Mahavita “Fahagagana” ny Tenin’Andriamanitra
NOTANTARAIN’I THÉRÈSE HÉON
Indray andro tamin’ny 1965, dia niditra tao amin’ny tranom-barotra iray aho ka nanolotra gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! tamin’ireo mpivarotra. Iny izaho nihodina handeha iny no nandre feon-javatra nirefotra. Nisy bala iray niantefa tamin’ny tany teo akaikin’ny tongotro. “Izany no fomba itondrana ny Vavolombelon’i Jehovah”, hoy ny fanarabian’ny iray tamin’ireo mpivarotra.
NAMPAHATAHOTRA ahy iny zavatra niainako iny — saingy tsy ampy mba hahatonga ahy hiala tamin’ny fanompoana manontolo andro. Sarobidy loatra ireo fahamarinana ara-baiboly nianarako ka tsy namela na inona na inona hahatonga ahy handao ny fanompoako. Aoka hohazavaiko ny antony ilazako izany.
Taorian’ny nahaterahako tamin’ny Jolay 1918, ireo ray aman-dreniko dia nanorim-ponenana teto Cap-de-la-Madeleine, vohitra kely iray atỳ Québec, Kanada, fantatra hoe Ny Toeran’ny Fahagagana. Nisy mpitsidika nirohotra teto mba haneho fitsaohana teo amin’ny fitoerana masin’i Maria Virjiny. Na dia tsy azo porofoina aza ireo lazaina fa fahagagana nataon’i Maria, ny Tenin’Andriamanitra kosa dia nahavita izay saika fahagagana tanteraka teo amin’ny fiainan’ny olona maro, arakaraka ny nitomboan’ilay vohitra ho tanàna nisy mponina maherin’ny 30 000.
Fony aho 20 taona, dia hitan’ny raiko ny fahalianako tamin’ny raharaha ara-pivavahana ka nomeny ahy ny Baiboliny. Rehefa nanomboka namaky azy io aho, dia nanaitra ahy ny nahafantatra avy tamin’ny Eksodosy toko faha-20 fa melohina an-karihary ny fivavahana amin’ny sary. Namoy avy hatrany ny fatokiako ireo fampianaran’ny Eglizy Katolika aho ka nitsahatra tsy namonjy Lamesa. Tsy ta hanompo sary vongana aho. Ohatra ny mbola reko i Dada nilaza hoe: “Thérèse a, tsy handeha hiangona angaha ianao?” “An an an”, hoy ny navaliko, “hamaky Baiboly aho.”
Nitohy ho anisan’ny fiainako ny famakiana ny Baiboly na dia taorian’ny nanambadiako tamin’ny Septambra tamin’ny taona 1938 aza. Koa satria matetika no niasa alina i Rosaire vadiko, dia nataoko fahazarana ny namaky ny Baiboly rehefa tany am-piasana izy. Tsy ela aho dia tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra fa tsy maintsy manana vahoaka Andriamanitra, ka nanomboka nitady azy ireo aho.
Ny fikarohako ny vahoakan’Andriamanitra
Noho izay nianarako tany amin’ny eglizy, fony aho tanora, dia natahotra ny handeha hatory aho fandrao hifoha any amin’ny afobe. Mba hiadiana tamin’izany tahotra izany, dia nilaza anakampo aho hoe tsy hamela zavatra mahatsiravina toy izany hitranga ny Andriamanitra fitiavana iray. Tamin-toky, dia namaky ny Baiboly hatrany aho, ka nikaroka ny fahamarinana. Toy ilay ionoka etiopiana izay namaky fa tsy nahazo ny heviny aho. — Asan’ny Apostoly 8:26-39.
I André anadahiko sy ny vadiny, izay nipetraka tao amin’ny rihana ambaninay, dia nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tokony ho tamin’ny 1957. Nilaza tamin’ilay zaobaviko aho mba hampahafantatra ahy tamin’ny alalan’ny fandondonana teo amin’ny valindrihana rehefa tonga nitory tao amin’ilay trano ny Vavolombelona. Amin’izany fomba izany dia ho fantatro fa tsy tokony hamoha varavarana aho. Indray andro dia hadinony ny nampahafantatra tamiko.
Tamin’io andro io, dia namoha ny varavarana aho ka nihaona tamin’i Kay Munday, mpisava lalana iray, araka ny iantsoana ny mpanompo manontolo andro eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Niresaka tamiko momba ny anaran’Andriamanitra izy, ka nanazava fa Andriamanitra dia manana anarana manokana hoe Jehovah. Rehefa lasa izy, dia nojereko ny Baiboliko mba hanamarinako fa notohanan’ny andinin-tenin’ny Baiboly tokoa izay nolazainy. Tena nahafaly ahy ny fikarohana nataoko. — Eksodosy 6:3, Douay Version, fanamarihana ambany pejy; Matio 6:9, 10; Jaona 17:6.
Rehefa niverina nitsidika i Kay, dia nidinika ny amin’ny foto-pampianarana katolika momba ny Trinite izahay, foto-pampianarana izay milaza fa Andriamanitra dia Andriamanitra tokana olona telo. Tatỳ aoriana dia nandinika ny Baiboliko manokana tamim-pitandremana aho mba hanomezako fahafaham-po ny tenako ny amin’ny hoe tsy mampianatra ny Trinite izy io. (Asan’ny Apostoly 17:11). Ny fianarana nataoko dia nanamarina fa tsy lehibe tahaka an’Andriamanitra akory i Jesosy. Noforonina izy. Nanana fiandohana izy, fa i Jehovah kosa tsy nanana. (Salamo 90:1, 2; Jaona 14:28; Kolosiana 1:15-17; Apokalypsy 3:14). Nahafa-po ahy izay nianarako ka faly aho nanohy ilay dinidinika ara-baiboly.
Indray andro tamin’ny 1958, nandritra ny firotsahan’ny orampanala be dia be tamin’ny Novambra, dia nanasa ahy i Kay mba hanatrika fivoriamben’ny fizaran-tany iray natao tamin’io takariva io indrindra tao amin’ny efitrano nohofana iray. Nanaiky ilay fanasana aho ary nankafy ilay fandaharana. Taorian’izany, tamin’ny resaka nifanaovako tamin’ny Vavolombelona iray nanatona ahy, dia nanontany aho hoe: “Tsy maintsy mitory isan-trano ve ny Kristiana marina?”
“Ia”, hoy izy, “tsy maintsy ambara ny vaovao tsara, ary manambara ny Baiboly fa ny fitsidihana ny olona any an-tranony dia fomba lehibe iray hitoriana.” — Asan’ny Apostoly 20:20.
Ravoravo toy inona moa aho tamin’ny valin-teniny! Nampiaiky ahy ilay izy fa nahita ny vahoakan’Andriamanitra aho. Raha nilaza izy hoe “An an an, tsy tena ilaina izany”, dia ho nampisalasala ahy ny hoe nahita ny fahamarinana aho, satria fantatro izay lazain’ny Baiboly momba ny fitoriana isan-trano. Nanomboka tamin’io fotoana io, dia nanao fandrosoana ara-panahy haingana aho.
Taorian’io fivoriamben’ny fizaran-tany io, dia nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah izay natao tao Trois-Rivières, tanàna akaiky etỳ, aho. I Kay sy i Florence Bowman namany no hany Vavolombelona nipetraka teto Cap-de-la-Madeleine tamin’izany. Hoy aho indray andro: “Ho avy hiaraka hitory aminareo aho rahampitso.” Faly izy ireo nanana ahy niaraka taminy.
Fitoriana teto amin’ny tanàna nahabe ahy
Nieritreritra aho fa hanaiky ny hafatra ao amin’ny Baiboly ny olona rehetra, nefa vetivety dia fantatro fa tsy izany no izy. Rehefa notendrena tany an-toeran-kafa i Kay sy i Florence, dia izaho irery no olona nitory ireo fahamarinana ara-baiboly isan-trano teto an-tanàna. Nisikina herim-po aho ka nanohy nitory irery tokony ho roa taona, mandra-pahatongan’ny batisako tamin’ny 8 Jona 1963. Tamin’io andro io indrindra dia nirotsaka tamin’izay nantsoina tamin’izany hoe fanompoan’ny pionnier de vacances aho.
Nanohy nanompo tamin’ny naha-pionnier de vacances aho nandritra ny herintaona. Avy eo, dia nampanantena i Delvina Saint-Laurent fa ho tonga atỳ Cap-de-la-Madeleine izy ka hiara-miasa amiko indray mandeha isan-kerinandro raha lasa mpisava lalana maharitra aho. Koa nameno ilay fangatahako hanao ny asan’ny mpisava lalana àry aho. Nampalahelo anefa fa tapa-bolana monja talohan’ny tokony hanombohako ny fanompoana manontolo andro dia maty i Delvina. Inona no hataoko? Nameno ny fangatahako aho ary tsy te hiverin-dalana. Koa tamin’ny Oktobra 1964, dia nanomboka ny fototr’asako tao amin’ny fanompoana manontolo andro aho. Nandritra ny efa-taona nanaraka dia nandeha isan-trano irery aho.
Matetika no nanohitra an-karihary ireo Katolika nafana fo teto Cap-de-la-Madeleine. Niantso polisy ny sasany mba hanandramana hanakana ahy tsy hitory. Indray andro, araka ny noresahiko terỳ am-piandohana, dia nisy mpivarotra iray niezaka hampitahotra ahy tamin’ny fitifirana teo amin’ny tongotro. Niteraka resa-be tao an-tanàna ilay izy. Ny televiziona teto an-toerana dia niantso ilay izy hoe kroazada nanoherana ny Vavolombelon’i Jehovah. Fanambarana tsara no vokatr’ilay zava-nitranga manontolo. Tsetsatsetsa tsy aritra ihany no ilazana fa folo taona tatỳ aoriana, dia nisy havan’ilay mpivarotra nitifitra ahy lasa Vavolombelona.
“Fahagagana” vitan’ny Tenin’Andriamanitra
Nandritra ny taona maro, dia nahita ny mandan’ny fanoherana ireo fahamarinana ara-baiboly nirodana tsikelikely teto Cap-de-la-Madeleine aho. Tokony ho tamin’ny 1968, dia nisy Vavolombelona hafa nifindra teto, ary nanomboka nandray tsara ireo fahamarinana ara-baiboly ireo mponina teto an-toerana. Tamin’ny fiandohan’ireo taona 1970, dia nisy fitomboana be, raha ny marina, teo amin’ny isan’ny fampianarana Baiboly. Izany dia tonga tamin’ny hoe tsy maintsy nangataka Vavolombelona hafa aho mba handray ny maromaro tamin’ireo fampianarana Baiboly notarihiko mba hahafahako hanohy hihazona ny fandraisako anjara tamin’ny fanompoana isan-trano.
Indray andro, ny tovovavy iray dia nandray avy tamiko ilay boky fianarana Baiboly hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Ilay namany tamin’izany fotoana izany dia tovolahy iray nantsoina hoe André, mpanao heloka bevava niendrika olona tia ady, ary niditra tamin’ny resaka izy io. Nanaitra ny fahalianan’i André ny dinidinika natao taminy, ka natomboka ny fampianarana Baiboly. Tsy ela taorian’izay dia nanomboka niresaka tamin’ireo namany momba izay nianarany izy.
Tamin’ny fotoana iray dia niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny jiolahy efatra aho, ka ny iray tamin’izy ireo dia tsy niteny be loatra fa nihaino tsara kosa. I Pierre no anarany. Indray maraina tokony ho tamin’ny roa ora, dia nandre dondòna tao am-baravarana izaho sy ny vadiko. Alao sary an-tsaina ilay tarehin-javatra: Jiolahy efatra no nijoro teo, nanana fanontaniana hapetraka tamiko. Soa ihany fa tsy nitaraina mihitsy i Rosaire ny amin’ireny fitsidihana tamin’ny fotoana tsy nety ireny.
Tamin’ny voalohany dia nanatrika ireo fivoriana izy efa-dahy. Kanefa, i André sy i Pierre ihany no naharitra. Nampifanaraka ny fiainany tamin’ny fari-pitsipiky ny Baiboly izy ireo ary natao batisa. Efa hatramin’ny 20 taona mahery izao dia manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana izy roa lahy. Rehefa nanomboka nianatra izy ireo, dia fanta-poko fanta-pirenena noho ny heloka bevava nataony ka nataon’ny polisy andry maso. Indraindray dia tonga nitady azy ireo ny polisy taorian’ny iray tamin’ireo fianaranay ny Baiboly na nandritra ny fivorian’ny kongregasiona. Faly aho fa nitory tamin’ny “karazan’olona rehetra”, ary noho izany dia nahita maso ny fomba nitondran’ny Tenin’Andriamanitra fiovana izay toa tena fahagagana. — 1 Timoty 2:4, NW.
Raha tany am-piandohan’ny fanompoako aho no nilazana hoe hisy Efitrano Fanjakana eto Cap-de-la-Madeleine ary koa hoe ho feno vahoakan’i Jehovah izy io, dia tsy ho nino izany aho. Akory ny haravoako fa ilay kongregasiona kely iray tao Trois-Rivières, tanàna akaiky etỳ, dia nitombo ho kongregasiona enina miroborobo izay mivory ao amin’ny Efitrano Fanjakana telo, anisan’izany ny iray eto Cap-de-la-Madeleine.
Izaho manokana dia nanana ny fifaliana nanampy olona tokony ho 30 ho tonga tamin’ny fanoloran-tena sy ny batisa. Ankehitriny, eo amin’ny faha-78 taonako, dia tena afaka milaza aho hoe faly fa nanolotra ny fiainako ho an’i Jehovah. Tsy maintsy miaiky anefa aho fa nisy fotoana nahakivy ahy. Mba hiatrehana an’ireny fotoana ireny amim-pahombiazana dia manokatra ny Baiboliko foana aho ka mamaky andalan-teny sasany izay mamelombelona ahy aoka izany. Tsy azo eritreretina izany hoe hamelako andro iray handalo nefa tsy hamaky ny Tenin’Andriamanitra izany. Mampahery indrindra ny Jaona 15:7, izay ilazana hoe: “Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.”
Fanantenako ny hahita an’i Rosaire any amin’ny tontolo vaovao efa tena antomotra izao. (2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4). Talohan’ny nahafatesany indrindra tamin’ny 1975, dia nandroso tsara ho amin’ny batisa izy. Raha ny amin’ny ankehitriny, dia tapa-kevitra aho ny haharitra amin’ny fanompoana manontolo andro ka hanohy hifaly amin’ny asan’i Jehovah.