FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/2 p. 20-23
  • Notohanan’ny Fatokiako An’i Jehovah Aho

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Notohanan’ny Fatokiako An’i Jehovah Aho
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fahazoako fatokiana an’i Jehovah
  • Nohatanjahin’ny fanaovan-javatra ara-panahy aho
  • Nihaniitatra ny fanompoako manontolo andro
  • Ireo asa nanendrena ahy tato amin’ny Betela
  • Ny tranon’ny Betelanay
  • Tombontsoa ankamamina
  • Mety ho io ve no Asa Tsara Indrindra ho Anao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Faly Manasa Anao Izahay!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Vonona Hanompo ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Fanompoana An’i Jehovah Amin’ny Maha-fianakaviana Tafaray
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/2 p. 20-23

Notohanan’ny Fatokiako An’i Jehovah Aho

NOTANTARAIN’I AGENOR DA PAIXÃO

Maty voan’ny braonsita i Paul, hany zanakay lahy, fony izy vao 11 volana monja. Telo volana tatỳ aoriana, tamin’ny 15 Aogositra 1945, dia maty voan’ny pnemonia ny vady tsy foiko. Valo amby roapolo taona aho tamin’izay, ary nahatonga ahy halahelo sy ho ory ireo fahoriana ireo. Kanefa, nanohana ahy ny fatokiana an’i Jehovah sy ireo fampanantenany. Mamelà ahy hitantara ny fomba nahazoako io fatokiana io.

HATRAMIN’NY nahaterahako tamin’ny 5 Janoary 1917, tany Salvador, tao amin’ny Fanjakan’i Bahia, eto Brezila, dia nampianatra ahy hivavaka tamin’ireo ‘olo-masin’ny’ Eglizy Katolika i Neny. Namoha anay sy ireo rahalahiko vao maraina mihitsy aza izy mba hahafahanay hiara-mivavaka. Kanefa, nanatrika ireo fotoam-pivoriana candomblé, ilay fombafomba vaudou afrikana-breziliana, koa ireo ray aman-dreniko. Nanaja an’ireo finoana ireo aho, nefa tsy nanana fatokiana an’ireo antsoina hoe olo-masin’ny Fivavahana Katolika na ny an’ny candomblé. Ny nandiso fanantenana ahy indrindra dia ny fanavakavaham-bolon-koditra niharihary tao amin’ireo fivavahana ireo.

Rehefa nandeha ny fotoana, ireo zokiko roa lahy dia niala tao an-trano mba hitady asa. Tatỳ aoriana, dia nandao ny fianakaviana ny raiko. Koa teo amin’ny fahasivy taonako, dia tsy maintsy nitady asa aho mba hanampiana ny reniko sy ny zandriko vavy. Tokony ho 16 taona tatỳ aoriana, dia nitondra fiovana lehibe teo amin’ny fiainako ny resaka nifanaovako tamin’ny mpiara-miasa iray tao amin’ny orinasa.

Ny fahazoako fatokiana an’i Jehovah

Nifankahalala tamin’i Fernando Teles aho tamin’ny 1942. Nilaza matetika izy fa ratsy ny mivavaka amin’ireo “olo-masina”. (1 Korintiana 10:14; 1 Jaona 5:21). Tsy nihaino azy aho tamin’ny voalohany. Nanintona ahy anefa ny fahatsoram-pony sy ny fahalianany tamin’ny olona, na inona na inona volon-koditr’izy ireo, ary nanjary nahatalanjona ahy ny fahaizany Baiboly, indrindra fa izay nolazainy momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny tany ho zary paradisa. (Isaia 9:5, 6; Daniela 2:44; Apokalypsy 21:3, 4). Rehefa nahamarika ny fahalianako izy, dia nanome ahy Baiboly iray sy zavatra vita an-tsoratra sasantsasany.

Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nanaiky fanasana ho any amin’ny fianarana Baibolin’ny kongregasiona aho. Nianatra an’ilay boky hoe Religion, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society ilay antokon’olona. Nankafy an’ilay fianarana aho ary nanomboka nanatrika ny fivoriana rehetra nataon’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny nanaitra ny saiko indrindra dia ny tsy fisian’ny fanavakavahana sy ny fomba nandraisana ahy avy hatrany. Tokony ho tamin’io fotoana io, dia nanomboka niaraka tamin’i Lindaura aho. Rehefa niresaka taminy momba izay nianarako aho, dia nanomboka nanatrika ireo fivoriana niaraka tamiko izy.

Ny zavatra iray hafa nanaitra ny saiko tany amin’ireo fivoriana, dia ny fanantitranterana momba ny asa fitoriana. (Matio 24:14; Asan’ny Apostoly 20:20). Noho ny fampirisihan’ireo mpisava lalana, araka ny iantsoana ny mpanompo manontolo andro, dia nanomboka niresaka tsy ara-potoana tamin’ny hafa teny ambony lamasinina aho, rehefa nanao dia nandroso sy niverina avy niasa. Rehefa nahita olona liana aho, dia naka ny adiresiny ary nitsidika azy mba hiezaka hanolokolo izany fahalianana izany.

Nandritra izany fotoana izany, dia tsy nitsahatra nitombo ny fatokiako an’i Jehovah sy ilay fandaminana ampiasainy. Araka izany, rehefa avy nihaino lahateny ara-baiboly iray momba ny fanoloran-tena kristiana aho, dia natao batisa tao amin’ny Oseana Atlantika, tamin’ny 19 Aprily 1943. Tamin’io andro io ihany, dia nandray anjara voalohany tamin’ny fanompoana isan-trano voalamina aho.

Tapa-bolana tatỳ aoriana, tamin’ny 5 May, dia nivady izahay sy i Lindaura. Avy eo, tamin’ny Aogositra 1943, dia natao batisa izy nandritra ny fivoriambe voalohany nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny tanànan’i Salvador. Nilaza toy izao momba io fivoriambe io ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1973: “Nahavita nanakana ny fanaovana ilay lahateny ampahibemaso tao Salvador ny zavatra nataon’ny klerjy, nefa efa vita aloha ny fanambarana fampahafantarana betsaka.” Ny porofon’ny fitarihan-dalan’i Jehovah tao anatin’ny fanenjehana mafy dia nanatanjaka ny fatokiako azy.

Araka ny notantaraiko terỳ am-piandohana, roa taona monja taorian’ny batisan’i Lindaura — ary telo volana taorian’ny nahafatesan’ny zanakay lahy — dia maty ny vady malalako. Vao 22 taona monja izy. Kanefa, nanohana ahy nandritra ireny volana sarotra ireny ny fatokiako an’i Jehovah.

Nohatanjahin’ny fanaovan-javatra ara-panahy aho

Tamin’ny 1946, herintaona taorian’ny namoizako ny vady aman-janako, dia voatendry ho mpikarakara ny fianarana Baiboly tao amin’ilay hany kongregasiona nisy tamin’izay tao Salvador aho. Tamin’io taona io ihany, dia natomboka ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika tao amin’ireo kongregasiona teto Brezila, ary nanjary ny mpitarika voalohany an’ilay sekoly tao amin’ny fanjakan’i Bahia aho. Avy eo, tamin’ny Oktobra 1946, dia natao tao amin’ny tanànan’i São Paulo ny Fivoriambe Teokratika “Firenena Falifaly”. Nilaza ilay mpampiasa ahy efa nandritra ny folo taona fa nila ahy izy ary nanery ahy tsy handeha. Kanefa, rehefa avy nohazavaiko taminy fa ho tena zava-dehibe tamiko ny fanatrehako an’ilay fivoriambe, dia nanao fanomezana vola be ho ahy izy ary nirary ahy ho tonga soa.

Ny fotoam-pivoriana tao amin’ny Teatira Monisipalin’i São Paulo dia natao tamin’ny teny portogey — ny fiteny ampiasaina eto Brezila — ary koa tamin’ny teny anglisy, alemà, hongroà, poloney, ary rosiana. Navoaka tamin’io fivoriambe io ny gazety Mifohaza! amin’ny teny portogey. Nihetsi-po aoka izany aho tamin’ilay fivoriambe — nisy 1 700 teo ho eo no nanatrika ny lahateny ampahibemaso — hany ka nameno taratasy fangatahana mba hanombohana ny asan’ny mpisava lalana ny 1 Novambra 1946.

Tamin’izany fotoana izany, dia nampiasa grafofaonina be dia be izahay teo amin’ny asan’ny mpisava lalana nataonay. Ilay lahateny hoe “Fiarovana” no nalefanay matetika ho an’ireo tompon-trano. Taorian’izany, dia hoy izahay hoe: “Mba hiarovantsika tena amin’ny fahavalo tsy hita maso iray, dia tsy maintsy mifikitra amin’ny namana iray izay tsy hita maso koa isika. I Jehovah no namantsika akaiky indrindra ary izy dia mahery lavitra noho ilay fahavalontsika, i Satana. Koa tsy maintsy mifikitra akaiky amin’i Jehovah isika mba hiarovantsika tena amin’izy io.” Avy eo izahay dia nanolotra ny bokikely Protection izay nanome fanazavana fanampiny.

Efa mpisava lalana nandritra ny herintaona latsaka aho, raha naharay fanasana ho tonga mpisava lalana manokana tao amin’ny Kongregasionan’i Carioca ao Rio de Janeiro. Tany izahay dia niatrika fanoherana mafy indraindray. Tena notafihin’ny tompon-trano iray i Ivan Brenner, namako, indray andro. Niantso ny polisy ireo mpifanila trano, ary nentina tany amin’ny paositry ny polisy izahay rehetra.

Nandritra ilay fakana am-bavany, ilay tompon-trano romotra dia niampanga anay ho nanakotaba ny filaminana. Nanome baiko azy hangina ilay sefon’ny polisy. Avy eo dia nitodika tany aminay izy ary, tamin’ny feo feno fahalemem-panahy, dia nilaza fa afaka nandeha izahay. Nohazoniny anefa ilay mpiampanga anay ary nomelohiny ho nanao fanafihana. Ny tarehin-javatra toy izany dia nanohana ny fatokiako an’i Jehovah.

Nihaniitatra ny fanompoako manontolo andro

Tamin’ny 1 Jolay 1949, dia nientam-po aho rehefa nasaina hiasa tato amin’ny Betela, araka ny iantsoana ny trano lehibe indrindran’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny tany iray. Tao amin’ny 300 Lalana Licínio Cardoso, tao Rio de Janeiro, no nisy ny Betelan’i Brezila tamin’izay. Tamin’izany fotoana izany, dia tsy nisy afa-tsy 17 monja ny fianakavian’ny Betela iray manontolo. Nandritra ny fotoana kelikely, dia nikarakara ny Kongregasionan’i Engenho de Dentro teo an-toerana aho, nefa tatỳ aoriana dia voatendry ho mpiandraikitra mpitantan-draharaha tao amin’ilay hany kongregasiona tao Belford Roxo, tanàna iray any amin’ny kilaometatra vitsivitsy avy eo Rio de Janeiro.

Betsaka ny zavatra natao nandritra ireo faran’ny herinandro. Ny asabotsy aho dia nandeha lamasinina nankany Belford Roxo, nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha tamin’ny tolakandro, ary avy eo dia nankany amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika sy ny Fivoriana Momba ny Fanompoana tamin’ny takariva. Natory tany amin’ny tranon’ireo rahalahy aho tamin’ny alina ary nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha ny ampitso maraina. Ny tolakandron’io aho dia nanatrika ny lahateny ampahibemaso ara-baiboly sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ary niverina tatỳ amin’ny Betela tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany alina. Misy kongregasiona 18 ao Belford Roxo amin’izao fotoana izao.

Tamin’ny 1954, rehefa avy nanaraka io fandaharam-potoana io nandritra ny telo taona sy tapany aho, dia voatendry hiverina tany Rio de Janeiro ho mpiandraikitra mpitantan-draharaha tao amin’ny Kongregasionan’i São Cristóvão. Nandritra ireo folo taona nanaraka, dia niara-nanompo tamin’io kongregasiona io aho.

Ireo asa nanendrena ahy tato amin’ny Betela

Ny asa nanendrena ahy voalohany tato amin’ny Betela, dia ny hanorina garazy iray ho an’ilay hany fiaran’ny Fikambanana, kamiaonety Dodge 1949 iray, izay nahazo ny anaram-bosotra hoe Sokolà noho ny lokony volontsokolà. Rehefa vita ilay garazy, dia voatendry hiasa tao an-dakozia aho, ary nijanona tao telo taona. Avy eo aho dia nafindra ho ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanontam-pirinty Madinika, izay misy ahy efa hatramin’ny 40 taona mahery izao.

Efa avy nampiasaina ny ankamaroan’ny fitaovana fanontam-pirinty nanananay. Ohatra, nandritra ny taona maro, izahay dia nanana fanontam-pirinty ampiasana plaky izay nantsoinay tamim-pitiavana hoe Sarah, avy amin’ny anaran’ny vadin’i Abrahama. Efa nampiasaina nandritra ny taona maro tao amin’ny orinasan’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower, ao Brooklyn, any New York, izy io. Avy eo, tamin’ireo taona 1950, dia nalefa tatỳ Brezila ilay izy. Eto, toy ny vadin’i Abrahama, dia namokatra izy io, teo amin’ny fahanterany — gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!

Tsy nitsahatra ny ho talanjona mihitsy aho noho ny fitomboan’ny isan’ny zavatra vita an-tsoratra novokarin’ny fanontam-pirinty eto Brezila. Tamin’ny taona 1953 manontolo, dia nanao pirinty gazety 324 400 izahay, nefa izao, ny vokatra dia mihoatra ny telo tapitrisa isam-bolana!

Ny tranon’ny Betelanay

Nampientana ny nijery ny fitaran’ny tranon’ny Betelanay eto Brezila arakaraka ny fandehan’ireo taona. Tamin’ny 1952, dia nanorina orinasa nisy rihana roa tao andamosin’ny fonenanay tao Rio de Janeiro izahay. Avy eo, tamin’ny 1968, ny Betela dia nafindra tao amin’ny trano vaovao iray tao amin’ny tanànan’i São Paulo. Rehefa nifindra tao izahay, ny zavatra rehetra dia toa lehibe sy nalalaka ho an’ny fianakavian’ny Betelanay nisy mpianakavy 42. Tena nihevitra izahay fa hampiasaina ho amin’ny fitomboana rehetra ho hitanay amin’ny hoavy io trano io. Kanefa, tamin’ny 1971, dia naorina ny trano fanampiny roa nisy rihana dimy avy, novidina sy nohavaozina ary nampiraisina tamin’io fitambaran-trano io ny orinasa fanampiny iray. Tao anatin’ny taona vitsivitsy anefa, ny fitomboana tsy an-kijanona teo amin’ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana — nihoatra ny 100 000 izahay tamin’ny 1975 — dia nitaky toerana nalalaka kokoa.

Noho izany, dia naorina ny fitambaran-trano vaovao tokony ho tany amin’ny 140 kilaometatra avy teo São Paulo, teo akaikin’ny tanàna kelin’i Cesário Lange. Tamin’ny 1980, dia nafindra tao amin’ireo trano vaovao ireo ny fianakavian’ny Betela nisy mpianakavy 170. Nanomboka tamin’izay, dia nitombo tsy nisy ohatra izany ny asan’ilay Fanjakana. Misy 410 000 mahery izahay izao no mandray anjara tsy tapaka amin’ny asa fitoriana eto Brezila! Mba hikarakarana ny zavatra ara-panahy ilain’ireo mpitory ilay Fanjakana rehetra ireo, dia tsy maintsy nanohy nanorina orinasa vaovao izahay mba hanaovana pirinty zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly, ary koa trano fonenana vaovao mba hipetrahan’ireo mpiasa an-tsitrapo eto amin’ny Betela. Misy tokony ho 1 100 izao ny mpikambana ao amin’ny fianakavian’ny Betela!

Tombontsoa ankamamina

Mihevitra ny fanompoana ato amin’ny Betela ho tombontsoa sarobidy aho. Araka izany, na dia nihevitra ny hanambady indray aza aho tany aloha kokoa, dia nifidy ny hifantoka tamin’ny fomba feno tamin’ireo tombontsoako teto amin’ny Betela sy tamin’ny asa fitoriana. Teto aho dia nahita fahafinaretana niara-nanompo tamin’ny tanora tsy tambo isaina tao amin’ny fanontam-pirinty sy nampiofana azy ireo teo amin’ny asa nanendrena azy. Niezaka nandray azy ireo toy ny zanako aho. Loharanom-pampaherezana lehibe ho ahy ny zotom-pony sy ny tsy fitiavan-tenany.

Tombontsoa iray hafa ny nankafy ny fiarahana tamin’ireo mpiray efitrano tsara dia tsara, arakaraka ny fandehan’ireo taona. Marina fa miteraka zava-tsarotra indraindray ny tsy fitovian-toetra. Kanefa, nianatra ny tsy hanantena fahatanterahana avy amin’ny hafa aho. Nikely aina aho hanalavitra ny hanitatra zava-manahirana madinika na ny hihevi-tena ho zavatra loatra. Ny fihomehezana noho ny fahadisoan’ny tenako dia nanampy ahy hizaka ny an’ny hafa.

Tombontsoa sarobidy iray hafa nankafiziko koa ny nahafahako nanatrika fivoriambe niraisam-pirenena lehibe tany Etazonia. Ny iray tamin’ireny dia ny Fivoriambe “Vaovao Tsara Mandrakizay”, natao tao amin’ny Yankee Stadium, New York, tamin’ny 1963, ary ilay hafa dia ny Fivoriambe Niraisam-pirenena “Fiadanana Ambonin’ny Tany” natao tao amin’io toerana io ihany tamin’ny 1969. Fony aho tany, dia nahita fifaliana aho nitsidika ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah teo akaiky teo, ao Brooklyn, any New York!

Tombontsoa ho ahy koa, nandritra ny folo taona, ny nandray anjara — nifandimby tamin’ny loholona hafa — tamin’ny fitarihana ny fanompoam-pivavahana maraina ataon’ny fianakavian’ny Betela. Kanefa, ny tombontsoa lehibe indrindra, izay nitondra fifaliana sy fampaherezana lehibe ho ahy, dia ny fitondrana ny hafatra momba ilay Fanjakana any amin’ny olona tso-po, toy ny nataon’ny Tompontsika, i Jesosy Kristy.

Tato anatin’ireo taona faramparany, dia voan’ny aretina Parkinson aho ka voatery mizaka azy. Loharanom-panampiana sy fampiononana tsy an-kijanona ho ahy ny fikarakarana amim-pitiavana ataon’ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ny toeram-pitsaboan’ny Betela. Amim-patokiana feno, dia mivavaka aho mba hanomezan’i Jehovah ahy ny hery hanohizana hanao ny faran’izay vitako, ho tombontsoan’ny fanompoam-pivavahana marina aminy.

[Sary, pejy 23]

Ny sampan’i Brezila izay onenako izao

Miaraka amin’ny vadiko, izay maty tamin’ny 1945

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara