FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/5 p. 24-29
  • Andriamanitra no Fialofako sy Heriko

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Andriamanitra no Fialofako sy Heriko
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nankaherezina ho amin’ireo fisehoan-javatra ho avy
  • Valiny nasetrin’ny fahavalo — Tranomaizina
  • Tao Lichtenburg
  • Tao Ravensbrück
  • Ireo taona sarotra taorian’ny ady
  • Teo ambany fandrarana sy nampidirina an-tranomaizina indray
  • Hery sy fanampiana avy amin’i Jehovah
  • Mitoetra ho fialofako sy heriko i Jehovah
  • Namonjy Anay Tamin’ny Fitondrana Jadona i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Fifaliana toy inona moa ny mipetraka eo amin’ny latabatr’i Jehovah!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Fiandrasana Amim-paharetana An’i Jehovah Nanomboka Tamin’ny Fahatanorako
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Matoky ny Fitiavana sy Fiahian’i Jehovah Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/5 p. 24-29

Andriamanitra no Fialofako sy Heriko

NOTANTARAIN’I CHARLOTTE MÜLLER

“Mendri-piderana ireo sivy taona nijalianao teo ambanin’ny fitondran’i Hitler”, hoy ilay mpitsara komonista. “Tena tsy tia ady tokoa ianao, kanefa ankehitriny ianao dia manohitra ny ezaka ataonay ho fampandrosoana ny fandriampahalemana!”

IZY dia niresaka momba ny nanaovan’ny Nazia ahy tany an-tranomaizina teo aloha ary momba ny sosialisma tany amin’ny Repoblika Demokratika Alemà. Tsy nahateny aho tamin’ny voalohany nefa namaly toy izao avy eo: “Ny Kristiana dia tsy miady ho an’ny tena fiadanana amin’ny fomba mitovy amin’ny ataon’ny olon-kafa. Miezaka fotsiny aho manaraka ny didy ara-baiboly milaza mba ho tia an’Andriamanitra sy ho tia ny mpiara-belona amiko. Manampy ahy hitandro fiadanana amin’ny teny sy ny atao ny Tenin’Andriamanitra.”

Tamin’io andro 4 Septambra 1951 io dia nohelohin’ny Komonista valo taona an-tranomaizina aho — latsaka herintaona noho izay nataon’ny fitondrana nazia.

Rehefa nenjehin’ny Nazia sy ny Komonista izahay Vavolombelon’i Jehovah, dia nahita fampiononana tao amin’ny tenin’ny Salamo 46:1 aho: “Andriamanitra no [fialofana, NW ] sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.” I Jehovah irery no nanome ahy ny hery hiaretana, ary arakaraka ny nandraisako am-po ny Teniny no nampahatanjaka ahy kokoa.

Nankaherezina ho amin’ireo fisehoan-javatra ho avy

Teraka tamin’ny 1912 tao amin’ny tanànan’i Gotha-Siebleben, any Thuringia, Alemaina, aho. Na dia Protestanta aza ny ray aman-dreniko, ny raiko dia nitady ny fahamarinana ara-baiboly sy fitondram-panjakana iray marina. Rehefa nahita ny “Photo-Drame de la création” ny ray aman-dreniko dia nientam-po.a Nahita izay notadiaviny i Dada — ny Fanjakan’Andriamanitra.

Niala tamin’ny fiangonana tamin’ny 2 Martsa 1923 niaraka taminay enina mianadahy, ry Dada sy Neny. Tany Chemnitz, any Saxe, izahay no nipetraka, ary niaraka tamin’ireo Mpianatra ny Baiboly tao izahay. (Tonga Vavolombelon’i Jehovah ny telo tamin’ny anadahiko sy ireo rahavaviko.)

Tany amin’ireo fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly dia voatohina lalina tamin’ireo andalan-teny sy fahamarinana sarobidy tao amin’ny Soratra Masina aho, ka nahadibo-kasambarana ny foko tanora ireny. Ny zava-dehibe indrindra, dia teo ilay fampianarana nomena anay tanora kristiana maherin’ny 50 ny alahady, ka nahazo izany izahay sy i Käthe rahavaviko nandritra ny fotoana fohy. Anisan’ny antoko nisy anay i Konrad Franke kely, izay nandamina fitsangantsanganana lavitra an-tongotra sy nianatra hira niaraka taminay. Tatỳ aoriana, nanomboka tamin’ny 1955 ka hatramin’ny 1969, dia nanompo tamin’ny naha-mpiandraikitra ny sampana Watch Tower teto Alemaina ny Anadahy Franke.

Nikorontana be ireo taona 20, indraindray na dia teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra aza. Ny sasany, izay tsy nanaiky intsony Ny Tilikambo Fiambenana ho ‘ny sakafo amin’ny fotoana mety’, dia nanohitra ny asa fitoriana isan-trano. (Matio 24:45, NW ). Nitarika ho amin’ny fivadiham-pinoana izany. Io ‘sakafo’ io indrindra anefa no nanome anay ny hery izay nilainay fatratra tamin’izany fotoana izany. Ohatra, tao ireo lahatsoratra tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, toy ny hoe “Tahina Ireo Be Herim-po” (1919) sy hoe “Iza no Hanome Voninahitra An’i Jehovah?” (1926) Naniry hanome voninahitra an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny asa nampiseho herim-po aho, koa nizara maro be tamin’ireo boky sy bokikely nosoratan’ny Anadahy Rutherford.

Tamin’ny Martsa 1933 aho dia natao batisa tamin’ny naha-Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’io taona io ihany dia voarara ny asa fitoriana ny filazantsara nataonay teto Alemaina. Tamin’ny batisa, dia natolotra ho torohevitra ho amin’ny hoavy ny Apokalypsy 2:10 hoe: “Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-trano-maizina, mba ho voazaha toetra hianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana.” Nosaintsainiko lalina io andinin-teny io, tsy nanana fisalasalana mihitsy aho fa niandry ahy ny fisedrana sarotra. Voaporofo fa marina izany.

Noho izahay nitoetra ho nialanalana tamin’ny lafiny politika, dia nijery anay tamim-piahiahiana ny maro tamin’ireo mpifanolo-body rindrina taminay. Taorian’ny fifidianana ara-politika iray, dia tonga teo anoloan’ny tranonay ny solontenan’ny polisim-panjakana manao fanamiana, niantsoantso hoe “Ato no mipetraka ireo mpamadika!” Ilay lahatsoratra hoe “Aza Matahotra Azy Ireo”, izay hita tao amin’ny fanontana amin’ny fiteny alemàn’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny Desambra 1933, dia nampahery ahy manokana. Niriko ny hitoetra ho Vavolombelon’i Jehovah mahatoky na dia tao anatin’ny toe-javatra sarotra aza.

Valiny nasetrin’ny fahavalo — Tranomaizina

Azo natao ny nanao an-kinafina Ny Tilikambo Fiambenana tao Chemnitz hatramin’ny fararanon’ny 1935. Taorian’izany dia tsy maintsy nentina tany Beierfeld, any amin’ireo Tendrombohitra Ore, ilay milina mpanao kopia, ka nampiasaina tany izy io mba hanaovana indray zavatra vita an-tsoratra hatramin’ny Aogositra 1936. Izahay sy i Käthe dia nizara ireo kopia tamin’ireo anadahy izay nomen’i Dada anay ny adiresiny. Nandeha tsara ny zava-drehetra nandritra ny fotoana fohy. Avy eo anefa dia nampanara-maso ahy ny Gestapo, ary tamin’ny Aogositra 1936, dia nisambotra ahy tany an-tranoko izy ireo ary nitana tany am-ponja, ka tany aho no niandry fitsarana.

Tamin’ny Febroary 1937, dia niseho teo anatrehan’ny fitsarana manokana tany Saxe ny anadahy 25 sy ny rahavavy roa — anisany aho. Voalaza fa mitady hanongam-panjakana ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Dimy taona an-tranomaizina no sazin’ireo anadahy izay nanao kopian’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Nosazina roa taona aho.

Tsy nafahana akory aho rehefa avy namita ny saziko fa nosamborin’ny Gestapo. Tokony ho nanao sonia fanambarana iray milaza fa tsy ho Vavolombelon’i Jehovah marisika intsony ny tenako. Nanda mafy aho, ka tamin’izay dia nisafoaka ilay manam-pahefana, niantsambotra ary namoaka taratasy fanomezan-dalana hitanana ahy. Aseho eto amin’ny sary ilay taratasy fanomezan-dalana. Tsy navela hijery ny ray aman-dreniko akory aho, fa nentina avy hatrany tany amin’ny toby fitanana kely iray ho an’ny vehivavy, tany Lichtenburg, teo amin’ny onin’i Elbe. Afaka fotoana fohy taorian’izay, dia nihaona tamin’i Käthe aho. Tany amin’ny toby fitanana tany Moringen izy, nanomboka tamin’ny 1936, kanefa rehefa nakatona io toby fitanana io dia nanketo Lichtenburg izy, niaraka tamin’ny rahavavy hafa maro. Notanana koa ny raiko ary tsy nahita azy indray aho raha tsy tamin’ny 1945.

Tao Lichtenburg

Tsy navela avy hatrany hiaraka tamin’ireo Vavolombelona hafa vehivavy aho, satria nisy antony nahavoasazy azy ireo. Tao amin’ny iray tamin’ireo efitrano, dia nanamarika antokona gadra roa aho — ireo vehivavy izay mazàna nipetraka teo an-databatra sy ireo Vavolombelona izay tsy maintsy nipetraka nandritra ny andro naninjitra teo amin’ny seza bory sady tsy nomena hanina.b

Vonona ny hanaiky izay nety ho asa nanendrena aho satria nanantena ny hifanena tamin’i Käthe na amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa. Ary izany indrindra no nitranga. Teny an-dalana hiasa niaraka tamin’ny gadra roa hafa izy no nifanojo ny lalanay. Dibo-kafaliana aho ka namihina azy mafy. Nandaza anay tsy nisy hataka andro anefa ilay mpiambina vavy. Nalaina am-bavany izahay, ary nanomboka teo dia niniana natokana. Tena nila tsy ho zaka izany.

Miraikitra ato an-tsaiko ny zava-niseho roa hafa tao Lichtenburg. Tamin’ny fotoana iray dia tokony hiangona teo an-kianja daholo ny gadra rehetra mba hihaino ny lahateny ara-politika iray nataon’i Hitler tao amin’ny radio. Nanda izahay Vavolombelon’i Jehovah satria nisy fombafomba maneho fitiavan-tanindrazana tafiditra. Koa natodik’ireo mpiambina tany aminay ireo fantson-drano famonoana afo, ka notifiriny tamin’ny rano nifantsitsitra mafy izahay vehivavy tsy nanam-piarovana, ary noroahiny avy tany amin’ny rihana fahatelo nankany amin’ilay kianja. Teo izahay dia tsy maintsy nijoro, hotsaka tanteraka.

Tamin’ny fotoana hafa indray aho, niaraka tamin’i Gertrud Oehme sy i Gertel Bürlen, dia nodidiana handravaka tamin’ny jiro elektrika ny etamazaoron’ny komandà, satria nanakaiky ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Hitler. Nanda izahay, satria fantatray fa paikan’i Satana mba hampivadika anay tamin’ny alalan’ny fanekena lembenana amin-java-madinika izany. Ho sazinay, dia samy tsy maintsy nandany ny roa tokom-bolana nanaraka, nitokana, tao amin’ny cellule kely sady maizina ny tsirairay taminay telo mirahavavy tanora. Nitoetra akaiky anay anefa i Jehovah ary, na dia tao anatin’ny toerana nampahatahotra toy izany aza, dia noporofoiny fa fialofana ny tenany.

Tao Ravensbrück

Tamin’ny May 1939 ireo gadra tao Lichtenburg dia nafindra toerana tany amin’ny toby fitanana tany Ravensbrück. Tany dia notendrena ho ao amin’ny efitra fanasan-damba niaraka tamin’ny rahavavy Vavolombelona maromaro hafa aho. Afaka fotoana fohy taorian’ny fipoahan’ny ady, dia tokony hoe haka ireo saina nisy croix gammée izahay, kanefa nanda tsy hanao izany izahay. Ho vokany, dia natao tany amin’ny toerana fanibohana ho famaizana ny roa taminay, i Mielchen Ernst sy ny tenako. Izany dia iray tamin’ireo endri-panasaziana henjana indrindra ary nidika fa tsy maintsy niasa mafy isan’andro izahay, na dia ny alahady aza, na manao ahoana na manao ahoana ny toetr’andro. Raha ny tokony ho izy, dia telo volana fara fahabetsahany ilay sazy, kanefa herintaona izahay no nijanona tao. Raha tsy noho ny fanampian’i Jehovah dia tsy ho tafavoaka velona mihitsy aho.

