FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/08 p. 3
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampakaram-bady Mahafaly sy Mendri-kaja
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Fampakaram-bady Mahafaly Izay Manome Voninahitra An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Fampakaram-bady Manome Voninahitra An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Fampakaram-bady Mendri-kaja eo Imason’Andriamanitra sy ny Olona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
km 11/08 p. 3

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Raha te hanao ny lahatenim-panambadiany ao amin’ny Efitrano Fanjakana ny mpifamofo, inona avy no tokony hodinihiny miaraka amin’ny anti-panahy?

Manome voninahitra an’i Jehovah ny fampakaram-bady, rehefa atao mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly. Tokony ho mendri-kaja ny zava-drehetra atao amin’izy io, indrindra moa raha ao amin’ny Efitrano Fanjakana no anaovana ny lahatenim-panambadiana. Izay atao ao amin’ny Efitrano Fanjakana mantsy no itsaran’ny olona ny fandaminana misy antsika. Tokony hifampidinika ny anti-panahy sy ireo mangataka hampiasa ilay efitrano. Amin’izay hizotra ‘amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana ny zava-drehetra.’—1 Kor. 14:40.

Mila manao fangatahana an-tsoratra ireo te hanao ny lahatenim-panambadiany ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Tokony havantany amin’ny komitin’ny fanompoan’ny fiangonana iray mivory ao amin’ilay efitrano izany. Tokony halefany aloha be ilay izy, ary holazainy ao ny daty sy ny ora tiany hampiasana ilay efitrano. Tokony hotadidin’izy ireo fa tsy hanova ny ora fivoriana ny anti-panahy, noho ilay fampakaram-bady. Tsy maintsy ho tsara laza koa izy roa, ary miaina mifanaraka amin’ny fitsipik’i Jehovah.

Mendri-kaja ilay Andriamanitsika, ka tokony hanome voninahitra azy ny fandaharana atao ao amin’ny efitrano. Tsy tokony hotapahin’izy roa samirery àry ny fizotran’ilay fandaharana, fa hiarahany midinika amin’ilay komitin’ny fanompoana. Marina fa tsy tokony hanery azy roa hanaiky izay tiany ny anti-panahy. Raha hitan’ny anti-panahy anefa fa misy tsy mety amin’izay kasain’izy roa hatao, dia tokony hanitsy izany izy roa. Ny hira sy feon-kiran’ilay Fanjakana ihany no azo alefa ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Raha tiana horavahana ilay efitrano na hovana ny fipetraky ny seza, dia tsy maintsy ho efa neken’ilay komity izany. Tokony hatao amim-panajana foana koa ny fakana sary sy video, satria mendri-kaja ilay fotoana. Mety ho tian’izy roa haverina mialoha ao amin’ny Efitrano Fanjakana ny zavatra sasany. Azony atao ny mangataka alalana amin’ny anti-panahy, nefa tsy tokony hanelingelina ny fandaharan’ny fiangonana ilay izy. Tsy mety ny mametaka taratasy fanasana eo amin’ny tabilao filazana. Azon’ny anti-panahy atao anefa ny manao fampandrenesana fohy, mandritra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana, fa hisy lahatenim-panambadiana hatao ao amin’ny Efitrano Fanjakana.

Raha misy olona asaina hitondra voninkazo na hitarika voaly, na ny toy izany, dia tsy tokony ho ratsy fitondran-tena izy ireo, na dia tsy voatery ho vita batisa aza. Mety hanafintohina ny olona mantsy raha mifanohitra amin’ny fitsipiky ny Baiboly ny fomba fiainan’izy ireny. Tsara raha anti-panahy no manao ny lahatenim-panambadiana, raha misy. Mahay mampianatra ny Tenin’Andriamanitra mantsy ny anti-panahy, ka afaka manazava tsara ny toro lalan’ny Baiboly tafiditra amin’io fotoan-dehibe io.—1 Tim. 3:2.

Tokony hampahafantarina an’ilay anti-panahy hanao ny lahateny izay rehetra hatao amin’ilay fampakaram-bady. Hanjary ho ratsy laza mantsy izy raha misy tsy mety ao. Hanontany azy roa momba ny fitondran-tenany nandritra ny fiarahan’izy ireo ilay anti-panahy. Tsy tokony hanafinafina izy roa, fa hilaza ny marina. Raha efa nisara-panambadiana ny iray aminy, dia tokony hanana porofo izy fa antony araka ny Soratra Masina no nisarahany tamin’ilay vadiny taloha, ary efa neken’ny fitsarana ny fisarahan’izy ireo. (Matio 19:9) Tokony hasehony an’ilay anti-panahy ny taratasy fanamarinana ny fisaraham-panambadiany.

Hahafaly ny rehetra ilay fampakaram-bady, raha mifampiresaka tsara amin’ny anti-panahy izy roa, sady miara-miasa tsara amin’izy ireo.—Ohab. 15:22; Heb. 13:17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara