FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/12 p. 24-28
  • Jehovah no Fialofako

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Jehovah no Fialofako
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitsidihana iray nisy fiantraikany
  • Ny fijoroanay ho an’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly
  • Fiaretana fanoherana mafy
  • Fiadiana tamin’ny aretina mafy
  • Fanaovana ny asan’ny mpisava lalana na dia teo aza ny fanoherana
  • Fanandraman-javatra nahitana valisoa
  • Naneho hatsaram-po tamiko i Jehovah
  • Nanahirana Sady Nahafaly ny Nitaiza Zaza Valo mba Handeha Amin’ny Lalan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Maherin’ny 50 Taona ‘Nitana’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Nahazo Ray Be Fitiavana ny Kamboty Nafoy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Fanompoana eo Ambanin’ny Tanana Be Fitiavan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/12 p. 24-28

Jehovah no Fialofako

NOTANTARAIN’I PÉNÉLOPE MAKRIS

Niangavy ahy mafy toy izao ny reniko: “Mialà amin’ny vadinao; hahitan’ny anadahinao iray tsara kokoa ianao.” Nahoana ilay reniko be fitiavana no nitady ny handravako ny fanambadiako? Inona no nanahiran-tsaina azy?

TERAKA tao amin’ny vohitra kelin’i Ambelos, teo amin’ny nosin’i Samos aho tamin’ny 1897. Mpikambana nafana fo tamin’ny Eglizy Ortodoksa Grika ny fianakavianay. Maty fotoana fohy talohan’ny nahaterahako i Dada, ary tsy maintsy niasa mafy izahay sy i Neny ary ireo anadahiko telo mba hahavelomana fotsiny teo anivon’ny fahantrana faraidiny tamin’ireny fotoana ireny.

Nipoaka ny Ady Lehibe Voalohany tamin’ny 1914, ary tsy ela taorian’izany dia nodidiana hilatsaka ho miaramila ireo anadahiko roa zokiny. Mba handosirana izany anefa, dia nifindra monina tany Amerika izy ireo, ary namela anay sy ilay anadahiko iray hafa tao an-trano niaraka tamin’i Neny. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny 1920, dia nanambady an’i Dimitris, mpampianatra tanora iray tao amin’ny vohitra nisy anay aho.

Fitsidihana iray nisy fiantraikany

Tsy ela taorian’ny nanambadiako, dia tonga avy tany Amerika mba hitsidika anay ny anadahin’i Neny. Sendra nitondra tany aminy iray amin’ireo boky mahaforona ny Études des Écritures (anglisy) nosoratan’i Charles Taze Russell izy. Izy io dia bokin’ny Mpianatra ny Baiboly, izay fantatra ankehitriny amin’ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah.

Rehefa nanokatra ilay boky i Dimitris, dia nanamarika foto-kevitra iray nahaliana azy ny hahafantatra azy io hatramin’izy mbola ankizy, dia ny hoe: “Inona no mitranga amin’ny olona rehefa maty izy?” Tany amin’ny lise izy dia efa nanontany momba io foto-kevitra io ihany tamin’ny teolojiana ortodoksa grika iray, nefa tsy nahazo valiny nahafa-po. Nahafinaritra an’i Dimitris aoka izany ny fanazavana mora azo sy lojika nomena tao amin’ilay boky, hany ka nandeha avy hatrany izy nankany amin’ny café tao an-tanàna, toerana nahazatra fihaonan’ireo lehilahy eto Gresy. Tany, dia notantarainy ny zavatra nianarany avy tao amin’ny Baiboly.

Ny fijoroanay ho an’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly

Tokony ho tamin’io fotoana io — tany am-piandohan’ireo taona 1920 — dia tao anatin’ny ady hafa iray i Gresy. Voantso ho miaramila i Dimitris ary nalefa teo amin’ny kontinenta tiorka, any Azia Minora. Naratra izy ka nalefa nody. Rehefa sitrana izy, dia nanaraka azy tany Smyrna, any Azia Minora (Izmir ankehitriny, Tiorkia), aho. Rehefa nifarana tampoka teo ny ady tamin’ny 1922, dia tsy maintsy nandositra izahay. Raha ny marina, dia zara izahay raha afa-nandositra tamin’ny sambo iray simba be nankany Samos. Nony tonga tany an-trano izahay dia nandohalika ary nisaotra an’Andriamanitra — Andriamanitra iray izay kely dia kely ihany ny fantatray ny aminy.

Tsy ela dia voatendry hampianatra tany amin’ny sekoly iray tao Vathy, renivohitr’ilay nosy, i Dimitris. Nanohy namaky ny zavatra vita an-tsoratry ny Mpianatra ny Baiboly izy, ary tamin’ny alina nanorana iray dia nitsidika anay ny roa tamin’izy ireo avy tany amin’ny nosin’i Chios. Tafaverina avy tany Amerika izy ireo mba hanompo tamin’ny naha-colporteurs, anarana niantsoana ireo evanjelisitra manontolo andro. Nampiantrano azy ireo izahay ny alina, ary niresaka zavatra maro taminay momba ny fikasan’Andriamanitra izy ireo.

Taorian’izany dia hoy i Dimitris tamiko: “Pénélope a, takatro fa itỳ no fahamarinana, ary tsy maintsy manaraka azy io aho. Midika izany fa tsy maintsy mitsahatra tsy mihira ao amin’ny Eglizy Ortodoksa Grika aho, ary fa tsy afaka manaraka ny ankizy mpianatra mankany am-piangonana.” Na dia voafetra aza ny fahalalanay an’i Jehovah, dia mafy kosa ny fanirianay hanompo azy. Koa hoy aho namaly: “Tsy ho vato misakana ho anao aho. Tohizo fotsiny.”

Nanohy ny teniny izy nisalasala ihany: “Ia, nefa raha manjary miharihary ny zavatra ataontsika, dia hamoy ny asako aho.”

“Aza manahy”, hoy aho, “angaha mikarama mampianatra daholo ny olona rehetra? Tanora isika sady matanjaka, ary afaka mahita asa hafa isika omban’ny fanampian’Andriamanitra.”

Tokony ho tamin’io fotoana io no nahafantaranay fa tonga tao Samos ny Mpianatra ny Baiboly hafa iray — izay colporteur koa. Rehefa renay fa tsy nomen’ny polisy lalana hanao lahateny ampahibemaso ara-baiboly izy dia nandeha nitady azy izahay. Nahita azy teo am-piresahana tamin’ny teolojiana ortodoksa grika roa tao amin’ny magazay iray izahay. Saikatsaikatra ireo teolojiana tsy afaka niaro tamin’ny alalan’ny Baiboly ny zavatra ninoany, ka tsy ela dia niainga. Nanaitra ny vadiko ny fahalalan’ilay colporteur, ka hoy izy nanontany: “Ahoana no ahafahanao mampiasa mora foana ny Baiboly toy izao?”

“Mianatra ny Baiboly araka ny fomba voalamina izahay”, hoy ny navaliny. Nanokatra ny kitapony izy, namoaka avy tao ilay boky fianarana hoe La Harpe de Dieu ary nasehony anay ny fomba fampiasa an’io boky io tamin’izany fianarana izany. Dodona aoka izany izahay hianatra, hany ka nanaraka ilay tompo-magazay tany an-tranony teo no ho eo izahay mivady sy ilay colporteur ary ny lehilahy roa hafa. Samy notoloran’ilay colporteur boky La Harpe de Dieu tsirairay avy izahay, ary avy hatrany izahay dia nanomboka nianatra. Nanohy ny fianaranay efa nihoatra be ny nisasak’alina izahay, ary avy eo, rehefa nadiva haraina, dia nanomboka nianatra ny hiran’ny Mpianatra ny Baiboly.

Hatramin’io fotoana io, dia nanomboka nianatra ny Baiboly ora maromaro isan’andro aho. Tsy nitsahatra namatsy anay tamin’ny boky fianarana ny Baiboly ireo Mpianatra ny Baiboly tany ivelany. Tamin’ny Janoary 1926, dia nanao ny fanoloran-tenako ho an’Andriamanitra tao amin’ny vavaka aho, nivoady tsy nisy fepetra hanao ny sitrapony. Nanamarika ny fanoloran-tenanay tamin’ny batisa anaty rano izahay mivady tatỳ aoriana tamin’io fahavaratra io. Nanana faniriana mafy hiresaka tamin’ny hafa momba ny zavatra nianaranay izahay, hany ka nanomboka teny amin’ny fanompoana isam-baravarana tamin’ilay taratasy mivalona hoe Message d’espérance.

Fiaretana fanoherana mafy

Indray andro dia nasain’ny ramatoa tanora iray hanatrika komonio tao amin’ny trano kely fiangonana ortodoksa grika iray aho. “Efa tsy mivavaka amin’Andriamanitra amin’izany fomba izany aho”, hoy aho nanazava. “Mivavaka aminy amin’ny fanahy sy ny fahamarinana aho ankehitriny, araka ny ampianarin’ny Baiboly.” (Jaona 4:23, 24). Talanjona izy ary nitantara hatraiza hatraiza izay nitranga, nampiditra ny vadiko tao anatin’izany koa.

Saika nanomboka nanohitra avokoa ny olona rehetra. Tsy afaka nahita fiadanana izahay na taiza na taiza — na tao an-tokantranonay na tany amin’ireo fivoriana izay nataonay niaraka tamin’ireo olona liana vitsivitsy teo amin’ilay nosy. Noho ny fampirisihan’ny pretra ortodoksa, dia nitangorona teo ivelan’ny toerana nivorianay ny vahoaka betsaka, nitora-bato sy nanompa mafy.

Rehefa nizara ilay taratasy mivalona hoe Message d’espérance izahay, dia nitangorona nanodidina anay ny ankizy nikiakiaka hoe “Mpino ny Arivo Taona” sy teny hafa nanambany. Nanomboka nitondra fahasahiranana ho an’ny vadiko koa ireo mpiara-miasa taminy. Tamin’ny faran’ny 1926, dia nentina teo amin’ny fitsarana izy, ka nampangaina ho tsy mendrika ny ho mpampianatra tao amin’ny sekolim-bahoaka, ary voaheloka hiditra 15 andro an-tranomaizina.

Rehefa nahafantatra izany i Neny dia nanoro hevitra ahy hiala tamin’ny vadiko. “Henoy aho, ry Neny malala”, hoy ny navaliko azy, “fantatrao tsara fa tiako sady hajaiko loatra ianao. Tsy azoko atao tsotra izao anefa ny mamela anao hanakana anay amin’ny fanompoam-pivavahanay amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina.” Nandeha nody tany amin’ny vohitra nisy azy izy, diso fanantenana mafy.

Tamin’ny 1927, dia natao tany Athènes ny fivoriamben’ny Mpianatra ny Baiboly iray, ary nanokatra ny lalana mba hahafahanay nanatrika i Jehovah. Nientam-po sy nohatanjahina ara-panahy izahay tamin’ny fiaraha-mivory tamin’ny mpiray finoana maro be. Rehefa nody tany Samos izahay, dia nizara 5 000 tamin’ilay taratasy mivalona hoe Un témoignage aux conducteurs des peuples tany amin’ireo tanàna sy vohitra tao amin’ilay nosinay.

Tokony ho tamin’izany fotoana izany no nandroahana an’i Dimitris tamin’ny naha-mpampianatra azy, ary noho ny fitsarana an-tendrony nananana taminay dia saika tsy azo natao ny nahita asa. Koa satria anefa nahay nanjaitra aho ary nahay nandoko i Dimitris, dia afaka nahazo vola ampy izahay mba hisahanana ny zavatra nilainay. Tamin’ny 1928, dia voaheloka hiditra roa volana an-tranomaizina noho ny fitoriana ny vaovao tsara ny vadiko ary koa ny anadahy kristiana efatra hafa tao Samos. Koa satria izaho irery no hany Mpianatra ny Baiboly tsy tany an-tranomaizina, dia afaka nanatitra sakafo ho azy ireo aho.

Fiadiana tamin’ny aretina mafy

Tamin’ny fotoana iray aho dia narary noho ny tuberculose vertébrale, aretina mitaiza izay tsy fantatra tsara tamin’izany. Tsy nazoto homana intsony aho ary ambony be foana ny hafanako. Anisan’ny fitsaboana ny famonosana ahy tao anatin’ny platira, nanomboka teo amin’ny vozona ka hatreo amin’ny fe. Mba hahitana vola, dia nivarotra sombin-tany iray ny vadiko mba hahafahako hanohy hanaraka ny fitsaboana. Nijaly aho, ary nivavaka tamin’Andriamanitra isan’andro mba hananana hery.