Tamin’ny 1942, dia nohalefahina kelikely ny toe-piainana nisy anay gadra, ary notendrena hiasa ho an’ny fianakaviana iray SS tsy lavitra ny toby tamin’ny naha-mpikarakara tokantrano aho. Namela ahy hanana fahalalahana ihany ilay fianakaviana. Ohatra, rehefa nitondra ny ankizy nitsangantsangana aho indray mandeha, dia nifanena tamin’i Josef Rehwald sy i Gottfried Mehlhorn, gadra roa nitondra triangles violets, ka afaka nifanakalo teny fampaherezana izahay.c

Ireo taona sarotra taorian’ny ady

Rehefa nihananatona ireo andian-tafiky ny mpiray dina tamin’ny 1945, dia nandositra ilay fianakaviana izay niasako, ka tsy maintsy niaraka tamin’izy ireo aho. Niaraka tamin’ireo fianakaviana SS hafa, dia nahaforona antokon’olona be dia be iray dia, izay niankandrefana izy ireo.

Nisafotofoto tanteraka sady feno loza ireo andro vitsivitsy farany tamin’ny ady. Tamin’ny farany izahay dia nifanena tamin’ny miaramila amerikana sasany izay namela ahy hisoratra anarana tamin’ny naha-olona afaka tao amin’izay tanàna nanaraka. Iza no nihaona tamiko tao? Ry Josef Rehwald sy Gottfried Mehlhorn. Nampahafantarina izy ireo fa tonga tao Schwerin ireo Vavolombelona rehetra avy tamin’ny toby fitanana tao Sachsenhausen taorian’ny dia an-tongotra nampidi-doza ho amin’ny fahafatesana. Koa nanainga nankany amin’io tanàna io, izay tokony ho tany amin’ny 75 kilaometatra izahay telo mianadahy. Fifaliana re izany tao Schwerin, nifankahita tamin’ireo anadahy mahatoky rehetra, izay tafita velona tamin’ireo toby fitanana, anisan’izany i Konrad Franke.

Tamin’ny Desambra 1945 dia mba nihatsara ny tarehin-javatra teto amin’ny firenena ka afaka nanao dia tamin’ny fiarandalamby aho. Koa tapa-kevitra ny hody àry aho! Kanefa, tamin’ilay dia, dia nisy fotoana nandriana teo ambonin’ny tafon’ilay fiarandalamby sy nijoroana teo amin’ny fametrahan-tongotra. Tao Chemnitz dia nanavatsava tamin’ny lalana avy teo amin’ny gara nankany amin’ilay toerana nipetrahan’ny fianakaviako aho. Teo amin’ilay arabe izay nijoroan’ireo polisim-panjakana taloha sady niantsoantsoany hoe “Ato no mipetraka ireo mpamadika!” anefa, dia tsy nisy na dia trano iray aza niangana. Nozerana baomba ka ringana tanteraka ilay faritra fonenana manontolo. Nahazo aina anefa aho rehefa nahita an’i Dada sy i Neny, i Käthe, ary ireo anadahiko sy rahavaviko mbola velona.

Nahatsiravina ny tarehin-javatra ara-toe-karena teto Alemaina taorian’ny ady. Na dia izany aza, dia nanomboka niroborobo nanerana an’i Alemaina ireo kongregasionan’ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy nitandro hasasarana ny Fikambanana Watch Tower mba hampitao anay ho amin’ny asa fitoriana. Natomboka indray ny asa tao amin’ny Betelan’i Madgeburg, izay nakaton’ny Nazia. Tamin’ny lohataonan’ny 1946, dia nasaina aho mba hiasa tany, ary voatendry tao an-dakozia.

Teo ambany fandrarana sy nampidirina an-tranomaizina indray

I Magdeburg dia tao amin’ilay faritra amin’i Alemaina izay nanjary nofehezin’ny Komonista. Noraran’izy ireo ny asanay tamin’ny 31 Aogositra 1950, ary nakatony ny Betelan’i Magdeburg. Tamin’izany fomba izany no nifaranan’ny fanompoako tao amin’ny Betela, izay fotoana fampiofanana sarobidy. Niverina tany Chemnitz aho, tapa-kevitra ny hifikitra mafy hatrany amin’ny fahamarinana sy hanambara ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany fanantenana ho an’ny olombelona ory, na dia teo ambanin’ny fitondrana komonista aza.

Tamin’ny Aprily 1951, dia niaraka tamin’ny anadahy iray nankany Berlin aho mba haka kopia maro tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Rehefa niverina izahay dia taitra nahita ny gara tao Chemnitz voahodidin’ny polisy tsy manao fanamiana. Nazava fa niandry anay izy ireo, ary nosamborina avy hatrany izahay.

Teo am-pahatongavana tany amin’ny toerana fitanana teo am-piandrasana fitsarana, dia teny amiko ireo tahirin-taratasy izay nanaporofo ny nanaovan’ny Nazia ahy tany an-tranomaizina nandritra ny taona maromaro. Noho izany, dia nentin’ireo mpiambina tamim-panajana aho. Hoy ny iray tamin’ireo vehivavy lehiben’ny mpiambina: “Tsy mpanao heloka bevava ianareo Vavolombelon’i Jehovah; tsy tokony hatao an-tranomaizina ianareo.”

Indray mandeha izy dia tonga tao amin’ny cellule-ko, izay nisy ahy mbamin’ny rahavavy hafa roa, ary nametraka zavatra an-kinafina tao ambanin’ny iray tamin’ireo fandriana. Inona izany? Ny Baiboliny manokana, izay navelany ho anay. Tamin’ny fotoana hafa indray dia nitsidika ny ray aman-dreniko tany an-trano izy satria nipetraka tsy dia lavitra ny tranomaizina izy ireo. Nahazo Ny Tilikambo Fiambenana sy sakafo tany izy, ka nafeniny teny aminy daholo izany ary nampidiriny nangingina tao amin’ny cellule-ko.

Misy zavatra hafa koa tiako ny mahatsiaro azy. Indraindray ny alahady maraina dia niredona mafy aoka izany ireo hiranay teokratika izahay, ka nitehaka tamim-pahafinaretana ny hira tsirairay ireo gadra hafa.

Hery sy fanampiana avy amin’i Jehovah

Nandritra ny fizotran’ny fitsarana tamin’ny 4 Septambra 1951, dia nanao ilay fanazavana voalaza teo am-panombohan’itỳ lahatsoratra itỳ ilay mpitsara. Nanefa ny saziko tany an-tranomaizina tao Waldheim aho, avy teo dia tao Halle, ary tamin’ny farany dia tao Hoheneck. Ny zava-niseho fohy iray na roa dia hampiseho ny fomba nisehoan’Andriamanitra ho fialofana sy hery ho anay Vavolombelon’i Jehovah, ary ny fomba nankaherezan’ny Teniny anay.

Tao an-tranomaizina tao Waldheim, dia nivory tsy tapaka tao amin’ny efitrano iray ireo rahavavy rehetra Vavolombelona, hany ka afaka nanao ireo fivoriana kristiana izahay. Tsy nekena ny pensilihazo sy ny taratasy, kanefa nisy rahavavy nahazo tapa-damba, ka nahavita nanao faneva kely, nitondra ny andinin-teny ho an’ny taona 1953, nanao hoe: “Manolora fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah amin’ny fihaingoana masina”. — Salamo 29:2, American Standard Version.

Tratran’ny iray tamin’ireo vehivavy mpiambina tamin’ny tsy nampoizina izahay ka nalazany tsy nisy hataka andro. Tonga ny lehiben’ny tranomaizina ary nilaza tamin’ny rahavavy roa taminay mba hihazona ambony ilay faneva. “Iza no nanao an’io?”, hoy izy nanontany. “Inona no hevitr’io?”

Te hiaiky ny rahavavy iray ary hibaby ny tsiny tokony hiombonanay, nefa nifampibitsibitsika haingana izahay ka nanaiky fa tokony hozarainay rehetra ny andraikitra. Koa hoy izahay namaly: “Nataonay izy io mba hanatanjahana ny finoanay.” Noraofina ilay faneva ary tsy nomena sakafo izahay ho sazy. Nandritra ilay famotorana manontolo anefa dia nihazona ambony azy io ireo rahavavy, hany ka afaka niraikitra tao an-tsainay ilay andinin-teny nampahery.

Rehefa nakatona ny fonja ho an’ny vehivavy tao Waldheim, dia nafindra tany Halle izahay rahavavy. Tany dia navela handray ireo fonosan’entana izahay ary inona no voazaitra tao anatin’ny kapa nalefan’ny raiko ho ahy? Lahatsoratra avy ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana! Mbola tsaroako ihany ireo lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Azo Ampiharina ny Tena Fitiavana” ary hoe “Mitarika ho Amin’ny Famoizana Aina ny Lainga”. Ireny sy ny lahatsoratra hafa dia tena hanim-py ary rehefa nampitampitaina teo aminay izy ireo, dia samy nandray naoty ho an’ny tenany ny tsirairay.

Nandritra ny bemidina iray, dia nahita ireo fanamarihana manokana nafeniko tao anaty kidoro mololo ny mpiambina iray. Tatỳ aoriana izy dia nampiantso ahy mba hofotorana ary nilaza fa tiany ho fantatra mazava ny hevitr’ilay lahatsoratra hoe “Ireo Fahatsinjovan-javatra ho An’ireo Matahotra An’i Jehovah Amin’ny 1955”. Izy, izay Komonista, dia nanahy ny amin’ny nahafatesan’i Staline mpitarika azy tamin’ny 1953, ary toa nanjombona ny hoavy taminy. Raha ny aminay kosa, dia hitondra fihatsarana sasany teo amin’ny toe-piainanay tao an-tranomaizina ny hoavy, kanefa mbola tsy nahatakatra izany aho. Nohazavaiko tamim-pitokiana fa ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah dia ny tena tsara indrindra ny fahatsinjovan-javatra. Nahoana? Naka teny tamin’ny andinin-teny fototra niorenan’ilay lahatsoratra aho, dia ny Salamo 112:7 manao hoe: “Tsy mba manahinahy hahare loza izy; tafatoetra matoky an’i Jehovah ny fony.”

Mitoetra ho fialofako sy heriko i Jehovah

Taorian’ny aretina mafy, dia nafahana roa taona mialoha avy tao an-tranomaizina aho, tamin’ny Martsa 1957. Nanao fanerena tamiko indray ireo manam-pahefana alemà tatsinanana noho ny asa nataoko teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Noho izany, tamin’ny 6 May 1957 dia nanararaotra nandositra tany Berlin Andrefana aho, ary avy tao, dia nifindra tany Alemaina Andrefana.

Taona maromaro no lasa vao sitrana aho. Hatramin’izao anefa dia mbola mazoto homana be ara-panahy aho ary tsy andriko ny hahatongavan’ny Ny Tilikambo Fiambenana vaovao tsirairay. Indraindray aho dia mandini-tena. Mbola manana saina mirona ho amin’ny zavatra ara-panahy ve aho? Namboly toetra tsara dia tsara ve aho? Antony hiderana sy hanomezam-boninahitra an’i Jehovah ve ny fizahan-toetra ny finoako? Ny tanjoko dia ny hampifaly an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra mba hitoerany ho fialofako sy heriko mandrakizay.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny “Photo-Drame” dia voaforon’ny diapositives sy sary mihetsika, ary nanomboka tamin’ny 1914, dia nasehon’ireo solontenan’ny Watch Tower Bible and tract Society ombieny ombieny.

b Nanao tatitra ny gazety Trost (Consolation), navoakan’ny Fikambanana Watch Tower tany Berne, any Soisa, tamin’ny 1 May 1940, pejy faha-10, fa nisy fotoana tsy nahazoan’ireo vehivavy Vavolombelona sakafo antoandro nandritra ny 14 andro, satria nanda tsy hanao ny fihetsehana maneho fanomezam-boninahitra izy ireo rehefa nalefa ny hiram-pirenena nazia. Nisy Vavolombelon’i Jehovah 300 tao.

c Hita ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Febroary 1993, pejy 20-23, ny fitantarana momba an’i Josef Rehwald.

[Sary, pejy 26]

Ny biraon’ny SS tao Ravensbrück

[Sary nahazoan-dalana]

Ambony: Stiftung Brandenburgische Gedenkstätten

[Sary, pejy 26]

Ilay taratasy fanomezan-dalana ahy hiasa tany ivelan’ny toby

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara