FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/4 p. 20-25
  • Tany Romania no Nianarako ny Fahamarinana Ara-baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tany Romania no Nianarako ny Fahamarinana Ara-baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fotoana nikorontana
  • Ny faniriako hahalala ny fahamarinana ara-baiboly
  • Miely ao Romania ny fahamarinana ara-baiboly
  • Nankany Etazonia
  • Ny fanombohan’ny fanompoanay teto Etazonia
  • Fanitsiana nilaiko
  • Ny naha-tafavoaka anay nandritra ny Fitambotsorana ara-toe-karena
  • Fihazonana ny finoanay
  • Ny fianakavianay nahatoky tany Romania
  • Mbola sarobidy amiko foana ny fahamarinana
  • Vonona Handeha Lavitra Kokoa
    Mifohaza!—2005
  • Fifaliana Tsy Nisy toy Izany!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Hanoanana Ara-panahy any Romania
    Mifohaza!—1997
  • Natao Ireo Fivoriambe Tany Romania na dia teo Aza ny Fanoherana
    Mifohaza!—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/4 p. 20-25

Tany Romania no Nianarako ny Fahamarinana Ara-baiboly

NOTANTARAIN’I GOLDIE ROMOCEAN

Sambany, tao anatin’ny efa ho 50 taona, vao nitsidika fianakaviana tany Romania aho, tamin’ny 1970. Niaina teo ambany fitondrana komonista tsy refesi-mandidy ny olona, ary nampitandremana mandrakariva aho mba ho maodimaody ny amin’izay lazaiko. Avy eo, rehefa tao amin’ny biraom-panjakana tao amin’ny vohitra niavianay aho, dia nampirisika ahy mafy handao ilay tany avy hatrany ny manam-pahefana. Alohan’ny hanazavako ny antony, dia mamelà ahy hilaza ny fomba nianarako ny fahamarinana ara-baiboly tany Romania.

TERAKA tamin’ny 3 Martsa 1903 aho, tao amin’ny vohitr’i Ortelec, any avaratra-andrefan’i Romania, teo akaikin’ny tanànan’i Zalău. Nipetraka tao amin’ny manodidina tsara tarehy izahay. Nadio ny rano sy ny rivotra. Izahay ihany no namboly ny zavatra hatao sakafonay ka tsy nanan-java-nahory ara-nofo izahay. Nilamina ny tany nandritra ny fahazazako.

Mpivavaka be ny olona. Fivavahana telo samy hafa no nisy ny fianakavianay, raha ny marina. Katolika Ortodoksa ny iray tamin’ireo renibeko, Advantista ny iray, ary Batista ny ray aman-dreniko. Nilaza ny fianakaviako fa hanjary tsy mpino an’Andriamanitra aho, satria tsy niray hevitra tamin’ny iray tamin’ny fivavahan’izy ireo. ‘Raha misy Andriamanitra iray’, hoy ny eritreritro, ‘dia tokony tsy hisy afa-tsy fivavahana iray ihany — fa tsy telo ao amin’ny fianakaviana iray.’

Nampikorontan-tsaina ahy ny zavatra hitako tao amin’ny fivavahana. Ohatra, nitsidika tokantrano ny pretra mba hanangonana ny adidim-piangonana. Rehefa tsy nanam-bola homena ny olona, dia nalainy ny bodofotsin’izy ireo volon’ondry tsara indrindra ho solony. Nandinika an’i Bebe nandohalika mba hivavaka teo anoloan’ny sarin’i Maria aho, tao amin’ny eglizy katolika. ‘Nahoana àry no mivavaka amin’ny sary?’, hoy ny eritreritro.

Fotoana nikorontana

Nandeha tany Etazonia i Dada tamin’ny 1912, mba hahazo vola handoavan-trosa. Nipoaka ny ady tsy ela taorian’izay, ary nandao ny vohitray mba handeha hiady ireo lehilahy — zaza amam-behivavy sy lahiantitra no sisa tavela. Tonga teo ambany fanapahan’ireo Hongroà ny vohitray nandritra ny fotoana kelikely, niverina anefa ny miaramila romaniana avy eo ary namerina ilay vohitra ho azy. Nanome baiko anay mba handeha avy hatrany izy ireo. Kanefa, noho ny fahamaikana sy ny fisavoritahana teo am-panangonana ny entana sy ny ankizy madinika ho ao anaty saretin’omby, dia tavela aho. Izaho moa no zokiny indrindra amin’ny ankizy dimy.

Nihazakazaka nankany amin’ny mpifanila trano, lahiantitra iray izay nijanona tao aho, ary hoy izy: “Mandehana mody. Hidio ny varavaranareo, ary aza avela hisy hiditra.” Nankatò haingana aho. Rehefa avy nihinana lasopy akoho sy laisoa voasesika izay tavela noho ny fahamaikana handeha aho, dia nandohalika teo anilan’ny fandriako ary nivavaka. Tsy ela dia renoky ny torimaso aho.

Rehefa nanokatra ny masoko aho, dia efa maraina ny andro, ary hoy aho hoe: “Misaotra Andriamanitra ô! Velona aho!” Feno lavaky ny bala ny rindrina, satria nisy fifampitifirana nandritra ny alina. Rehefa hitan’i Neny fa tsy teo amin’izy ireo aho, tao amin’ilay vohitra nanaraka, dia naniraka an’i George Romocean izy. Nahita ahy i George tanora ary nitondra ahy niverina. Tsy ela dia afaka niverina tao amin’ilay vohitra niavianay izahay ary nanohy nipetraka tao indray.

Ny faniriako hahalala ny fahamarinana ara-baiboly

Tian’ny reniko ny hanaovana batisa ahy amin’ny maha-Batista, tsy tiako anefa ny hanao izany satria tsy afaka nino aho fa handoro olona mandrakizay ao amin’ny afobe ny Andriamanitra be fitiavana iray. Niezaka nanazava i Neny hoe: “Koa maninona moa raha olona ratsy izy ireo.” Namaly anefa aho hoe: “Raha olona ratsy izy, dia vonoy, fa aza ampijalijalina. Tsy hahavita hampijalijaly na dia alika sy saka aza aho.”

Tsaroako fa indray lohataona, tsara ny andro tamin’izay, dia naniraka ahy hamoaka ny omby ho any an-kijana i Neny; 14 taona aho tamin’izay. Rehefa nitsilailay teo amin’ny ahitra teo akaikin’ny renirano iray aho, ary nisy ala tao aoriako, dia nibanjina ny lanitra aho ary nilaza hoe: “Andriamanitra ô, fantatro fa ao ianao; tsy misy tiako anefa ireo fivavahana ireo. Azoko antoka fa manana fivavahana tsara iray ianao.”

Tena inoako fa nihaino ny fivavahako Andriamanitra satria tamin’ny fahavaratry ny taona 1917 ihany, dia tonga tao amin’ny vohitray ny Mpianatra ny Baiboly roa (araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izay). Colporteurs, na mpanompo manontolo andro izy ireo, ary tonga tao amin’ny fiangonana batista izy nandritra ny fotoam-pivavahana.

Miely ao Romania ny fahamarinana ara-baiboly

Taona vitsivitsy teo aloha, tamin’ny 1911, dia niverina tany Romania i Carol Szabo sy i Josif Kiss izay nanjary Mpianatra ny Baiboly fony izy ireo tany Etazonia, mba hampiditra ny fahamarinana ara-baiboly tao. Niorim-ponenana tao Tîrgu-Mureş, any amin’ny efa ho 160 kilaometatra, atsimo-atsinanan’ny vohitray, izy ireo. Tao anatin’ny taona vitsivitsy, dia olona an-jatony maro ara-bakiteny no nandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana sy nanomboka ny fanompoana kristiana. — Matio 24:14.

