FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/6 p. 3-4
  • Inona no Anton’ireny Fanafinafenana Rehetra Ireny?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Anton’ireny Fanafinafenana Rehetra Ireny?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Rehefa milaza loza ny fanafinafenana
  • Inona no ataon’izy ireny ankehitriny?
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2018
  • Ilay Tsiambaratelo Azo Resahina Amin’ny Olona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Ilay Tsiambaratelo Nolazaina Tamintsika
    Ampianaro ny Zanakao
  • Zava-miafina Tsy Azon’ny Kristiana Hazonina!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/6 p. 3-4

Inona no Anton’ireny Fanafinafenana Rehetra Ireny?

“TSY misy zava-mavesatra toy ny tsiambaratelo.” Izany aloha no filazan’ny ohabolana frantsay iray. Moa ve izany mety hanazava ny antony ahatsapan’ny tenantsika ho faly rehefa mahalala tsiambaratelo iray, saingy indraindray sorena rehefa tsy mahazo miresaka momba azy io? Kanefa, nandritra ireo taonjato, dia olona maro no nandray an-tanan-droa ny fanafinafenana, ka nitambatra tao anatin’ny fikambanana miafina niezaka hanatratra zava-nokendrena niombonana.

Anisan’ny voalohany indrindra tamin’ireny fikambanana miafina ireny ireo antokom-pivavahana nifono zava-miafina, hita tany Egypta sy Gresy ary Roma. Tatỳ aoriana, dia nialan’ny sasany tamin’ireny antokon’olona ireny ny fiandohany ara-pivavahana ka nanjary naka endriny ara-politika, ara-toe-karena, na sosialy, izy ireo, tao ambadika. Ohatra, rehefa nisy fikambanan’ny mpivarotra na mpanao asa tanana niforona tany Eoropa tamin’ny Moyen Âge, dia niafinafina ireo mpikambana tao aminy mba hiarovan-tena teo amin’ny lafiny ara-bola, indrindra indrindra.

Matetika no nisy antokon’olona miafina amin’ny andro ankehitriny, niforona noho ny antony tena mendri-kaja, angamba noho ny “zava-kendrena sosialy sy hanao soa”, araka ny Encyclopædia Britannica, sy “mba hanatontosa fandaharan’asa entina hanasoa sy hampianatra”. Misy fikambanam-pirahalahiana, kilioban’ny tanora, kilioba sosialy, sy antokon’olona hafa koa izay miafina, na fara faharatsiny, miafina amin’ny ampahany. Amin’ny ankapobeny, ireny antokon’olona ireny dia tsy manana eritreri-dratsy, fa mampientanentana fotsiny ny mpikambana ao aminy ny fiafinafenana. Manintona mafy ara-pihetseham-po sady manatanjaka ny fehin’ny fisakaizana sy ny firaisan-tsaina ireo fombafomba fidirana ho mpikambana, izay atao an-kiafinafina. Manjary mahatsapa tena ho voaray sady manan-java-kendrena ireo mpikambana. Mazàna ny fikambanana miafina karazan’izany no tsy fandrahonana ho an’izay tsy mpikambana ao aminy. Tsy hoe maty antoka akory ny eny ivelany tsy mahalala ireo tsiambaratelo.

Rehefa milaza loza ny fanafinafenana

Tsy miafina amin’ny fomba mitovy avokoa akory ireo antokon’olona miafina rehetra. Mampidi-doza amin’ny fomba miavaka anefa ireo manana “tsiambaratelo ao anatin’ny tsiambaratelo”, araka ny filazan’ny Encyclopædia Britannica azy. Hazavain’izy io fa “amin’ny fampiasany anarana manokana, fisedrana mafy na fanambarana”, ireo mpikambana manan-toerana ambony indrindra dia manao izay “hampiavaka azy”, ka amin’izany dia mandrisika “an’ireo ambany grady hanao ny ezaka ilaina mba hanatratrarana ny ambaratonga ambony”. Miharihary ny loza tsy misaraka amin’ny antokon’olona toy izany. Ireo izay ambany grady dia mety tsy hahafantatra velively ny tena zava-kendren’ilay fikambanana, satria mbola tsy nandroso ho amin’izany ambaratonga hahazoana fahalalana izany. Mora ny hahatafiditra ny tena ao anatin’ny antokon’olona manan-java-kendrena sy fomba enti-manatratra izany tsy fantatra afa-tsy amin’ny ampahany ihany, ary raha ny marina, dia angamba tsy ambara amin’ny fomba feno mihitsy aza. Mety ho hitan’ilay olona niditra tao anatin’ny antokon’olona toy izany anefa atỳ aoriana fa sarotra ny manafa-tena; voafatotry ny tsiambaratelo izy, raha azo atao ny milaza izany.

Milaza loza lehibe kokoa mihitsy aza anefa ny fanafinafenana, rehefa manatratra zava-kendrena tsy araka ny lalàna na zava-kendrena anaovana heloka bevava ny antokon’olona iray, ka noho izany, dia miezaka hanafina ny tena fisiany. Na raha fantatra ny fisiany sy ny tanjony ankapobe, dia mety hiezaka hitana ho tsiambaratelo ny mpikambana ao aminy sy ny planiny tsy maharitra, izy io. Marina izany raha ny amin’ny antokon’olona mpampihorohoro manana antony manosika mafy, izay miverimberina mampivadi-po an’izao tontolo izao amin’ireo fanafihany mampihorohoro.

Eny, mety hampidi-doza ny fanafinafenana, na ho an’ny isam-batan’olona izany na ho an’ny fiaraha-monina amin’ny fitambarany. Hevero ireo tanora mahaforona andian-jiolahy miafina, izay manendaka amin-kerisetra olona tsy manan-tsiny, ireo fikambanan’ny mpanao heloka bevava toy ny Mafia manao zavatra an-kiafinafina, ireo antokon’olona manohana ny fahambonian’ny fotsy hoditra, toy ny Ku Klux Klana, ary tsy resahina intsony ireo antokon’olona mpampihorohoro maro maneran-tany izay manohy misakantsakana ny ezaka hanorenana fiadanana sy fandriampahalemana maneran-tany.

Inona no ataon’izy ireny ankehitriny?

Nandritra ireo taona 1950, vokatry ny Ady Mangatsiaka, dia nisy antokon’olona miafina nalamina tany amin’ny tany maromaro tany Eoropa Andrefana mba ho toeram-pamaharan’ny antoko mpanohitra, raha sanatria ka mitady hanafika an’i Eoropa Andrefana ny Sovietika. Araka ilay gazetiboky alemà hoe Focus, dia “nisy tahirim-pitaovam-piadiana miafina 79”, ohatra, naorina tany Aotrisy nandritra io vanim-potoana io. Tsy ny tany rehetra tany Eoropa no nahafantatra ny fisian’ireny antokon’olona ireny. Nanao tatitra toy izao tamin’ny fijerena ny zava-misy ny gazetiboky iray, tany am-piandohan’ireo taona 1990: “Mbola tsy fantatra ny isan’ny velona amin’ireny fikambanana ireny ankehitriny sy ny hoe inona no mety ho nataony tato ho ato.”

Marina tokoa izany. Iza no afaka mahafantatra marina hoe amin’izao fotoana izao indrindra, firy ny isan’ny antokon’olona miafina mety hitondra fandrahonana lehibe kokoa noho ny heverin’ny tsirairay avy amintsika?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Io antokon’olona amerikana io dia nihazona ny sasany tamin’ireo lafiny ara-pivavahan’ny fikambanana miafina taloha kokoa, tamin’ny fampiasana lakroa mirehitra ho fanevany. Tamin’ny lasa, dia nanao fanafihana tampoka tamin’ny alina izy io, ary nitafy akanjo sy lamba fotsy ireo mpikambana tao aminy, nanampatra ny fahatezerany tamin’ny mainty hoditra, ny Katolika, ny Jiosy, ny vahiny, sy ny sendikan’ny mpiasa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara