Naḥmanide — Noporofoiny ve fa Diso ny Kristianisma?
NY MOYEN ÂGE. Mampahatsiahy inona izany? Ny Kroazada ve? Ny Inquisition ve? Ny fampijalijaliana ve? Mazàna dia tsy ampifandraisina amin’ny fifanakalozan-kevitra ara-pivavahana amin-kalalahana io vanim-potoana io. Na dia izany aza, dia tao anatin’io fotoana io, tamin’ny taona 1263, no nitrangan’ny iray tamin’ireo ady hevitra niavaka indrindra nifanaovan’ny Jiosy sy ny Kristiana teo amin’ny tantaran’i Eoropa. Iza avy no tafiditra tamin’izany? Raharaha niadian-kevitra inona avy no napoitra? Ahoana no anampian’ilay ady hevitra antsika amin’izao andro izao hamantatra ny fivavahana marina?
Inona no niteraka ilay ady hevitra?
Nandritra ny Moyen Âge manontolo, dia nampiseho ny tenany ho ny fivavahana marina ny Eglizy Katolika. Kanefa, tsy nialan’ny Jiosy na oviana na oviana ny filazany ny tenany hoe vahoaka voafidin’Andriamanitra. Niteraka fahasosoran’ny eglizy, ary matetika aza herisetra sy fanenjehana, ny tsy nahavitany nampiaiky ny Jiosy fa nila niova finoana izy ireo. Nandritra ny Kroazada, dia Jiosy an’aliny maro no naripaka na nodorana teo amin’ny tsato-kazo, rehefa nasaina hifidy na ny batisa na ny fahafatesana izy ireo. Tany amin’ny tany maro, dia nanjaka ny fankahalana Jiosy nampirisihin’ny eglizy.
Nisy toe-tsaina hafa anefa nanjaka tany Espaina katolika tamin’ny taonjato faha-12 sy faha-13. Nomena fahalalahana ara-pivavahana ny Jiosy — raha mbola tsy namely ny finoana kristiana koa izy ireo — ary nomena toerana ambony mihitsy aza tao an-dapan’ny mpanjaka. Rehefa afaka tokony ho taonjato iray anefa no nahazoan’izy ireo tombontsoa toy izany, dia nanao dingana mba hampihen-danja ny fitaoman’ny Jiosy teo amin’ny fiaraha-monina sy mba hampiova finoana ny Jiosy hanaraka ny Katolisisma ireo pretra dominicains. Nampihatra fanerena tamin’ny Mpanjaka Jacques I avy tany Aragon ny Dominicains mba handamina fanaovana ady hevitra ofisialy iray, ka ny zava-nokendrena tamin’izany dia ny hanaporofo fa ambany ny fivavahan’ny Jiosy sady nila niova finoana ny Jiosy rehetra.
Tsy vao izay no ady hevitra voalohany nifanaovan’ny Jiosy sy ny Kristiana. Tamin’ny taona 1240, dia nisy ady hevitra ofisialy iray natao tany Paris, Frantsa. Ny hisedra ny Talmoda, boky masina amin-dry zareo Jiosy, no zava-nokendrena lehibe indrindra tamin’izay. Kanefa, tsy nomena fahalalahana haneho ny heviny firy ireo Jiosy nandray anjara. Taorian’ny nanambaran’ny eglizy ny fandreseny tamin’io ady hevitra io, dia nisy kopian’ny Talmoda nodorana tamin’ny antontany teny amin’ny kianjam-bahoaka.
Tsy namela ny hanaovana fisedrana ho fanivaivana toy izany anefa ny Mpanjaka Jacques I avy tany Aragon, izay nanana toe-tsaina nilefitra kokoa. Takatr’ireo Dominicains izany ka nitady fomba hafa ry zareo. Araka ny filazan’i Hyam Maccoby azy tao amin’ilay bokiny hoe Judaism on Trial, dia nanasa ny Jiosy hiady hevitra izy ireo ka “mody nataony hoe ho fanajana sy fandresen-dahatra, fa tsy ho fanamelohana toy ny tany Paris” izany. Notendren’ny Dominicains ho solontenany lehibe indrindra i Pablo Christiani, Jiosy niova finoana nanaraka ny Katolisisma ary tonga pretra dominicain. Noho ny nampiasany ny fahalalan’i Pablo Christiani ireo asa soratra momba ny Talmoda sy nataon’ireo raby, dia natoky tena ny Dominicains fa ho afaka hanaporofo ny heviny.
Nahoana no i Naḥmanide?
Olo-nalaza tokana monja tany Espaina no nanana ny toetra ara-panahy nilaina mba hisolo tena ny andaniny nisy ny Jiosy tamin’ilay ady hevitra — i Moïse ben Naḥman, na i Naḥmanide.a Teraka tokony ho tamin’ny 1194 tao amin’ny tanànan’i Gérone i Naḥmanide, ary mbola vao herotrerony izy dia efa niavaka sahady tamin’ny naha-manam-pahaizana manokana momba ny Baiboly sy ny Talmoda azy. Fony izy nananika ny faha-30 taonany, dia efa nanoratra famelabelarana momba ny ankamaroan’ny Talmoda izy, ary taoriana kelin’izay dia lasa mpitondra teny mahery teo amin’ny fanelanelanana ny ady hevitra momba ireo asa soratr’i Maimonide, izay nandrahona ny hampizarazara ny fiaraha-monina jiosy.b Heverina ho ny lehibe indrindra tamin’ny Jiosy manam-pahaizana manokana momba ny Baiboly sy ny Talmoda tamin’ny androny izy, ary angamba nanaraka avy hatrany an’i Maimonide raha ny amin’ny fitaomany teo amin’ny Jodaisma tamin’izany vanim-potoana izany.
Nampihatra fitaomana lehibe teo amin’ny fiaraha-monina jiosy tany Catalogne i Naḥmanide, ary na dia ny Mpanjaka Jacques I aza dia nanontany ny heviny nikasika raharaha maro samihafa momba ny Fanjakana. Samy nanaja ny fahaizany misaina matsilo na ny Jiosy na ny Jentilisa. Takatr’ireo Dominicains fa mba hampietrena ny Jiosy tamin’ny fomba mandaitra, dia izy, ilay rabiny lehibe indrindra, no tsy maintsy hanaovana ady hevitra.
Tsy nazoto hanaiky ilay ady hevitra i Naḥmanide, satria takany fa tsy nieritreritra ny hanao izany tsy nisy fiangarana ny Dominicains. Tokony hamaly fanontaniana fotsiny izy fa tsy nahazo nametraka na dia iray aza. Kanefa, nanaiky ny fangatahan’ny mpanjaka izy, ary nangataka mba homen-dalana hiteny tamin-kalalahana rehefa nanome valin-teny izy. Nanaiky izany ny Mpanjaka Jacques I. Mbola tsy nisy fanomezan-dalana hiteny tamin-kalalahana toy izany teo aloha, ary tsy nisy intsony tatỳ aoriana nandritra ny Moyen Âge manontolo, ka izany dia porofo mazava ny amin’ny fiheverana ambony nananan’ny mpanjaka momba an’i Naḥmanide. Na dia izany aza, dia nanahy i Naḥmanide. Raha noheverina ho mpanohitra tafahoatra izy teo amin’ilay ady hevitra, dia hisy vokany mahatsiravina teo aminy sy ny fiaraha-monina jiosy izany. Nety hipoaka tamin’ny fotoana rehetra ny herisetra.
I Naḥmanide nifanandrina tamin’i Pablo Christiani
Ny lapan’ny mpanjaka tany Barcelone no toerana fototra nanaovana ilay ady hevitra. Nisy efatra ny fihaonana natao — ny 20, 23, 26, sy 27 Jolay 1263. Ny tenan’ny mpanjaka mihitsy no nitari-draharaha tamin’ny fihaonana tsirairay, izay natrehina olo-manan-kaja maro isan-karazany avy tao amin’ny Eglizy sy ny Fanjakana, ary koa Jiosy avy tao amin’ny fiaraha-monina teo an-toerana.
Ho an’ny eglizy, dia tsy nampisalasala mihitsy ny hiafaran’ilay ady hevitra. Tao amin’ny fitantarany ofisialy, dia nambaran’ny Dominicains fa ny zava-nokendren’ilay ady hevitra dia ‘tsy hoe mba hifandirana momba ny finoana, toy ny hoe zavatra mampisalasala izy io, fa mba handravana ireo fahadisoan’ny Jiosy sy hanesorana ny finoana feno tokin’ny Jiosy maro’.
Na dia efa ho 70 taona aza i Naḥmanide, dia nampiseho ny fahaizany misaina matsilo izy tamin’ny fitadiavany hametra ilay ady hevitra tamin’ireo raharaha niadian-kevitra fototra ihany. Nanomboka tamin’izao teny izao izy: “Nahakasika lafiny maro tamin’ireo fombafomba ara-pivavahana izay tsy iankinan’ny fotopoto-pitsipiky ny finoana fototra ireo ady hevitra [teo aloha] teo amin’ny jentilisa sy ny Jiosy. Kanefa, eto amin’itỳ lapan’ny mpanjaka itỳ, dia iriko ny tsy hiady hevitra afa-tsy ny amin’ireo raharaha iankinan’ny ady hevitra manontolo.” Nekena tamin’izay fa ireo foto-kevitra dia hoferana tamin’ny hoe efa tonga ny Mesia sa tsia, Andriamanitra izy sa tsia, ary ny Jiosy sa ny Kristiana no manana ny lalàna marina.
Teo amin’ny fanokafany ny hevitra narosony, dia nambaran’i Pablo Christiani fa hoporofoiny avy tao amin’ny Talmoda fa efa tonga ny Mesia. Namaly i Naḥmanide fa raha izany no izy, nahoana ireo raby izay nanaiky ny Talmoda no tsy nanaiky an’i Jesosy? Tsy nampifantoka ny hevitra narosony tamin’ny fanjohian-kevitra mazava tao amin’ny Soratra Masina i Christiani, fa namerimberina nanovo teny avy tao amin’ny andalan-teny rabinika nanjavozavo kosa mba hanaporofoana ny heviny. Noporofoin’i Naḥmanide fa diso ny hevitra tsirairay tamin’ny fampisehoany fa tsy tao anatin’ny faritra tokony hisy azy no nanononana ireny andalan-teny ireny. Araka ny lojika raha niavaka ho havanana kokoa tamin’ny fiadian-kevitra momba ireny asa soratra nianarany nandritra ny androm-piainany ireny, i Naḥmanide. Na dia rehefa nanovo teny avy tao amin’ny Soratra Masina aza i Christiani, dia nanasongadina hevitra azo naseho mora foana fa diso, ny fanaporofoan-keviny.
Na dia noferana hamaly fanontaniana fotsiny aza i Naḥmanide, dia afaka nanolotra fanaporofoan-kevitra mahery izay nampiseho hoe nahoana ny toerana notanan’ny Eglizy Katolika no tsy azo nekena ho an’ny Jiosy sy ny olon-kafa misaina. Mikasika ny foto-pampianarana ny amin’ny Trinite, dia izao no nambarany: “Ny sain’ny Jiosy na ny an’olona na iza na iza dia tsy hamela azy hino fa ny Mpamorona ny lanitra sy ny tany (...) dia ho naloaky ny kibon’ny vehivavy jiosy iray (...) ary tatỳ aoriana dia [ho] natolotra teo an-tanan’ny fahavalony, izay (...) namono azy.” Notsorin’i Naḥmanide toy izao ny fanambarany: “Izay inoanareo — ary izany no fototra iorenan’ny finoanareo — dia tsy azon’ny saina [mieritreritra] ekena.”
I Naḥmanide dia nanasongadina tsy fifanarahan-javatra izay nisakana Jiosy maro mandraka androany tsy hihevitra akory raha mety ho Mesia i Jesosy, tamin’ny fanantitranterana ny trosan-dra faran’izay betsaka nitambesatra tamin’ny eglizy. Hoy izy: “Ambaran’ny mpaminany fa amin’ny andron’ny Mesia (...) dia hanefy ny sabany ho fangady izy ireo, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony. Nanomboka tamin’ny andron’ilay Nazareana ka mandraka ankehitriny, dia feno herisetra sy fandrobana ny tany manontolo. [Eny tokoa], mandatsa-dra betsaka kokoa noho ny firenen-kafa sisa ny Kristiana, ary manana fiainana maloto ara-pitondran-tena koa izy ireo. Ho sarotra toy inona ho anao moa, ry mpanjaka tompoko, sy ho an’ireto tandapanao ireto, raha tsy (...) hianatra ady intsony izy ireo!” — Isaia 2:4.
Taorian’ny fihaonana fahefatra, dia nampitsahatra ilay ady hevitra ny mpanjaka. Hoy izy tamin’i Naḥmanide: “Mbola tsy nahita olona diso hevitra ka nahay nandahatra tsara toa anao aho.” Nitana ny fampanantenany hiantoka fitenenana tamin-kalalahana sy fiarovana an’i Naḥmanide ny Mpanjaka Jacques I avy tany Aragon, ka nandefa azy nody, sady nanome azy 300 dinars. Noho ny fangatahan’ny evekan’i Gérone, dia nandraikitra an-tsoratra an’ilay ady hevitra i Naḥmanide.
Na dia nanambara aza ny Dominicains fa nahazo fandresena tsy azo niadian-kevitra izy ireo, dia mazava fa tsy faly izy. Tatỳ aoriana, dia niampanga an’i Naḥmanide ho nanao blasfemia tamin’ny eglizy izy ireo, ka nampiasainy ho porofon’izany ny asa soratr’i Naḥmanide momba ilay ady hevitra. Tsy afa-po tamin’ny fitondran’ny mpanjaka an’i Naḥmanide ny Dominicains ka nampiakatra ilay raharaha tany amin’ny Papa Clément IV. Na dia maherin’ny 70 taona aza i Naḥmanide, dia noroahina hiala tany Espaina.c
Aiza no misy ny fahamarinana?
Moa ve ny hevitra naroson’ny andaniny roa nanampy mba hamantarana ny fivavahana marina? Na dia samy nanasongadina ireo fahadisoan’ny ankilany aza ny tsirairay, dia samy tsy nampiseho hafatra mazava momba ny fahamarinana izy ireo. Tsy ny Kristianisma marina no noporofoin’i Naḥmanide tamim-pahakingana aoka izany fa diso, fa ny foto-pampianarana nataon’olombelona kosa, toy ny fampianarana ny amin’ny Trinite, izay noforonin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana nandritra ireo taonjato taorian’i Jesosy. Zava-misy tsy azo lavina koa ny fitondran-tena maloton’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana sy ny fandatsahan-dra tsy ahoan-tsy ahoana nataony, izay nasongadin’i Naḥmanide tamim-pahasahiana aoka izany.
Tsy sarotra ny mahatakatra ny antony tsy nahavoataona an’i Naḥmanide sy ny Jiosy hafa tamin’ireo hevitra nanohana ny Kristianisma, raha tao anatin’izany tarehin-javatra izany. Fanampin’izany, dia tsy niorina tamin’ny fanjohian-kevitra mazava avy tao amin’ny Soratra Hebreo ny hevitra naroson’i Pablo Christiani, fa niorina tamin’ny loharanon-kevitra rabinika diso fampiharana kosa.
Tsia, tsy ny Kristianisma marina no noporofoin’i Naḥmanide fa diso. Tamin’ny androny, ny fahazavana marin’ny fampianaran’i Jesosy sy ny porofon’ny maha-Mesia azy dia voasaron’ny filazana diso. Raha ny marina, dia efa naminany momba ny fisehoan’ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana toy izany i Jesosy sy ireo apostoly. — Matio 7:21-23; 13:24-30, 37-43; 1 Timoty 4:1-3; 2 Petera 2:1, 2.
Kanefa, azo fantarina mazava ny fivavahana marina amin’izao andro izao. Hoy i Jesosy mikasika ireo tena mpanara-dia azy: “Ny voany no hahafantaranareo azy. (...) Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy.” (Matio 7:16, 17). Manasa anao izahay mba hamantatra azy ireo. Avelao ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao handinika akaiky ireo porofo omen’ny Soratra Masina, amin’ny fijerena ny zava-misy. Amin’izany no hahafantaranao ny tena hevitr’ireo fampanantenan’Andriamanitra rehetra mifandray amin’ny Mesia sy ny fanapahany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jiosy maro no manisy firesahana an’i Naḥmanide ho “Ramban”, fanafohezan-teny hebreo avy amin’ireo litera voalohan’ny teny hoe “Raby Moïse Ben Naḥman”.
b Jereo ilay lahatsoratra hoe “Maimonides — Ilay Lehilahy Izay Namaritra Indray ny Atao hoe Jodaisma” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 1995, pejy 20-23.
c Tamin’ny 1267, dia tonga tany amin’ilay tany fantatra ankehitriny hoe Israely i Naḥmanide. Feno zava-bita ireo taona farany niainany. Nanorina indray ny fipetrahan’ny Jiosy tao Jerosalema izy ary koa foibe fianarana tao. Namita koa ny famelabelarana iray momba ny Torah, dia ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly, izy, ary nanjary mpitarika ara-panahy ny fiaraha-monina jiosy tany Acre, tanàna amoron-tsiraka avaratra, izay toerana nahafatesany tamin’ny 1270.
[Sary, pejy 20]
Nandahatra ny raharahany tany Barcelone i Naḥmanide
[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]
Sary eo amin’ny pejy 19-20: Nalaina avy tao amin’ny Illustrirte Pracht - Bibel/Heilige Schrift des Alen und Neuen Testaments, nach der deutschen Uebersetzung D. Martin Luther’s