Fanontanian’ny Mpamaky
Mampiseho ireo tatitra tamin’ny taona sasany fa nitombo kely ny isan’ny nandray anjara tamin’ireo marika amin’ny Fahatsiarovana. Toa manondro ve izany fa olona vaovao maro no voahosotry ny fanahy masina?
Misy antony tsara tokony hinoana fa efa am-polony taona maro lasa izay no efa feno ny isan’ireo Kristiana voahosotra 144 000.
Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:1-4, dia amakiantsika momba ireo olona voalohany anisan’io antokon’olona voafetra io: “Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra. Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin’izy rehetra isan-olona izany. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy.”
Taorian’izany dia nifidy olona hafa i Jehovah ka nanosotra azy ireo tamin’ny fanahiny masina. Nisy an’arivony maro nanampy azy ireo, tamin’ireo taona tena tany am-boalohany nisian’ny Kristianisma. Amin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana amin’izao androntsika izao, dia matetika ny mpandahateny no manintona ny saina ho amin’ireo tenin’i Paoly ao amin’ny Romana 8:15-17, izay milaza fa ‘mandray ny fanahin’ny zanaka natsangana’ ny voahosotra. Nanohy ny teniny i Paoly hoe ny fanahy izay raisin’izy ireo dia ‘miara-milaza amin’ny fanahin’izy ireo fa zanak’Andriamanitra izy ireo, mpiray lova amin’i Kristy’. Mahalala izany amin’ny fomba azo antoka ireo izay manana marina an’io fanosoran’ny fanahy io. Tsy faniriana fotsiny izy io na taratry ny fiheveran-tena tapahin’ny fihetseham-po sy tsy araka ny tena izy.
Takatsika fa nitohy tao anatin’ireo taonjato lasa rehetra io antso ho any an-danitra io, na dia mety ho nisy fotoana aza, nandritra izay lazaina fa Vanim-potoan’ny Haizina, nahavitsy dia vitsy ny isan’ireo voahosotra.a Noho ny fanorenana indray ny Kristianisma marina teo akaikin’ny faran’ny taonjato lasa, dia nisy bebe kokoa nantsoina sy nofidina. Toa hita anefa fa feno teo antenatenan’ireo taona 1930 ny isa fenon’ireo 144 000, tamin’ny fotony. Noho izany, dia nanomboka nipoitra ny antokon’olona iray voaforon’ny Kristiana tsy mivadika, izay manana fanantenana ny ho eto an-tany. I Jesosy dia niantso azy ireny ho “ondry hafa”, izay tafaray amin’ny fanompoam-pivavahana miaraka amin’ny voahosotra, amin’ny maha-andiany iray ankasitrahana azy ireo. — Jaona 10:14-16.
Ny zava-nisy nandritra ireo am-polony taona maro lasa dia taratry ny hoe vita ny fiantsoana ny voahosotra no sady taratry ny fitahian’i Jehovah ny “vahoaka betsaka” tsy mitsaha-mitombo, izay manana fanantenana ny ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe”. (Apokalypsy 7:9, 14). Ohatra, tamin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana tamin’ny 1935, izay natrehin’olona 63 146, ireo nandray anjara tamin’ny marika ho porofon’ny fanambarany ampahibemaso ny tenany ho voahosotra dia niisa 52 465. Telopolo taona atỳ aoriana, na tamin’ny 1965, dia nisy 1 933 089 ny mpanatrika, fa nidina ho 11 550 kosa ireo nandray anjara. Telopolo taona atỳ aoriana kokoa, tamin’ny 1995, dia niakatra tampoka ho 13 147 201 ny mpanatrika, fa 8 645 monja no nandray anjara tamin’ny mofo sy ny divay. (1 Korintiana 11:23-26). Mazava fa arakaraka ny fandehan’ireo am-polony taona maro, ny isan’ireo manambara ampahibemaso ny tenany ho anisan’ny sisa dia nidina be — 52 400 eo ho eo tamin’ny 1935; 11 500 tamin’ny 1965; 8 600 tamin’ny 1995. Kanefa, notahina ireo manana fanantenana ny ho eto an-tany, ary nitombo be dia be ny isan’izy ireo.
Ny tatitra vao haingana indrindra navoaka dia ny tamin’ny taona 1995, ary mampiseho izy io fa nanan-tombo 28 noho ny tamin’ny taon-dasa ny mpandray anjara na dia tena nidina aza ny tahan’ireo mpandray anjara raha oharina amin’ny mpanatrika. Rehefa dinihina ny zava-drehetra, ny hoe nisy vitsivitsy fanampiny nifidy ny handray anjara tamin’ireo marika dia tsy antony tokony hampanahy. Nandritra ireo taona maro lasa, dia nisy sasany, na dia olona natao batisa vao haingana aza, nanomboka nandray anjara tampoka. Tamin’ny toe-javatra maromaro, nony afaka kelikely dia niaiky izy ireo fa fahadisoana izany. Niaiky ny sasany fa nandray anjara noho ny fihetseham-po vokatry fihenjanana ara-batana na ara-tsaina, izy ireo. Nanjary hitan’izy ireo anefa fa tena tsy nantsoina ho amin’ny fiainana any an-danitra izy ireo. Nangataka ny fahatakaran’Andriamanitra ny fiheviny ombam-pamindram-po izy ireo. Ary manohy manompo azy amin’ny maha-Kristiana tsara dia tsara, tsy mivadika, manana ny fanantenana hiaina mandrakizay eto an-tany, izy ireo.
Tsy ilaina ny hanahian’iza na iza amintsika raha manomboka mandray anjara amin’ireo marika na mitsahatra tsy manao izany ny olona iray. Raha ny tena izy dia tsy andraikitsika raha tena nohosorana tamin’ny fanahy masina sy nantsoina ho amin’ny fiainana any an-danitra ny olona iray na tsia. Tsarovy ilay fanomezan-toky mafy nataon’i Jesosy, manao hoe: “Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy”. Amin’ny fomba azo antoka tsy misy hafa amin’izany, i Jehovah dia mahalala an’ireo nofidiny ho zanany ara-panahy. Misy ny antony rehetra tokony hinoana fa hihena hatrany ny isan’ireo voahosotra, arakaraka ny hamaranan’ny fandrosoan’ny taona sy ny fitrangan-javatra tsy ampoizina ny fiainany eto an-tany. Kanefa, mitovy tsy misy valaka amin’ireny tena voahosotra ireny izay hita ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana, ka handray ny satroboninahitra fiainana, ny ondry hafa, izay nanasa ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry, dia afaka manantena ny ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe mananontanona. — 2 Timoty 4:6-8; Apokalypsy 2:10.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 15 Aogositra 1965, pejy faha-511-512.