Maimonides — Ilay Lehilahy Izay Namaritra Indray ny Atao hoe Jodaisma
“NANOMBOKA tamin’i Mosesy ka hatramin’i Moïse, dia tsy nisy tahaka an’i Moïse.” Jiosy maro no hahafantatra avy hatrany io fitenenana mifono heviny miafina io ho teny fiderana ilay filozofa jiosy mpandahatra sady mpanazava ny Talmoda sy ny Soratra Masina tamin’ny taonjato faha-12, atao hoe Moïse Ben Maïmon — fantatra koa hoe Maimonides sy hoe Rambam.a Amin’izao andro izao dia olona maro no tsy mahafantatra an’i Maimonides, kanefa nisy fiantraikany lalina teo amin’ny fomba fisainan’ireo Jiosy sy Miozolimanina ary fiangonana tamin’ny androny ireo asa sorany. Tamin’ny fotony, dia namaritra indray ny atao hoe Jodaisma izy. Iza moa i Maimonides, ary nahoana no mihevitra azy ho “Mosesy faharoa” ny Jiosy maro?
Iza moa i Maimonides?
Teraka tany Córdoba, any Espaina, tamin’ny 1135 i Maimonides. Manam-pahaizana nalaza avy tamin’ny fianakaviana raby nanan-kaja iray i Maïmon rainy, izay nanome ny ankamaroan’ny fampiofanana azy ara-pivavahana teo am-boalohany. Rehefa nandresy an’i Córdoba ireo Almohades tamin’ny 1148, ireo Jiosy dia niatrika ny safidy hiova hanaraka ny finoana silamo na handositra. Nanomboka teo ny fe-potoana lava iray nirenirenena ho an’ny fianakavian’i Maimonides. Tamin’ny 1160, izy ireo dia nanorim-ponenana tao Fez, any Maroc, izay nandraisany fiofanana ho dokotera. Tamin’ny 1165, ny fianakaviany dia voatery nandositra nankany Palestina.
Kanefa, nivadibadika ny tarehin-javatra tao Israely. Niatrika loza avy tamin’ireo Mpanao Kroazadan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana sy ireo tafika miozolimanina ny fiaraha-monina kely jiosy. Rehefa avy nipetraka enim-bolana latsaka tao amin’ny “Tany Masina” i Maimonides mianakavy, dia nahita fialofana tao Fustat, Tanàna Tranainin’i Le Caïre, any Egypta. Tao no nekena tamin’ny fomba feno ireo talentan’i Maimonides. Tamin’ny 1177, dia tonga lehiben’ny fiaraha-monina jiosy izy, ary tamin’ny 1185, dia notendrena ho dokotera tao amin’ny lapan’i Saladin, ilay filoha miozolimanina fanta-daza. Nitana ireo toerana roa ireo mandra-pahafatiny tamin’ny 1204 i Maimonides. Niely aoka izany ny lazan’ny fahaizany ara-pitsaboana, hany ka voalaza fa hatrany Angletera lavitra be tany, dia nanandrana ny hahazo an’i Maimonides ho dokoterany manokana ny Mpanjaka Richard Cœur de Lion.
Inona no nosoratany?
Mpanoratra namokatra asa soratra maro be i Maimonides. Fony izy nandositra ny fanenjehan’ireo Miozolimanina, tamim-piafenana sy fifindrafindrana, dia nanambatra ny ankamaroan’ny asa sorany lehibe voalohany, dia ny Fanazavana ny Mishnah,b izy. Nosoratana tamin’ny fiteny arabo izy io, manazava ny ankamaroan’ireo fiheverana sy teny ao amin’ny Mishnah, ary mivaona ho fanazavana ny filozofian’i Maimonides momba ny Jodaisma indraindray. Ao amin’ilay fizarana manazava ny famoaboasan-kevitra atao hoe Sanhedrin, i Maimonides dia namintina fotopoto-pitsipika fototra 13 momba ny finoana jiosy. Mbola tsy namaritra fanekem-pinoana, na fanambarana finoana, mihitsy ny Jodaisma. Nanjary modelin’ny fitohitohizana famintinana ny fanekem-pinoana jiosy izao ireo Fotopoto-pitsipi-pinoana 13 naorin’i Maimonides. — Jereo ny faritra voafefy, pejy faha-23.
Nitady hamaritra ny filaharana ara-lojikan’ny zava-drehetra, na fizika na ara-panahy, i Maimonides. Nolaviny ny finoana an-jamba, tamin’ny fitakiana fanazavana ho an’ny zava-drehetra, miorina amin’izay noheveriny fa porofo sy lojika azon’ny saina ekena. Nitarika ho amin’ny fanoratana ilay sangan’asany — Mishneh Torah c — izany fironana voajanahary izany.
Tamin’ny andron’i Maimonides, ireo Jiosy dia nihevitra ny “Torah”, na ny “Lalàna”, ho nihatra, tsy tamin’ireo teny voasoratra noraketin’i Mosesy ihany, fa tamin’ny fanazavana rehetra nataon’ireo raby momba io Lalàna io koa, nandritra ireo taonjato. Voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Talmoda ary ao amin’ireo fanatsoahan-kevitra sy asa soratra an’arivony maro nataon’ireo raby momba ny Talmoda ireo hevitra ireo. Niaiky i Maimonides fa nahatonga ny Jiosy tsotra ho sahiran-kevitra tamin’ny fanaovana fanapahan-kevitra izay nisy vokany teo amin’ny fiainany andavanandro ny halehibe sy ny fikorontanan’izany fanazavana rehetra izany. Ny ankamaroany dia tsy afaka nanao fandinihana naharitra ireo literatiora rehetra nataon’ireo raby izay nosoratana tamin’ny fiteny aramiana sarotra ny ankamaroany. Ny vahaolana natolotr’i Maimonides dia ny fanamboarana io fanazavana io, amin’ny fanasongadinana ireo fanatsoahan-kevitra azo ampiharina, sy ny fandaminana azy io mba ho lasa fitambarana boky 14 milamina, voazara araka ny foto-kevitra. Nosoratany tamim-pahakingana tamin’ny fiteny hebreo mazava sy misosa tsara izy io.
Mpitari-dalana nahasoa aoka izany ny Mishneh Torah, hany ka natahotra ny filoha jiosy sasany sao hisolo tanteraka ny Talmoda izy io. Kanefa, na dia ireo izay nanohitra aza dia niaiky ny amin’ny fahalalana mandresy lahatra raketin’io asa soratra io. Zava-bita iray nitondra fivoarana io fehezan-dalàna voalamina fatratra io, ka nanome aim-baovao ho an’ny fandehan-javatry ny Jodaisma izay tsy azon’ny olon-tsotra nifandraisana na noraisina intsony.
Avy eo i Maimonides dia nanomboka nanao asa soratra lehibe hafa iray: Mpitari-dalana ho An’ny Very Hevitra. Noho ny fandikana ireo kilasika grika tamin’ny fiteny arabo, dia Jiosy maro kokoa no nanjary nahafantatra an’i Aristote sy ireo filozofa hafa. Very hevitra ny sasany, nahita ho sarotra ny fampifanarahana ny hevitra ara-bakitenin’ireo teny ara-baiboly amin’ny filozofia. Ao amin’ny Mpitari-dalana ho An’ny Very Hevitra, i Maimonides, izay nidera fatratra an’i Aristote, dia nitady hanazava ny votoatin’ny Baiboly sy ny Jodaisma tamin’ny fomba izay nifanaraka tamin’ny fomba fisainana sy lojika filozofika. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 2:1-5, 11-16.
Ho fanampin’ireo asa soratra lehibe ireo sy ireo asa soratra ara-pivavahana hafa, i Maimonides dia nanoratra tamim-pahefana teo amin’ny sehatry ny fitsaboana sy ny astronomia. Tsy tokony hodian-tsy hita ny lafiny hafa tamin’ny habetsahan’ny asa sorany. Manazava toy izao ny Encyclopaedia Judaica: “Manamarika fe-potoana miavaka iray eo amin’ny fanoratana ireo taratasin’i Maimonides. Izy no mpanoratra jiosy voalohany izay notahirizina be dia be ireo taratasiny. (...) Nanintona ny saina sy ny fon’ireo nifanoratra taminy ireo taratasiny, ary novaovany ny fomba fanorany mba hifanentana tamin’izy ireny.”
Inona no nampianariny?
Ao amin’ireo Fotopoto-pitsipi-pinoana 13 naoriny, i Maimonides dia nanome drafi-pinoana mazava, izay mifototra amin’ny Soratra Masina ny sasany. Kanefa, mifanohitra amin’ny votoatin’ny finoana an’i Jesosy ho ny Mesia,d finoana miorina amin’ny Soratra Masina, ireo fotopoto-pitsipika fahafito sy fahasivy. Noho i Maimonides nandinika ireo fampianaran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana mpivadi-pinoana, toy ny Trinite, sy ny fihatsarambelatsihy nanafintohina nasehon’ny fandripahan’ny Kroazada, dia tsy mahagaga raha tsy nanadihady bebe kokoa ilay foto-kevitra ny amin’ny maha-Mesia an’i Jesosy, izy. — Matio 7:21-23; 2 Petera 2:1, 2.
Izao no nosoratan’i Maimonides: “Mety hisy vato mahatafintohina lehibe kokoa noho ny [Kristianisma] ve? Niresaka ny amin’ny Mesia ho mpanavotra ny Isiraely sy mpamonjy azy ireo mpaminany rehetra (...) [Mifanohitra amin’izany, fa ny Kristianisma] dia nahatonga ny Jiosy ho fatin’ny sabatra, ireo sisa taminy hihahaka sy haetry, ny Torah hiova, sy ny ankamaroan’izao tontolo izao hanao fahadisoana ka hanompo andriamani-kafa ankoatra ny Tompo.” — Mishneh Torah, “Ireo Lalàn’ireo Mpanjaka sy Ireo Adiny”, toko faha-11.
Kanefa, na dia eo aza ny fanajana rehetra asehon’ny Jiosy maro aminy, dia aleon’izy ireo tsy miraharaha an’i Maimonides amin’ireo raharaha sasany izay noresahiny tamin’ny fomba nivantana indrindra. Noho ny fitomboan’ny fitaoman’ny Jodaisma mifono zava-miafina (Kabbalah), dia nanjary tiam-bahoaka kokoa teo amin’ny Jiosy ny astrolojia. Izao no nosoratan’i Maimonides: “Na iza na iza tafiditra amin’ny astrolojia sy manomana ny asany, na ny dia iray, miorina amin’ny fotoana apetrak’ireo izay mandinika ny lanitra dia mendrika hokaravasina (...) Lainga sy fitaka ireny zavatra rehetra ireny (...) Na iza na iza mino ireny zavatra ireny (...) dia tsy inona fa adala sy tsy ampy saina.” — Mishneh Torah, “Ireo Lalàna Momba ny Fanompoan-tsampy”, toko faha-11; ampitahao amin’ny Levitikosy 19:26; Deoteronomia 18:9-13.
Nokianin’i Maimonides mafy koa ny fanao hafa iray: “Nanorina ho an’ny tenany fitakiana ara-bola tamin’ireo isam-batan’olona sy fiaraha-monina [ireo raby], ary nahatonga ny olona hihevitra, tamin-kadalana tanteraka, fa tsy maintsy atao izany ary mety (...) Diso izany rehetra izany. Tsy misy teny na dia iray aza, na ao amin’ny Torah na ao amin’ireo filazan’ireo olon-kendry [nanoratra ny Talmoda], manohana izany finoana izany.” (Fanazavana ny Mishnah, Avot 4:5). Nifanohitra tamin’ireny raby ireny, i Maimonides dia niasa tamim-pahazotoana mba hameloman-tena tamin’ny naha-dokotera, ka tsy nanaiky mihitsy fandoavam-bola ho an’ny fotoam-pivavahana. — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 2:17; 1 Tesaloniana 2:9.
Nanao ahoana ny vokany teo amin’ny Jodaisma sy ireo finoana hafa?
Nilaza toy izao ny Profesora Yeshaiahu Leibowitz ao amin’ny Oniversite Hebreo, any Jerosalema: “I Maimonides no olona nanan-kery indrindra teo amin’ny tantaran’ny Jodaisma, nanomboka tamin’ny andron’ireo Patriarka sy ireo Mpaminany ka hatramin’ny vanim-potoana ankehitriny.” Manao fanamarihana toy izao ny Encyclopaedia Judaica: “Tsy hay tombanana ny herin’i Maimonides teo amin’ny fivoaran’ny Jodaisma ho avy. (...) I C. Tchernowitz (...) dia tonga hatramin’ny filazana mihitsy aza fa raha tsy noho i Maimonides dia efa rava ny Jodaisma ka lasa antokom-pinoana sy finoana samy hafa (...) Ny fampiraisana ireo firehan-kevitra samihafa no zava-bitany lehibe.”
Tamin’ny fandaminana indray ny fomba fisainana jiosy mba hifanaraka amin’ny heviny manokana momba ny filaminana sy ny lojika, i Maimonides dia namaritra indray ny atao hoe Jodaisma. Samy nahita io famaritana vaovao io ho azo ampiharina sy manintona ireo manam-pahaizana sy sarambabem-bahoaka. Na dia ireo nanohitra azy aza dia nanaiky ny ankamaroan’ny tari-dresaka nataon’i Maimonides tamin’ny farany. Na dia nokendrena mba hanafahana ireo Jiosy tsy hila hitodika any amin’ireo fanazavana tsy misy farany aza ireo asa sorany, tsy ela dia nisy fanazavana lava be nosoratana momba ireo asa sorany.
Manazava toy izao ny Encyclopaedia Judaica: “I Maimonides no (...) filozofa jiosy lehibe indrindra tamin’ny Moyen Age, ary ny Mpitari-dalana ho An’ny Very Hevitra nosoratany no asa soratra filozofika lehibe indrindra navoakan’ny Jiosy iray.” Na dia nosoratana tamin’ny fiteny arabo aza ny Mpitari-dalana ho An’ny Very Hevitra, dia nadika tamin’ny fiteny hebreo izy io tamin’ny andron’i Maimonides ary fotoana fohy taorian’izay, dia nadika tamin’ny fiteny latina, ka nahatonga azy io ho azo nampiasaina mba hianarana nanerana an’i Eoropa. Vokatr’izany, ilay fandravonana tsy manam-paharoa ny filozofian’i Aristote tamin’ny fomba fisainana jodaika nataon’i Maimonides dia tafiditra haingana tao amin’ny firehan-kevitra nahazo vahana teo amin’ny fomba fisainan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Matetika ireo manam-pahaizan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana tamin’izany fotoana izany, toa an’i Albertus Magnus sy i Thomas d’Aquin, no nanisy firesahana ny amin’ireo fomba fihevitr’i Maimonides. Voataona koa ireo manam-pahaizana momba ny Silamo. Nisy heriny teo amin’ireo filozofa jiosy tatỳ aoriana kokoa, toa an’i Baruch Spinoza, ny tari-dresaka filozofikan’i Maimonides, mba hanapaham-patorana tanteraka tamin’ny Jodaisma ortodoksa.
Mety ho azo heverina ho lehilahy ho an’ny Renaissance, velona talohan’ny Renaissance i Maimonides. Ny fanizingizinany fa tokony hifanaraka amin’ny fahaizana manjohy hevitra ny finoana dia fotopoto-pitsipika iray mbola marim-pototra. Nitarika azy ho sahy niteny nanohitra mafy ny finoanoam-poana ara-pivavahana io fotopoto-pitsipika io. Kanefa, ny ohatra ratsy navelan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana sy ny fitaomana filozofikan’i Aristote dia matetika no nisakana azy tsy hanao fanatsoahan-kevitra nifanaraka tamin’ny fomba feno tamin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Na dia tsy ny rehetra aza no hiombon-kevitra amin’ilay filazana fohy voasoratra eo amin’ny fasan’i Maimonides — hoe “Nanomboka tamin’i Mosesy ka hatramin’i Moïse, dia tsy nisy tahaka an’i Moïse” — dia tsy maintsy ekena fa namaritra indray ny lalana arahin’ny Jodaisma sy ny firafitr’izy io izy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fanafohezan-teny hebreo ny hoe “Rambam”, anarana niforona avy tamin’ireo litera voalohan’ireo teny hoe “Raby Moïse Ben Maïmon”.
b Fitambaran’ireo fanazavana nataon’ireo raby ny Mishnah, miorina amin’izay heverin’ireo Jiosy fa lalàna am-bava. Nosoratana tamin’ny faramparan’ny taonjato faharoa sy teo am-piandohan’ny taonjato fahatelo am.f.i. izy io, ka nahaforona ny fanombohan’ny Talmoda. Mba hahazoana fanazavana fanampiny, dia jereo ilay bokikely hoe Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?, pejy faha-10, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
c Ny anarana hoe Mishneh Torah dia teny hebreo iray avy amin’ny Deoteronomia 17:18, dia ny hoe kopia, na famerenana, ny Lalàna.
d Mba hahazoana fanazavana fanampiny amin’ny porofon’ny hoe i Jesosy no ilay Mesia nampanantenaina, dia jereo ilay bokikely hoe Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?, pejy faha-24-30, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Efajoro, pejy 23]
IREO FOTOPOTO-PITSIPI-PINOANA 13 NAORIN’I MAIMONIDESe
1. Andriamanitra no Mpamorona sy Mpanapaka ny zava-drehetra. Izy irery no nanao sy tena manao ary hanao ny zava-drehetra.
2. Tokana Andriamanitra. Tsy misy manana ny maha-tokana tahaka ny Azy mihitsy.
3. Tsy manam-batana Andriamanitra. Tsy mihatra aminy ireo hevitra fizika.
4. Andriamanitra no voalohany sady farany.
5. Mety ny tsy hivavahana afa-tsy amin’Andriamanitra ihany. Tsy azon’ny olona iray atao ny mivavaka amin’ny olon-kafa na zavatra hafa.
6. Marina avokoa ireo teny rehetra nolazain’ireo mpaminany.
7. Marina tanteraka ny faminanian’i Mosesy. Izy no lehibe amin’ireo mpaminany rehetra, na ny teo alohany na ny taoriany.
8. Ny Torah manontolo ananantsika ankehitriny dia izay nomena an’i Mosesy.
9. Tsy hovana ny Torah, ary tsy hisy hafa homen’Andriamanitra na oviana na oviana.
10. Fantatr’Andriamanitra ireo asan’ny olona sy fisainany rehetra.
11. Mamaly soa ireo izay mitandrina ny didiny Andriamanitra, ary manasazy ireo izay manota aminy.
12. Ho avy ny Mesia.
13. Haverina ho amin’ny fiainana indray ny maty.
[Fanamarihana ambany pejy]
e Namaritra ireo fotopoto-pitsipika ireo ao amin’ny Fanazavana ny Mishnah, (Sanhedrin 10:1), nosoratany i Maimonides. Tatỳ aoriana ny Jodaisma dia nandray azy ireo ho fanekem-pinoana ofisialy. Nofintinina avy amin’ny fomba isehoan’izy ireo ao amin’ny bokim-bavaka jiosy io lahatsoratra eo ambony io.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]
Jewish Division / The New York Public Library / Astor, Lenox, and Tilden Foundations