FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 15/4 p. 3
  • Hanam-piadanana ve Ireo Ory Indray Andro Any?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hanam-piadanana ve Ireo Ory Indray Andro Any?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Miahy An’ireo Ory Ilay “Andriamanitry ny Fiadanana”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Ny Vola ve no Tena Mahasambatra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Azo Atao Foana ny Manompo An’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Nikatsaka Voalohany Indrindra ny Fanjakana Izahay
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 15/4 p. 3

Hanam-piadanana ve Ireo Ory Indray Andro Any?

HO TIANAO ve ny hahatongavan’ny faran’ny fijaliana, tsy ho an’ny tenanao ihany fa ho an’ny olombelona rehetra koa? Diniho ireto zava-misy ireto:

Fahoriana tsy eran’ny aina no nahazo an’i Sonia.a Voalohany aloha, dia nanjary fantany fa efa folo taona izao no nanitsakitsahan’ny vadiny azy. Avy eo dia nanjary azon’ny otrik’aretina VIH ny zanany faralahy ary matin’ny SIDA. Roa taona tatỳ aoriana, dia nanjary narary ny zanany lahy hafa, ary tsy ela dia matin’ny SIDA koa. “Naharitra lava be ny ambaratonga faran’ny aretiny”, hoy ny tadidin’i Sonia. “Voan’ny fahaketrahana mafy izy, nihintsana ny volony ary tsy afaka nahita tsara izy. Tena nahahontsa ilay izy.”

Nanahy ny amin’ny tsy rariny ara-tsosialy eo amin’izao tontolo izao i Fabiana, mpianatra breziliana, tany amin’ny oniversite. Avy eo, dia namely ny fiainany manokana ny loza. Namono tena ny anadahiny izay voan’ny fahaketrahana. Rehefa namoy ny asany i Fabiana, dia nanolo-kevitra azy ny namana iray mba handehanany hitady pai-de-santo (mpimasy), noho izy io nanjohy hevitra fa tsy maintsy ho nisy namosavy i Fabiana matoa iharam-pahavoazana toy izao! Tsy nitondra fanamaivanana anefa ilay pai-de-santo. Vao mainka kosa aza i Fabiana nahatsapa ho nijalijaly, ka tsy afaka natory noho ny fahoriany.

Aloha be teo amin’ny fiainan’i Ana no nanomboka ny fahoriany. “Fony aho herintaona”, hoy ny fitantarany, “dia nandao ahy ny reniko, koa notezain-drenibeko aho.” Avy eo, rehefa telo taona monja i Ana, dia maty ny renibeny. Nalefa tany amin’ny fitaizana zaza kamboty tany Rio de Janeiro i Ana, ary nijanona tao hatramin’ny faha-13 taonany. “Nentina tamin’ny fomba tena ratsy izahay tao, ary nanjary mpikomy aho”, hoy izy. “Rehefa nihalehibe aho, dia nanohitra saika ny zavatra rehetra mihitsy.”

Toa mahakasika ny fiainan’ny olombelona rehetra amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa ny fahoriana. Eny tokoa, tojo tantara momba ny fahorian’olombelona isika isan’andro — na rahoviana na rahoviana isika mijery, na mamaky, na mihaino vaovao. “Amin’izao vanim-potoana iainantsika isian’ny fampitam-baovao ho an’ny sarababem-bahoaka izao vao manjary saika tsy azo atao ny mandositra ny fitosahan’ny vaovao ratsy tsy an-kijanona”, hoy ny nosoratan’ny Pr. Mary Sykes Wylie. “Ny ady, ny loza araka ny natiora, ny loza indostrialy, ny faty olona mikararana eny amin’ny autoroutes, ny heloka bevava, ny fampihorohoroana, ny fametavetana, ny fisavihana, ny herisetra an-tokantrano — ireo rehetra ireo dia mahatonga ny fikorontanana anaty ho foto-kevitra mampihoron-koditra miverimberina isan’andro amin’ny taonjato faha-20.” Tamin’ny fijerena ny zavatra tena misy, dia namintina ny zavatra iainan’ny olombelona toy izao i Paoly, apostoly kristiana: ‘Izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy marary’. — Romana 8:22.

Ahoana ny aminao? Mandia fahoriana ve ianao? Fanamaivanana inona no azonao antenaina? Hahita tena fiadanana ve ianao indray andro any? Nahita fampiononana marina sy tena fiadanana amin’ny fetrany sasany i Sonia, i Fabiana, ary i Ana! Afaka mamaky momba izany ianao ao amin’ilay lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Novana ireo anarana ato amin’itỳ lahatsoratra itỳ.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara