FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 15/12 p. 3-4
  • Ny Filazantsara Araka ny Manam-pahaizana Manokana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Filazantsara Araka ny Manam-pahaizana Manokana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fiheveran’ny “avara-pianarana” an’i Jesosy
  • Tsy vitan’ny hoe araka ny avara-pianarana fotsiny
  • Ireo Filazantsara​—Mitohy ny Adihevitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Iza Marina i Jesosy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Azo Itokisana ve ny Filazantsara?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Ny Fahamarinana Momba An’i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 15/12 p. 3-4

Ny Filazantsara Araka ny Manam-pahaizana Manokana

“ATAON’NY olona ho iza moa Aho?” (Lioka 9:18). Nanontany izany an’ireo mpianany i Jesosy, efa ho roa arivo taona lasa izay. Nampisy ady hevitra ilay fanontaniana tamin’izay. Toa mbola bebe kokoa aza izany ankehitriny, indrindra fa manodidina ny fotoan’ny Krismasy, izay heverina fa tokony hifantoka amin’i Jesosy. Maro no mino fa nirahina avy tany an-danitra mba hanavotra ny olombelona, i Jesosy. Izany ve no eritreretinao?

Manolotra fiheverana hafa ny manam-pahaizana manokana sasany. “Tsy marina ara-tantara ilay sarin’i Jesosy ho nampianatra fa izy no Zanak’Andriamanitra izay tokony ho faty noho ny fahotan’izao tontolo izao”, hoy ny filazan’i Marcus J. Borg, profesora momba ny fivavahana sy ny kolontsaina.

Misy manam-pahaizana manokana hafa milaza fa ilay tena Jesosy dia tsy nitovy tamin’ilay vakintsika ao amin’ny Baiboly. Misy mino fa ny Filazantsara rehetra dia nosoratana efapolo taona na mihoatra taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, ary tamin’izay dia nohatsaraina ny tena naha-izy an’i Jesosy. Tsy nahakasika ny fitadidian’ireo mpanoratra ny Filazantsara akory ilay zava-manahirana, hoy ny fanantitranteran’ireo manam-pahaizana manokana, fa momba ny filazan’izy ireo ny hevitry ny teny. Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, ireo mpianatra dia nanjary nihevitra azy tamin’ny fomba hafa — ho ilay Zanak’Andriamanitra, Mpamonjy sy Mesia. Misy sahy milaza fa i Jesosy dia tsy inona akory fa olon-kendry mpivenjivenjy, revaolisionera ara-tsosialy. Izany, hono, no fahamarinan’ny Filazantsara, hoy ireo manam-pahaizana manokana.

Ny fiheveran’ny “avara-pianarana” an’i Jesosy

Mba hiarovana ilay fiheveran’ny “avara-pianarana” ananany, ireo mpanao tsikera dia toa dodona ny hanilika na inona na inona momba an’i Jesosy ka toa mahagaga tsy araka ny lalàn’ny natiora. Ohatra, milaza ny sasany fa fanarontsaronana ny naha-zazasary an’i Jesosy ilay hoe nateraky ny virjiny. Ny hafa dia mandà ny faminanian’i Jesosy momba ny fandravana an’i Jerosalema, manizingizina fa ireny dia nampidirina tao amin’ny Filazantsara taorian’ny “nahatanterahany”. Misy aza milaza fa ny fanasitranana nataon’i Jesosy dia psikosomatika fotsiny — fahefan’ny saina eo amin’ny zavatra. Moa ve ianao mihevitra izany fanoloran-kevitra izany ho marim-pototra sa mampiseho hadalana?

Ny manam-pahaizana manokana sasany aza milaza fa noforomporonin’ireo mpianatr’i Jesosy ilay fitsanganany tamin’ny maty mba hitanana ny fihetsiketsehan’izy ireo tsy hirodana. Raha dinihina tokoa, hoy ny fanjohian-kevitr’ireo manam-pahaizana manokana, dia tsy nanan-kery ireo mpanara-dia an’i Jesosy raha tsy teo izy, koa namoromporona tantara izy ireo mba hamerenana indray an’ilay Tompony. Raha ny marina, hono, dia ny Kristianisma no nitsangana tamin’ny maty, fa tsy i Kristy. Raha toa ka fanolanana ataon’ny avara-pianarana izany, ahoana ny amin’ilay filazan’i Barbara Thiering, teolojiana, hoe tsy novonoina velively i Jesosy? Mino izy fa tsy maty tamin’ilay fanomboana azy i Jesosy fa mbola niaina ka nanambady indroa ary niteraka zanaka telo.

Izany fanambarana rehetra izany dia mampidina an’i Jesosy ho amin’ilay hany laharana haneken’ny manam-pahaizana manokana maro azy: ny an’ny lehilahy hendry iray, olona nailikiliky ny fiaraha-monina jiosy, mpanao fanavaozana ara-tsosialy — na inona na inona fa tsy Zanak’Andriamanitra, izay tonga mba “hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro”. — Matio 20:28.

Angamba manodidina izao vanim-potoana amin’ny taona izao ianao dia efa namaky tapany amin’ny Filazantsara, toy ny tapany mahakasika ny nahaterahan’i Jesosy tao anaty fihinanam-bilona. Na mety ho efa nandre izany tany am-piangonana ianao. Moa ve ianao nanaiky ny fitantaran’ny Filazantsara ho sarobidy sy azo inoana? Diniho àry itỳ toe-javatra manafintohina itỳ. Tamin’ny seminera iray nolazaina fa Semineran’i Jesosy, dia nisy antokona manam-pahaizana manokana nivory indroa isan-taona hatramin’ny 1985, mba hamaritana ny maha-marina ireo tenin’i Jesosy. Tena nilaza marina izay lazain’ny Baiboly fa avy aminy ve i Jesosy? Ireo mpikambana tamin’ilay seminera dia nanao latsa-bato tamin’ny vakana miloko nahakasika ny fitenenana tsirairay nataon’i Jesosy. Ny vakana mena dia nidika fa ilay filazana dia azo antoka fa notenenin’i Jesosy; ny vakana mavokely dia nidika fa azo inoana fa nilaza azy io izy; ny vakana volon-davenona dia nidika fisalasalana; ary ny vakana mainty dia nilaza fanaovana hosoka.

Mety ho sahiran-tsaina ianao mahafantatra fa ilay Semineran’i Jesosy dia nanambara fa ny 82 isan-jaton’ireo teny nolazaina fa avy amin’i Jesosy dia azo inoana fa tsy noteneniny. Teny nalaina avy tao amin’ny Filazantsaran’i Marka iray monja no ninoana fa mendri-pitokiana. Nolazaina fa ny Filazantsaran’i Lioka dia feno fampielezan-kevitra aoka izany ka “tsy fantatra intsony izay tena izy tany am-boalohany”. Tamin’ny latsa-bato, dia nahazo vakana mainty milaza fanaovana hosoka ny Filazantsaran’i Jaona manontolo, afa-tsy andalan-tsoratra telo ihany, ka ilay sombiny tavela dia nomena vakana volon-davenona milaza fisalasalana.

Tsy vitan’ny hoe araka ny avara-pianarana fotsiny

Miray hevitra amin’ireo manam-pahaizana manokana ve ianao? Moa ve izy ireo manolotra antsika filazalazana momba an’i Jesosy araka ny marina kokoa noho izay hita ao amin’ny Baiboly? Ireo fanontaniana ireo dia tsy vitan’ny hoe ady hevitra ataon’ny avara-pianarana fotsiny. Amin’izao vanim-potoana izao, dia mety hisy hampahatsiaro anao fa, araka ny Baiboly, Andriamanitra dia naniraka an’i Jesosy “mba tsy hisy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”. — Jaona 3:16.

Raha toa i Jesosy ka olon-kendry mpivenjivenjy fotsiny izay zara raha misy fantatsika ny aminy, dia tsy hisy heviny ny ‘hinoantsika’ azy. Etsy an-danin’izany, raha marina ny filazalazan’ny Baiboly an’i Jesosy, dia tafiditra amin’izany ny famonjena antsika mandrakizay. Noho izany, dia mila ny mahafantatra isika hoe: mirakitra ny fahamarinana momba an’i Jesosy ve ny Baiboly?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara