FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w05 15/7 p. 8-9
  • Mpitovo Afa-po Manompo An’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpitovo Afa-po Manompo An’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpitovo manan-java-kendrena mendri-kaja
  • Mpitovo noho ny toe-javatra
  • Tena manampy i Jehovah
  • Ny Fitoerana ho Mpitovo — Varavarana ho Amin’ny Asa Tsy Voahelingelina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Ny fijanonana ho mpitovo: Fomba fiaina mitondra soa be dia be
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Torohevitra Momba ny Mpitovo sy ny Fanambadiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Mpanompon’Andriamanitra mpitovo, nefa feno
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
w05 15/7 p. 8-9

“Ny Famonjena Ahy dia avy Amin’i Jehovah”

Mpitovo Afa-po Manompo An’i Jehovah

“MARO be izahay no tena sambatra na dia tsy manambady aza”, hoy ny vehivavy kristianina iray any Espaina. Nahoana? “Faly izahay satria afaka amin’ny fanahiana maro, ka manam-potoana kokoa hanompoana an’i Jehovah Andriamanitray.”

Izany mihitsy no lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny fijanonana ho mpitovo. Nanome fahendrena avy amin’Andriamanitra ny apostoly Paoly, rehefa niresaka momba ny fanambadiana. Hoy izy: “Izao no lazaiko amin’ny tsy manambady sy ny vehivavy mpitondratena: Tsara raha mitoetra ho tahaka ahy izy ireo.” Tsy nanambady mihitsy i Paoly. Inona anefa no antony nanoroany hevitra mba hijanonana ho mpitovo? Nohazavainy fa voazarazara ny olona manambady, fa “manahy ny an’ny Tompo” kosa ny tsy manambady, na lahy izy na vavy. (1 Korintianina 7:8, 32-34) Ny fanompoana an’i Jehovah no tena mahatonga ny mpitovo ho sambatra sy afa-po.

Mpitovo manan-java-kendrena mendri-kaja

Heverina ho zava-dehibe ny fanambadiana sy ny fitaizan-janaka, any amin’ny tany sasany. Mety hahavery hevitra ny olona any amin’ireny toerana ireny àry ny tenin’i Paoly. Nilaza zava-kendrena mendri-kaja ho an’ny Kristianina mpitovo anefa i Jesosy Kristy, izay mpitovo koa, nefa sambatra sy afa-po. Hoy izy: ‘Misy minia tsy manambady noho ny fanjakan’ny lanitra. Aoka hanao izany izay afaka manao izany.’—Matio 19:12.

Tena marina izany, satria maro no mahita fa ahafahany manompo an’Andriamanitra tsy misy fanelingelenana, toy ny fahitan’ny manambady, ny fijanonana ho mpitovo. (1 Korintianina 7:35) An’arivony ny Kristianina faly manompo an’i Jehovah nefa tsy manambady, ary finaritra izy ireo mazoto manampy ny hafa.a

Fantatry ny Kristianina mpitovo maro fa tsy ny manambady ihany no sambatra, ary tsy ny mpitovo rehetra koa no tsy sambatra. Samy mety ho sambatra sy halahelo indraindray, na ny mpitovo na ny manambady. Tena marina ny lazain’ny Baiboly hoe mitondra ‘fahoriana ho an’ny nofo’ ny fanambadiana.—1 Korintianina 7:28.

Mpitovo noho ny toe-javatra

Maro no mpitovo tsy noho ny safidiny, fa noho ny toe-javatra. Mety haniry hanambady izy ireo, satria te hahazo namana tia sy miraiki-po aminy. Misy kosa mbola tsy afaka manambady noho ny antony ara-bola na antony hafa. Misy indray Kristianina, anabavy matotra ny ankamaroany, nijanona ho mpitovo satria tapa-kevitra hankatò ny torohevitry ny Baiboly hanambady “ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Korintianina 7:39) Mahatoky izy ireny, ka mpivavaka amin’i Jehovah vita fanoloran-tena sy batisa ihany, no azony ekena ho vady.

Manirery ny sasany amin’ny mpitovo indraindray. Hoy ny anabavy iray rehefa avy niaiky fa izany no mahazo azy: “Fantatray ny lalàn’i Jehovah, ka tsy te hampalahelo azy mihitsy izahay. Mba te hanambady ihany izahay, nefa tapa-kevitra hijanona ho mpitovo, na dia misy olona tsy Vavolombelona aza ‘mahita vady ho anay.’ Tsy tianay mihitsy izany hoe hanambady olona tsy mitovy finoana aminay izany.” Mendri-koderaina ny Kristianina toy izany, noho izy mampihatra ny torohevitry ny Baiboly, sy manaraka fitsipi-pitondran-tena ambony. Tiany mantsy ny hampifaly an’i Jehovah na eo aza ny fahakiviana indraindray.

Tena manampy i Jehovah

Tsy mivadika amin’ny olona mahatoky i Jehovah. Anisan’izany ireo tsy manaiky hanambady olona tsy manompo Azy. Afaka nilaza toy izao tokoa i Davida Mpanjaka, noho ny zavatra niainany: “Ny olona tsara [na tsy mivadika] no isehoanao [Jehovah] fa tsara [na tsy mivadika].” (Salamo 18:25) Izao koa no ampanantenain’Andriamanitra an’ireo mankatò azy hatrany: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao mihitsy.” (Hebreo 13:5) Manahaka an’i Jehovah isika raha tsy mitsitsy teny fiderana ho an’ireo Kristianina mpitovo, na antitra na tanora, noho izy ireo mankatò hatrany ny Tenin’Andriamanitra. Afaka mivavaka koa isika mba hanatanjahan’i Jehovah azy ireny hiatrika ny zava-manahirana azy.—Mpitsara 11:30-40.

Kristianina mpitovo maro no mahita fa lasa manana zava-kendrena eo amin’ny fiainana izy, rehefa mandray anjara betsaka amin’ny fampianarana Baiboly. Diniho, ohatra, ny amin’i Patricia, mpitovo 35 taona eo ho eo, ary mpisava lalana, na mpitory ny vaovao tsara manontolo andro. Hoy izy: “Mitondra fitsapana maro ny fijanonana ho mpitovo, nefa nahafahako nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra. Afaka manovaova ny fandaharam-potoanako aho, noho izaho mpitovo, ka manam-potoana bebe kokoa ianarana. Ankoatra izany, dia nianatra niantehitra bebe kokoa tamin’i Jehovah aho, indrindra rehefa niatrika fitsapana.”

Miorina amin’izao fampanantenana mampahery izao izany: “Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.” (Salamo 37:5) Tena mampionona sy mampahery an’ireo mpivavaka mahatoky amin’i Jehovah, na manambady izy na mpitovo, ireto teny avy amin’ny fanahy masina ireto: “Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah.”—Salamo 121:2.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2005, Jolay/Aogositra.

[Teny notsongaina, pejy 9]

“Ny lehilahy tsy manambady dia manahy ny an’ny Tompo, ny amin’ny fomba hahazoany sitraka amin’ny Tompo.”—1 KORINTIANINA 7:32

[Efajoro, pejy 8]

AFAKA MAHITA FAHAFAHAM-PO NY MPITOVO

Hoy i Jesosy, izay tsy nanambady mihitsy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ilay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany.”—Jaona 4:34.

Variana “naminany” ireo virjiny efatra mirahavavy, zanak’i Filipo. —Asan’ny Apostoly 21:8, 9.

‘Antokony lehibe ny vehivavy mpilaza soa’, ka anisan’izany ireo anabavy kristianina mpitovo, mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana.—Salamo 68:11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara