FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/7 p. 22-25
  • Fiainana Tsy Nanenenako Mihitsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiainana Tsy Nanenenako Mihitsy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ohatra tsara dia tsaran’i Neny
  • Asa fivelomana sy fandrosoana ara-panahy
  • Fanompoana tao amin’ny Betela tamin’ny fotoam-pikorontanana
  • Fanaovana ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny ady
  • Tombontsoa mahafaly maro
  • Vonona Hanompo ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Mety ho io ve no Asa Tsara Indrindra ho Anao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Faly Manasa Anao Izahay!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Fandinihana Amim-pankasitrahana ny “Tranon’Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/7 p. 22-25

Fiainana Tsy Nanenenako Mihitsy

NOTANTARAIN’I PAUL OBRIST

Maty teo am-piterahana ny zanany fahadimy i Neny, tamin’ny 1912, fony aho enin-taona. Tokony ho roa taona tatỳ aoriana, dia nanomboka nikarakara ny fianakavianay i Berta Weibel, vehivavy tanora iray mpiasa an-trano. Rehefa nanambady azy i Dada ny taona nanaraka, dia faly izahay ankizy nanana reny indray.

NONINA tao Brugg, tanàna kely tao amin’ny faritr’i Soisa miteny alemà, izahay. Tena kristiana tokoa i Berta, ary tena tiako izy. Nanomboka nianatra ny zavatra vita an-tsoratry ny Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah) izy tamin’ny 1908, ary nizara tamin’ny hafa ny zavatra nianarany.

Tamin’ny 1915, tsy ela taorian’ny nivadian’i Berta sy i Dada, dia niaraka taminy tany amin’ny fampisehoana ny “Photo-Drame de la création” aho. Namela soritra lalina tao an-tsaiko sy tao am-poko io fampisehoana diapositives sy filma na horonan-tsary nataon’ny Fikambanana Iraisam-pirenen’ny Mpianatra ny Baiboly Tso-po io. Toy izany koa ny olona hafa. Feno hipoka ilay efitrano tao Brugg, hany ka nohidian’ny polisy ny varavarana ary nasainy niverina ireo olona mbola tonga. Tamin’izay dia maro no nanandrana niditra teo amin’ny varavarankely iray nisokatra, tamin’ny alalan’ny tohatra, ary nisy vitsivitsy nahomby.

Ohatra tsara dia tsaran’i Neny

Namely mafy ny Ady Lehibe Voalohany tany Eoropa tamin’izay, ary natahotra izay havoaky ny hoavy ny olona. Araka izany, dia asa mendri-kaja izany hoe mitsidika olona isan-trano, mitondra ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra izany, toy ny nataon’i Neny. Navelany hiaraka taminy aho indraindray, ary tena nankafiziko izany. Tamin’ny 1918, dia afaka nanamarika ny fanoloran-tenany tamin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batisa tao anaty rano i Neny, tamin’ny farany.

Tsy nanembantsembana ny fanompoam-pivavahan’i Neny i Dada hatreo amin’ny batisany, nanomboka nanohitra azy anefa izy avy eo. Indray andro, dia nalainy ny zavatra vita an-tsorany ara-baiboly ary natsipiny tao am-patana. Tsy afaka nisambotra, avy teo amin’ny afo, afa-tsy ny Baiboliny i Neny. Niavaka anefa ny zavatra nataony nanaraka izany. Nankeny amin’i Dada izy ary namihina azy. Tsy nitahiry hatezerana taminy izy.

Gaga izaitsizy i Dada, ary nitony. Kanefa, nirehitra ny fanoherany indraindray, ary voatery niaritra ny fipoahan’ny fahatezerany izahay.

Asa fivelomana sy fandrosoana ara-panahy

Tamin’ny 1924, rehefa avy nahavita atrik’asa naharitra telo taona tamin’ny naha-mpanety aho, dia niala tao an-trano sy nahita asa tao amin’ny faritr’i Soisa miteny frantsay. Nanome ahy fahafahana hanatsara ny fahalalako ny teny frantsay izany. Na dia nanembantsembana ny fandrosoako ara-panahy ihany aza ilay fifindrana, dia tsy nanary ny fitiavako ny fahamarinana ara-baiboly mihitsy aho. Koa rehefa niverina tany an-trano aho enin-taona tatỳ aoriana, dia nanomboka nanatrika ny fivorian’ny kongregasiona kristiana tao Brugg.

Fotoana fohy taorian’izany, dia nifindra tany Rheinfelden, tanàna kely tokony ho 40 kilaometatra avy teo, aho. Niasa tao amin’ny fanaovam-bolon’ny anabaviko aho tany, ary nanohy ny fandrosoako ara-panahy tamin’ny fiaraha-nivory tamin’ny antokon’olom-bitsin’ny Mpianatra ny Baiboly. Indray andro, rehefa namarana ny fianarana Baiboly fanaonay ankobanandro ny Rahalahy Soder, loholona tompon’andraikitra, dia nanontany hoe: “Iza no mikasa handray anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha amin’ny alahady?” Nanolo-tena an-tsitrapo aho, nihevitra aho fa hampiarahina amin’olona ary haseho ahy ny fomba fanaovana ilay asa.

Kanefa, rehefa tonga ny alahady ary teny amin’ny faritaninay izahay, dia nilaza ny Rahalahy Soder hoe: “Erỳ Atoa Obrist no hiasa.” Na dia nidobodoboka mafy tsy nisy toy izany aza ny foko, dia nanomboka nitsidika ny olona tany an-tranony aho ary niresaka tamin’izy ireo momba ny Fanjakan’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 20:20). Nanomboka tamin’izay fotoana izay, dia tsy niroa fo mihitsy aho teo amin’ny fanatanterahana ny asa fitoriana izay nolazain’i Jesosy fa tsy maintsy tanterahina alohan’ny hahatongavan’ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ. (Matio 24:14). Tamin’ny 4 Martsa 1934, fony aho 28 taona, dia nanamarika ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batisa tao anaty rano aho.

Roa taona tatỳ aoriana, dia nahita asa, tamin’ny naha-mpanety aho, tao Lugano, tanàna iray tao amin’ny faritr’i Soisa miteny italiana. Nanomboka nitory ny vaovao tsara tao avy hatrany aho, na dia tsy nahay firy ny teny italiana aza. Kanefa, nahapetraka ireo bokikely 20 tany amiko aho nandritra ny alahady voalohany nanaovako fanompoana. Rehefa nandeha ny fotoana, dia afaka nanangona olona liana vitsivitsy aho mba hahaforona antokon’olona hianatra Ny Tilikambo Fiambenana. Tamin’ny farany, dia natao batisa ny maro tamin’izy ireo, ary tamin’ny Febroary 1937, dia nahaforona kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Lugano izahay.

Roa volana tatỳ aoriana, tamin’ny Aprily 1937, dia naharay taratasy izay nanova ny fiainako tamin’ny fomba nanaitra aho. Izy io dia fanasana hanompo tao amin’ny Betela, araka ny iantsoana ny tranon’ny Sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny tany iray. Nanaiky ilay fanasana avy hatrany aho — fanapahan-kevitra izay tsy nanenenako mihitsy. Araka izany, dia nanomboka asa iray naharitra 60 taona teo amin’ny fanompoana manontolo andro aho.

Fanompoana tao amin’ny Betela tamin’ny fotoam-pikorontanana

Tao amin’ny tanànan’i Berne, renivohitr’i Soisa, no nisy ny Betelan’i Soisa tamin’izany fotoana izany. Nanao pirinty boky sy bokikely ary gazety tamin’ny fiteny 14 izahay tao, ary nalefa eran’i Eoropa izy ireny. Nitondra zavatra vita an-tsoratra vita pirinty nankany amin’ny gara tamin’ny broety aho indraindray, satria tamin’izany andro izany dia tsy nanana kamiaonety azo nampiasaina foana izahay. Tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandaharam-pejy no asa nanendrena ahy voalohany teto amin’ny Betela, nanambatra ny lohavỳ misy firamainty izay nanaovana ny pirinty izahay tao. Tsy ela dia nanomboka niasa tao amin’ny birao fandraisam-bahiny aho ary, mazava ho azy, fa mpanety ho an’ny Fianakavian’ny Betela koa aho.

Nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa tamin’ny Septambra 1939, ary nampiely horohoro nanerana an’i Eoropa ny fanafihan’ny Nazia. Tany tsy nomba ny atsy na ny aroa i Soisa teo afovoan’ireo firenena niady. Tamin’ny voalohany, dia nanohy ny asanay kristiana tsy nisy fanembantsembanana izahay. Avy teo, tamin’ny 5 Jolay 1940, tamin’ny roa tolakandro, raha mbola teo amin’ny biraoko tao amin’ny efitrano fiandrasana aho, dia nisy lehilahy sivily nipoitra, niaraka tamin’ny miaramila nilanja basy nisy benitra.

“Aiza i Zürcher?”, hoy ilay sivily, nitrerona. I Franz Zürcher no mpiandraikitra ny sampana nikarakara ny asa fitorianay teto Soisa tamin’izay fotoana izay.

“Holazaiko hoe iza no mitady azy?”, hoy aho nanontany. Nambeda ahy avy hatrany izy ireo, sy nitaritarika ahy niakatra ny tohatra, ary nitaky ny hitondrako azy tany amin’ny biraon’i Zürcher.

Nomena baiko hivory tao amin’ny efitrano fisakafoana ny mpianakavin’ny Betela rehetra — tokony ho 40 izahay tamin’izany. Narangaranga tao ivelan’ny trano ny basy marovava efatra mba hanakiviana izay rehetra nanandrana nandositra. Tao anatiny, dia miaramila tokony ho 50 no nanomboka nisava ny trano. Nifanohitra tamin’ny nantenainy, fa tsy nahitana porofo hoe voarohirohy tamin’ny fampandrosoana ny fanoherana ny raharaha miaramila ny Vavolombelon’i Jehovah. Kanefa, zavatra vita an-tsoratra betsaka no notanana sy nentina tao anaty kamiaon’ny miaramila dimy.

Rehefa nanda tsy namela ny hanasivanan’ny manam-pahefan’ny fitondram-panjakana Ny Tilikambo Fiambenana izahay, dia naato ny famoahana azy io teto Soisa. Nidika izany fa mpiasa vitsy kokoa no nilaina ho an’ny asa tao amin’ny Betela, ka ireo mpikambana tao amin’ilay fianakaviana izay tanora kokoa dia nampirisihina handeha sy ho tonga mpisava lalana, araka ny iantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah mirotsaka ao amin’ny asa fitoriana manontolo andro.

Fanaovana ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny ady

Tamin’ny Jolay 1940, dia niverina tao amin’ny faritr’i Soisa miteny italiana, teo akaikin’i Lugano, izay nonenako talohan’ny nahatongavako teto amin’ny Betela, aho. Io faritany katolika miorina mafy io, izay teo ambanin’ny hery matanjaky ny Fasisma koa nanomboka tamin’izay, no nanjary nanendrena ahy ho mpisava lalana.

Nahalana no nisy andro iray nandalo ka tsy nanajanonan’ny polisy ahy; nitaky ny hialako tamin’ny asa fitoriana nataoko izy. Indray andro, raha mbola niresaka tamin’ny ramatoa iray teo am-bavahady aho, dia nambeda ahy avy tao aoriana ny lehilahy niakanjo sivily iray, sy nitarika ahy ho ao amin’ny fiara iray mpanao fisafoana, ary nitondra ahy tany Lugano. Tany dia natolony ny polisy aho. Rehefa nofotopotorana aho, dia nohazavaiko fa i Jehovah Andriamanitra no nandidy anay hitory.

“Eto an-tany, dia izahay no mandidy”, hoy ny navalin’ilay manamboninahitra, tamim-pahasahisahian-dratsy. “Afaka mandidy any an-danitra Andriamanitra!”

Nandritra ny ady, dia tena niankinan’ny aina ny nanarahanay ny torohevitr’i Jesosy mba “ho malina tahaka ny bibilava ary anefa ho tsy manan-tsiny tahaka ny voromahailala.” (Matio 10:16, NW ). Araka izany, dia nanafina ny ankamaroan’ny zavatra vita an-tsoratro tao amin’ny paosy anatin’ny lobako aho. Ary mba hahazoana antoka fa tsy hisy na inona na inona ho very, dia nanao pataloa fohy, izay nifatotra mafy teo ambony lohalika aho.

Rehefa nandeha ny fotoana, dia nandray toromarika hifindra tao amin’ny lohasahan’i Engadine aho, nitohy ny fangalampiery tamin’ny polisy tao. Lohasaha tsara tarehy any atsinanan’i Alpes eto Soisa izy io, ary tototry ny antontan-dranomandry rehefa ririnina, koa nanafatra ireo skis-ko aho mba hahafahako handeha eran’ilay faritany.

Tena ilaina ny gan-tanana mafana rehefa hanao dia amin’ny skis mandritra ny ririnina mangatsiaka. Noho ny gan-tanako nampiasaina foana, tsy ela dia nanomboka ho rovitra izy ireo. Velom-pankasitrahana toy inona moa aho, indray andro, naharay fonosana tsy nampoizina tanteraka, tamin’ny alalan’ny paositra. Akanjo ba nataon-tanana sy gan-tanana nafana no tao anatiny! Anabavy kristiana iray tao amin’ny kongregasiona nisy ahy teo aloha tao Berne no nanao azy ireo. Na dia amin’izao fotoana izao aza, rehefa nieritreritra momba izany aho, dia voatosiky ny fankasitrahana.

Tombontsoa mahafaly maro

Tamin’ny 1943, dia nanomboka tsy nihilangilana ny toe-javatra teto Soisa, ary nantsoina hiverina hanompo teto amin’ny Betela indray aho. Noho ny zava-nanahirana sasany tao amin’ilay kongregasiona miteny frantsay tao Lausanne, tokony ho 100 kilaometatra niala teo, dia notendrena hitsidika io tanàna io tsy tapaka aho, mba hanampy ireo mpitory hanana fomba fijery mety momba ny fandaminan’Andriamanitra.

Nanompo tamin’ny naha-mpiandraikitra ny fizaran-tanin’ny kongregasiona frantsay rehetra teto Soisa aho tatỳ aoriana, nandritra ny fotoana kelikely. Niasa teto amin’ny Betela aho teo am-piandohan’ny herinandro, fa ny zoma sy asabotsy ary alahady kosa dia nolaniko nitsidihana kongregasiona hafa isan-kerinandro mba hitondra fanampiana ara-panahy. Fanampin’izany, rehefa niforona ny kongregasiona miteny frantsay iray tao Berne tamin’ny 1960, dia nanjary ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha tao aho. Nanompo toy izany aho hatreo amin’ny 1970, rehefa nifindra avy tao Berne ho ao amin’ny toerana tsara tarehy misy azy ankehitriny ao amin’ny tanànan’i Thoune ny Betela.

Faly aho nahita antokon’olom-bitsin’ireo Vavolombelona miteny italiana tao Thoune, ary nanomboka niara-niasa tamin’izy ireo. Rehefa nandeha ny fotoana, dia voaforona ny kongregasiona iray ary nanompo tao tamin’ny naha-mpiandraikitra mpitantan-draharaha aho nandritra ny taona maro, mandra-pananan’ireo rahalahy tanora kokoa ny toetra ilaina mba hiantsorohana io andraikitra io.

Noraisiko ho tombontsoa nahafaly manokana ny fanatrehana ny fivoriambe niraisam-pirenen’ny vahoakan’i Jehovah. Tamin’ny 1950, ohatra, dia nisy ny Fivoriambe tsy hay hadinoina, dia ny Fitomboan’ny Teokrasia, tao amin’ny Yankee Stadium, any New York. Namela soritra naharitra tao amiko ny fitsidihana ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Brooklyn, any New York. Tsy hohadinoiko na oviana na oviana koa ny lahatenin’ny Rahalahy Milton G. Henschel, ny taona nanaraka, tao amin’ny Fivoriambe Fanompoam-pivavahana Madio, tany Londres, Grande-Bretagne. Io fivoriambe io dia nanasongadina ilay tenin’i Jesosy hoe: “Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso.” (Lioka 19:40). Nanontany ny Rahalahy Henschel hoe: “Heverinareo ve fa voatery hiantsoantso ny vato?” Mbola reko foana, ao an-tsofiko, ny fanakoakon’ny hoe “Tsia!”, notononin’ny olona an’aliny maro.

Fony niverina teto amin’ny Betela indray aho tamin’ny 1937, ny raiko, izay nahafantatra fa tsy nandray afa-tsy vola fanampiana kely izahay, dia nanontany ahy tamim-panahiana hoe: “Ahoana no fomba hiainanao rehefa antitra, anaka?” Namaly azy aho tamin’ny fanononana ny tenin’i Davida mpanao salamo manao hoe: ‘Tsy hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.’ (Salamo 37:25). Azo antoka fa tanteraka tamiko ireo teny ireo.

Toy inona moa ny hafaliako noho ny nanambadian’i Berta Weibel an’i Dada, 80 taona mahery lasa izay, sy noho ny nanjary nahafantarako an’i Jehovah sy ny toetrany tamin’ny alalan’ny ohatra sy ny tari-dalana nomen’i Berta! Na dia naneso azy aza ny mpianakavy sasany, dia nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana izy hatreo amin’ny fotoana nahafatesany tamin’ny 1983. Tsy nampiseho nenina mihitsy izy noho ny nanompoany an’i Jehovah Andriamaniny; toy izany koa fa tsy nanenenako velively ny nijanonako ho mpitovo sy ny nanokanako ny fiainako manontolo ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah.

[Sary, pejy 25]

Eo am-piasana eto amin’ny Betela

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara