Ny Fitoerana ho Mpitovo — Varavarana ho Amin’ny Asa Tsy Voahelingelina
“[Izany dia] midika ho fanompoana ny Tompo tsy an-kijanona, tsy misy fanelingelenana.” — 1 KORINTIANA 7:35, NW.
1. Vaovao nanahiran-tsaina inona no tonga tany amin’i Paoly momba ireo Kristiana tany Korinto?
NANAHY ny amin’ireo rahalahiny kristiana tany Korinto, any Grisia, ny apostoly Paoly. Tokony ho dimy taona talohan’izay no nanorenany ilay kongregasiona tao amin’io tanàna nanankarena io izay fanta-daza noho ny fahalotoam-pitondran-tena teo aminy. Izao, tokony ho tamin’ny 55 am.f.i., raha tany Efesosy tany Azia Minora izy, dia naharay tatitra nampanahy avy tany Korinto momba ny fifampiandaniana sy ny fileferana tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena tena lehibe iray. Ankoatra izany, i Paoly dia naharay taratasy avy tamin’ireo Kristiana korintiana, nangataka tari-dalana momba ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, ny fitoerana ho mpitovo, ny fanambadiana sy ny fisarahana ary ny fanambadiana fanindroany.
2. Niharihary fa nanao ahoana no fiantraikan’ny fahalotoam-pitondran-tena niely patrana tany Korinto teo amin’ireo Kristiana tao amin’io tanàna io?
2 Ny fahalotoam-pitondran-tena nibaribary izay niely patrana tao Korinto dia toa nisy fiantraikany teo amin’ilay kongregasiona teo an-toerana tamin’ny fomba roa. Nanaiky ho resin’ilay rivo-piainana baranahiny ara-pitondran-tena ny Kristiana sasany, ka nilefitra tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena. (1 Korintiana 5:1; 6:15-17). Nanoloana ireo fahafinaretana amin’ny filan’ny nofo izay nisy hatraiza hatraiza tao amin’ilay tanàna, dia niharihary fa ny hafa dia nanao zavatra tafahoatra ka nampirisika ny fifadiana izay mety ho firaisana rehetra, na dia ho an’ny mpivady aza. — 1 Korintiana 7:5.
3. Raharaha inona avy aloha no novoaboasan’i Paoly tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintiana?
3 Tao amin’ilay taratasy lava be izay nosoratan’i Paoly ho an’ny Korintiana, dia niresaka momba ilay zava-nanahirana nahakasika ny fisaratsarahana aloha izy. (1 Korintiana, toko 1-4). Nananatra azy ireo izy mba hanalavitra ny fanarahana olona izay tsy hitarika afa-tsy ho amin’ny fisaratsarahana manimba. Tokony ho tafaray izy ireo amin’ny maha-“mpiara-miasa” amin’Andriamanitra azy. Avy eo izy dia nanome azy ireo toromarika voafaritra tsara momba ny hitanana ny kongregasiona ho madio ara-pitondran-tena. (Toko faha-5, 6). Niresaka momba ilay taratasin’izy ireo ilay apostoly nanaraka izany.
Nampirisihana ny fitoerana ho mpitovo
4. Inona no tian’i Paoly holazaina fony izy nilaza fa “tsara amin’ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory”?
4 Nanomboka toy izao izy: “Ary ny amin’ireo zavatra nosoratanareo, dia tsara amin’ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory.” (1 Korintiana 7:1). Ilay fitenenana hoe “tsy mikasi-behivavy” eto, dia midika hoe manalavitra fifampikasihana ara-batana amin’ny vehivavy iray mba hahazoana fahafinaretana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Koa satria i Paoly efa avy nanameloka ny fijangajangana, izao izy dia nanintona ny saina ho amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ao anatin’ny faritry ny fanambadiana. Noho izany, izao i Paoly dia nampirisika ny hitoerana ho mpitovo. (1 Korintiana 6:9, 16, 18; ampitahao amin’ny Genesisy 20:6; Ohabolana 6:29.) Nanoratra toy izao izy erỳ lavidavitra kokoa: “Fa hoy izaho amin’ny tsy manam-bady sy ny mpitondratena kosa: Tsara aminy raha mitoetra tahaka ahy izy.” (1 Korintiana 7:8). Tsy nanambady i Paoly, angamba efa maty vady izy. — 1 Korintiana 9:5.
5, 6. a) Nahoana no mazava fa tsy nampirisika fomba fiaina toy ny any amin’ny monasitera i Paoly? b) Nahoana i Paoly no nampirisika ny hitoerana ho mpitovo?
5 Azo inoana fa ireo Kristiana tany Korinto dia nanjary nahafanta-javatra momba ny filozofia grika izay noderain’ny sekoly sasany ho faran’izay nampijaly tena, na nampihafy tena. Mety ho izany ve no nahatonga ireo Korintiana hanontany an’i Paoly raha “tsara” ho an’ny Kristiana ny fanalavirana izay mety ho firaisana rehetra eo amin’ny lahy sy ny vavy? Tsy nanome taratry ny filozofia grika ny valin-tenin’i Paoly. (Kolosiana 2:8). Tsy sahala amin’ireo teolojiana katolika izy, fa tsy nampirisika na aiza na aiza ny hananana fiainan’ny mpitovo feno fampijalian-tena any amin’ny monasitera na couvent, toy ny hoe masina amin’ny fomba manokana ny mpitovo ka afaka nandray anjara tamin’ny famonjena ny tenany tamin’ny fomba fiainany sy ireo vavaka nataony.
6 Nampirisika ny hitoerana ho mpitovo “noho ny fahoriana miseho ankehitriny”, i Paoly. (1 Korintiana 7:26). Nety ho nanondro ny fotoan-tsarotra nodiavin’ireo Kristiana izy, ka izany dia nety ho nampitomboin’ny fanambadiana. (1 Korintiana 7:28). Ny toroheviny ho an’ireo Kristiana tsy manambady dia hoe: “Tsara aminy raha mitoetra tahaka ahy izy.” Ho an’ireo lehilahy maty vady, dia izao no nolazainy: “Tsy manam-bady va hianao? Aza mitady vady.” Nanoratra toy izao ny amin’ny vehivavy kristiana maty vady izy: “Raha araka ny hevitro, sambatra kokoa izy raha mitoetra toy izao ihany; ary ataoko fa izaho koa manana ny Fanahin’Andriamanitra.” — 1 Korintiana 7:8, 27, 40.
Tsy misy fanerena hitoetra ho mpitovo
7, 8. Inona no mampiseho fa tsy nanery Kristiana na iza na iza hitoetra ho mpitovo, i Paoly?
7 Tsy isalasalana fa nitarika an’i Paoly ny fanahy masin’i Jehovah fony izy nanome io torohevitra io. Ilay famelabelarana manontolo nataony momba ny fitoerana ho mpitovo sy ny fanambadiana dia mampiseho fahaiza-mandanjalanja sy fitanan-tena. Tsy nataony ho raharaha momba ny fahatokiana na ny tsy fahatokiana ilay izy. Raharaha momba ny safidy malalaka kosa izy io, mampirisika ny fitoerana mpitovo ho an’ireo izay afaka mitoetra ho madio ara-pitondran-tena eo amin’izany toerana izany.
8 Raha vantany vao avy nilaza i Paoly hoe “tsara amin’ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory”, dia nanampy teny toy izao izy: “Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.” (1 Korintiana 7:1, 2). Rehefa avy nanoro hevitra ny olona tsy manambady sy ny vehivavy maty vady mba ‘hitoetra tahaka azy’ izy, dia mailaka ny nanampy teny hoe: “Nefa raha tsy maharitra izy, dia aoka hanam-bady ihany; fa tsara ny manam-bady noho ny ho maimay.” (1 Korintiana 7:8, 9). Ny toroheviny ho an’ireo lehilahy maty vady indray dia hoe: “Aza mitady vady. Nefa na dia hanam-bady aza hianao, dia tsy manota tsy akory”. (1 Korintiana 7:27, 28). Manome taratry ny fahalalahana hanao safidy io torohevitra voalanjalanja io.
9. Araka an’i Jesosy sy i Paoly, amin’ny ahoana ny fanambadiana sy ny fitoerana ho mpitovo no samy fanomezana avy amin’Andriamanitra?
9 Nasehon’i Paoly fa samy fanomezana avy amin’Andriamanitra avokoa ny fanambadiana sy ny fitoerana ho mpitovo. “Tiako ho tahaka ahy ny olona rehetra; kanefa samy manana izay [fanomezana, NW ] nomen’Andriamanitra azy avy, ka ny anankiray toy izao, ary ny anankiray toy izao kosa.” (1 Korintiana 7:7). Tsy isalasalana fa izay nolazain’i Jesosy no tao an-tsainy. Rehefa avy noporofoin’i Jesosy fa avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana, dia nasehony fa ny fitoerana ho mpitovo an-tsitrapo mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana dia fanomezana manokana: “Tsy ny olona rehetra no [manome toerana ho an’izany, NW ] teny izany, fa izay nomena ihany; fa misy ionoka, izay teraka ionoka hatrany an-kibon-dreniny; ary misy ionoka, izay nataon’ny olona ionoka; ary misy ionoka, izay nanao ny tenany ionoka noho ny fanjakan’ny lanitra. Aoka [hanome toerana ho an’izany izay afaka manome toerana ho an’izany, NW ].” — Matio 19:4-6, 11, 12.
Fanomezana toerana ho an’ny fitoerana ho mpitovo izay fanomezana
10. Ahoana no hahafahan’ny olona iray “hanome toerana” ho an’ny fitoerana ho mpitovo izay fanomezana?
10 Na dia samy niresaka ny amin’ny fitoerana ho mpitovo ho “fanomezana” aza i Jesosy sy i Paoly, dia tsy nisy tamin’izy ireo nilaza fa fanomezana mahagaga ilay izy ka ny sasany ihany no afaka manana azy. Nilaza i Jesosy fa “tsy ny olona rehetra no manome toerana” ho an’izany fanomezana izany, ary nampirisihiny ireo izay afaka manao izany mba “hanome toerana ho an’izany”, dia zavatra izay nataon’i Jesosy sy i Paoly. Marina fa nanoratra i Paoly hoe: “Tsara ny manam-bady noho ny ho maimay”, kanefa dia niresaka ny amin’ireo “tsy maharitra [“tsy manana fifehezan-tena”, NW ]” izy. (1 Korintiana 7:9). Tao anatin’ireo asa soratra taloha kokoa, i Paoly dia naneho fa azon’ny Kristiana halavirina ny ho maimay. (Galatiana 5:16, 22-24). Ny hoe mandeha araka ny fanahy dia midika ho famelana ny fanahin’i Jehovah hitarika ny dingana rehetra ataontsika. Afaka manao izany ve ireo tanora kristiana? Eny, raha manaraka akaiky ny Tenin’i Jehovah izy ireo. Nanoratra toy izao ny mpanao salamo: “Inona no hiarovan’ny zatovo [lahy na vavy] ny làlan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao.” — Salamo 119:9.
11. Inona no dikan’ny hoe ‘mandeha araka ny fanahy’?
11 Izany dia mahatafiditra fitandreman-tena amin’ireo hevitra milefitra loatra aely amin’ny alalan’ny fandaharana maro ao amin’ny televiziona, sinema, lahatsoratra an-gazetiboky, boky sy tonon-kira. Mirona ho amin’ny nofo ireny hevitra ireny. Ny tanora kristiana na lahy na vavy, izay maniry hanome toerana ho an’ny fitoerana ho mpitovo, dia tokony ‘tsy handeha araka ny nofo, fa araka ny fanahy. Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny fanahy’. (Romana 8:4, 5, izahay no manao sora-mandry.) Ireo zavatry ny fanahy dia mahitsy, madio, mahate ho tia, tsara laza. Tsara raha manohy ‘mihevitra’ izany ireo Kristiana tanora sy antitra. — Filipiana 4:8, 9.
12. Inona indrindra no tafiditra amin’ny hoe manome toerana ho an’ny fitoerana ho mpitovo izay fanomezana?
12 Ny hoe manome toerana ho an’ny fitoerana ho mpitovo izay fanomezana, dia mahakasika indrindra indrindra faniriana mafy an’io zava-kendrena io sy fivavahana amin’i Jehovah mba hahazoana fanampiana amin’ny fanatratrarana azy io. (Filipiana 4:6, 7). Nanoratra toy izao i Paoly: “Fa raha misy kosa efa vonona ao am-pony, sady tsy misy mahatery azy, fa manana fahefana eo amin’ny safidiny manokana ka nanao izao fanapahan-kevitra izao tao am-pony, ny hihazona ny maha-virjiny azy, dia hanao tsara izy. Noho izany, izay manome ny maha-virjiny azy ho amin’ny fanambadiana koa dia manao tsara, nefa izay tsy manome izany ho amin’ny fanambadiana dia hanao tsara kokoa.” — 1 Korintiana 7:37, 38, NW.
Ny fitoerana ho mpitovo misy zava-kendrena
13, 14. a) Fampitahana inona no nataon’ny apostoly Paoly teo amin’ny Kristiana manambady sy ny tsy manambady? b) Ahoana ihany no ahafahan’ny Kristiana mpitovo manao “tsara kokoa” noho ireo izay manambady?
13 Tsy hoe mendri-piderana amin’izao fotsiny akory ny fitoerana ho mpitovo. Amin’ny heviny ahoana àry no mety haha-“tsara kokoa” azy io? Raha ny marina, izany dia miankina amin’ny fomba ampiasan’ny olona iray ny fahalalahana entin’izy io. Nanoratra toy izao i Paoly: “Eny tokoa, tiako ho afaka amin’ny fanahiana ianareo. Ny lehilahy tsy manambady dia manahy ny amin’ny zavatry ny Tompo, ny amin’ny fomba mety hahazoany ny fankasitrahan’ny Tompo. Fa ny lehilahy manambady kosa dia manahy ny amin’ny zavatra eo amin’izao tontolo izao, ny amin’ny fomba mety hahazoany ny fankasitrahan’ny vadiny, ka voazarazara izy. Ankoatra izany, ny vehivavy tsy manambady sy ny virjiny dia manahy ny amin’ny zavatry ny Tompo, mba hahatonga azy ho masina na eo amin’ny tenany na eo amin’ny fanahiny. Kanefa ny vehivavy manambady dia manahy ny amin’ny zavatra eo amin’izao tontolo izao, ny amin’ny fomba mety hahazoany ny fankasitrahan’ny vadiny. Fa milaza izany aho mba ho tombontsoanareo manokana, tsy hoe hanipy tadivavarana eo aminareo aho, fa mba hampirisihana anareo hanao izay mendrika sy izay midika ho fanompoana ny Tompo tsy an-kijanona, tsy misy fanelingelenana.” — 1 Korintiana 7:32-35, NW.
14 Ny Kristiana mpitovo iray izay mampiasa ny toerany amin’ny maha-tsy manambady azy mba hikatsahana zava-kendrena feno fitiavan-tena dia tsy manao “tsara kokoa” noho ireo Kristiana manambady. Mitoetra ho mpitovo izy, tsy ‘noho ilay fanjakana’, fa noho ny antony an’ny tenany manokana. (Matio 19:12). Ilay lehilahy na vehivavy tsy manambady dia tokony ‘hanahy ny amin’ny zavatry ny Tompo’, hanahy “ny amin’ny fomba mety hahazoany ny fankasitrahan’ny Tompo”, sy hanao “fanompoana ny Tompo tsy an-kijanona, tsy misy fanelingelenana”. Izany dia midika ho fanokanana fiheverana tsy mizarazara ho an’ny fanompoana an’i Jehovah sy i Jesosy Kristy. Amin’ny fanaovana toy izany ihany ireo lehilahy sy vehivavy kristiana tsy manambady no manao “tsara kokoa” noho ireo Kristiana manambady.
Asa tsy misy fanelingelenana
15. Inona no hevi-dehibe indrindra tamin’ilay fanaporofoan-kevitra nataon’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana toko faha-7?
15 Ilay fanaporofoan-kevitra manontolo nataon’i Paoly ao amin’io toko io dia izao: Na dia ananana zo ara-dalàna aza ny fanambadiana, ary amin’ny toe-javatra sasany, dia mahasoa ny olona sasany, dia tsy azo lavina fa ahitana tombony ny fitoerana ho mpitovo ho an’ny lehilahy na vehivavy kristiana izay maniry hanompo an’i Jehovah tsy misy fanelingelenana afa-tsy faran’izay kely. Raha “voazarazara” ny olona manambady iray, ilay Kristiana tsy manambady kosa dia manana fahalalahana hampifantoka ny sainy amin’ireo “zavatry ny Tompo”.
16, 17. Ahoana no ahafahan’ny Kristiana mpitovo iray mampifantoka tsara kokoa ny sainy amin’ireo “zavatry ny Tompo”?
16 Inona avy ireo zavatry ny Tompo izay azon’ny Kristiana tsy manambady asiana fiheverana amin-kalalahana kokoa noho ireo olona izay manambady? Tamin’ny toe-javatra hafa iray i Jesosy dia niresaka ny amin’ireo zavatra “izay an’Andriamanitra” — dia zavatra izay tsy azon’ny Kristiana omena an’i Kaisara. (Matio 22:21). Amin’ny fotony, ireny zavatra ireny dia mahakasika ny fiainana sy ny fanompoam-pivavahana ary ny fanompoan’ny Kristiana. — Matio 4:10; Romana 14:8; 2 Korintiana 2:17; 3:5, 6; 4:1.
17 Malalaka kokoa mazàna ireo mpitovo mba hanokana fotoana ho an’ny fanompoana an’i Jehovah, ka izany dia afaka manasoa ny fiainany ara-panahy sy ny fitaran’ny fanompoana ataony. Afaka mandany fotoana bebe kokoa amin’ny fianarana manokana sy ny fisaintsainana izy ireo. Matetika ireo Kristiana mpitovo no afaka mampiditra mora kokoa ny famakiany ny Baiboly ao anatin’ny fandaharam-potoanany, noho ireo efa manambady. Mety hiomana tsara kokoa izy ireo amin’ny fivoriana sy eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Izany rehetra izany dia ho ‘tombontsoan’izy ireo manokana’. — 1 Korintiana 7:35, NW.
18. Ahoana no ahafahan’ny rahalahy mpitovo maro mampiseho fa maniry hanompo an’i Jehovah “tsy misy fanelingelenana” izy?
18 Rahalahy mpitovo maro izay efa mpanampy amin’ny fanompoana no malalaka mba hiteny amin’i Jehovah hoe: “Inty aho, iraho aho.” (Isaia 6:8). Izy ireo dia afaka manao fangatahana mba hanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana izay natokana ho an’ireo mpanampy amin’ny fanompoana sy loholona mpitovo izay malalaka mba hanompo any amin’izay ilana fanampiana kokoa. Na dia ireo rahalahy izay tsy manana fahafahana handao ny kongregasionany aza dia afaka manao izay hahafaka ny tenany mba hanompo ireo rahalahiny amin’ny maha-mpanampy amin’ny fanompoana na loholona. — Filipiana 2:20-23.
19. Ahoana no itahiana ny anabavy mpitovo maro, ary inona no fomba iray hahafahan’izy ireo ho tonga fitahiana ho an’ny kongregasiona?
19 Ireo anabavy mpitovo, noho izy tsy manana olombelona ho lohany mba hanontaniana sy hamborahana tsiambaratelo, dia mety ho vonona kokoa ‘hametraka amin’i Jehovah ny entany’. (Salamo 55:22; 1 Korintiana 11:3). Zava-dehibe indrindra izany ho an’ireo anabavy izay mpitovo noho ny fitiavany an’i Jehovah. Raha manambady izy ireo rehefa mandeha ny fotoana, dia ho “ao amin’ny Tompo ihany”, izany hoe, amin’olona nanolo-tena ho an’i Jehovah ihany. (1 Korintiana 7:39). Velom-pisaorana ireo loholona manana ireo anabavy tsy manambady ao amin’ny kongregasionany; matetika izy ireny no mamangy sy manampy ny marary sy ny zokiolona. Izany dia mitondra fahasambarana ho an’izay rehetra voakasik’izany. — Asan’ny Apostoly 20:35.
20. Ahoana no ampisehoan’ny Kristiana maro fa izy ireo dia manao “fanompoana ny Tompo tsy an-kijanona, tsy misy fanelingelenana”?
20 Tanora kristiana maro no nandamina ny raharahany mba hanaovany “fanompoana ny Tompo tsy an-kijanona, tsy misy fanelingelenana”. (1 Korintiana 7:35, NW ). Manompo an’i Jehovah izy ireo amin’ny maha-mpanompo mpisava lalana manontolo andro, amin’ny maha-misionera, na any amin’ny iray amin’ireo biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower. Ary antokon’olona falifaly toy inona moa izy ireo! Mamelombelona toy inona moa ny maha-eo azy ireo! Eo imason’i Jehovah sy i Jesosy izy ireo dia “tahaka ny ando ateraky ny maraina”. — Salamo 110:3.
Tsy misy voady ho amin’ny fitoerana ho mpitovo mandrakizay
21. a) Nahoana no mazava fa tsy nampirisika ny hanaovana voady tsy hanambady, i Paoly? b) Inona no tiany holazaina fony izy niresaka ny amin’ny hoe “dila ny fahatanorana vao mivelatra”?
21 Ny hevi-dehibe iray tao amin’ny torohevitr’i Paoly dia hoe, hanao “tsara” ny Kristiana raha manome toerana ho an’ny fitoerana ho mpitovo eo amin’ny fiainany. (1 Korintiana 7:1, 8, 26, 37). Na ahoana na ahoana anefa, dia tsy manasa azy ireo velively hanao voady tsy hanambady izy. Mifanohitra amin’izany fa nanoratra toy izao izy: “Nefa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny maha-virjiny azy, raha efa dila ny fahatanorana vao mivelatra izany, ka izany no tokony hitranga, dia aoka izy hanao izay iriny; tsy manota izy. Aoka izy hanambady.” (1 Korintiana 7:36, NW ). Ilay teny grika tokana (hy·peʹra·kmos) izay nadika hoe “efa dila ny fahatanorana vao mivelatra” dia midika ara-bakiteny hoe “ankoatra ny faritra ambony indrindra” ary manondro ny fandalovana ilay fara tampony eo amin’ny firongatry ny filana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Koa ireo izay efa nandany taona maromaro tamin’ny naha-mpitovo, ka amin’ny farany dia mihevitra fa tokony hanambady ny tenany, dia malalaka tanteraka izy mba hanambady mpiray finoana aminy. — 2 Korintiana 6:14.
22. Nahoana no ahitan’ny Kristiana tombony amin’ny lafiny rehetra ny tsy manambady raha mbola tanora loatra?
22 Ireo taona lanin’ny tanora kristiana iray hanompoana an’i Jehovah tsy misy fanelingelenana dia tahiry sarobidy mampiseho fahendrena. Izy ireny dia mahatonga azy hahazo fahendrena azo ampiharina sy fanandraman-javatra ary fahaiza-mahataka-javatra. (Ohabolana 1:3, 4). Ny olona iray izay nitoetra ho mpitovo noho ilay Fanjakana dia tsara toerana lavitra atỳ aoriana mba hisahanana ireo andraikitra amin’ny fiainam-panambadiana ary angamba ny an’ny ray aman-dreny, raha manapa-kevitra ny hanao izany izy.
23. Inona no mety ho ao an-tsain’ny sasany izay mikasa hanambady, kanefa fanontaniana inona no hodinihina ao amin’ireo lahatsoratra manaraka?
23 Ny Kristiana sasany izay efa nandany taona maromaro nanompoana an’i Jehovah manontolo andro tamin’ny naha-mpitovo dia mifidy amim-pitandremana izay ho vadiny noho ny fikendrena ny hanohy amin’ny endri-panompoana manontolo andro sasany. Azo antoka fa mendri-piderana indrindra izany. Ny sasany aza mety hikasa mihitsy ny hanambady amin’ny fiheverana ny tsy hamela ny fanambadiany hanembantsembana ny fanompoany na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Kanefa moa ve ny Kristiana iray manambady tokony hihevi-tena ho malalaka ny hifantoka amin’ny fanompoany an’i Jehovah toy ny fony izy mpitovo? Hodinihina ao amin’ireo lahatsoratra manaraka io fanontaniana io.
Ho Famerenana
◻ Nahoana ny apostoly Paoly no nihevitra fa nilaina ny nanoratra tany amin’ny kongregasiona tany Korinto?
◻ Ahoana no ahafantarantsika fa tsy nampirisika fomba fiaina toy ny any amin’ny monasitera, i Paoly?
◻ Ahoana no ahafahan’ny olona iray ‘manome toerana’ ho an’ny fitoerana ho mpitovo?
◻ Ahoana no ahafahan’ireo anabavy mpitovo mandray soa avy amin’ny maha-mpitovo azy ireo?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahan’ireo rahalahy mpitovo manararaotra ny fahalalahany manompo an’i Jehovah “tsy misy fanelingelenana”?