Fanompoana eo Ambanin’ny Tanana Be Fitiavan’i Jehovah
NOTANTARAIN’I LAMBROS ZOUMBOS
Niatrika safidy iray tena lehibe aho: hanaiky ny fanolorana nataon’ilay rahalahin-draiko nanankarena ho tonga mpitantana ny fananany nidadasika misy trano sy tany — ka handamina amin’izany fomba izany ny zava-manahirana ara-bolan’ny fianakaviako — na ho tonga mpanompo manontolo andron’i Jehovah Andriamanitra. Mamelà ahy hanazava hoe anton-javatra inona avy no nisy heriny teo amin’ny fanapahan-kevitra noraisiko tamin’ny farany.
TERAKA tamin’ny 1919 tao an-tanànan’i Volos, any Gresy, aho. Mpivarotra fitafian-dehilahy mbamin’ny kojakojany ny raiko, ka nahita fanambinana ara-nofo izahay. Vokatry ny fitambotsorana ara-toe-karena tamin’ny faramparan’ireo taona 1920 anefa, dia voatery nanambara ny raharahany ho bankirompitra i Dada ary namoy ny magazainy izy. Nalahelo aho isaky ny nahita ny fahakiviana teny amin’ny endriky ny raiko.
Nandritra ny fotoana kely dia niaina tao amin’ny fahantrana faraidiny ny fianakaviako. Isan’andro aho dia niala adiny iray mialoha tany an-tsekoly mba hilahatra ny anjara sakafo nozaraina. Na dia teo aza ny fahantranay, dia nanana fiainam-pianakaviana nilamina izahay. Faniriako mafy ny ho tonga dokotera, nefa tany antenatenan’ireo taona naha-zatovo ahy, dia voatery niala tamin’ny fianarana aho, ka nanomboka niasa mba hanampiana amin’ny fahaveloman’ny fianakaviako.
Avy eo, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, ny Alemanina sy ny Italiana dia nifehy an’i Gresy, ka nisy mosary lehibe. Nahita matetika teny an-dalana namana sy olom-pantatra maty mosary aho — fahitana nahatsiravina izay tsy hohadinoiko na oviana na oviana! Indray mandeha, ny fianakavianay dia tsy nihinana mofo, foto-tsakafo eto Gresy, nandritra ny 40 andro. Mba hahavelomana, dia nandeha tany amin’ireo vohitra teo akaiky izahay sy ny zokiko lahy mba hahazoana ovy avy tamin’ireo havana aman-tsakaiza.
Nanjary fitahiana ny aretina iray
Tany am-piandohan’ny 1944, dia nanjary narary mafy aho, voan’ny karazana pleurésie. Nandritra ny fijanonako telo volana tany amin’ny hopitaly, dia nitondran’ny zanak’olo-mpirahalahy tamiko bokikely roa aho, ary hoy izy hoe: “Vakio ireto; inoako fa ho tianao izy ireo.” Ireo bokikely ireo — Iza moa Andriamanitra? sy Fiarovana (anglisy) — dia navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society. Rehefa avy namaky azy ireo aho dia nizara tamin’ireo marary niaraka tamiko ny tao anatiny.
Taorian’ny nivoahako ny hopitaly, dia nanomboka niaraka tamin’ny Kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Volos aho. Nandritra ny iray volana anefa aho dia tsy navela hivoaka ny trano tamin’ny naha-marary notsaboina ivelan’ny hopitaly, ka namaky nandritra ny adiny enina ka hatramin’ny adiny valo isan’andro ireo nomerao tranainy kokoa tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, ary koa zavatra vita an-tsoratra hafa navoakan’ny Fikambanana Watch Tower. Vokatr’izany, dia azo lazaina ho nalaky ny fitomboako ara-panahy.
Saika nahita loza
Indray andro, tany antenatenan’ny 1944, dia nipetraka teo ambonin’ny dabilion-jaridaina iray tao Volos aho. Tampoka teo dia nisy antokon’olona paramilitaires (voalamina toy ireo miaramila), izay nanohana ny tafika alemanina mpifehy tany, nanodidina ilay toerana ka nisambotra izay olona rehetra teo. Tokony ho 24 teo izahay no nentina namakivaky ireo arabe nankany amin’ny etamazaoron’ny Gestapo, tao amin’ny trano iray fitahirizana paraky.
Rehefa afaka minitra vitsivitsy aho, dia nandre olona niantso ny anarako sy ny anaran’ilay olona niresahako tany an-jaridaina. Nampiantso anay ny manamboninahitra iray tamin’ny tafika grika sady nilaza taminay fa rehefa nahita anay nandeha notronin’ny miaramila ny iray tamin’ireo havako, dia nilaza taminy izy io fa Vavolombelon’i Jehovah izahay. Nilaza ilay manamboninahitra grika avy eo fa afaka nody izahay, ary nanome anay ny karany ofisialy izy mba hampiasaina raha sanatria ka voasambotra indray izahay.
Ny ampitson’iny dia renay fa novonoin’ny Alemanina ho faty ny ankamaroan’ireo voasambotra ho valin’ny namonoan’ireo mpiady tamin’ny résistance grika miaramila alemanina roa. Ankoatra ny azo inoana fa nahavoavotra ahy tamin’ny fahafatesana, dia nianatra ny hasarobidin’ny fialanalanana kristiana aho tamin’io fotoana io.
Tamin’ny fararanon’ny 1944, dia nanamarika ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny batisa tao anaty rano aho. Nandritra ny fahavaratra nanaraka, dia nanao fandaharana ho ahy ny Vavolombelona mba hiarahako amin’ny Kongregasionan’i Sklithro tany an-tendrombohitra avo tany, ka tany, dia afaka nihatsara tamin’ny fomba feno indray ny fahasalamako. Ny ady an-trano izay nanaraka ny fiafaran’ny fifehezan’ny Alemanina ny teto Gresy dia nanjaka tsy voafehy tamin’izay. Nampiasain’ny antokon’ireo mpiady anaty akata ho karazana foibe niaingan’ireo fanafihany ilay tanàna kely nipetrahako. Ilay pretra teo an-toerana sy ny lehilahy hafa iray ratsy loha dia niampanga ahy ho nanao fitsikilovana ho an’ny tafi-panjakana ary nanao izay hamotoran’ny tribonaly miaramila notendren’ireo mpiady anaty akata ireo ihany ny amiko.
Nanatrika teo amin’ny sarintsarim-pitsarana nataon’ilay tribonaly ilay mpitarika ireo mpiady anaty akata tao amin’ilay faritra. Rehefa avy nanazava ny antony nijanonako tao amin’ilay vohitra aho ary nampiseho fa, amin’ny maha-Kristiana, dia nialanalana tanteraka tamin’ny ady an-trano aho, dia hoy ilay mpitarika tamin’ireo hafa: “Raha misy na iza na iza mikasikasika itỳ lehilahy itỳ dia hahita raharaha amiko!”
Tatỳ aoriana dia niverina tany amin’ny tanàna niaviako any Volos aho, natanjaka be kokoa tamin’ny finoana noho ny tamin’ny fahasalamana ara-batana.
Fandrosoana ara-panahy
Tsy ela taorian’izay dia voatendry ho mpanompo amin’ny kaonty tao amin’ny kongregasiona teo an-toerana aho. Na dia teo aza ireo fijaliana nateraky ny ady an-trano — tafiditra tamin’izany ny fisamborana maro be noho ny fiampangana nampirisihan’ny klerjy ho nitaona olona hanaraka ny finoako — ny fandraisana anjara tamin’ny fanompoana kristiana dia nitondra ho ahy sy ho an’ny sisa tamin’ny kongregasionanay fifaliana lehibe.
Avy eo, tany am-piandohan’ny 1947, dia nahazo fitsidihan’ny mpiandraikitra mpitety faritanin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay. Io no fitsidihana voalohany karazan’izany taorian’ny Ady Lehibe Faharoa. Tamin’izany fotoana izany ny kongregasionanay niroborobo tao Volos dia nozaraina roa ary voatendry ho mpiandraikitra mpitantan-draharaha tao amin’ilay kongregasiona iray aho. Nampihorohoro ny olona ireo fikambanana paramilitaires sy ireo fikambanana nanindrahindra firenena tamin’izany. Nanararaotra ny tarehin-javatra ny klerjy. Nanangana ireo manam-pahefana hanohitra ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo tamin’ny fanelezana tsaho fa Komonista izahay na mpanohana ireo antoko farany ankavia.
Fisamborana sy fanaovana an-tranomaizina
Nandritra ny 1947, dia tokony ho impolo aho no nosamborina ary intelo no notsaraina. Isaky ny nandeha, dia nafahana aho. Tamin’ny lohataonan’ny 1948, dia nomelohina efa-bolana an-tranomaizina aho noho ny fiampangana ho nitaona olona hanaraka ny finoako. Tao an-tranomaizin’i Volos aho no nanefa ny saziko. Tao anatin’izany fotoana izany, ny isan’ireo mpitory ilay Fanjakana tao amin’ny kongregasionanay dia nitombo avo roa heny, ary nameno ny fon’ireo rahalahy ny fifaliana sy ny fahasambarana.
Tamin’ny Oktobra 1948, raha teo am-pivoriana niaraka tamin’ny enina hafa izay nitarika tao amin’ny kongregasionanay aho, dia niditra an-keriny tao amin’ilay trano ny polisy dimy ka nisambotra anay, nandrahona ny hitifitra. Nentiny tany amin’ny paositry ny polisy izahay, tsy nisy fanazavana ny antony nisamborana anay akory, ary tany dia nokapohina izahay. Nodarohan’ny polisy iray izay mpanao ady totohondry teo amin’ny tarehy aho. Avy eo izahay dia natosika tao anatin’ny cellule iray.
Taorian’izay, dia nampiantso ahy hankany amin’ny biraony ny polisy mpanao famotorana. Rehefa nanokatra ny varavarana aho, dia natsipiny teny amiko ny tavoahangin-dranomainty iray, izay tsy nahavoa ahy ka niparasaka teny amin’ny rindrina. Nanao izany izy mba hanandramana hampitahotra ahy. Notolorany taratasy iray sy stylo aho tamin’izay ary hoy izy nandidy ahy: “Soraty ny anaran’ireo Vavolombelon’i Jehovah rehetra eto Volos, ary ento atỳ amiko ny lisitra raha maraina. Raha toa ianao tsy manao izany, dia fantatrao izay miandry anao!”
Tsy namaly aho, fa rehefa niverina tao amin’ny cellule-ko aho dia nivavaka tamin’i Jehovah izahay sy ireo rahalahy sisa. Tsy nanoratra afa-tsy ny anarako teo amin’ilay taratasy aho ary niandry mba hampanantsoin’ilay polisy. Tsy nandre na inona na inona fanampiny momba ilay polisy aho. Nandritra ny alina, dia tonga ireo tafika mpanohitra ary nitarika ny olony hanohitra azy ireny, ilay polisy. Tao anatin’ilay fifamelezana izay nanaraka izany dia naratra mafy izy ary voatery notapahina ny iray tamin’ny ranjony. Tamin’ny farany, dia notsaraina ny raharahanay ary voaheloka ho nanao fivoriana tsy ara-dalàna izahay. Nosazina dimy taona an-tranomaizina izahay fito mirahalahy.
Koa satria aho tsy nety nanatrika ny Lamesa alahady tao an-tranomaizina, dia nahiboka irery. Ny andro fahatelo, dia nangataka hiresaka tamin’ilay talen’ny tranomaizina aho. “Mamelà ahy ianao hiteny aza fady”, hoy aho taminy, “toa tsy misy heviny ny fanasaziana olona iray izay vonona handany dimy taona an-tranomaizina noho ny finoany.” Nieritreritra lalina momba izany izy, ka tamin’ny farany dia hoy izy hoe: “Raha ny amin’ny rahampitso, dia hiara-miasa amiko ato amin’ny biraoko ianao.”
Tamin’ny farany aho dia nahazo asa tamin’ny naha-mpanampy ny dokotera tao an-tranomaizina. Vokatr’izany, dia nianatra zavatra be dia be momba ny fikoloam-pahasalamana aho, zavatra izay voaporofo ho tena nahasoa tamin’ireo taona tatỳ aoriana. Raha mbola tany an-tranomaizina aho dia nanana fahafahana maro nitoriana, ary nisy olona telo naneho fihetsika tsara ary tonga Vavolombelon’i Jehovah.
Rehefa nanefa sazy efa ho efa-taona tany an-tranomaizina aho dia nafahana tamin’ny farany noho ny fitondran-tena tsara tamin’ny 1952. Tatỳ aoriana, dia voatery niseho teo anoloan’ny tribonaly tany Corinthe aho noho ny raharaha iadian-kevitra momba ny fialanalanana. (Isaia 2:4). Tany, dia nohazonina nandritra ny fotoana kelikely tany amin’ny tranomaizina miaramila aho, ary nanomboka indray ny fitohitohizam-pitondrana ratsy niverimberina. Ireo komandy sasany dia nampiditra fomba vaovao tanteraka tamin’ny fandrahonana nataony tamin’ny filazana hoe: “Hongotako ho potipotika amin’ny lefom-pohy ny fonao”, na hoe “Aza mitoky amin’ny fahafatesana haingana satria ho faty tsimoramora ianao.”
Karazam-pitsapana hafa
Kanefa, tsy ela dia niverina nody aho, nanompo indray niaraka tamin’ny Kongregasionan’i Volos ary niasa ara-nofo tapa-potoana. Indray andro aho dia naharay taratasy avy tamin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower tao Atena, nanasa ahy handray fiofanana mandritra ny tapa-bolana ary avy eo dia hanomboka hitsidika ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny naha-mpiandraikitra ny fizaran-tany. Tao anatin’izany fotoana izany, dia nisy rahalahin-draiko iray, izay sady tsy nanan-janaka no nanam-pananana nidadasika, trano sy tany, nangataka ahy hitantana ny fananany. Mbola niaina tao amin’ny fahantrana ny fianakaviako, ary ho nandamina ny zava-nanahirana ara-bola nianjady taminy io asa io.
Nitsidika ny dadatoako aho mba hilaza taminy ny fankasitrahako noho ny fanolorana nataony, nefa nampahafantariko azy fa efa nanapa-kevitra hanaiky ny fanendrena manokana iray ao amin’ny fanompoana kristiana aho. Tamin’izay, dia nitsangana izy, nanao fijery lasan’eritreritra lalina tamiko ary nandao tampoka ny efitrano. Niverina izy nitondra vola fanomezana nampiseho fahalalahan-tanana, izay afaka nanohana ny fianakaviako nandritra ny volana maromaro. Hoy izy: “Raiso itỳ ary ampiasao araka izay tianao.” Hatramin’izao, dia mbola tsy haiko ny hilazalaza ny fihetseham-po nananako tamin’izay fotoana izay. Toy ny hoe nandre ny feon’i Jehovah aho, niteny tamiko hoe: ‘Nanao ny safidy tsara ianao. Momba anao aho.’
Nahazo ny tsodranon’ny fianakaviako aho, ary niainga nankany Atena tamin’ny Desambra 1953. Na dia tsy nisy afa-tsy ny reniko ihany aza no tonga Vavolombelona, ireo mpianakaviko hafa dia tsy nanohitra ny asa kristiana nataoko. Rehefa nandeha tany amin’ny biraon’ny sampana tao Atena aho dia nisy zavatra tsy nampoizina hafa iray niandry ahy. Nisy telegrama iray avy tamin’ny zandriko vavy tao, nanambara fa tamin’io andro io dia nahomby ny ezaka mafy naharitra roa taona nataon’i Dada mba hahazoana vola fanampiana. Inona indray moa no notadiaviko? Toy ny nanana elatra aho, vonona hanidina avo amin’ny fanompoana an’i Jehovah!
Fanehoana fitandremana
Tamin’ireo taona voalohany nanaovako ny asan’ny fizaran-tany, dia tsy maintsy nitandrina fatratra aho noho ny Vavolombelon’i Jehovah nenjehin’ireo manam-pahefana ara-pivavahana sy ara-politika mafy. Mba hitsidihana ireo rahalahinay kristiana, indrindra ireo izay nipetraka tany amin’ireo tanàna kely sy ireo vohitra, dia nandeha an-tongotra ora maro tao amin’ny haizina aho. Ireo rahalahy izay nety ho voasambotra, dia tafangona sy niandry tamim-paharetana ny fahatongavako tany amin’ny trano iray. Fifanakalozana fampaherezana tsara dia tsara toy inona moa no nomen’ireny fitsidihana ireny ho anay rehetra! — Romana 1:11, 12, NW.
Mba tsy hamantarana ahy, dia niova fitafiana aho indraindray. Indray mandeha dia niakanjo tahaka ny mpiandry ondry aho mba handalovana sakan-dalana iray hahatongavana tamin’ny fivorian-drahalahy izay nila fatratra fitsidihan’ny mpiandry ara-panahy. Tamin’ny fotoana hafa iray, tamin’ny 1955, dia mody nivarotra tongolo lay izahay sy ilay Vavolombelona namako mba tsy hampiahiahy ny polisy. Ny asa nanendrena anay dia ny hifandray tamin’ireo rahalahy kristiana sasany izay nanjary tsy nitory intsony tao amin’ny tanàna kelin’i Árgos Orestikón.
Namelatra ny entanay teo an-tsenam-bahoaka tao an-tanàna izahay. Kanefa, nanjary nanana ahiahy ny polisy tanora iray izay nandehandeha nanao fisafoana ilay faritra, ka isaky ny nandalo izy, dia nivandravandra anay tamin’ny fomba hafahafa. Farany, dia hoy izy tamiko: “Tsy toy ny mpivarotra tongolo lay ianao.” Tamin’izay fotoana izay, dia nisy tovovavy telo nanatona sy te hividy tongolo lay. Nanondro ny vokatro aho sady niteny mafy hoe: “Itỳ polisy tanora itỳ dia mihinana tongolo lay tahaka an’io, ary jereo fa matanjaka sy tsara tarehy toy inona moa izy!” Nijery ilay polisy ireo vehivavy ary nihomehy. Nitsiky koa ilay polisy ary avy eo dia lasa.
Rehefa niala izy, dia nanararaotra nandeha nankany amin’ilay magazay izay niasan’ireo rahalahinay ara-panahy tamin’ny naha-mpanjaitra, aho. Nangataka ny iray taminy aho mba hanjaitra bokotra iray izay niendaka tamin’ny palitaoko. Raha ilay izy teo am-panaovana izany iny, dia niondrika kely aho ary nibitsibitsika taminy hoe: Avy any amin’ny biraon’ny sampana aho mba hitsidika anao.” Tamin’ny voalohany dia natahotra ireo rahalahy, satria an-taonany maro no tsy nananany fifandraisana tamin’ny namana Vavolombelona. Nampirisika azy ireo araka ny faran’izay tsara vitako aho ary nanao fandaharana mba hihaonana tamin’izy ireo tatỳ aoriana, tao amin’ny toeram-pandevenana tao an-tanàna mba hiresahana taminy fanampiny. Mahafaly fa nampahery ilay fitsidihana ary nanjary be zotom-po tamin’ny fanompoana kristiana indray izy ireo.
Nahazo vady nahatoky iray
Tamin’ny 1956, telo taona taorian’ny nanombohako ny asan’ny fizaran-tany aho dia nifanena tamin’i Niki, tovovavy kristiana izay nanana fitiavana lehibe ho an’ny asa fitoriana ary naniry handany ny fiainany ao amin’ny fanompoana manontolo andro. Nanjary nifankatia izahay ary nivady tamin’ny Jona 1957. Nanontany tena aho raha toa i Niki ka ho afaka hahazaka ireo zavatra takin’ny asan’ny fizaran-tany tao anatin’ireo toe-javatra feno fankahalana ny Vavolombelon’i Jehovah nanjaka teto Gresy tamin’izay. Noho ny fanampian’i Jehovah dia nahavita izany izy, ka tamin’izany fomba izany dia tonga ny vehivavy voalohany niaraka tamin’ny vadiny teo amin’ny asan’ny fizaran-tany teto Gresy.
Nanohy niaraka tamin’ny asan’ny fizaran-tany izahay nandritra ny folo taona, nanompo ny ankamaroan’ireo kongregasiona teto Gresy. Matetika izahay dia niova fitafiana ary nandeha an-tongotra ora maro tamin’ny haizina, nitondra ny entanay mba hahatongavana any amin’ny kongregasiona iray. Na dia teo aza ny fanoherana lehibe nosetrainay matetika, dia nientam-po izahay nahita nivantana ny fitomboana nahazendana teo amin’ny isan’ny Vavolombelona.
Fanompoana eto amin’ny Betela
Tamin’ny Janoary 1967 izahay sy i Niki dia nasaina hanompo tany amin’ny Betela, araka ny iantsoana ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanaitra anay mivady ilay fanasana, nefa nekenay izy io, natoky fa i Jehovah no nitantana ny raharaha. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary nahatakatra izahay hoe tombontsoa re izany manompo ao amin’io foiben’ny asa teokratika io.
Telo volana taorian’ny nidiranay tamin’ny fanompoana tao amin’ny Betela, dia nandray ny fahefana ny antoko miaramila iray, ary voatery nanohy ny asany tamin’ny fomba niafina ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanomboka nivory nizarazara ho antokon’olom-bitsy izahay, nanao ireo fivoriambenay tany anaty ala, nitory tamim-pahamalinana, nanonta pirinty sy nizara ireo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tamin’ny fomba niafina. Tsy sarotra ny nifankazatra tamin’ireo toe-javatra ireo satria izahay niaina fotsiny indray ireo fomba fanatanterahanay ny asanay efa nampiasanay tamin’ireo taona maro lasa. Na dia teo aza ny fameperana, ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah izay latsaka ny 11 000 tamin’ny 1967 dia tonga maherin’ny 17 000 tamin’ny 1974.
Taorian’ny efa ho 30 taona tao amin’ny fanompoana tao amin’ny Betela, dia mbola mifaly hatrany amin’ireo fitahiana ara-panahy azonay izahay sy i Niki, na dia eo aza ny fetran’ny fahasalamana sy ny taona. Nandritra ny folo taona mahery izahay dia nipetraka tao amin’ireo tranon’ny sampana tao amin’ny Lalana Kartali tao Atena. Tamin’ny 1979, dia notokanana ny sampana vaovao iray tany Marousi, faritanàna manamorona an’i Atena. Hatramin’ny 1991 anefa izahay dia mifaly amin’ireo tranon’ny sampana vaovao eto Eleona, 60 kilaometatra atỳ avaratr’i Atena. Eto aho dia manompo ao amin’ny infirmerie-n’ny Betela, toerana nahitana fa tena nahasoa tokoa ny fiofanana azoko tamin’ny naha-mpanampy ny dokotera tany an-tranomaizina.
Nandritra ireo efapolo taona mahery lany tamin’ny fanompoana manontolo andro, dia nanjary nahatakatra aho, tahaka an’i Jeremia, ny fahamarinan’ny fampanantenan’i Jehovah hoe: “Hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.” (Jeremia 1:19). Eny, manana kapoaka safononoky ny fitahiana avy amin’i Jehovah izahay sy i Niki. Mifaly mandrakariva amin’ny fiahiany tondraka feno fitiavana izahay sy amin’ny hatsaram-pony ho an’izay tsy mendrika akory.
Ny fampirisihako ho an’ireo tanora ao amin’ny fandaminan’i Jehovah dia ny hikatsaka ny fanompoana manontolo andro. Amin’izany fomba izany no ahafahan’izy ireo manaiky ny fanasan’i Jehovah hitsapa na hivadika izy na tsia amin’ny fampanantenany ‘hamoha ny varavaran’ny lanitra ka hampidina fitahiana manana amby ampy’. (Malakia 3:10). Afaka manome toky anareo aho, ry tanora, avy amin’ny fanandraman-javatra hitan’ny tenako, fa i Jehovah dia hitahy tokoa anareo rehetra izay mitoky aminy tanteraka araka izany.
[Sary, pejy 26]
I Lambros Zoumbos sy i Niki vadiny