FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 15/8 p. 21
  • Tadidinao Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tadidinao Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • ‘Manohiza Mifamela Heloka Amin-kalalahana’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Hamela ny Heloko ve Andriamanitra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • “Trano Fivavahana ho An’ny Firenena Rehetra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 15/8 p. 21

Tadidinao Ve?

Nankasitrahanao ve ny famakiana ireo nomerao faramparany tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha afaka mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ianao:

◻ Moa ve ny tenin’i Jesosy hoe “ny fahotana izay havelanareo, dia ho voavela” midika fa afaka mamela fahotana ny Kristiana? (Joany 20:23, Kat.).

Tsy misy fototra araka ny Soratra Masina ahafahana manatsoaka hevitra fa manana fahefana avy amin’Andriamanitra hamela fahotana ny Kristiana amin’ny ankapobeny, ary na dia ireo loholona voatendry ao amin’ny kongregasiona aza. Ny teny manodidina an’ireo tenin’i Jesosy dia toa mampiseho fa nomena fahefana tsy manam-paharoa hamela na tsy hamela fahotana ireo apostoly, tamin’ny alalan’ny fiasan’ny fanahy. (Jereo ny Asan’ny Apostoly 5:1-11; 2 Korintiana 12:12.) — 15/4, pejy faha-28.

◻ Inona no mampiavaka ny fandikana ny bokin’ny Salamo, nataon’i J. J. Stewart Perowne, navoaka voalohany tamin’ny 1864?

Tao amin’ny fandikan-teny nataony, i Perowne dia niezaka nifikitra “akaiky tamin’ny endriky ny teny hebreo, teo amin’ny fomba fiteny manokana sy teo amin’ny firafitry ny fehezanteny”. Tamin’ny fanaovana izany, dia nanohana ny famerenana amin’ny toerany ny anaran’Andriamanitra amin’ilay endriny hoe “Jehovah”, izy. — 15/4, pejy faha-31.

◻ Tari-dalana inona no nomen’i Jesosy an’ireo mpanara-dia azy raha ny amin’ny fifampiraharahan’izy ireo amin’ny fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao?

Hoy i Jesosy: “Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” (Matio 22:21). Hoy koa izy: “Na zovy na zovy no [manam-pahefana, NW ] hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa.” (Matio 5:41). Teto i Jesosy dia nanazava tamin’ny ohatra, ilay fotopoto-pitsipika momba ny fanekena an-tsitrapo an’ireo fitakiana ara-dalàna, na eo amin’ny fifandraisan’olombelona izany na eo amin’ireo fepetra takin’ny fitondram-panjakana, ka mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra. (Lioka 6:27-31; Jaona 17:14, 15). — 1/5, pejy faha-12.

◻ Midika ho inona ny hoe ‘mandeha amin’ny fahamarinana’? (Salamo 86:11).

Tafiditra amin’izany ny fanarahana ireo zavatra takin’Andriamanitra sy ny fanompoana azy amim-pahatokiana sy amim-pahatsorana. (Salamo 25:4, 5; Jaona 4:23, 24). — 15/5, pejy faha-18.

◻ Inona no tontosa tamin’ny fanirahan’i Jehovah an’i Jona ho any Ninive?

Araka ny niafaran’ilay raharaha, ny asa fitorian’i Jona tany Ninive dia nampibaribary ny fifanoherana nisy teo amin’ireo mponina nibebaka tao Ninive sy ireo Isiraelita mafy hatoka izay tena sady tsy nanam-pinoana no tsy nanana fanetren-tena. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 9:6, 13; Jona 3:4-10.) — 15/5, pejy faha-28.

◻ Iza ilay Menarana ary iza “ny vehivavy” asiana firesahana ao amin’ny Genesisy 3:15?

Ny Menarana dia tsy ilay bibilava ambany karazana akory, fa ilay nampiasa azy io, dia i Satana Devoly. (Apokalypsy 12:9). “Ny vehivavy” dia tsy i Eva akory, fa ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra, ny renin’ireo mpanompony voahosotry ny fanahy eto an-tany. (Galatiana 4:26). — 1/6, pejy faha-9.

◻ Ahoana no ahafahan’ny olona iray miala amin’i Babylona Lehibe ka hahita tsy fananana ahiahy? (Apokalypsy 18:4).

Tsy maintsy misaraka tanteraka amin’ny fandaminana ara-pivavahan-diso izy ary koa amin’ireo fomba sy ny toe-tsaina aterany, ary avy eo dia tokony hitady tsy fananana ahiahy ao anatin’ny fandaminana teokratikan’i Jehovah. (Efesiana 5:7-11). — 1/6, pejy faha-18.

◻ Nahoana no tononina matetika ao amin’ny Soratra Masina ny voromahery?

Nisy mpanoratra ny Baiboly nanisy firesahana tsy mivantana momba ireo toetra mampiavaka ny voromahery mba hampisehoana zavatra toy ny fahendrena, ny fiarovan’Andriamanitra, sy ny hafainganam-pandeha. — 15/6, pejy faha-8.

◻ Moa ve ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao izay manana fanantenana ny ho eto an-tany, manana ny fanahin’Andriamanitra mitovy fatra amin’ny an’ny Kristiana voahosotry ny fanahy?

Amin’ny fotony dia eny no valiny. Samy afaka mahazo ny fanahin’Andriamanitra amin’ny fomba mitovy ireo kilasy roa ireo, ary azon’izy roa ireo ananana amin’ny fomba mitovy ny fahalalana sy ny fahazoana hevi-javatra, miaraka amin’ny fahafahana mitovy handray azy io. — 15/6, pejy faha-31.

◻ Nahoana no mahasoa antsika amin’izao andro izao ny mandinika ny fanompoana masina notanterahin’ny mpisoron’ny Isiraely tao amin’ny tempoly tany Jerosalema?

Amin’ny fanaovana izany, isika dia manjary mahatakatra amin’ny fomba feno kokoa ilay fandaharana feno famindram-po ahazoana mampihavana amin’Andriamanitra ny olombelona mpanota amin’izao andro izao. (Hebreo 10:1-7). — 1/7, pejy faha-9.

◻ Tamin’ny fomba ahoana ilay tempoly faharoa naorina tao Jerosalema no nanana voninahitra lehibe kokoa noho ilay naorin’i Solomona?

Nanan-tombo 164 taona tamin’ny an’ilay tempolin’i Solomona ny faharetan’ilay tempoly faharoa. Mpivavaka maro kokoa avy tany amin’ny tany maro kokoa no niangona teo an-kianjany. Ny zava-dehibe kokoa dia ny hoe nanana ny nampiavaka azy lehibe io tempoly faharoa io noho izy io nanana an’i Jesosy Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra, nampianatra teo an-kianjany. — 1/7, pejy faha-12, 13.

◻ Oviana Andriamanitra no niteraka ilay tempoliny ara-panahy?

Izany dia tamin’ny taona 29 am.f.i., rehefa nampiseho ny fankasitrahany ny vavaka nataon’i Jesosy tamin’ny batisany Andriamanitra. (Matio 3:16, 17). Ny fankasitrahan’Andriamanitra ny fanolorana ny tenan’i Jesosy dia nidika fa, tamin’ny heviny ara-panahy, dia nanjary niasa ny alitara iray lehibe kokoa noho ny an’ny tempolin’i Jerosalema. — 1/7, pejy faha-14, 15.

◻ Nahoana isika no tokony hamela heloka?

Tena ilaina ny famelana ny heloky ny olona iray nanafintohina ka niala tsiny raha tiantsika ny hihazona ny firaisan-tsaina kristiana. Ny fankahalana sy ny fanolokoloana lolompo dia hanaisotra amintsika ny fiadanan-tsaina. Raha tsy mamela heloka isika, dia mety tsy havelan’i Jehovah intsony ny helotsika indray andro any. (Matio 6:14, 15). — 15/7, pejy faha-18.

◻ Ahoana no nahafahan’ireo Isiraelita ho tonga masina?

Tsy nety hisy ny fahamasinana raha tsy tamin’ny alalan’ny fananan’izy ireo fifandraisana akaiky tamin’i Jehovah, ilay Andriamanitra masina, ary tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana madio natolotr’izy ireo azy. Nila fahalalana araka ny marina momba ny “Iray Masina” izy ireo mba hanompoana azy tamim-pahamasinana, tamin’ny fahadiovana ara-batana sy ara-panahy. (Ohabolana 2:1-6; 9:10). — 1/8, pejy faha-11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara