FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/6 p. 5-6
  • Fanafinafenana Atao Amin’ny Anaran’ny Tompo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanafinafenana Atao Amin’ny Anaran’ny Tompo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo loza entin’ny fanafinafenana ara-pivavahana
  • Inona no Anton’ireny Fanafinafenana Rehetra Ireny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2018
  • Zava-miafina Tsy Azon’ny Kristiana Hazonina!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Ilay Tsiambaratelo Azo Resahina Amin’ny Olona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/6 p. 5-6

Fanafinafenana Atao Amin’ny Anaran’ny Tompo

NAHAFATY olona 12, nankarary olona an’arivony maro hafa, sy nanampy hampiharihary zava-niafina iray, ny fanafihana iray tamin’ny gaza misy poizina tao amin’ny métro tany Tokyo, Japon, tamin’ny Martsa 1995. Nisy antokom-pivavahana iray fantatra hoe Aum Shinrikyo (Fahamarinana Tampony), nanangona mangingina gaza sarin, mba hampiasaina hanatratrarana zava-nokendrena maizimaizina.

Iray volana taorian’izay, dia nandrava biraom-panjakana iray tany Oklahoma City, Etazonia, ny fipoahan’ny baomba iray ka nahafaty olona 167. Toa notondroin’ny porofo fa ilay fanafihana dia nisy nifandraisany tamin’ilay nifampitanan’ny fitondram-panjakana sy ny antokom-pinoan’ny Davidiana tany Waco, Texas, roa taona katroka talohan’izay. Tamin’izay fotoana izay, dia mpikambana 80 teo ho eo tao amin’ilay antokom-pinoana madinika no maty. Nampiharihary zava-niafina iray tamin’ny ankamaroan’ny olona koa ilay fipoahana baomba: Misy antokon’olona paramilitaire maro miasa ankehitriny any Etazonia, ka ny sasany amin’izy ireny, fara faharatsiny, dia ahiahina ho manomana mangingina fanonganam-panjakana.

Tatỳ aoriana, rehefa nadiva hifarana ny taona 1995, dia nahitana fatin’olona 16 kilan’ny afo tao amin’ny faritra iray be ala any akaikin’i Grenoble, Frantsa. Mpikambana tao amin’ny Temple Solaire izy ireo. Izy io dia antokom-pinoana madinika izay nolazaina tao amin’ny vaovao tany Soisa sy Kanada tamin’ny Oktobra 1994, rehefa nisy mpikambana 53 tao aminy, na namono tena na novonoina ho faty. Na dia taorian’io loza amin’antambo io aza anefa, dia nanohy ny asany ilay antokom-pivavahana. Hatramin’izao, dia mbola mitoetra ho zava-miafina ny antony manosika azy io sy ny zava-kendreny.

Ireo loza entin’ny fanafinafenana ara-pivavahana

Rehefa heverina ny fisehoan-javatra toy izany, dia mahagaga ve raha olona maro no miahiahy an’ireo antokom-pivavahana? Azo antoka fa tsy misy olona maniry hanohana fikambanana miafina — ara-pivavahana na tsia — izay mampiasa amin’ny fomba ratsy ny fitokiany sy mahatonga azy hanatratra zava-kendrena tsy ekeny. Inona anefa no azon’ny olona atao mba hanalavirana ny ho voafandriky ny fidirana ao amin’ny fikambanana miafina mampiahiahy?

Miharihary fa haneho fahendrena ny olona na iza na iza mieritreritra ny hiditra ho mpikambana ao amin’ny fikambanana miafina iray, raha mamantatra marina ny tena zava-kendren’izy io. Tokony hanehoana fitandremana ny fanerena avy amin’ny namana na olom-pantatra, ary tsy tokony hiorina amin’ny fihetseham-po fa amin’ny zava-misy ny fanapahan-kevitra. Tadidio fa ny tenan’ilay olona — fa tsy ny olon-kafa — no azo inoana fa hizaka ny vokatra mety haterak’izany.

Ny fanarahana ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly no fomba azo antoka indrindra hanalavirana ireo antokon’olona mampidi-doza izay manana antony manosika tsy mendri-kaja. (Isaia 30:21). Tafiditra amin’izany ny fihazonana fialanalanana ara-politika sy ny fanehoana fitiavana ny hafa, na dia ny fahavalo aza, sy ny fanalavirana “ny asan’ny nofo” ary ny fambolena ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. Ambonin’ny zava-drehetra, ny Kristiana dia tsy tokony ho naman’izao tontolo izao, tsy nisy hafa tamin’i Jesosy, ary manilika mialoha ny fandraisana anjara amin’ny fikambanana miafina eo amin’izao tontolo izao izany lalam-pitondran-tena izany. — Galatiana 5:19-23; Jaona 17:14, 16; 18:36; Romana 12:17-21; Jakoba 4:4.

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mpianatra ny Baiboly mazoto, izay mihevitra ny finoany ho zava-dehibe sady miezaka an-karihary hiaina mifanaraka amin’izany. Maneran-tany izy ireo dia fantatra tsara ho fivavahana ‘mitady fihavanana sy manaraka azy’. (1 Petera 3:11). Manao izao fanamarihana araka ny marina izao ilay bokiny hoe Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieu: “Tsy fikambanana miafina velively ny Vavolombelon’i Jehovah. Hazavaina amin’ny fomba feno ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra azon’iza na iza raisina, ireo zavatra inoany miorina amin’ny Baiboly. Fanampin’izany, dia manao ezaka manokana izy ireo ny hanasa ny besinimaro hanatrika fivoriana, mba ho ny tenany mihitsy no hahita sy handre izay zavatra mitranga ao.”

Tsy fanaon’ny fivavahana marina velively ny fiafinafenana. Nomena toromarika mba tsy hanafina ny hoe iza izy na hanarontsarona ny zava-kendreny amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah azy, ireo mpivavaka amin’ilay Andriamanitra marina. Nameno an’i Jerosalema tamin’ny fampianarany ny mpianatr’i Jesosy tany am-boalohany. Nasehony an-karihary ny zavatra ninoany sy ny asany. Toy izany koa ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao. Takatra fa rehefa misy fitondrana tsy refesi-mandidy mandrara tsy ara-drariny ny fahalalahana hanao fanompoam-pivavahana, dia tsy maintsy ho mailo sy be herim-po ny Kristiana eo am-panohizana ny asany, amin’ny fanekeny ‘an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona’. Voatery ho ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany izy ireo noho ny fitoriany ampahibemaso amin-kerim-po. — Asan’ny Apostoly 5:27-29; 8:1; 12:1-14; Matio 10:16, 26, 27.

Raha efa nandalo tao an-tsainao ilay eritreritra hoe mety ho antokom-pinoana madinika na antokom-pivavahana miafina ny Vavolombelon’i Jehovah, dia azo inoana fa izany dia noho ianao tsy nahafantatra zavatra firy momba azy ireo. Tsy maintsy ho toy izany ny tarehin-javatra nisy ny maro tamin’ny taonjato voalohany.

Lazain’ny Asan’ny Apostoly toko faha-28 amintsika ny amin’ny fivoriana iray nihaonan’ny apostoly Paoly tany Roma tamin’ny “lohandohany tamin’ny Jiosy”. Hoy izy ireo tamin’i Paoly: “Tianay ho re aminao izay hevitrao; fa ny amin’izany antoko izany dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy.” (Asan’ny Apostoly 28:16-22). Ho setrin’izany, i Paoly dia “nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan’Andriamanitra hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva”, ka “ny sasany nino”. (Asan’ny Apostoly 28:23, 24). Azo antoka fa nitondra soa maharitra ho azy ireo ny nahafantarany ny tena zava-nisy nikasika ny Kristianisma marina.

Noho izy ireo nanokan-tena ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra an-karihary sy ampahibemaso, dia ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hampahafantatra ny zava-misy tsy misy an-kifonofono momba ny asany sy ny zavatra inoany, amin’olona na iza na iza liana hahafantatra ny zava-misy. Nahoana no tsy ny tenanao mihitsy no mamotopototra, ka amin’izay dia ho tsara toerana ianao hahazo fanazavana araka ny tokony ho izy, raha ny amin’ny zavatra inoany?

[Sary, pejy 6]

Faly ny Vavolombelon’i Jehovah hampahafantatra hoe iza moa izy ireo ary inona no ataony

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara