FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/10 p. 24-28
  • Fanompoana An’i Jehovah Amin’ny Maha-fianakaviana Tafaray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanompoana An’i Jehovah Amin’ny Maha-fianakaviana Tafaray
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fianarana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly
  • Sambatra tao amin’ny fanompoana manontolo andro
  • Nahita fiovana teo amin’ny fiainako
  • Ny safidin’ireo zanakay
  • Ny lalan’ny fahombiazana
  • Mety ho io ve no Asa Tsara Indrindra ho Anao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Vonona Hanompo ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Faly Manasa Anao Izahay!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Notohanan’ny Fatokiako An’i Jehovah Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/10 p. 24-28

Fanompoana An’i Jehovah Amin’ny Maha-fianakaviana Tafaray

NOTANTARAIN’I ANTONIO SANTOLERI

Fony izy nandao an’i Italia tamin’ny 1919, dia 17 taona ny raiko. Nifindra monina teto Brezila izy mba hitady fiainana tsara kokoa. Rehefa nandeha ny fotoana dia nanana trano fihetezana iray tao amin’ny tanàna kely iray tany afovoan’ny fanjakan’i São Paulo, izy.

INDRAY andro, tamin’ny 1938, fony aho fito taona, dia nahazo ilay dikan-tenin’ny Baiboly hoe ny Brasileira tamina lehilahy iray nandalo tao amin’ny trano fihetezany i Dada. Roa taona tatỳ aoriana dia narary mafy i Neny ka nitoetra ho malemy mandra-pahafatiny. Narary koa i Dada, koa nandeha nipetraka tany amin’ny havana tany amin’ny tanànan’i São Paulo izahay rehetra — i Neny sy i Dada, i Ana anabaviko, ary izaho.

Nandritra ny fianarako tao São Paulo, dia nanjary tia vaky boky be aho, indrindra fa ireo asa soratra ara-tantara. Nanaitra ahy ny niresahana tao anatin’izy ireny ny Baiboly indraindray. Ny boky iray nisy tantara noforonina izay nindramiko tao amin’ny tranombokim-bahoakan’i São Paulo dia niresaka imbetsaka momba ny Toriteny teo An-tendrombohitra. Tamin’izay aho no nanapa-kevitra ny hahazo Baiboly iray mba hamakiako io toriteny io. Nokarohiko ilay Baiboly azon’i Dada taona maro taloha, ka hitako tao amin’ny fanambanin’ny vata iray, izay nipetrahany nandritra ny fito taona izy io, tamin’ny farany.

Katolika ny fianakavianay, koa tsy nampirisihina mihitsy hamaky ny Baiboly ny tenako. Ankehitriny, dia nianatra samirery nitady ireo toko sy andininy aho. Tamim-pahafinaretana lehibe no namakiako, tsy ny Toriteny teo An-tendrombohitra ihany, fa ny boky iray manontolon’i Matio ary koa boky hafa ao amin’ny Baiboly. Izay nanaitra ahy indrindra dia ny feon’ny fahamarinana nampisehoana ireo fampianarana sy ireo fahagagana nataon’i Jesosy.

Rehefa takatro hoe hatraiza ny fahasamihafan’ny fivavahana katolika tamin’izay novakiko tao amin’ny Baiboly, dia nanomboka nandeha tany amin’ny Fiangonana Presbyteriana aho ary niaraka tamiko i Ana. Kanefa mbola nahatsapa fahabangana tato am-poko ihany aho. Nitady fatratra an’Andriamanitra aho nandritra ny taona maro. (Asan’ny Apostoly 17:27). Tamin’ny alina iray feno kintana, raha lasa vinany aho, dia nanontany tena hoe: ‘Nahoana aho no eto? Inona no zava-kendren’ny fiainana?’ Nitady toerana iray nitokana tao an-tokotany aho, nandohalika, ka nivavaka hoe: ‘Andriamanitra Tompo ô! Iza moa ianao? Ahoana no ahafahako mahafantatra anao?’ Afaka fotoana fohy taorian’izay dia tonga ny valim-bavaka.

Fianarana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly

Indray andro, tamin’ny 1949, dia nanatona an’i Dada ny tovovavy iray raha iny izy nidina tamin’ny tramway iny. Nanolotra ho azy ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! izy. Nanao famandrihana tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana i Dada ary nangataka azy mba hitsidika ny tokantranonay, rehefa nanazava fa nanan-janaka roa izay nandeha tany amin’ny Fiangonana Presbyteriana izy. Nandritra ny fitsidihan’ilay vehivavy, dia namela ilay boky hoe Ankizy (anglisy) tamin’i Ana izy ary nanomboka fampianarana Baiboly taminy. Tatỳ aoriana, dia nandray anjara tamin’ilay fianarana aho.

Nanatrika ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany izahay tamin’ny Novambra 1950. Navoaka tao ilay boky hoe “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina”, ary nanohy ny fianaranay ny Baiboly tamin’ny fampiasana io boky io ho mpitari-dalana izahay. Tsy ela taorian’izany, dia takatray fa nahita ny fahamarinana izahay, ka natao batisa tamin’ny Aprily 1951 izahay, ho fanamarihana ny fanoloran-tenanay ho an’i Jehovah. Nanao ny fanoloran-tenany, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, i Dada, ary nody mandry nahatoky teo anatrehan’Andriamanitra tamin’ny 1982.

Sambatra tao amin’ny fanompoana manontolo andro

Tamin’ny Janoary 1954, fony aho vao 22 taona monja, dia nekena hanao ny fanompoana tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay antsoina hoe Betela, aho. Gaga aho nahita rehefa tonga tao, fa lehilahy iray izay zokiko roa taona monja, i Richard Mucha, no mpiandraikitra ny sampana. Tamin’ny 1955, rehefa nisy nilana mpanompon’ny fizaran-tany, izay niantsoana ny mpiandraikitra mpitety faritany tamin’izany fotoana izany, dia anisan’ireo lehilahy dimy nasaina handray anjara tamin’io fanompoana io ny tenako.

Ny fanjakan’i Rio Grande do Sul no nanendrena ahy. Kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah valo monja no nisy tany fony aho nanomboka, nefa tao anatin’ny herintaona sy tapany dia kongregasiona vaovao roa sy groupes isolés 20 no voaorina. Misy fizaran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah 15, misy kongregasiona tokony ho 20 ny tsirairay aminy, ao amin’io faritra io amin’izao fotoana izao! Tamin’ny faran’ny 1956, dia nampahafantarina ahy fa nozaraina ho fizaran-tany efatra kely kokoa ny fizaran-taniko, izay hokarakarain’ny mpanompon’ny fizaran-tany efatra. Tamin’io fotoana io, dia nasaina niverina tany amin’ny Betela aho ho amin’ny fanendrena vaovao iray.

Akory ny hagagako sy ny haravoako fa notendrena tany amin’ny faritra avaratr’i Brezila tamin’ny naha-mpanompon’ny distrika, mpanompo mpitety faritany izay mikarakara fizaran-tany maromaro, ny tenako. Nisy mpitory Vavolombelon’i Jehovah 12 000 tamin’izany teto Brezila, ary nisy distrika roa teto amin’ilay tany. Nanompo tany atsimo i Richard Wuttke, ary nahazo ny distrika tany avaratra aho. Tao amin’ny Betela izahay dia nampiofanina mba hahay handefa projecteur, hampisehoana ny horonan-tsary hoe La Société du Monde Nouveau en action sy ny hoe The Happiness of the New World Society, novokarin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tamin’ireny fotoana ireny dia tena hafa ny fanaovana dia lavitra. Tsy nisy nanana fiarakodia ny Vavolombelona, koa nandeha tamin’ny lakana voizina, saretin’omby, an-tsoavaly, kalesy, sy kalesy fitondrana entana, ary indray mandeha tamin’ny fiaramanidina, aho. Nampientam-po ny nanidina teo ambonin’ny ala amazoniana mba hitody tao Santarem, tanàna iray antsasa-dalana eo anelanelan’i Belem, eo amin’ny vava onin’i Amazona, sy Manaus, renivohitry ny fanjakan’i Amazonia. Vitsivitsy ireo fivoriamben’ny fizaran-tany nokarakarain’ny mpanompon’ny distrika tamin’izany, noho izany, dia nandany be dia be tamin’ny fotoanako aho nampisehoana ireo horonan-tsarin’ny Fikambanana. Tany amin’ireo tanàna lehibe kokoa, dia olona an-jatony maro no nanatrika.

Ny nanaitra ahy indrindra tany amin’ny faritra avaratr’i Brezila dia ny faritra amazoniana. Raha mbola nanompo tany aho tamin’ny Aprily 1957, dia tondraka ny Onin’i Amazona sy ireo sampany. Nanana tombontsoa nampiseho ny iray tamin’ireo horonan-tsary tany an’ala aho, ka namelatra efi-jery namboamboarina teo anelanelan’ny hazo roa. Avy tamin’ny kanoty iray mandeha maotera, niantsona teo amin’ilay ony teo akaiky ny herin’aratra ho an’ilay projecteur. Io no horonan-tsary voalohany mba hitan’ny ankamaroan’ny mpijery.

Tsy ela taorian’izay aho dia niverina tany amin’ny fanompoana tao amin’ny Betela, ary ny taona nanaraka, tamin’ny 1958, dia nanana tombontsoa nanatrika ilay Fivoriambe Niraisam-pirenena nanan-tantara nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, hoe “La volonté divine” natao tany New York. Ireo solontena avy tamin’ny tany 123 dia anisan’ireo olona 253 922 nameno ny Yankee Stadium sy ny Polo Grounds teo akaiky, tamin’ny andro famaranana io fivoriambe naharitra valo andro io.

Nahita fiovana teo amin’ny fiainako

Rehefa afaka fotoana fohy taorian’ny niverenako tany amin’ny Betela, dia nifankahalala tamin’i Clara Berndt aho, ary nivady izahay tamin’ny Martsa 1959. Voatendry tamin’ny asan’ny fizaran-tany tao amin’ny fanjakan’i Bahia izahay, ka nanompo tokony ho herintaona tany. Mbola tsaroanay sy i Clara amim-pifaliana ihany ny fanetren-tena sy ny fitiavana mandray vahiny, sy ny zotom-po ary ny fitiavan’ireo rahalahy tany; nahantra ara-nofo izy ireo, nefa nanankarena tamin’ny vokatr’ilay Fanjakana. Avy teo, dia nafindra tany amin’ny Fanjakan’i São Paulo izahay. Tany no bevohoka ny vadiko, tamin’ny 1960, ka tsy maintsy niala tamin’ny fanompoana manontolo andro izahay.

Nanapa-kevitra izahay ny hifindra tany amin’ny toerana iray tao amin’ny fanjakan’i Santa Catarina, izay toerana nahaterahan’ny vadiko. I Gerson zanakay lahy no zokiny tamin’ireo zanakay dimy. Nanaraka azy i Gilson tamin’ny 1962, i Talita tamin’ny 1965, i Tárcio tamin’ny 1969, ary i Janice tamin’ny 1974. Noho i Jehovah sy ny torohevitra tsara dia tsara omeny, dia afaka niatrika ny zava-tsarotra momba ny fitaizana azy ireo tao amin’ny “lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah”, izahay. — Efesiana 6:4, NW.

Mihevitra ho sarobidy ny tsirairay avy amin’ireo zanakay izahay. Nasehon’ny mpanao salamo tamin’ny fomba nifanentana tsara tokoa ny fihetseham-ponay: “Indro, lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro”. (Salamo 127:3). Na dia teo aza ireo zava-nanahirana, dia niahy ireo zanakay toy ny mety hatao amin’izay “lova avy amin’i Jehovah” izahay, nitadidy tao an-tsaina ny toromarika hita ao amin’ny Teniny. Maro ny valisoa. Nanome anay fifaliana tsy hay lazaina izy dimy mianadahy rehefa, noho ny sitrapony manokana, dia samy nifandimby naneho samirery ny faniriany hatao batisa ho mariky ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah. — Mpitoriteny 12:1.

Ny safidin’ireo zanakay

Dibo-kafaliana ny fonay rehefa nilaza i Gerson, tsy ela taorian’ny namitany fianarana momba ny informatika, fa naniry hanompo tany amin’ny Betela izy, ka araka izany dia nifidy ny fanompoana manontolo andro fa tsy asa manokana iray hatao eo amin’ny fiainana. Tsy mora tamin’i Gerson anefa ny fiainana tany amin’ny Betela tamin’ny voalohany. Rehefa avy nitsidika azy izahay taorian’ny efa-bolana monja naha-tao amin’ny Betela azy, dia nanaitra ahy mafy ny alahelo hita soritra teny amin’ny tarehiny rehefa nandao azy izahay. Hitako teo amin’ny rétroviseur-ny fiaranay izy nijery anay mandra-pandalonay ny fiolahana voalohany tamin’ny lalana. Nanganohano aoka izany ny ranomasoko, hany ka tsy maintsy nijanona teo amin’ny sisin-dalana aho talohan’ny nanohizana ny dianay nody nisy 700 kilaometatra.

Nanjary tena nankafy ny Betela i Gerson. Rehefa tany efa ho enin-taona izy, dia nanambady an’i Heidi Besser, ary niara-nanompo tany amin’ny Betela nandritra ny roa taona fanampiny izy ireo. Bevohoka i Heidi avy eo, ka tsy maintsy niala izy ireo. I Cintia zanany vavy, enin-taona ankehitriny, dia miaraka amin’izy ireo ao amin’ireo asa ataony mifandray amin’ilay Fanjakana.

Tsy ela taorian’ny nitsidihanay voalohany an’i Gerson tany amin’ny Betela, dia nilaza i Gilson, izay vao nahavita vao haingana ny taona voalohany tamin’ny fianarany momba ny varotra, fa naniry hanompo tany koa izy. Ny planiny dia ny hiverina amin’ny fianarany momba ny varotra aorian’ny fanompoana herintaona any amin’ny Betela. Niova anefa ny planiny, ka nijanona tao amin’ny fanompoana tany amin’ny Betela izy. Tamin’ny 1988, dia nanambady an’i Vivian Gonçalves, mpisava lalana iray, izay anarana iantsoana ireo mpanompo manontolo andro, izy. Hatramin’izao izy ireo dia miara-manompo any amin’ny Betela.

Nitohy ny fifalianay rehefa nisafidy ny hiditra tao amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana i Talita, zanakay fahatelo, tamin’ny 1986, taorian’ny nanaovana fianarana momba ny drafitsary. Telo taona tatỳ aoriana izy dia nasaina hiasa tany amin’ny Betela koa. Tamin’ny 1991, dia nanambady an’i José Cozzi, izay efa nanompo tany amin’ny Betela nandritra ny folo taona, izy. Manohy any izy ireo amin’ny maha-mpivady.

Finaritra indray izahay mivady rehefa namerina ilay fitenenana izay efa renay intelo, i Tárcio, ilay nanarakaraka: “Dada a, maniry ho any amin’ny Betela aho.” Nekena ny fangatahany, ary tamin’ny 1991, dia nanomboka ny fanompoana tany amin’ny Betela koa izy, ka nijanona tany hatramin’ny 1995 izy. Faly izahay fa nampiasa ny heriny tamin’ny naha-tanora mba hampandrosoana tamin’izany fomba izany ny tombontsoan’ny Fanjakan’i Jehovah izy, nandritra ny telo taona mahery.

Nanapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah i Janice zanakay faravavy, ary natao batisa teo amin’ny faha-13 taonany. Nandritra ny fianarany tany an-tsekoly, dia nanompo herintaona tamin’ny naha-mpisava lalana mpanampy izy. Avy eo, tamin’ny 1 Septambra 1993 dia nanomboka tamin’ny naha-mpisava lalana maharitra tao amin’ny kongregasionanay izy, eto amin’ny tanànan’i Gaspar.

Ny lalan’ny fahombiazana

Inona no fanalahidin’ny fihazonana ny fianakaviana iray ho tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah? Tsy mino aho hoe misy fomba mahagaga sasany. Nanome torohevitra tokony harahin’ny ray aman-dreny kristiana i Jehovah ao amin’ny Teniny, koa ny laza tsara rehetra dia tokony ho azy noho ireo vokatra tsara dia tsara hitanay. Niezaka fotsiny izahay nanaraka ny fitarihan-dalana avy aminy. (Ohabolana 22:6). Samy nandova avy tamiko ny toetra be fihetseham-po fahita eo amin’ny vahoaka latina sy ny toe-tsaina alemà mijery ny zavatra tena misy avy tamin’ny reniny, ireo zanakay rehetra. Ny zava-dehibe indrindra azony taminay anefa dia ny lova ara-panahy.

Nihodinkodina teo amin’ireo tombontsoan’ilay Fanjakana ny fiainana tato an-tokantranonay. Tsy mora ny fihazonana ho teo amin’ny loha laharana ireny tombontsoa ireny. Ohatra, nanana fahasahiranana foana izahay nihazona fianarana tsy tapaka ny Baiboly tao amin’ny faritry ny fianakaviana, kanefa tsy nitsahatra tamin’ny fiezahanay mihitsy izahay. Vao zaza menavava izy ireo dia efa samy nentina tany amin’ireo fivoriana kristiana ary koa tany amin’ireo fivoriambe. Ny aretina na ny zavatra hafa nilaina maika dia maika ihany no nisakana anay tsy handeha tany. Ho fanampin’izany, hatramin’ny fahazazany dia niaraka taminay teny amin’ny fanompoana kristiana ny ankizy.

Rehefa tokony ho folo taona ny ankizy dia nanomboka nandray anjara tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Nampianay izy ireo nanomana ny anjarany voalohany, nampirisika azy izahay hampiasa planina fa tsy lahateny iray natao sora-tanana. Tatỳ aoriana, dia samy nanomana ny lahateniny manokana ny tsirairay. Afa-tsy izany koa, rehefa teo anelanelan’ny folo sy roa ambin’ny folo taona izy ireo, dia samy nanomboka nandray anjara tsy tapaka tamin’ny fanompoana. Izany no hany fomba fiaina fantatr’izy ireo.

Nandray anjara tena lehibe tamin’ny fitaizana ny zanakay i Clara vadiko. Isaky ny alina, fony izy ireo mbola kely — fotoana andraisan’ny ankizy, tahaka ny spaonjy, izay rehetra ampianarina azy — dia namakian’i Clara tantara tao amin’ny Baiboly izy ireo ary niara-nivavaka tamin’ny tsirairay avy izy. Nampiasainy tamin’ny fomba tsara ny boky Eo Amin’ny Paradisa Very ka Hatreo Amin’ny Paradisa Azo Indray, Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe, sy Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly.a Rehefa nanjary nisy ireo fitaovana momba ny haino aman-jery nomanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nampiasainay koa izy ireny.

Ny zavatra hitanay tamin’ny naha-ray aman-dreny kristiana anay dia manamarina fa mila fiheverana isan’andro ny ankizy. Anisan’ny zavatra fototra ilain’ny tanora ny fitiavana lalina sy fiahiana manokana ary fotoana be dia be. Tsy nihevitra fotsiny izahay fa andraikitray amin’ny maha-ray aman-dreny anay ny manome fahafaham-po amin’ireo zavatra ilaina ireo araka izay tsara indrindra vitanay, fa nahazo fahafinaretana lehibe tamin’ny fanaovana izany koa izahay.

Tena manome fahafaham-po marina ho an’ny ray aman-dreny ny mahatsapa ny fahatanterahan’ny teny ao amin’ny Salamo 127:3-5 hoe: “Indro, lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro; tamby ny ateraky ny kibo. Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan’ny mahery ny zanaky ny fahatanorana. Sambatra izay mameno ny tranon-jana-t[si]pìkany amin’ireny”. Nampifaly anay tokoa ny fanompoana an’i Jehovah amin’ny maha-fianakaviana tafaray!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc. izy rehetra ireo.

[Sary, pejy 26]

Antonio Santoleri miaraka amin’ny fianakaviany akaiky

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara