Michael Faraday — Mpahay Siansa Sady Lehilahy Nanam-pinoana
“Angady nananana sy vy nahitana ny Elektrisite”. “Mpahay siansa mpanao andrana niavaka indrindra nisy hatramin’izay”. Ireo dia filazalazana roa momba an’i Michael Faraday, izay teraka tany Angletera tamin’ny 1791, ka ny zavatra hitany momba ny sovoka ara-anjandrianaratra (induction électromagnétique) dia nitarika ho amin’ny fahazoana nampiasa ny maotera elektrika sy ny famokarana angôvo.
FARADAY dia nandaha-teny betsaka momba ny simia sy ny fizika tao amin’ny Royal Institution ao Londres. Ireo lahateniny natao mba hanatsorana ny siansa ho fanta-bahoaka, dia nanampy ny tanora hahatakatra ireo hevitra saro-pantarina. Nahazo mari-pankasitrahana avy tamin’ny oniversite maro be izy. Kanefa izy dia nanalavitra ny fankalazam-bahoaka. Lehilahy tia vavaka fatratra izy, finaritra indrindra tao amin’ny fitokantokanan’ny fitambaran’efitra telo nonenany sy tamin’ny fiarahana tamin’ny fianakaviany sy ny mpiray finoana taminy. I Faraday dia anisan’izay nolazalazainy ho “antokom-pivavahana kristiana tena kely sy nohamavoina, fantatra (...) ho ireo Mpanara-dia an’i Sandeman”. Iza moa izy ireo? Inona no ninoany? Ary tamin’ny fomba ahoana izany no nisy fiantraikany teo amin’i Faraday?
Ireo Mpanara-dia an’i Sandeman
“Ny fifandraisana voalohany nisy teo amin’ny fianakaviana Faraday sy ny fiangonan’i Sandeman dia noraiketin’ny raibe sy ny reniben’i Michael Faraday, hoy ny fanamarihana nataon’i Geoffrey Cantor, mpanoratra ilay boky hoe Michael Faraday: Mpanara-dia an’i Sandeman sady Mpahay Siansa (anglisy). Izy ireo dia niaraka tamin’ireo mpanara-dia ny mpitondra fivavahana iray mpitety faritany sady tsy nanaraka ny eglizy anglikana, izay nanohana ny zavatra ninoan’i Sandeman ny mpitory namany.
Mpianatra tao amin’ny oniversiten’i Edimbourg i Robert Sandeman (1718-1771), nianatra ny matematika sy ny fiteny grika ary fiteny hafa, fony izy nihaino ny toritenin’ilay mpitondra fivavahana presbyteriana teo aloha natao hoe John Glass. Izay reny dia nanosika azy hiala tamin’ny oniversite, hody tany Perth, sy hiaraka tamin’i Glass sy ireo namany.
Tao anatin’ireo taona 1720, dia efa nanomboka nisalasala ny amin’ireo fampianarana sasany an’ny Eglizin’i Ekosy i John Glass. Nitarika azy hanatsoaka hevitra ny fianarany ny Tenin’Andriamanitra fa ny firenen’ny Isiraely resahin’ny Baiboly dia tandindon’ny firenena ara-panahy iray, izay avy amin’ny firazanana maro ny olom-pirenena ao aminy. Tsy nahita fanamarinana ny amin’ny fiangonana nisaraka ho an’ny firenena tsirairay izy na taiza na taiza.
Tsy nampilamin-tsaina an’i Glass intsony ny fampianaran’ny fiangonany tao Tealing, tany ivelan’i Dundee, any Ekosy, ka niala tamin’ny Eglizin’i Ekosy izy ary nandamina ny fivoriany manokana. Tokony ho olona zato no niaraka taminy, ary hatrany am-piandohana izy ireo dia nahatsapa ny ilana hihazonana firaisan-tsaina eo amin’izy ireo. Nanapa-kevitra izy ireo ny hanaraka ny toromarik’i Kristy, voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Matio toko faha-18, andininy faha-15 ka hatramin’ny faha-17, mba handaminana izay mety ho tsy fitovian-kevitra nananany. Tatỳ aoriana izy ireo dia nanao fivoriana isan-kerinandro, ka niangona ho amin’ny vavaka sy ny fampirisihana ireo nitovy finoana.
Rehefa nanomboka nanatrika tsy tapaka ireo fivorian’ny antokon’olona samy hafa ny olona maro be, dia nilaina ny lehilahy nampiseho fahaiza-mandray andraikitra mba hanara-maso ny fanompoam-pivavahana narahin’izy ireo. Iza anefa no nahafeno fepetra? Nanome fiheverana indrindra izay nosoratan’ny apostoly Paoly momba io foto-kevitra io i John Glass sy ireo namany. (1 Timoty 3:1-7; Titosy 1:5-9). Tsy nahita filazana momba ny fianarana any amin’ny oniversite na ny ilana hahazo ny hevitry ny teny hebreo sy grika izy ireo. Koa, taorian’ny nieritreretan’izy ireo tamim-bavaka ireo toro lalana ao amin’ny Soratra Masina àry, dia nanendry lehilahy nahafeno fepetra mba ho tonga loholona izy ireo. Ireo izay tsy nivadika tamin’ny Eglizin’i Ekosy dia nihevitra hoe “kely foana sisa tsy ho blasfemia” ny fihamboan’ny olona tsy nahita fianarana “notezaina teo amin’ny fanenomana, ny fanjairana, na ny angadin’omby”, ho mahazo ny hevitry ny Baiboly sy mitory ny hafatra ao anatiny. Tamin’ny 1733, fony i Glass sy ireo mpiray finoana taminy nanorina ny efitrano fivoriany manokana tao amin’ny tanànan’i Perth, ny klerjy teo an-toerana dia nanandrana nanery ireo manam-pahefana mba handroaka azy ireo tsy ho ao an-tanàna. Tsy nahomby izy ireny, ary niitatra ilay fihetsiketsehana.
Nanambady ny zanak’i Glass vavimatoa i Robert Sandeman, ary tonga loholona tao amin’ny kongregasionan’ireo mpanara-dia an’i Glass tao Perth izy, fony 26 taona. Navesatra aoka izany ny andraikiny tamin’ny naha-loholona, hany ka nanapa-kevitra izy ny hanokana ny fotoanany rehetra ho amin’ny asa fitarihana ny kongregasiona. Tatỳ aoriana, rehefa nody mandry ny vadiny, dia “nanaiky tamin-kafaliana hanompo ny Tompo na taiza na taiza nety ho anjarany” i Robert, hoy ny filazalazana fohy mampahafantatra azy.
Niely ny foto-pampianarana naorin’i Sandeman
I Sandeman dia nanitatra tamin-jotom-po ny fanompoany avy tany Ekosy hatrany Angletera, izay nitomboan’ireo antokon’olona nisy mpiray finoana vaovao. Tamin’izany fotoana izany dia nanjaka teo amin’ireo anglisy mpanara-dia an’i Calvin ny ady hevitra. Nino ny sasany taminy fa voalahatra ho amin’ny famonjena ny tenany. Tetsy an-danin’izany, i Sandeman dia niandany tamin’ireo izay nihazona ny hevitra fa tena nilaina ho amin’ny famonjena ny finoana. Mba hanohanana io fomba fihevitra io, dia namoaka boky iray, izay naverina natao pirinty inefatra izy, ary nisy fanontana roa tamin’izy io koa tany Amerika. Araka an’i Geoffrey Cantor, ny famoahana io boky io dia “ny hany fisehoan-javatra lehibe indrindra nampiitatra ilay antokom-pivavahana [ny an’i Sandeman] hihoatra ny fiandohany voafetra ihany tany Ekosy”.
Tamin’ny 1764, niaraka tamin’ny loholona hafa mpanara-dia an’i Glass, dia nanao dia lavitra tany Amerika i Sandeman, fitsidihana izay nanetsika ady hevitra sy fanoherana. Na dia izany aza, dia niteraka ny fiorenan’ny antokona Kristiana nitovy hevitra taminy tao Danbury, Connecticut, izany.a Tany no nody mandry i Sandeman tamin’ny 1771.
Ireo zavatra ara-pivavahana ninoan’i Faraday
Nandray ho an’ny tenany ny fampianaran’i Sandeman neken’ny ray aman-dreniny i Michael tanora. Nianarany fa ny mpanara-dia an’i Sandeman dia nihazona ny tenany ho tafasaraka tamin’ireo izay tsy nampihatra izay nampianarin’ny Baiboly. Ohatra, tsy nety nandray anjara tamin’ny fombam-pivavahana anglikana momba ny fampakaram-bady izy ireo, fa naleony nametra ireo fomba fampakaram-bady tamin’izay tena nilaina araka ny lalàna.
Ny fanekena ireo fitondram-panjakana, kanefa sady nihazona fialanalanana tamin’ny raharaha politika, dia nampiavaka ireo mpanara-dia an’i Sandeman. Na dia mpikambana nohajaina teo amin’ny fiaraha-monina aza izy ireo, dia nahalana no nanaiky toerana ara-panjakana. Tamin’ireo toe-javatra vitsivitsy nanekeny izany anefa, dia nanalavitra ny antoko politika izy ireo. Nitondra fanakianana azy ireo ny fihazonana an’io toerana mafy notanany io. (Ampitahao amin’ny Jaona 17:14.) Ninoan’ireo mpanara-dia an’i Sandeman fa ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra no ilay fandaharana lavorary ho amin’ny fitondram-panjakana. Nihevitra ny raharaha politika ho “tetik’ady tsy misy vidiny sy maharikoriko sady tsy misy fari-pitondran-tena” izy ireo, hoy ny fanamarihana nataon’i Cantor.
Na dia nisaraka tamin’ny hafa aza izy ireo, dia tsy nandray ny fihetsika nanamarin-tena nananan’ny Fariseo. Toy izao no nambarany: “Heverinay ho tena ilaina tanteraka ny manalavitra ny Toe-tsaina sy ny Fanaon’ireo Fariseo fahiny, ka hoe hanao Fahotana na Adidy mihoatra noho izay nataon’ny Soratra; sy hoe hanao izay tsy hampanan-kery ny Fitsipik’Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo Lovantsofin’olombelona na ireo Fialana araka ny lojika.”
Izy ireo dia nandray ilay fanao araka ny Soratra Masina momba ny handroahana na iza na iza eo amin’izy ireo ka nanjary mpimamo, mpanao an-keriny, mpijangajanga, na zatra nanao fahotana lehibe hafa. Raha tena nibebaka marina ilay mpanota, dia niezaka nampiverina azy tamin’ny toerany teo aloha izy ireo. Raha tsy izany, dia narahiny ilay baiko araka ny Soratra Masina mba ‘hanaisotra ilay mpanao ratsy’. — 1 Korintiana 5:5, 11, 13.
Nankato ilay didy ara-baiboly mba hifady ny ra ny mpanara-dia an’i Sandeman. (Asan’ny Apsotoly 15:29). Noporofoin’i John Glass fa tsy maintsy mankato ny fameperana momba ny ra ny vahoakan’Andriamanitra, toy ny nandidian’Andriamanitra ny olombelona voalohany hifady ny fihinanana ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. (Genesisy 2:16, 17). Ny tsy fankatoavana ilay didy mahakasika ny ra dia nitovy tamin’ny fandavana ny fampiasana tamin’ny fomba mety ny ran’i Kristy, izany hoe ho fanavotana amin’ny fahotana. Nanao izao famaranan-kevitra izao i Glass: “Io fandrarana ny fihinanana ra io dia zavatra faran’izay lehibe sy ambony tamin’ny fotoana rehetra, ary mbola toy izany foana.”
Ny fanjohian-kevitry ny mpanara-dia an’i Sandeman momba ny Soratra Masina dia nanampy azy ireo hanalavitra fandrika maro. Ohatra, raha ny amin’ny fialam-boly, dia nitodika tany amin’ireo toromarik’i Kristy izy ireo mba hahazoana toro lalana. “Tsy sahinay ny hanao Lalàna eo amin’izay tsy nanaovan’i Kristy Lalàna mihitsy”, hoy izy ireo, “na hanary izay lalàna nomeny anay. Koa satria izahay tsy mahita hoe aiza no ahitana fandrarana ny Fanarian-dia, ampahibemaso na mitokantokana; dia mihevitra izay rehetra mety ho Fanarian-dia ho ara-dalàna izahay, raha mbola tsy ampifandraisina amin’ny Toe-javatra tena voamariky ny fahotana izy io.”
Na dia nihazona fomba fihevitra maro niorina araka ny marina tamin’ny Soratra Masina aza ny mpanara-dia an’i Sandeman araka izany, dia tsy nahatakatra ny naha-zava-dehibe ilay asa mihitsy mampiavaka ny tena Kristiana, izany hoe, tokony hitory amin’ny hafa ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana ny tsirairay. (Matio 24:14). Kanefa, dia nivoha ho an’ny rehetra ny fivorian’izy ireo, ary tao izy ireo dia niezaka nanome ho an’ireo rehetra nanontany azy ny anton’ny fanantenany. — 1 Petera 3:15.
Tamin’ny ahoana io fitambarana zavatra inoana io no nisy fiantraikany teo amin’i Michael Faraday mpahay siansa?
Faraday, ilay mpanara-dia an’i Sandeman
Nomem-boninahitra, notsarovana tamin’ny fety, nohajaina fatratra noho ireo zava-baovao niavaka hitany, i Michael Faraday dia nanana fiainana tsotra. Rehefa nisy olo-malaza nody mandry, ka nantenaina ny hanatrehan’ireo olona fanta-bahoaka ny fandevenana azy io, dia voamarika noho ny tsy fahatongavany teo i Faraday, ny feon’ny fieritreretany dia tsy namela azy hanatrika sy ho tafiditra tamin’ny fombam-pivavahan’ny Eglizy Anglikana.
Tamin’ny naha-mpahay siansa azy, i Faraday dia nifikitra akaiky tamin’izay azony noporofoina fa zava-misy. Nohalaviriny araka izany ny fifaneraserana akaiky tamin’ireo olona nahita fianarana izay nampandroso ny petra-keviny manokana sy nomba ny atsy na ny aroa tamin’ny raharaha niadian-kevitra. Araka ny nolazainy indray mandeha tamin’ny mpihaino azy, ‘ny zava-misy fototra iray dia tsy mandiso fanantenana antsika mihitsy, marina foana ny porofo manohana azy io’. Nilazalaza ny siansa ho niankina ‘tamin’ny zava-misy nodinihina tamim-pitandremana’ izy. Rehefa namarana famelabelarana iray momba ny hery fototry ny natiora i Faraday, dia nampirisika ireo mpihaino azy izy hisaintsaina “ny amin’Ilay namorona azy ireny”. Avy eo izy dia naka ny tenin’i Paoly apostoly kristiana, manao hoe: “Ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony”. — Romana 1:20.
Izay nampiavaka an’i Faraday aoka izany tamin’ireo mpahay siansa hafa maro dia ny faniriany hianatra avy tamin’ny Boky ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ary koa avy tamin’ny bokin’ny natiora. “Tamin’ny alalan’ny foto-pampianarana naorin’i Sandeman izay narahiny, dia hitany ny fomba hiainana ho fankatoavana ny lalàm-pitondran-tenan’Andriamanitra sy ny fomba hiainana nifanaraka tamin’ny fanantenana fiainana mandrakizay”, hoy ny fanamarihan’i Cantor. “Tamin’ny alalan’ny seha-pahalalana nodinihiny, dia nanjary nifandray akaiky tamin’ireo lalàna fizika izay nofidin’Andriamanitra hanapahana izao rehetra izao, izy.” Nino i Faraday fa “ny fahefana tsy azo iadian-kevitra ananan’ny Baiboly dia tsy azon’ny siansa ravana, fa ny siansa kosa, raha atao amin’ny fomba tena kristiana, dia afaka manazava ilay boky hafa an’Andriamanitra”.
Nanda tamim-panetren-tena ny maro tamin’ireo mari-boninahitra izay nirin’ny hafa hasalotra azy i Faraday. Nilaza tsy niovaova ny tsy fahalianany tamin’ny toeram-boninahitry ny chevalier izy. Niriny ny hijanona ho ‘Andriamatoa Faraday fotsiny’. Nanokana fotoana be dia be tamin’ny asany tamin’ny naha-loholona izy, ka tafiditra tamin’izany ny fanaovana dia tsy tapaka avy tany an-drenivohitra nankany amin’ny vohitra iray tany Norfolk, mba hikarakarana antokon’olom-bitsin’ny mpino nitovy hevitra taminy nipetraka tany.
Nody mandry tamin’ny 25 Aogositra 1867 i Michael Faraday, ary nalevina tao amin’ny tany fandevenana tao Highgate, any avaratr’i Londres. Milaza amintsika i John Thomas, mpanoratra ny tantaram-piainany fa i Faraday dia “namela ho an’ny taranaka fitambaran-java-bita ara-tsiansa tsy misy fangarony, lehibe kokoa noho ny vitan’izay mety ho mpahay siansa fizika hafa, ary ny vokatra azo ampiharina tamin’ireo zavatra hitany dia nisy heriny lalina teo amin’ny toetra raikitry ny fiainana mandroso”. Nanoratra toy izao i Sarah, vady navelan’i Faraday: “Ny Testamenta Vaovao no hany azoko tondroina ho ny mpitari-dalana & mpanapaka azy; satria nihevitra azy io ho ny Tenin’Andriamanitra izy (...) mifehy amin’ny fomba mitovy ny Kristiana amin’izao andro izao toy ny tamin’ny fotoana nanoratana azy” — porofo miharihary manohana ny mpahay siansa malaza iray, izay niaina tamim-pahatsoram-po araka ny finoany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy nisy intsony ny sisa farany tamin’ilay antoko mpanara-dia an’i Sandeman na i Glass tany Etazonia, fara fahelany teo am-piandohan’itỳ taonjato itỳ.
[Efajoro, pejy 29]
Napetraka tamin’ny naha-mpandahateny tao amin’ny Britain’s Royal Institution, i Michael Faraday dia nampahafantatra ny siansa tamin’ny besinimaro tamin’ny fomba izay, na dia ireo zatovo aza, dia nahatakatra izany. Ny toroheviny ho an’ireo mpandahateny tahaka azy dia mirakitra fanoloran-kevitra azo ampiharina izay tsara hodinihin’ireo Kristiana amin’ny andro maoderina, izay mampianatra ampahibemaso.
◻ “Tsy tokony hatao maimaika sy hirotorotoana ny lahateny, ka noho izany dia tsy hazava, fa hatao miadana sy milamina kosa.”
◻ Tokony hiezaka hanaitra ny fahalianan’ny mpihaino azy ny mpandahateny iray “eo amin’ny fiandohan’ilay lahateny ary amin’ny alalan’ny fitohitohizana ambaratonga tsy tsapa, tsy voamarik’ireo namana, ka hihazona izany ho velombelona raha mbola mitaky izany ilay foto-kevitra”.
◻ “Mampietry ny fahamendrehan’ny toerany ny mpandahateny iray rehefa mampivaona ny lahateniny mba hahazoana ny fankasitrahan’ny olona sy teny fiderana.”
e◻ Momba ny fampiasana planina: “Voatery foana aho (...) manao planina iray [momba ilay foto-kevitra] amin’ny taratasy ka mameno ireo fizarana amin’ny fitadidiana azy ireo ao an-tsaina, na amin’ny fampifandraisana ireo hevitra na amin’ny fomba hafa. (...) Manana fitohitohizan-dohateny lehibe sy kely milahatra aho, ary avy amin’ireny no andaminako ireo foto-kevitra horesahiko.”
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
Ireo sary roa: By courtesy of the Royal Institution