Nanetsika tsy an-kijanona ny fanoherana ireo havana rehefa nitsidika ahy. Nilaza i Neny fa nahita izany fahasahiranana rehetra izany izahay noho ny niovanay finoana. Tsy afa-nihetsika aho fa nahakotsan-dranomaso ny ondako teo am-pitalahoana tamin’ilay Rainay any an-danitra mba hanome ahy faharetana sy herim-po hiaretana.

Nihazona ny Baiboliko sy tahirina bokikely ary taratasy mivalona ho an’ireo mpitsidika teo amin’ny latabatra kely teo anilan’ny farafarako aho. Fitahiana ny nanaovana ny fivorian’ny kongregasiona kelinay tao an-tranonay; afaka nandray fampaherezana ara-panahy tsy tapaka aho. Tsy maintsy nivarotra sombin-tany hafa iray izahay mba handoavana ny saran’ny fitsaboana nataon’ny dokotera iray avy tany Athènes.

Tsy ela taorian’izany dia nitsidika anay ny mpiandraikitra mpitety faritany. Tena nalahelo izy nahita ahy tao anatin’io toe-javatra io ary i Dimitris tsy nanana asa. Tamin-katsaram-panahy, dia nanampy anay izy mba hanao fandaharana ny amin’ny hipetrahanay eto Mytilène, eo amin’ny nosin’i Lesbos. Tamin’ny 1934 izahay no nifindra teto ary afaka nahazo asa i Dimitris. Nahita anadahy sy rahavavy kristiana maha-te hidera izay nikarakara ahy tamin’ny aretiko koa izahay teto. Tsikelikely dia sitrana tanteraka aho taorian’ny fitsaboana naharitra dimy taona.

Kanefa, tamin’ny 1946, afaka fotoana fohy taorian’ny Ady Lehibe Faharoa dia narary mafy indray aho, tamin’itỳ indray mitoraka itỳ dia noho ny tuberculose intestinale. Teo am-pandriana aho nandritra ny dimy volana, niakatra be ny hafanako sady nanaintaina mafy. Toy ny teo aloha anefa, dia tsy nitsahatra mihitsy aho niresaka momba an’i Jehovah tamin’ireo mpitsidika ahy. Rehefa nandeha ny fotoana dia sitrana aho.

Fanaovana ny asan’ny mpisava lalana na dia teo aza ny fanoherana

Fanoherana tsy an-kijanona no nihatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Gresy tao anatin’ireo taona taorian’ny ady. Voasambotra imbetsaka izahay teo am-pitoriana isan-trano. Nandany efa ho herintaona tany an-tranomaizina ny vadiko tamin’ny fitambarany. Rehefa nanomboka ny andronay teny amin’ny fanompoana izahay, dia mazàna no tao an-tsainay ny ho voasambotra ka handany ny alina tany amin’ny paositry ny polisy. Kanefa, tsy nahafoy anay na oviana na oviana i Jehovah. Nanome anay foana ny herim-po sy ny tanjaka nilaina mba hiaretana izy.

Tao anatin’ireo taona 1940, dia namaky momba ilay fandaharana ny amin’ny asan’ny mpisava lalana amin’ny vakansy aho tao amin’ny L’informateur (Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ankehitriny). Nanapa-kevitra ny hanandrana handray anjara tamin’io lafiny amin’ny fanompoana io, izay nitaky ny hanokanana adiny 75 isam-bolana tamin’ny fanompoana, aho. Ho vokatr’izany dia nitombo ireo fiverenana mitsidika sy fampianarana Baiboly nataoko — nisy fotoana nitarihako fampianarana 17 isan-kerinandro. Nampitombo ny lalana fizarana gazety tao amin’ny faritra fanaovana raharaham-barotra teto Mytilène koa aho, ka nanatitra tsy tapaka gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! tokony ho 300 tany amin’ireo magazay sy birao ary banky.

Rehefa nitsidika ny kongregasionanay ny mpiandraikitra mpitety faritany iray tamin’ny 1964, dia hoy izy: “Ranabavy Pénélope a, hitako avy amin’ny Karatra Firaketana ny Fanompoan’ny Mpitory ireo vokatra maha-te hidera azonao teny amin’ny fanompoana. Nahoana ianao raha mameno fangatahana mba hanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra?” Ho velom-pankasitrahana azy foana aho noho ny fampirisihany; fifaliako nandritra ny telopolo taona mahery ny fanompoana manontolo andro.

Fanandraman-javatra nahitana valisoa

Misy faritra faran’izay be mponina antsoina hoe Langada, izay ipetrahan’ireo mpitsoa-ponenana grika eto Mytilène. Nanalavitra ny fandehanana isam-baravarana tao izahay noho ny fanoherana nirehitra tsy tamin’antony izay tojo anay tao. Kanefa, fony tany an-tranomaizina ny vadiko, dia tsy maintsy nandalo tamin’io faritra io aho rehefa nitsidika azy. Tamin’ny andro nanorana iray izay, dia nanasa ahy hiditra tao an-tranony ny vehivavy iray mba hanontany momba ny antony nahatonga ny vadiko ho tany an-tranomaizina. Nanazava aho fa izany dia noho ny nitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nijaly tsy nisy hafa tamin’ny nijalian’i Kristy izy.

Rehefa nandeha ny fotoana, dia nisy vehivavy hafa iray nandamina ny mba hijanonako tao an-tranony. Rehefa tonga aho dia hitako fa nanasa vehivavy 12 izy tamin’ny fitambarany. Nihevitra mialoha izay nety ho fanoherana aho ka nivavaka tamin’Andriamanitra mba hanome ahy ny fahendrena sy ny herim-po mba hiatrehana izay hitranga. Nanana fanontaniana maro ireo vehivavy, ary nanao fanoherana ny sasany, nefa afaka nanome valin-teny araka ny Soratra Masina aho. Rehefa nitsangana aho mba hiainga, dia nangataka tamiko ilay ramatoa tompon-trano mba hiverina indray ny ampitso. Faly aho nanaiky ilay fanasana. Rehefa tonga izaho sy ilay namako ny ampitso, dia nahita ilay vehivavy efa niandry.

Taorian’ireo fiaraha-midinika araka ny Soratra Masina nataonay, dia nanohy tsy tapaka izahay, ary fampianarana Baiboly maro no natomboka. Betsaka tamin’ireo vehivavy no nandroso tamin’ny fahalalana araka ny marina, ary toy izany koa ny fianakavian’izy ireo. Io antokon’olona io tatỳ aoriana no nahaforona ny fototry ny kongregasiona vaovaon’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Mytilène.

Naneho hatsaram-po tamiko i Jehovah

Tao anatin’ireo taona, dia namaly soa ny ezaka nataonay mivady mba hanompoana Azy i Jehovah. Ireo Vavolombelona azo nisaina amin’ny ratsantanana tao Samos tao anatin’ireo taona 1920 dia nihalehibe ka tonga kongregasiona roa sy groupe iray misy mpitory 130. Ary eo amin’ilay nosin’i Lesbos, dia misy kongregasiona efatra sy groupes dimy izay misy mpitory ilay Fanjakan 430 eo ho eo. Nitory tamim-paharisihana ny Fanjakan’Andriamanitra ny vadiko hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1977. Tombontsoa re ny fahitana ireo izay nampianay mbola mitoetra ho be zotom-po ao amin’ny fanompoana! Miaraka amin’ny zanany sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny, dia mahaforona vahoaka betsaka iray manolotra amim-piraisan-tsaina fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah izy ireo!

Tsy mora ny lalam-pitondran-tenako tamin’ny fanompoana kristiana, izay niitatra nihoatra ny 70 taona ankehitriny. Kanefa, batery fiarovana tsy manan-tsahala i Jehovah. Noho ny taona mandroso sy ny fahosana dia voatana eo am-pandriana aho ary tena voafetra amin’ny fitoriana azoko atao. Toy ny nolazain’ny mpanao salamo anefa, dia afaka milaza amin’i Jehovah toy izao aho: “Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy ary Andriamanitro, Izay hitokiako.” — Salamo 91:2.

(Nody mandry ny Anabavy Makris raha mbola nomanina itỳ lahatsoratra itỳ. Nanana fanantenana ho any an-danitra izy.)

[Sary, pejy 26]

Niaraka tamin’ ny vadiny, tamin’ny 1955

[Sary, pejy 26]

Ho 100 taona ny Anabavy Makris amin’ny Janoary 1997

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara