanany, eo am-pilelafany ny endrik’izy ireo. Mazava fa misy fatoram-pianakaviana matanjaka ao.
Mpihinan’olona ve?
Ireo boky sy sarimihetsika dia mampiseho ny tigra ho lozabe, zavaboary tia ady izay manjohy sy manafika ny olombelona, avy eo dia mamiravira sy mihinana azy. Tsy marina velively izany. Tsy mpihinan’olona daholo ny tigra rehetra. Mazàna, raha mahita olona iray ao anaty ala ny tigra iray, dia aleony miala moramora. Mahaliana fa toa tsy misy vokany eo amin’ny tigra ny fofon’olombelona.
Kanefa, ao anatin’ny toe-javatra sasany, ny tigra noana iray dia afaka ho tonga mampidi-doza tokoa. Raha mihintsana noho ny fahanterana ny nifiny na maratra noho ny nataon’ny olombelona izy, dia mety ho tsy afaka mihaza ara-dalàna. Toy izany koa, raha mifanitsaka amin’ny fonenan’ny tigra ny toerana onenan’ny olombelona, dia mety hanjary zara raha misy remby voajanahary ho azy. Noho ny antony toy ireo, dia olona tokony ho 50 isan-taona no matin’ny tigra eto India, na dia ampahazaton’ny isan’ireo matin’ny bibilava aza izany. Ny fanafihan’ny tigra dia mitranga indrindra any amin’ireo henihenin’ny hefak’i Gange.
Tsy mampidi-doza araka ny iheveran’ny ankamaroan’ny olona azy ny tigra, araka ny tenin’ny Dr. McDougal. Na dia mety hanosika tigra iray hanafika aza ny fanairana azy akaiky, “ny tigra dia biby tena tony sy milamina”, hoy izy. “Raha ny ara-dalàna, raha mifanena amin’ny tigra iray ianao — na dia tena akaiky aza — dia tsy hanafika anao izy.”
Mahalana ny ady eo anivon’ireo tigra. Ohatra, ny tigra tanora iray dia mety hirenireny any amin’ny faritanin’ny tigra iray hafa sy hifanena amin’ilay lahy tompon-tany. Manaraka izany dia misy fieronana lalina, fitreronana mampivarahontsana; mifanandrina amin-kalozana izy ireo sady mihidy vazana no mierona. Nefa, rehefa mampiseho ny fahamboniany ilay lahy zokiny kokoa, ilay zandriny mazàna dia mitsinkasina, ny tongony ambony, ho mariky ny fanekena, ary dia tapitra ny fifanandrinana.
Ny hoavin’ilay saka lehibe
Tsy mahatandindomin-doza ny olona ny tigra, fa hita kosa fa ny olona no hany tena loza ho an’ny tigra. Amin’izao fotoana izao, dia misy ezaka atao mba hamonjena ny tigra tsy ho lany tamingana. Nanangana faritra tsy azo ihazana tigra ny tany maromaro any Azia. Tamin’ny 1973, dia nisy ezaka manokana nantsoina hoe Volavolan-kevitra Momba ny Tigra natomboka tao amin’ny Valam-pirenena Corbett, any avaratr’i India. Nisy vola sy fitaovana narotsaka avy tany amin’ny faritra rehetra manerana ny tany. Tamin’ny farany, dia natokana ny faritra 18 teto India, izay nirefy 28 000 kilaometatra tora-droa mahery amin’ny fitambarany, ho tsy azo ihazana tigra. Tamin’ny 1978, ireo tigra dia efa natao koa tao amin’ny lisitry ny karazana tandindomin-doza. Nisy vokatra nahagaga! Talohan’ny nandrarana ny fihazana tigra, ireo tigra dia nanjary nandosindositra sy nivoaka alina indrindra noho ny tahotra ny olona. Nefa taorian’ny taona sasantsasany niarovana azy, ireo tigra dia nanomboka nivoivoy tao amin’ireo faritra tsy azo ihazana ary nihaza tamin’ny antoandrobenanahary izao!
Na dia izany aza, dia misy fandrahonana mitohy mihatra amin’ny tigra: ny fitakiana iraisam-pirenena fanafody nentin-drazana avy any Azia vita avy tamin’ny faritra amin’ny tenan’ny tigra. Ny taolana tigra eran’ny lasaka, ohatra, dia afaka mampidi-bola $500 (na 2 000 000 FMG eo ho eo) mahery eto India; ary rehefa voahodina ireo taolana ka tonga eny amin’ny tsena any Extrême-Orient, dia niakatra ho $25 000 (na 100 000 000 FMG eo ho eo) mahery ny vidiny. Noho izany vola be mety ho azo izany, ireo tambanivohitra mahantra dia voan’ny fakam-panahy hiara-miasa amin’ireo mpihaza tigra tsy manara-dalàna amin’ny famitahana an’ireo mpiambina ny ala. Tamin’ny voalohany, dia noheverina hoe hahomby ny ezaka hamonjena ny tigra. Fa hatramin’ny 1988 kosa, dia mivadika ho ratsy kokoa ny tarehin-javatra. Amin’izao andro izao, dia tsy misy afa-tsy tigra tokony ho 27 no mivoivoy ao Ranthambhore, raha oharina amin’ny 40 izay nisy tao, 20 taona lasa izay. Ary mety ho latsaka ny 5 000 ny isan’ny tigra maneran-tany!
Hatramin’ny fifaranan’ny taonjato farany, dia niara-niaina tao anatin’ny firindrana voafetra ny tigra sy ny olombelona teto India. Ho afaka ny hanao toy izany indray ve izy ireo indray andro any? Hatramin’izao, ilay antsoantso feno fahataitairana hoe “Tigra e! Tigra e!” dia mbola afaka midika hoe fahitana an’ilay karazan-tsaka lehibe indrindra. Mbola ho hita eo raha toa ka hanao izay maha-azo antoka ny fiarovana ny tigra amin’ny hoavy ny fandaharam-pitsimbinana na tsia. Nefa ny Baiboly dia manome toky antsika fa indray andro any ny tany manontolo dia ho paradisa toy ny Saha Edena. Samy hanana ny tany ao anatin’ny fihavanana ny olona sy ny zavaboary dia, toy ny tigra. — Isaia 11:6-9.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny tigra avy any Siberia, ny zana-karazana lehibe indrindra, dia mety hilanja 320 kilao mahery ary hahatratra 4 metatra ny halavany.
[Efajoro/Sary, pejy 17]
Ny Tigra Fotsy
Harem-pirenena iray eto India, ilay tigra fotsy tsy fahita dia vokatry ny gène récessif mutant. Tamin’ny 1951, dia nisy zana-tigra lahy fotsy azo tao amin’ny Ala Rewa eto India. Rehefa nampivadina tamin’ny tigra vavy miloko ara-dalàna izy, dia nanome zanaka ara-dalàna. Kanefa, rehefa nampivadina tamin’ilay ray fotsy ny vavy tamin’ireo zanaka ireo, izy io dia niteraka zana-tigra fotsy efatra. Ny fampivadiana natao tamim-pitandremana no nahafahana nampiseho an’io biby kanto tsy fahita io tamin’ny olona any amin’ny toerana maro, ao amin’ireo sahany misy karazam-biby.
[Sary, pejy 16]
Saka milomano hoe e? Eny!
[Sary, pejy 17]
Tsy mampidi-doza araka ny iheveran’ny ankamaroan’ny olona azy ny tigra