Rehefa tonga tao amin’ny fiangonana batista tao amin’ny vohitray tao Ortelec ireo Mpianatra ny Baiboly tanora roa, dia teo am-pitarihana ny fotoam-pivavahana i George Romocean na dia vao 18 taona monja aza, ary niezaka nanazava ny hevitry ny Romana 12:1. Tamin’ny farany, nitsangana ny iray tamin’ireo colporteurs tanora ary nilaza hoe: “Ry rahalahy, ry sakaiza, inona no tian’ny apostoly Paoly hambara amintsika eto?”

Nientanentana aoka izany aho rehefa nandre izany! Hoy aho anakampo: ‘Tsy maintsy mahalala ny fomba anazavana ny Baiboly ireto lehilahy ireto.’ Niantsoantso anefa ny ankamaroan’ny olona teo hoe: “Mpaminany sandoka! Fantatray ianareo!” Nisy horakoraka nanaraka izany. Nitsangana anefa ny rain’i George avy eo ary nilaza hoe: “Mangina daholo! Toe-tsaina inona àry itỳ? Mamo angaha ianareo? Raha manan-javatra hambara amintsika ireto lehilahy ireto ary tsy te hihaino azy ianareo, dia asaiko ho any an-tranoko izy. Raisina an-tanan-droa izay te ho avy.”

Tamim-pahataitairana, dia nihazakazaka nody aho ary nilaza tamin’i Neny izay nitranga. Iray tamin’ireo izay nanaiky ny fanasana ho any an-tranon-dry Romocean aho. Nientam-po toy inona moa aho tamin’iny takariva iny rehefa nianatra avy tao anatin’ny Baiboly fa tsy misy afobe mirehitra, sy nahita tao amin’ny Baiboliko amin’ny fiteny romaniana ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah! Nandamina ny hisian’ny Mpianatra ny Baiboly iray hitsidika ny tokantranon-dry Romocean isan’alahady, mba hampianatra anay, ireo colporteurs. Natao batisa aho, teo amin’ny faha-15 taonako, ny fahavaratra nanaraka, ho mariky ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah.

Rehefa nandeha ny fotoana, dia saika ny fianakaviana Prodan sy ny fianakaviana Romocean manontolo no nanaiky ny fahamarinana ara-baiboly sy nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah. Nanao toy izany koa ny maro hafa avy tao amin’ny vohitray, anisan’izany ny mpivady tanora izay nampiasaina ho fiangonana batista ny tokantranony teo aloha. Taorian’izany, dia novan’izy ireo ho toeram-pivoriana fianaran’ny Mpianatra ny Baiboly izy io. Niely haingana tany amin’ireo vohitra teo akaiky teo ny fahamarinana araka ny Soratra Masina, ary tamin’ny 1920, dia efa nisy mpitory ilay Fanjakana tokony ho 1 800 tao Romania!

Nankany Etazonia

Dodona izahay hizara izay nianaranay tamin’ny rainay, i Peter Prodan. Nahagaga anefa fa talohan’ny nahafahanay nanoratra, dia naharay taratasy avy tany aminy izahay nanambara fa tonga mpanompon’i Jehovah vita batisa izy. Efa niara-nianatra tamin’ny Mpianatra ny Baiboly tany Akron, Ohio, izy ary naniry ny hahatongavanay rehetra tany aminy any Etazonia. Nanda tsy handao an’i Romania anefa i Neny. Koa, nampiasa ny vola nalefan’i Dada aho tamin’ny 1921, ary tonga tany aminy tany Akron. Efa nifindra nonina tany Etazonia i George Romocean sy ny rahalahiny, herintaona talohan’izay.

Rehefa tonga tamin’ny sambo tao Ellis Island, New York aho, ny manam-pahefana momba ny fifindra-monina dia tsy nahay nandika ny anarako hoe Aurelia ho amin’ny fiteny anglisy, koa hoy izy: “Atao hoe Goldie ianao.” Izany no anarako nanomboka tamin’izay. Fotoana fohy taorian’izany, tamin’ny 1 May 1921, dia nivady izahay sy i George Romocean. Niverina tany Romania i Dada tokony ho herintaona tatỳ aoriana, ary nitondra an’i Mary, zandriko vavy, niverina tany Akron tamin’ny 1925. Niverina tany Romania i Dada avy eo, mba ho eo akaikin’i Neny sy ny sisa amin’ny fianakaviana.

Ny fanombohan’ny fanompoanay teto Etazonia

Mpanompon’i Jehovah tena tsy nivadika sy be fandavan-tena i George. Teo anelanelan’ny 1922 sy 1932, dia nandray fitahiana izahay tamin’ny fiterahana zanakavavy maha-te-ho-tia — i Esther, i Anne, i Goldie Elizabeth, i Irene. Nisy kongregasiona iray niteny romaniana niforona tao Akron, ary teo am-boalohany, dia natao tao an-tranonay ireo fivoriana. Tatỳ aoriana, dia nisy solontenan’ny Foibe Maneran-tanin’ny Mpianatra ny Baiboly tao Brooklyn, New York, nitsidika ny kongregasionanay isaky ny enim-bolana ka niara-nipetraka taminay.

Nandritra ny alahady maro izahay dia nanokana ny andro manontolo ho amin’ny asa fitoriana. Namehy ireo kitaponay sy sakafo izahay, nataonay tao anatin’ny Ford modèle T-nay ireo zanakay vavy, ary nandany ny andro tamin’ny fitoriana tany amin’ny faritany ambanivohitra izahay. Avy eo, tamin’ny takariva, dia nanatrika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana izahay. Nanjary tia ny asa fitoriana ireo zanakay vavy. Tao Columbus, Ohio, aho rehefa nandray ilay anarana mampiavaka azy, hoe Vavolombelon’i Jehovah, ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’ny 1931.

Fanitsiana nilaiko

Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nanjary tezitra tamin’i Joseph F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society tamin’izay, aho. Nisy Vavolombelona vao haingana iray nihevitra fa nanao zavatra tsy ara-drariny taminy ny Anadahy Rutherford tamin’ny tsy nihainoana azy. Nihevitra aho fa diso ny Anadahy Rutherford. Tonga mba hitsidika anay i Mary, rahavaviko sy i Dan Pestrui, vadiny, indray alahady. Taorian’ny sakafo, dia hoy i Dan: “Andeha isika hiomana ho any amin’ny fivoriana.”

“Tsy mankany amin’ireo fivoriana intsony izahay”, hoy aho. “Tezitra amin’ny Anadahy Rutherford izahay.”

Namihina ny tanany tao andamosiny i Dan ary nanao dia nandroso sy niverina, ary hoy izy avy eo: “Nahafantatra ny Rahalahy Rutherford ve ianao fony ianao natao batisa?”

“Mazava ho azy fa tsia”, hoy aho namaly. “Fantatrao fa tany Romania aho no natao batisa.”

“Nahoana ianao no natao batisa?”, hoy izy nanontany.

“Satria nianarako fa i Jehovah no Andriamanitra marina, ary naniry hanolotra ny fiainako hanompoana azy aho”, hoy aho namaly.

“Aza hadinoana na oviana na oviana izany!”, hoy izy namaly. “Ahoana raha mandao ny fahamarinana ny Rahalahy Rutherford, handao azy io koa ve ianao?”

“Sanatria izany!” hoy aho. Nampihiratra ny saiko izany, ary hoy aho hoe: “Andeha hiomana ho amin’ny fivoriana isika rehetra.” Ary tsy nijanona izahay nanomboka tamin’izay. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah toy inona moa aho noho ny fanitsiana tamim-pitiavana nataon’ny zaodahiko!

Ny naha-tafavoaka anay nandritra ny Fitambotsorana ara-toe-karena

Fe-potoana sarotra ny Fitambotsorana ara-toe-karena tamin’ireo taona 1930. Indray andro, nody avy niasa i George, faran’izay ketraka, ary nampahafantatra ahy fa nesorina tamin’ny asany tao amin’ny orinasa mpanodina fingotra izy. “Aza matahotra”, hoy aho, “manana Ray manankarena isika any an-danitra, ary tsy handao antsika izy.”

Nifanena tamin’ny namana iray nitondra sobika lehibe iray feno holatra i George ny androtr’iny ihany. Rehefa fantany hoe taiza ilay namany no naka azy ireo, dia nody nitondra vata feno holatra izy. Nolaniny nividianana sobika kely ny dolara telo sisa tatỳ aminay avy eo. “Ahoana no nahafahanao nanao izao, nefa isika manan-janaka kely mila ronono?”, hoy aho nanontany.

“Aza manahy”, hoy izy namaly, “ataovy fotsiny izay lazaiko anao.” Nandritra ireo herinandro vitsivitsy nanaraka, dia nanana orinasa kely izahay tao an-tranonay, izay nanadiovana sy nanaovana an-tsobika ireo holatra. Namidinay tamin’ireo hotely fisakafoana tsara indrindra izy ireo ary nitondra vola 30 ka hatramin’ny 40 dolara nody izahay isan’andro, vola be izany ho anay tamin’izany fotoana izany. Nilaza ilay mpamboly nanome lalana anay haka holatra teo amin’ny kijanany fa efa nipetraka teo nandritra ny 25 taona izy ary mbola tsy nahita holatra betsaka toy izao mihitsy. Tsy ela dia niantso an’i George hiasa indray ilay orinasa mpanodina fingotra.

Fihazonana ny finoanay

Nifindra tany Los Angeles, Californie, izahay tamin’ny 1943, ary niorim-ponenana tao Elsinore, efa-taona tatỳ aoriana. Nanokatra fivarotana enta-madinika izahay tany, ary nifandimby niasa tao ny fianakavianay manontolo. Tanàna kely nisy mponina tokony ho 2 000 i Elsinore tamin’izany fotoana izany, ary voatery nanao dia 30 kilaometatra izahay ho any amin’ny tanàna iray hafa mba hanatrehana ireo fivorianay kristiana. Faly toy inona moa aho nahita kongregasiona kely niforona tao Elsinore tamin’ny 1950! Misy kongregasiona 13 izao ao amin’io faritra io.

Nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower tany South Lansing, New York, i Goldie Elizabeth, zanakay vavy (izay fantatry ny ankamaroan’ny olona ankehitriny amin’ny hoe Beth) tamin’ny 1950, ary nahazo fanendrena ho misionera tany Venezoela. Tamin’ny 1955, dia faly i Irene, zanakay faravavy fa nasaina hanompo amin’ny maha-minisitra mpitety faritany tao amin’ny asan’ny fizaran-tany ny vadiny. Avy eo, tamin’ny 1961, dia nalefa tany Tailandy izy ireo, rehefa avy nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana tany South Lansing, New York. Nalahelo an’ireo zanako vavy aoka izany aho indraindray ka nitomany, avy eo anefa, dia nieritreritra aho hoe: ‘Izao no tiako hataon’izy ireo.’ Koa nandray ny kitapoko aho ary nivoaka hitory. Falifaly foana aho rehefa nody.

Tapaka lalan-dra i George, vady malalako, tamin’ny 1966. Nanampy teo amin’ny fikarakarana azy i Beth izay efa niverina avy tany Venezoela noho ny tsy fahasalamana. Maty i George ny taona nanaraka ary nampionona ahy ny hoe nitoetra ho nahatoky teo anatrehan’i Jehovah izy ary nahazo ny valisoany any an-danitra. Nankany Espaina i Beth taorian’izay mba hanompo any amin’izay nilana mpitory ilay Fanjakana maro kokoa. Nanjary voan’ny kansera i Esther, zanako vavimatoa, ary maty tamin’ny 1977, ary tamin’ny 1984, dia maty voan’ny kanseran’ny ra i Anne. Mpanompo nahatokin’i Jehovah izy mirahavavy nandritra ny fiainany manontolo.

Tamin’ny fotoana nahafatesan’i Anne, dia efa niverina avy tamin’ny asa nanendrena azy tany ivelany i Beth sy i Irene. Nanampy teo amin’ny fikarakarana an’ireo rahavaviny izy ireo, ary nalahelo mafy izahay rehetra. Afaka kelikely, dia hoy aho tamin’ireo zanako vavy hoe: “Aoka izay! Efa nampionona ny hafa tamin’ny alalan’ny fampanantenana sarobidy ao amin’ny Baiboly isika. Tsy maintsy mamela ny tenantsika hampiononina isika izao. Maniry hanala amintsika ny fifaliantsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah i Satana, tsy avelantsika hanao izany anefa izy.”

Ny fianakavianay nahatoky tany Romania

Nanao ilay dia tsy hay hadinoana izahay sy i Mary, zandriko vavy tamin’ny 1970, mba hitsidihana ny fianakavianay tany Romania. Efa maty ny zandrinay vavy iray, nefa afaka nitsidika an’i John, zandrinay lahy sy i Lodovica, zandrinay vavy izay mbola nipetraka tao amin’ny vohitr’i Ortelec izahay. Tamin’ny fotoana nitsidihanay, dia efa maty i Dada sy i Neny, rehefa nitoetra ho nahatoky teo anatrehan’i Jehovah. Maro no nilaza taminay fa andry tao amin’ny kongregasiona i Dada. Na dia ny sasany amin’ireo zafiafiny any Romania aza dia Vavolombelona izao. Nitsidika havana betsaka avy amin’ny vadiko, izay nitoetra ho niorina tsara tao amin’ny fahamarinana ara-baiboly koa izahay.

Teo ambany fitondrana komonista lozabe an’i Nicolae Ceauşescu i Romania tamin’ny 1970, ary nenjehina tamin-kabibiana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandany taona maro tao amin’ny toby fitanana noho ny finoany kristiana i Flore, zanak’i John anadahiko, ary koa ny havako hafa; natao toy izany koa i Gábor Romocean, zanak’olo-mpiray tam-po amin’ny vadiko. Tsy mahagaga raha nilaza ireo anadahinay romaniana fa nitebiteby izy ireo rehefa nanankinana ny fitondrana taratasy ho any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any New York izahay, mandra-pandreny fa tafavoaka soa aman-tsara an’ilay tany izahay!

Rehefa fantatray fa lany andro ny visas-nay, dia nankany amin’ny biraom-panjakana tany Ortelec izahay. Zoma tolakandro tamin’izay ary manam-pahefana iray monja no niandry raharaha. Rehefa nahafantatra izy hoe iza no notsidihinay sy hoe efa tany amin’ny toby fitanana ny zanak’anadahinay, dia hoy izy: “Mialà eto haingana ianareo, Tompokovavy!”

“Tsy misy lamasinina miainga anefa anie anio e”, hoy ny navalin’ny rahavaviko.

“Tsy maninona”, hoy izy tamim-pahadodonana. “Mandehana aotobisy, na lamasinina, na taxi, na tongotra. Mialà fotsiny eto haingana araka izay azonareo atao!”

Rehefa nanomboka nandeha izahay, dia nantsoina hiverina ary nampahafantarina fa nisy lamasinina tsy nampoizina ho avy tamin’ny enina ora hariva. Avy tamin’Andriamanitra tokoa izany! Ho nosavaina niverimberina mantsy ny taratasy teny aminay, raha lamasinina mahazatra no nandehananay, nefa satria itỳ lamasinina itỳ nitondra miaramila ary izahay mirahavavy irery no sivily tao, dia tsy nisy nangataka hijery ny pasipaoronay. Mety ho nihevitra izy ireo fa reniben’ny sasany tamin’ireo manamboninahitra izahay.

Tonga tao Timisoara izahay ny ampitso maraina, ary noho ny fanampian’ny naman’ny havana iray, dia afaka nahazo ny visas-nay izahay. Tany ivelan’ilay tany izahay ny ampitson’iny. Niverina tany an-tranonay nitondra fahatsiarovana mamy sy tsy hay hadinoana maro izahay, dia fahatsiarovana an’ireo anadahinay sy rahavavinay kristiana tsy nivadika tany Romania.

Nandre tsipiriany kely momba ny asa fitoriana tany ambadiky ny Rindrim-by izahay tamin’ireo taona nanaraka ny fitsidihanay tany Romania. Kanefa, natoky izahay fa hitoetra ho tsy mivadika amin’Andriamanitray ireo anadahinay sy rahavavinay kristiana — na inona na inona mety hitranga. Ary azo antoka fa nanao izany izy ireo! Fifaliana toy inona moa ny nahafantatra fa nekena ara-dalàna ho fandaminana ara-pivavahana ao Romania ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny Aprily 1990! Ny fahavaratra nanaraka dia finaritra izahay noho ny tatitra momba ireo fivoriambe natao tany Romania. Mihoatra ny 34 000 no nanatrika tao amin’ny tanàna valo, ary 2 260 no natao batisa! Misy maherin’ny 35 000 ankehitriny no mandray anjara amin’ny asa fitoriana ao Romania, ary 86 034 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny taon-dasa.

Mbola sarobidy amiko foana ny fahamarinana

Nitsahatra tsy nandray anjara tamin’ny marika tamin’ny Fahatsiarovana aho nandritra ny taona vitsivitsy. Nandinika anadahy sasany tena nahay izay tsy nandray anjara aho ary nanjohy hevitra hoe: ‘Nahoana moa i Jehovah no hanome ahy ny tombontsoa ho mpiara-mandova amin’ny Zanany any an-danitra nefa ny hafa dia mpandahateny misosa tsara toy izao?’ Rehefa tsy nandray anjara anefa aho, dia nahatsapa ho voakorontana mafy. Toy ny hoe nanda zavatra aho. Taorian’ny fianarana betsaka sy fitalahoana tamim-bavaka, dia nanomboka nandray anjara indray aho. Niverina ny filaminan-tsaiko sy ny fifaliako, ary tsy niala tamiko mihitsy.

Na dia tsy mahita intsony aza aho ka tsy afaka mamaky teny, dia mihaino ny cassettes momba ny Baiboly sy momba ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! aho isan’andro. Mbola mandray anjara amin’ny asa fitoriana foana koa aho. Mazàna aho no mahapetraka gazety 60 ka hatramin’ny 100 isam-bolana, nefa rehefa nanao ny ezaka manokana tamin’ny Mifohaza! izahay tamin’ny Aprily lasa, dia nahapetraka gazety 323 aho. Afaka manao anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika koa aho noho ny fanampian’ireo zanako vavy. Sambatra aho afaka manohy mampahery ny hafa. Saiky ny rehetra ao amin’ny Efitrano Fanjakana no miantso ahy hoe Bebe.

Rehefa manao jery todika an’ireo 79 taona teo amin’ny fanompoana tamin-jotom-po an’i Jehovah aho, dia misaotra azy isan’andro fa namela ahy hahalala ny fahamarinany sarobidy izy sy hampiasa ny fiainako teo amin’ny fanompoana azy. Velom-pankasitrahana aoka izany aho satria velona mba hahita ny fahatanterahan’ny faminaniana mahatalanjona ao amin’ny Baiboly izay nanambara mialoha ny fanangonana ireo olona toy ny ondry amin’izao andro farany izao. — Isaia 60:22; Zakaria 8:23.

[Sary, pejy 23]

I Mary, rahavaviko sy i Dada, mitsangana, ary izaho sy i George, ary i Esther sy i Anne, zanakay vavy

[Sary, pejy 24]

Miaraka amin’i Beth sy i Irene, zanako vavy, ary ny vadin’i Irene sy ireo zanany mirahalahy, ireo rehetra ireo dia manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara