Manahaka Ilay Andriamanitsika Tsy Mizaha Tavan’olona ve Ianao?
TSY fizahan-tavan’olona — aiza no ahafahana mahita izany? Misy Persona iray izay tsy mizaha tavan’olona, tsy manao fitsarana an-tendrony sy tsy miangatra ary tsy manavakavaka amin’ny fomba feno. I Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona ny olombelona, izy io. Kanefa, tsy nisorona ilay mpanoratra anglisy tamin’ny taonjato faha-19, atao hoe Charles Lamb raha nanoratra momba ny olombelona toy izao: “Raha lazaina amin’ny teny tsotra dia feno fitsarana an-tendrony aho — voaforon’ny fitiavana sy ny tsy fitiavana.”
Raha ny amin’ny tsy fizahan-tavan’olona, dia latsa-danja be ny fihetsiky ny olombelona. Taonjato maro lasa izay, dia nomarihin’i Solomona Mpanjaka hendry teo amin’ny Isiraely fa “misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy”. (Mpitoriteny 8:9). Miitatra hatrany ny fankahalana ara-pirazanana, sy ny adin’ireo firenena ary ny valy faty eo amin’ny fianakaviana. Noho izany, moa ve fijerena ny zavatra tena misy ny hiheverana fa, raha izy tenany fotsiny, dia ho afaka hampisy fitambaran’olona tsy misy fizahan-tavan’olona ny olombelona?
Ilaina ny ezaka atao amim-pahatsiarovan-tena mba hifehezana ny fihetsitsika sy mba hanesorantsika ao amintsika izay mety ho fitsarana an-tendrony lalim-paka. (Efesiana 4:22-24). Tsy hahatsapa izany akory isika, fa mety hirona hanana fihetsika izay novolavolain’ny toe-javatra nisy antsika ara-tsosialy sy ara-panabeazana, ary koa namaka tao amin’ny fiaviantsika ara-pianakaviana sy ara-pirazanana ary ara-pirenena. Lalim-paka matetika sady mampandroso fihetsika izay mitarika ho amin’ny fizahan-tavan’olona ireny fironana toa tsy dia maninona ireny. Niaiky toy izao mihitsy aza ilay mpahay lalàna sady mpampanonta ekose antsoina hoe Lord Francis Jeffrey: “Tsy misy zavatra na inona na inona, izay mety tsy ho tsapan’ny olona hatramin’ny ela be ny momba azy, mihoatra noho ny halehibe sy ny tanjaky ny fitsarana an-tendrony ataony.”
I Lenaa dia olona iray izay miaiky fa ilaina ny ezaka atao amim-pahatsiarovan-tena mba hiadiana amin’ny fironana hizaha tavan’olona. Mba hifehezana ny fizahan-tavan’olona ao amin’ny tena, hoy izy, dia “mila ezaka be dia be, satria tena hery mitaona mafy ny fitaizana”. Miaiky koa i Lena fa ilaina mandrakariva ny fampahatsiahivana.
Fitantarana voarakitra an-tsoratra momba ny tsy fizahan’i Jehovah tavan’olona
Ohatra tonga lafatra ny amin’ny tsy fizahan-tavan’olona i Jehovah. Hatramin’ny fiandohan’ny Baiboly isika dia mamaky ny fomba nanehoany ny tsy fizahany tavan’olona teo amin’ny fifampiraharahany tamin’ny olombelona. Afaka mianatra zavatra betsaka avy amin’ireny ohatra sy fampahatsiahivana faran’izay tsara ireny isika.
Naneho tsy fizahan-tavan’olona i Jehovah rehefa nitantana ny toe-javatra mba hahatonga an’i Petera, apostoly jiosy, hitory ny vaovao tsara tamin’i Kornelio sy ireo Jentilisa hafa tamin’ny 36 am.f.i. Tamin’izay fotoana izay dia nanambara toy izao i Petera: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” — Asan’ny Apostoly 10:34, 35.
Teo amin’ny fifampiraharahany rehetra tamin’ny fianakavian’olombelona, dia nampiseho ny tsy fizahany tavan’olona tamin’ny fomba tsy niovaova i Jehovah. Hoy i Kristy Jesosy ny amin’ny Rainy: “Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy”. (Matio 5:45). Ankoatra izany, rehefa nankalaza an’i Jehovah ho Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona i Petera, dia nanamarina toy izao: “Mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra”. — 2 Petera 3:9.
Tamin’ny andron’i Noa, fony “be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro”, dia tapa-kevitra ny handringana izany tontolon’ny olombelona izany i Jehovah. (Genesisy 6:5-7, 11, 12). Kanefa, noho ny didin’Andriamanitra sady nibaribary tamin’ny mason’ireo mpiara-belona taminy, dia nanamboatra sambo fiara iray i Noa. Raha mbola nanorina ilay sambo fiara izy sy ireo zanany lahy, dia “mpitory ny fahamarinana” koa i Noa. (2 Petera 2:5). Na dia fantany aza ny fironan-dratsin’ny fon’izany taranaka izany, dia nandefa tamin’izy ireo hafatra mazava iray tamin’ny fomba tsy nizaha tavan’olona i Jehovah. Nanaitra ny saina sy ny fon’izy ireo izy tamin’ny alalan’ny fanorenana sy ny fitoriana nampanaovina an’i Noa. Nanana ny fahafahana rehetra hanehoana fihetsika tsara izy ireo, nefa kosa “[tsy nanisy fiheverana, NW ] mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra”. — Matio 24:39.
Ohatra faran’izay tsara ny amin’ny tsy fizahan’i Jehovah tavan’olona re izany! Amin’izao andro farany sady sarotra izao, izany ohatra izany dia manosika ireo mpanompon’Andriamanitra hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana tsy misy fizahan-tavan’olona mitovy amin’izany koa. Ankoatra izany, izy ireo dia tsy miahotra ny manambara ny andro famalian’i Jehovah. An-karihary, dia manolotra ny hafatra avy amin’i Jehovah mba ho ren’ny olona rehetra tsy asiana fizahan-tavan’olona, izy ireo. — Isaia 61:1, 2.
Ireo fampanantenana nomen’i Jehovah an-dry Abrahama sy Isaka ary Jakoba patriarika dia nampiharihary fa Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona izy. Tamin’ny alalan’ny tarana-pianakaviany voafaritra tsara no hahatongavan’ilay Voatendry, izay “hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. (Genesisy 22:18; 26:4; 28:14). Voaporofo fa i Kristy Jesosy no ilay Voatendry. Tamin’ny alalan’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, dia nanome ny fomba hamonjena ny olombelona rehetra mankato i Jehovah. Eny, ireo soa azo avy amin’ny sorom-panavotan’i Kristy dia azo raisina tsy misy fizahan-tavan’olona.
Tamin’ny andron’i Mosesy, dia niseho tamin’ny fomba nahaliana indrindra ny tsy fizahan’i Jehovah tavan’olona, nifandray tamin’ny zanakavavin’i Zelofada. Ireo vehivavy dimy ireo dia niatrika olana saro-bahana momba ny zara-tanin-drainy tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Izany no nitranga dia satria nahazatra teo amin’ny Isiraely ny namindrana ny zara-tany ho amin’ny zanakalahin’ny lehilahy iray. Kanefa, i Zelofada dia maty tsy namela zanakalahy handova azy. Noho izany dia nitondra teo anatrehan’i Mosesy ny fangatahany mba hoentina tsy nisy fizahan-tavan’olona ireo zanak’i Zelofada dimy vavy, ka nilaza toy izao: “Nahoana ny rainay no ho fati-maso eo amin’ny fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? mba omeo zara-tany eo amin’ny rahalahin’ny rainay izahay.” Nihaino ny fiangaviany i Jehovah ary nanome toromarika an’i Mosesy toy izao: “Raha misy lehilahy maty ka tsy manan-janakalahy, dia ny zanani-vavy no hampandovainareo ny zara-taniny.” — Nomery 27:1-11.
Ohatra feno fitiavana sady tsy misy fizahan-tavan’olona re izany! Mba hahazoana antoka fa tsy hafindra ho an’ny foko hafa ny lovan’ny foko iray rehefa nanambady ny zanakavavy, dia notakina ny hanambadian’izy ireo tao amin’ny “fokon’ny firenen’ny razany” ihany. — Nomery 36:5-12.
Mbola hahitana fahatakarana hevi-dalina ny amin’ny tsy fizahan’i Jehovah tavan’olona koa tamin’ny andron’i Samoela mpitsara sady mpaminany. Naniraka azy i Jehovah hanosotra mpanjaka vaovao iray avy tamin’ny fokon’i Joda ao amin’ny fianakavian’i Jese Betlehemita. Nanana zanakalahy valo anefa i Jese. Iza no ho voahosotra ho mpanjaka? Nanaitra ny sain’i Samoela ny toe-batan’i Eliaba. Kanefa, tsy voataonan’ny fisehoana ivelany i Jehovah. Hoy izy tamin’i Samoela: “Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ny tsanganany (...); fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.” I Davida, ilay faralahin’i Jese no voafidy. — 1 Samoela 16:1, 6-13.
Fianarana avy amin’ny tsy fizahan’i Jehovah tavan’olona
Tokony hanahaka an’i Jehovah ireo loholona kristiana amin’ny fijerena ireo toetra ara-panahy ananan’ny mpiray finoana iray. Mora ny mitsara olona araka ny fari-pitsipitsika manokana, ka hamela ny fihetseham-pon’ny tenantsika hanamaizina ny fitsarantsika zavatra. Toy izao no nilazan’ny loholona iray azy: “Miezaka aho mifampiraharaha amin’ny hafa amin’ny fomba izay mampifaly an’i Jehovah, fa tsy hoe mifototra amin’ny fitsarako an-tendrony.” Mahasoa toy inona ho an’ny mpanompon’i Jehovah rehetra moa ny mampiasa ny Teniny ho fari-pitsipik’izy ireo!
Ireo ohatra ara-baiboly voalaza teo aloha dia manampy antsika hahatohitra ny fihetseham-po voamariky ny fitsarana an-tendrony ara-pirazanana na ara-pirenena mbola tsy lefy ao amintsika. Amin’ny fanahafana ny tsy fizahan’i Jehovah tavan’olona, dia miaro ny kongregasiona kristiana amin’ny fitsarana an-tendrony sy ny fanavakavahana ary ny fiangarana isika.
Nianaran’ny apostoly Petera fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”. (Asan’ny Apostoly 10:34). Fahavalon’ny tsy fizahan-tavan’olona ny fiangarana ary mandika ny fotopoto-pitsipiky ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina. Nanintona ny mahantra sy ny osa ary ny manetry tena i Jesosy, ary nanamaivana ny entan’izy ireny izy. (Matio 11:28-30). Nisongadina nazava ny fifanoherana nisy teo aminy sy ireo mpitondra fivavahana jiosy, izay nanjakazaka tamin’ny olona, ka nampitondra enta-mavesatra azy ireny tamin’ny fitsipika maro. (Lioka 11:45, 46). Azo antoka fa tsy nifanaraka tamin’ny fampianaran’i Kristy ny fanaovana izany sy ny fampisehoana fiangarana amin’ny mpanan-karena sy ireo olona ambony. — Jakoba 2:1-4, 9.
Amin’izao andro izao dia manaiky ny maha-loha an’i Kristy ireo loholona kristiana ary mampiseho tsy fizahan-tavan’olona amin’ny rehetra amin’ny vahoakan’i Jehovah nanolo-tena. Rehefa ‘miandry ny andian’ondrin’Andriamanitra eo ambany fiahiany’ izy ireo dia mifehy tena tsy hampiseho fizahan-tavan’olona miorina amin’ny toerana ara-bola, tsy fitovian-toetra, na fatoram-pianakaviana. (1 Petera 5:2, NW ). Amin’ny fanahafana ilay Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona ary amin’ny fanarahana ny fampitandremany tsy hanao fiangarana, dia mampandroso ny toe-tsaina tsy mizaha tavan’olona ao amin’ny kongregasiona ireo loholona kristiana.
Firahalahiana iraisam-pirenena ny kongregasiona kristian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Porofo velona izy io fa afaka ny ho tonga zava-misy eo ambanin’ny fitarihan’i Jesosy Kristy, ny fitambaran’olona iray tsy misy fitsarana an-tendrony sy tsy misy fizahan-tavan’olona. ‘Nitafy ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana’, ny Vavolombelona. (Efesiana 4:24). Eny, mianatra avy amin’ny ohatra tonga lafatr’i Jehovah, ilay Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona, izy ireo, ary manana ny fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao tsy hisian’ny fizahan-tavan’olona. — 2 Petera 3:13.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Solon’anarana.
[Sary, pejy 26]
Nianaran’ny apostoly Petera fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra