Fampakaram-bady Manome Voninahitra An’i Jehovah
Tamin’ny voalohany, dia nomanina tany Etiopia itỳ lahatsoratra manaraka momba ny fampakaram-bady kristiana itỳ, mba hanomezana tari-dalana mahasoa amin’ny fiteny “amharique” ho an’ny maro izay vao haingana no tonga Vavolombelon’i Jehovah ao amin’io tany io. Mivaofy momba ny fomba amam-panao sasany eo an-toerana, izay mety ho hafa noho ny an’ny tany misy anao, izy itỳ. Azo inoana fa ho hitanao fa tena mahaliana ny tsy fitoviana. Etsy an-danin’izany, dia mampiseho torohevitra ara-baiboly voalanjalanja izay ho hitanao fa azo ampiharina ilay lahatsoratra, na dia samy hafa amin’ny an’ny toerana misy anao aza ireo fanao amin’ny fampakaram-bady.
“FAMPAKARAM-BADY Kristiana Izay Mitondra Fifaliana”, izany no lohatenin’ny lahatsoratra tsara dia tsara iray natao hianarana tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Oktobra 1984. Nitondra ny lohateny hoe “Ny Fomba Hialam-boly Amim-pahalalana Onony Rehefa Misy Fampakaram-bady” ny lahatsoratra manaraka tao amin’io nomerao io. (Ho an’iza na iza mieritreritra ny hanambady, dia misy torohevitra fanampiny feno fahendrena ao amin’ireo boky hoe Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra, toko faha-2, sy ilay hoe Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany, toko faha-19 sy faha-20.)a Olona maro no tonga Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny nivoahan’ireo lahatsoratra ireo, koa tiantsika ny hijery indray hevitra sasany izay azo ampiharina indrindra ao amin’ny faritra misy antsika, ary koa ireo hevitra mifanentana hafa izay hanampy antsika hanao ny fampakaram-bady ho fotoana hanomezam-boninahitra an’i Jehovah, ilay Loharanon’ny fanambadiana.
Fanontaniana iray azo heverina voalohany ny hoe: Rahoviana no tokony hanaovana ny fampakaram-bady? Moa ve ilay daty tokony hotapahin’ireo datin’ny vanim-potoana fampakaram-bady araka ny fomba nentim-paharazana eo an-toerana? Zavatra inoana eo an-toerana ny hoe tsy ho vanona ny fanambadiana atao amin’ny fotoana hafa ao anatin’ny taona. Finoanoam-pinoana tsy misy fototra iorenany izany, satria mpivady maro izay sambatra sy tafaray ao amin’ny fanompoana an’i Jehovah no tsy nivady tao anatin’ilay vanim-potoana araka ny fomba nentim-paharazana. Tsy mino ny vintana tsara na ratsy isika. (Isaia 65:11, fanamarihana ambany pejy; Kolosiana 2:8). Tsy hanampy ireo havana tsy mpino hahita ny fahasamihafan’ny fahamarinana sy ny lainga isika raha mametra ny datin’ny fampakaram-bady hifanaraka amin’ireo finoanoam-poanany. Izao no zava-misy: Afaka mivady na amin’ny volana inona na amin’ny volana inona ny Kristiana.
Rehefa asiana lahatenim-panambadiana aorian’ny fisoratana izay tsy maintsy atao, dia ho fahendrena ny tsy hamelana andro maro hanelanelana ireo fisehoan-javatra roa ireo. Raha tian’ilay mpivady ny hanaovana lahatenim-panambadiana ao amin’ny Efitrano Fanjakana, dia tokony hanatona mialoha be an’ireo loholon’ny kongregasiona izy mba hangataka ny fampiasana ilay efitrano. Hataon’ny loholona eo an-toerana izay hahazoana antoka fa hamela azy hitana feon’ny fieritreretana madio ireo fandaharana amin’ilay fankalazana. Tokony hatao amin’ny fotoana tsy hifanindry amin’ny asan’ny kongregasiona izany. Hihaona mialoha amin’ireo hivady ilay rahalahy voafidy hanao ny lahatenim-panambadiana mba hanolotra torohevitra mahasoa sy mba hahazo antoka fa tsy misy zavatra ara-pitondran-tena na araka ny lalàna misakana ilay fanambadiana ary koa fa manaiky ireo fandaharana amin’ny fiaraha-mikorana hanaraka izany izy. Tokony haharitra antsasak’adiny eo ho eo ilay lahatenim-panambadiana sady hatao amim-pahamendrehana, ka hanasongadina ny lafiny ara-panahy. Mazava ho azy fa zava-dehibe kokoa noho ny lanonana mety hanaraka avy eo, ilay lahatenim-panambadiana.
Fahafahana tsara hampisehoana ny maha-“tsy naman’izao tontolo izao” antsika ny fampakaram-bady kristiana. (Jaona 17:14; Jakoba 1:27). Tokony hisongadina ny fitiavantsika filaminana. Hidika izany fa tokony ho tonga ara-potoana isika fa tsy hampiandry ny olona, ka angamba hanembantsembana ny asan’ny kongregasiona. Zavatra tokony ho takatr’ilay ampakarina indrindra izany, satria mety hampirisika azy ho tara ny havana eo amin’izao tontolo izao — toy ny hoe hampitombo ny hasarobidiny izany. Rehefa marim-potoana ny anabavy kristiana matotra iray, dia afaka mampiseho izy fa zava-dehibe aminy ireo toetra ara-panahy, toy ny fanetren-tena sy ny fanehoana fiheverana ny hafa! Afa-tsy izany koa, rehefa asaina haka sary an’ilay fotoan-dehibe ny mpaka sary iray, dia zava-dehibe ny filaminana. Ho tsara ny hitakiana amin’ilay mpaka sary mba hanao palitao sy karavato ary pataloa mihaja ary koa mba tsy hanembantsembana ny lahateny rehefa maka sary izy. Tsy tokony haka sary mandritra ny vavaka izy. Hanome voninahitra an’i Jehovah sady hanome fanambarana tsara dia tsara ny fitiavantsika filaminana. Tsy ilaina ny hitadiavana hanaraka fombafomba izay hampihen-danja ny tena hevitr’ilay fisehoan-javatra.
Tsy zavatra takina ny hanaovana lanonana mba hahavanona ny fampakaram-bady iray, kanefa tsy misy antony araka ny Soratra Masina manohitra ny fotoana mahafaly toy izany. Kanefa, ho an’ny Kristiana marina, ny fiaraha-mikorana toy izany dia tokony ho hafa noho ireo lanonana eo amin’izao tontolo izao voamariky ny fandaniana sy ny fisotroana ary ny fihinanana tafahoatra, ny mozika mikorontana be, ny fandihizana mihantsy, ary ny ady mihitsy aza. Kilasin’ny Baiboly ho anisan’ny asan’ny nofo ny “korana anaranam-po”. (Galatiana 5:21, NW ). Mora kokoa ny hifehezana tsara ilay fiaraha-mikorana raha tsy lehibe loatra ilay izy. Tsy ilaina ny hananganana trano lay mba hanarahana ny fanaon’ny besinimaro. Raha misy manapa-kevitra ny hampiasa trano lay noho ny tsy fahampian’ny toerana na noho ny toetr’andro, dia raharahany manokana izany.
Nasehon’ny fanandraman-javatra fa fomba tsara hamerana ny isan’ny olona asaina ny fampiasana fanasana an-tsoratra voafaritra mazava. Fahendrena kokoa ny hanasana isam-batan’olona toy izay ny kongregasiona manontolo, ary amin’ny maha-Kristiana tia filaminana antsika, dia tokony hanaja ny famerana toy izany isika. Ny fanasana atao an-tsoratra koa dia manampy hisoroka ny hahasanganehana ny tena noho ny fahatongavan’ny olona voaroaka iray any amin’ilay lanonana, satria raha mitranga izany, dia rahalahy sy anabavy maro no mety hifidy ny hiala. (1 Korintiana 5:9-11). Raha misy mpivady manasa havana na olom-pantatra tsy mpino, dia tsy isalasalana fa ho voafetra ny isan’izy ireny, satria omen-danja kokoa ireo “mpianakavin’ny finoana”. (Galatiana 6:10). Nisy nifidy ny hanasa olom-pantatra eo amin’izao tontolo izao na havana tsy mpino ho any amin’ny lahatenim-panambadiana fa tsy ho any amin’ilay lanonana. Nahoana? Efa nitranga ny hoe nisy havana teo amin’izao tontolo izao nahatonga tarehin-javatra nahasanganehana aoka izany tao amin’ny lanonam-panambadiana iray, hany ka rahalahy sy anabavy maro no nihevitra fa tsy afaka nijanona izy ireo. Nisy mpivady sasany tsy nandamina afa-tsy fiaraha-misakafo kely tamin’ny mpianakavy akaiky sy ny namana kristiana irery ihany.
Mifanaraka amin’ny Jaona 2:8, 9, dia mahasoa ny hifantenana “mpandahatra ny fanasana”. Hirin’ilay mpampakatra ny hifidy Kristiana azo itokiana iray izay hanao izay hahazoana antoka fa voatana ny filaminana sy ny fari-pitsipika ambony. Rehefa mitondra fanomezana ireo namana, dia tokony hatao tsy misy “fampideraderana” izany. (1 Jaona 2:16, NW ). Mety hahafinaritra ny mozika raha tsy simbana amin’ny tonony mampisalasala, ny tabataba tafahoatra, na ny ngadona mikorontana be. Maro no nahita fa tsara indrindra ny hangatahana loholona iray mba hihaino mialoha ny mozika halefa. Mety hitondra fandrika ny fandihizana, satria dihy nentim-paharazana maro no niandoha avy tamin’ny fandihizana manindrahindra ny fahavokarana sady manasongadina fandranitana ny filan’ny nofo tsy mendrika. Indraindray ny “fotoana fanapahana ny mofomamy sy fandrosoana ny champagne” dia andrasan’ny olona eo amin’izao tontolo izao mba hanaovan-javatra amin’ny fomba tsy voafehy. Raha ny marina, dia mpivady kristiana maro no nanapa-kevitra ny tsy hanisy zava-pisotro misy alkaola any amin’ireo lanonam-panambadiana, ka nisoroka zava-nanahirana tamin’izany.
Koa satria tiantsika ny hanome voninahitra an’i Jehovah, dia halavirintsika ny fampideraderana natao hanintonana ny saina be loatra ho amin’ny tenantsika. Na dia ireo boky tsy ara-pivavahana aza dia nilaza ny tsy fankasitrahany ilay fitiavana revaka tafahoatra izay lamaody ankehitriny. Tsy fahendrena tokoa ny hidiran’ny mpivady trosa noho ny fampakaram-bady andaniam-bola be, ary avy eo dia hihafy mandritra ny taona maro mba handoavana ireo fandaniana tamin’io andro iray io! Mazava ho azy fa ny akanjo anaovana amin’io fotoana io dia tokony ho maotina sy mendrika, ka hahamendrika ny olona manaiky ny fivavahana amin’Andriamanitra. (1 Timoty 2:9, 10). Nanao izao fanamarihana mahaliana izao momba ny fitafiana ilay lahatsoratra hoe “Ny Fampakaram-bady Kristiana dia Tokony Hankalazaina Amin’ny Fomba Mety” (Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Novambra 1970):
‘Fotoana manokana ny fampakaram-bady. Izany matetika no antony hitadiavana izay hisehoana ho falifaly sy hanintona. Izany anefa tsy milaza fa voatery hanao fitafiana manokana ny tena. Mety ny hiheverana ny fomba fiakanjo eo an-toerana sy ny fandaniana ary ny fitiavan-javatra manokana. (...) Nefa moa ve hety ny hividianana akanjo lafo vidy tokoa izay ho enta-mavesatra ara-bola ho azy sy ny hafa? (...) Misy ihany ampakarina nanao tamim-pifaliana ny akanjon’ny sakaizany iray na ny havan-tsy foiny iray. Nisy hafa koa nianina tamin’ny fanaovan’ny tenany ihany ny fitambaran’ny fitafiany, tamin’ny fanaovana izay hahatonga ny fitafiana iray ho azo anaovana amin’ny fotoana hafa. Ankoatra izany koa, dia tsy mifanohitra amin’ny fanao velively ny hanaovan’ny mpivady izay fitafiany mahazatra tsara indrindra. (...) Nisy hafa koa izay tsy isalasalana fa nanana izay nilaina hanaovana fampakaram-bady tsara dia tsara, nefa nifidy ny hanao “raharaha tsotsotra”, noho ny fiheverana ny fahasahiranana amin’izao androntsika izao.’
Toy izany koa, dia tsy voatery ho betsaka ny mpandray anjara amin’ilay fampakaram-bady (ireo naman’ilay mpampakatra sy ireo naman’ilay ampakarina). Tsy ho tian’izy ireo koa ny hanintona ny saina be loatra ho amin’ny tenany amin’ny alalan’ny fitafiany sy ny ataony. Na dia mahazo manatrika lahateny any amin’ny Efitrano Fanjakana aza ny olona voaroaka iray, dia hoy Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Oktobra 1984: “Tsy hety ny hampidirana ao amin’io antokon’olona io voaroaka na olon-kafa izay ny fiainany mahatafintohina dia mifanohitra tanteraka amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly.”
Na dia nanatrika fampakaram-bady aza i Jesosy, dia tsy azontsika alaina sary an-tsaina ny tenany hankasitraka ilay fanaon’ny besinimaro manaraka filaharam-piarakodia mivoivoy manerana ny tanàna sady mitabataba be. Nisy mihitsy aza mpamily fiara nampandoavin’ny polisy lamandy satria nampaneno kaorina tamin’ny filaharana nanotrona fampakaram-bady. (Jereo ny Matio 22:21.) Raha fintinina, dia aleon’ny Kristiana maneho fahendrena izay ao amin’ny manetry tena, toy izay manahaka ny fampideraderana na ny fanao mahazatra ny olona eo amin’izao tontolo izao. — Ohabolana 11:2.
Ahoana anefa ny amin’ny fanatrehana fampakaram-badin’ny mpiara-monina, ny mpiara-miasa eo amin’izao tontolo izao, na ny havan-davitra na olom-pantatra? Tsy maintsy manapa-kevitra ny amin’izany ny Kristiana tsirairay. Tsara ny hitadidiana ao an-tsaina fa sarobidy ny fotoanantsika, satria mila fotoana isika hanaovana ny fanompoantsika sy ny fianarantsika manokana ary ny raharaha hafa ara-pianakaviana sy ao amin’ny kongregasiona. (Efesiana 5:15, 16). Amin’ny faran’ny herinandro, dia manana fivoriana sy fanompoana eny amin’ny saha tsy tiantsika hotapahina isika. (Hebreo 10:24, 25). Mifanindry amin’ny fivoriambe na ny ezaka manokana amin’ny fanompoana mifandray amin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo, ny fotoan’ny fampakaram-bady maro. Tsy tokony hamela ny tenantsika ho voahelingelina tsy hanao ilay ezaka manokana ataon’ny rahalahintsika maneran-tany mba hanatrehana ny Sakafo Harivan’ny Tompo isika. Talohan’ny nahalalantsika ny fahamarinana, dia nandany fotoana be dia be niarahana tamin’ny olona teo amin’izao tontolo izao isika, angamba tao anatin’ny tarehin-javatra nanalam-baraka an’Andriamanitra. (1 Petera 4:3, 4). Ankehitriny, dia hafa no omentsika ny laharam-pahamehana. Azo atao foana ny mirary soa mpivady iray eo amin’izao tontolo izao amin’ny fandefasana carte na amin’ny fitsidihana azy fotoana fohy amin’ny andro hafa. Ny sasany nanararaotra ny fotoana toy izany mba hanaovana fanambarana, ka nanome andinin-teny sasany izay mifanentana amin’ilay mpivady vao.
Tena hanome voninahitra an’i Jehovah tokoa ny fampakaram-bady iray izay anjakan’ny lafin-toetra ara-panahy fa tsy ny fomba araka an’izao tontolo izao. Amin’ny fanaovan’ny Kristiana izay hahazoana antoka fa mitoetra ho tafasaraka amin’izao tontolo izao sy ny finoanoam-poanany ary ny fanaovany zavatra tafahoatra ny tenany, amin’ny tsy famelany ny fampakaram-bady hanembantsembana ny asa teokratika mahazatra, sy amin’ny fanehoany fahamaotinana fa tsy fampideraderana, dia hankafy io fotoan-dehibe io izy. Ambonin’izany, dia ho afaka hanao jery todika ilay fisehoan-javatra amin’ny feon’ny fieritreretana madio sy ny fahatsiarovana mamin’ny fo izy. Noho ny fanehoana fahendrena sy fahalalana ny antonona, dia enga anie ny fampakaram-bady kristiana rehetra hanome fanambarana ho an’ny mpitazana tso-po!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
[Sary, pejy 24, 25]
Tsy manaraka ambokony ny fanao rehetra eo an-toerana amin’ny fampakaram-bady ny Kristiana